---
type: BookChapter
work_id: '1006'
book_url: https://nasa.misia.sk/books/1257
book_markdown_url: https://nasa.misia.sk/books/1257.md
language: mg
position: 48
canonical_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564
markdown_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564.md
markdown_source: converted
updated_at: '2019-07-30T07:59:58Z'
translations:
  mg: https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564.md
---

# Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

## Tsy maintsy misy milaza izany

Fantatry ny rehetra fa ireny fivavahana ireny dia nandray fahefana mifehy vahoaka sy firenena manontolo: Etsy, ny kristianisma, eroa ny Silamo, erỳ ny indoïsma na ny bodisma. Araka izany, ny atsimon’ny Eropa, hatramin’i *Italie*ka hatramin’i *Espagne*sy *Portugal*, dia voafehin’ny katolisisma, raha ny avaratra kosa, hatrany *Suede, Norvege, sy Finlande*, dia ny protestanta no maroanisa. Raha ny an’i Amerika avatra, dia hitantsika fa Etazonia sy *Canada*dia voatentin’ny protestantisma ihany koa, fa ireo firenena an’ny Amerika atsimo sy ny Amerika afovoany, dia voatentin’ny katolisisma. Any *Inde*, amin’ny ankapobeny, dia ny indoïsma no manjaka. Ao amin’ny *Moyen Orient*manontolo, dia ny silamo, ary any Azia dia ny bodisma no maroanisa. Ny itovizan’ireo fivavahana rehetra ireo dia ny tsifananany teny fikasana avy amin’Andriamanitra, koa tsy manam-pitohizana Aminy. Noho izany, dia tsy maintsy lazaina mazava tsara hoe: **ny famonjen’Andriamanitra dia tsy ao amina fivavahana na fiangonana, na tokana aza, fa ao amin’i Jesosy-Kristy irery ihany.**Ireo fampanatenan’olombelona rehetra mikasika ny lanitra sy ny Paradisa dia tsy misy ifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy ilay Tokana, dia ny Mpamonjy, Izy ihany, no afaka milaza hoe; ***«Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.»***(Lioka 23:43)

Tsy misy amin’ireo mitonon-tena ho fiangonana kristiana ireo no ilay Fiangonana naorin’i Kristy, ilay Mpanavotra; na ny katolika, na ny ortodoksa, na ny anglikana, na ny loteriana, na ny kalvinista, na koa ny kopta, sy ny hafa. Fa kosa, ohatra, ekena fa ny pàpa no filohan’ny fiangonana katolika romana, ny patriarka no filohan’ny fiangonana ortodoksa, saingy ireo tsy filohan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy. Miharihary fa ny arsevekan’i Canterbury no filoha ara-panahy an’ny fiangonana anglikana, kanefa tsy filohan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy izy. Toy izany avokoa amin’ireo fivavahana kristiana rehetra, na misy fihavahana aza amin’ny samy izy, izay manaiky avokoa ny fanekem-pinoanan’i *Nicée*-*Constantinople*, ikambanany amin’i Roma. Araka an’ny *encyclopédie Wikipedia*, ny fepetra anekena ho singan’ny vondrona protestanta, eo anivon’ny “Filankevitra ekiomenika an’ny fiangonana maneran-tany“ voalohany, dia “**ny fanekem-pinoana amin’ilay Andriamanitra trinitera, voalazan’ny Soratra Masina, araky ny anehoan’ny Famantaran’i *Nicée*-*Constantinople*izany finoana izany.»**

**Fa izany dia tsy fanekempinoanan’ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona**. Ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy dia mino Andriamanitra tokana, araka ny tena anambaran’ny Baiboly izany. Ao aminy no misy ireo mpino ara-Baiboly, amin’ny fotoana rehetra, amin’ny firenena rehetra, sy vahoaka ary fitenim-pirenena rehetra. Ny Tompo, Izy mihitsy, no niteny hoe: ***«Ny fanjakako tsy avy amin’izao-tontolo-izao…»***Tsy fivavaham-panjakana iray nifaneken’ny olona ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona, fa Izy dia ny Vatan’i Kristy, araka ny voasoratra, hoe ***«Ianareo no Tenan’i Kristy, ka samy momba ny Tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.»***(1 Korintiana 12:27). Jesosy-Kristy no Lohan’io tena Fiangonan’ireo voavotra io *(Efesiana 4:15)*; ary ny Baiboly irery no fahefana tokana ao Aminy, amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy.


## Chapter navigation

- [Previous chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2563.md)
- [Book contents](https://nasa.misia.sk/books/1257.md)
- [Next chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2565.md)

## Available translations

- [Malagasy](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564.md)

## Source

- [Canonical HTML page](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564)
- [Markdown representation](https://nasa.misia.sk/book_chapters/2564.md)
