---
type: BookChapter
work_id: '1006'
book_url: https://nasa.misia.sk/books/1257
book_markdown_url: https://nasa.misia.sk/books/1257.md
language: mg
position: 41
canonical_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557
markdown_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557.md
markdown_source: converted
updated_at: '2019-07-30T07:59:53Z'
translations:
  mg: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557.md
---

# Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

## Tsy mahafatiantoka ny mandinika izany

Nandritra ireo 4000 taona, hatramin’i Adama ka hatramin’i Kristy, dia tsy mba nisy olona niresaka tamina Ray izay any an-danitra (na Abrahama, na Mosesy, na mpaminany hafa) ary vao mainka koa, tsy nisy niresaka tamina Zanak’Andriamanitra. Tsy nisy koa, tany an-danitra, resaka nifanaovana tamin’ny Ray sy ny Zanaka. Tato aoriana, dia tsifahazoana maro an’ireo Soratra Masina no natsofoky ny olona, noho ireo fandikana vilana natao mba nanohanana ny làlan-tsaina “telo-izay-iray“. Ohatra amin’ireo izay nadika vilana, dia ny filazana: *«****Andeha isika hamorona****olona tahaka ny endritsika…»*(Gen.1:26), na koa mikasika ny Genesisy 11:7, izay nitenenan’Andriamanitra hoe: *«****Aoka isika hidina****, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.»*(Genesisy 11:7)

Tsy niresaka tamin’ny tenany Jehovah-Andriamanitra *[Andriamanitra Mandrakizay]*, ary tsy niteny tamin’andriamanitra iray hafa koa Izy, fa tamin’ireo anjely nanodidina Azy. Hahitantsika fanamafisana maro izany, ary koa ao amin’ny 2 Tantara 18:18-22: Ilay Mandrakizay *[Jehovah]*niresaka tamin’ireo tafiky ny lanitra teo ankaviany sy teo ankavanany. Ao amin’ny Isaïa 6:1-18; hoy Jehovah *[*ilay Mandrakizay*]*tamin’ireo serafima nitoetra nanodidina Azy: *«****Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?****»*(and.8). Izy koa dia efa nanontany an’i Joba hoe: *«Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? … Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina,****ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra****?»*(Joba 38:4,7)

Ny Tompo, amin’ny maha-Zanakalahin’Andriamanitra Azy, dia niova endrika ho toa antsika, tao anaty vatan’olombelona: *«fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy****nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona****;»*(Filipiana 2:7). Nandrotsaka ny Ràny Izy ho famelana ireo fahotantsika: *«fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.»*(Matio 26:28) Nanao ny Fanekena vaovao tamintsika Izy: *«Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany,»*(Efesiana 1:7), ary nanome antsika ny fananganana: ***«Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany****…»*(Galatiana 4:4-7)

Tsara ny mahafantatra fa ILAY MANDRAKIZAY/YAHVÉ *(Jehovah)*an’ny Testamenta Taloha ihany no ilay TOMPO/YAHSHUA *(Tompo-Jesosy)*an’ny Testamenta Vaovao. Hatra tao amin’ny saha Edena, ilay Andriamanitra mandrakizay tsy mety hita, dia niseho endrika mety hita, amin’ny maha-Tompo Azy, nandritra ny Testamenta Taloha. Nitsidika an’i Abrahama Izy, niaraka tamin’ny anjely anankiroa: ***«Ary Jehovah niseho tamin’i Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre, … dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, …»***(Genesisy 18:1-2). Mbola niresaka tamin’i Abrahama Jehovah *[ilay Mandrakizay ] (and.17),*raha efa lasa nankany Sodoma ireo anjely anankiroa (toko 19). Jakoba dia nahita Azy, teo ambonin’ny tohatra izay nitohaka ny lanitra: ***«Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;»***(Genesisy 28:12-15). Niseho tamin’i Mosesy Izy, tao amin’ny roimemy nirehitra *(Eks.3)*, ary niseho tamin’ny vahoakan’Isiraely rehetra tao amin’ny Andry rahona sy afo *(Eks.40:34-38)*. Niresaka nifanatri-tava tamin’i Mosesy mihitsy aza Izy *(Deot.34:10)*. Ny mpaminany Mika dia nahita an’i Jehovah teo amin’ny sezafiandrianana *(1 Mpanj.22:19)*, toa an’ny mpaminany Isaia koa *(Is.6)*. Ny apostoly Jaona koa dia nahita Azy teo amin’ny sezafiandrianana: ***«…ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.»***(Apok. 4:2). Tsy olona iray faharoa io, fa ny tenan’ Andriamanitra izay Fanahy, amin’ny maha Tompo Azy, amin’ny endrika hita maso.

Ato amin’ny Testamenta Vaovao, Andriamanitra, amin’ny maha-Ray Azy any an-danitra, dia niseho teto amin’ny tany tao amin’ny Zanany naterany. Amin’ny maha Zanaka Azy, dia niteny Izy hoe: ***«Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho …»***. Dia namaly Azy ireo mpianatra hoe: ***«… izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Hianao.»***(Jaona 16:28-30). Raha vao vita ny fanavotana, dia nipetraka teo an-kavanan’ny Ray Izy, amin’ny maha Zanak’Olona Azy *(Mat.26:63-64): «…Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho…»*(Jean 20:17). Tao amin’ny Salamo 110:1 sahady, dia efa naminaniana hoe: ***«… Mipetraha eo an-tanako ankavanana, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»***(Mat.26:64; Lio.22:69; Jereo koa Heb.1:13 sy Heb.2:7-8, sy ny hafa). Amin’ny maha-Tompo Azy (fa tsy maha-Zanaka), dia afaka niteny Izy hoe: ***«Lazaiko aminareo marina tokoa, fony tsy mbola àry Abrahama, dia IZY AHO.»***(Jaona 8:58)

Ilay **“IZAHO IZAY IZY“**, ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao:

***«IZAHO NO JEHOVAH [ILAY MANDRAKIZAY], Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.»***(Isaia 43:15)

***«IZAHO dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.»***(Isaia 43:25)

***«Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; IZAHO no voalohany, ary IZAHO koa no farany.»***(Isaia 48:12)

***«Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka AHO. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.»***(Jaona 18:37)

Hitantsika matetika ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona ny fanondroana: “IZAHO“: ***«IZAHO no mofon’Aina. IZAHO no fahazavan’izao-tontolo-izao. IZAHO ilay Mpiandry tsara. IZAHO no fananganana amin’ny maty. IZAHO no làlana, sy fahamarinana ary fiainana.»***

***«IZAHO no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo-Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.»***(Apokalypsy 1:8)

***«IZAHO no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.»***(Apokalypsy 22:13)


## Chapter navigation

- [Previous chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2556.md)
- [Book contents](https://nasa.misia.sk/books/1257.md)
- [Next chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2558.md)

## Available translations

- [Malagasy](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557.md)

## Source

- [Canonical HTML page](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557)
- [Markdown representation](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2557.md)
