---
type: BookChapter
work_id: '1524'
book_url: https://nasa.misia.sk/books/1129
book_markdown_url: https://nasa.misia.sk/books/1129.md
language: mg
position: 31
canonical_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205
markdown_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205.md
markdown_source: converted
updated_at: '2020-06-07T11:07:15Z'
translations:
  mg: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205.md
---

# TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994

## NY VONDRONA EROPEANA

Hita miharihary fa miseho indray ny herin’ilay Fanjakana lehibe Romana amin’ny alalan’ny vondrona Eoropeana. Ankehitriny, ireo firenena tao anatin’ny AELE fahiny, dia mifanesy miditra anatin’io Vondrona io. Ireo izay tsy nahomby tamin’ny andrana voalohany, dia tafiditra tamin’ny faharoa tamin’ny alàlan’ny vaton’ny maro an’isa. Izany no hitantsika vao haingana tamin’i *Autriche*, *Finlande*ary *Suède*. Tsy afaka misakana ny fahatanterahan’ny faminaniana mikasika ny andro farany isika. Hivondrona ho eo ambanin’ny fifehezan’i Roma-mpivavaka avokoa ny rehetra. Ny manaitra amin’izany rehetra izany dia ny fiankinan’ny Pàpa sy ireo mpanohana azy amin’ireo voalaza fa fisehoan’i Maria tao *Fatima*tamin’ny 1917, sy izay ho nolazainy tamin’ireo mpiandry ondry telo.

Izay mamaky ny lahatsoratra navoakan’ireo manamboninahitra katolika mikasika izany, dia mahafantatra ny hevitra fonosin’ny fanambarana fa Eropa iray manontolo dia natolotra ho an’ny fo-madion’i Maria. Dia toy izany no nanangolena ny zanakolombelona mba hanome voninahitra ny vehivavy iray, toy izay efa natao hatrizay tany anatin’ireny fivavahana tranainy ireny. Ity filazana manaraka ity, hono, dia maneho mazava izany: “FIADANANA SY FIRAISANA”**.**Zavatra anankiroa no mamintina ireo fepetra napetraky ny Lanitra hisian’ny fiadanana dia: ny fivavahana amin’ny Rozery, ary ny fanolorana izao-tontolo-izao ho an’ny fo-madion’i Maria…. Satria izao-tontolo-izao dia maniry fatratra ny isian’ny fampiraisana amin’izay rehetra mahakasika izao-tontolo-izao, ny Tompo-Mpampianatra dia te-hitondra ny firaisana ara-pivavahana ho an’ny olona rehetra. Noho izany Izy dia maniraka… an’i Maria koa ho Andriambavin’ny firenena rehetra.”

Ny 24.12.1941, ny Pàpa *Pie XII*dia nampirisika ny hananganana Eropa vaovao sy izao-tontolo-izao vaovao.

Ny 20.03.1953, nivoaka ny fanambarana hoe: “Ry vahoakan’ny Eropa, mivondrona ianareo…”

Ny 25.03.1957, nijoro ny Vondrom-barotra Eoropeana (CEE).

Ny 12.09.1958, *Montini,*arsevekan’i *Milan*, dia nanolotra sarivongan’i Maria (*Madone*) ho an’ny Eropa, nampitondraina ny anarana hoe “’Andriambavy malalanay sy Tompon’ny Eropa” *(Notre Dame chérie et Patronne de l’Europe). *

Maria no ataon’ny fiangonana katolika ho ilay sarin’ny “vadin’ny masoandro” ao amin’ny Baiboly, izay manao satroboninahitra, misy kintana 12. Ny Pàpa *Jean Paul II*dia nilaza hoe: “Andao indray isika hitodika any amin’ny Renin’ilay Mpanavotra izao-tontolo-izao, ilay vehivavy ao amin’ny fanambarana zavamiafin’i Jaona, ilay vehivavy mitafy masoandro”.

Ny 16 Septambra 1978, ny eveka *Dr Graber*, nilaza hoe: “Nitaky ny hisian’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ireo mpomba an’i Maria ato Eropa aho… Mivavaka sy mifona mangina izahay mba hiverenan’ny firenena tandrefana amin’ny endriny taloha, ho *Imperium Marianum*(fanjakana lehibe mpanompo an’i Maria).”

Maro araka izay ilaina ny fanambarana hafa mbola azo ampiana.

Ireo kintana roambinifolo an’ny saina Eropeana dia manaporofo ny maha vahindohany ny katolika-romana**.**Ataingina eo ambonin’ny fampivondronana ara-politika ny fampivondronana ara-pivavahana, ka ilofosana ny hahafoana izay rehetra mety ho vokatry ny Fanavaozana *(Reformation)*, ary izany dia tonga hatramin’ny fitarihana ireo protestanta amin’ny fanamelohan-tena.

Ireo protestanta *[Protestanta dia midika hoe “mpanohitra”—F.n.m]*dia tsy manohitra intsony, anenenan’izy ireo aza ny nahavaky ny Fiangonana. Na ireo ambony toerana ao amin’ny Fiangonana evanjelika aza, dia tsy mahafantatra intsony ireo zavatra nitranga nandritra ireo taonjato voalohany tamin’ny andron’ny kristianisma. Toa tsy misy mahafantatra fa tao amin’ny taonjato voalohany, tsy mba nisy izany Fiangonan’i Roma tokana izany, fa Fiangonana isan-tanàna ary fireham-pinoana samihafa no nisy. Tamin’ny fidirana an-tsehatra an’i *Constantin*vao niantomboka io fivoaran-javatra io, ary tamin’ny alàlan’ny fampiasana ny herin’ny Fanjakana mihitsy no nahavitana izany, ny faran’ny taonjato fahefatra sy nandritra ny fahadimy. Raha ny fiangonan’i Roma akory, tsy mba ny Fiangonan’ i Jesosy Kristy mihitsy. 

Tamin’ny fotoana rehetra sy tamin’ny firenena rehetra, dia nisy hatrany ny fiangonana madinika an-tokantrano. Nisy mandrakariva ny olona nahazo traikefa manokana, ary tamin’izany dia voasokajy ho isan’ny olom-bonjena. Tsy rafi-pandaminana eo ambany fifehezana sy tarihin’olombelona ny Fiangonan’i Jesosy Kristy, fa vatana velona iray ts**y**fehezan’iza afa-tsy i Kristy, ilay Loha, ary manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ny fitranga-ho-azy sy an-karihary an’ny zavatra rehetra dia mampiseho tsara ny fandehan-javatra. Indraindray aza misy mpanao kisarisary tsy mpino mahazo tsindrimandry. Ohatra amin’izany ny kisarisary iray maneho ilay vehivavy janga, tsy mitafy ambony, izay mitaingina ny Bibidia, ary eo ambaniny ahitana ny tongotr’ireo olon’ireo Fanjakana efa mpikambana ao amin’ny Vondrona, ary any amin’ny rambony ahitana ireo vao miditra ho mpikambana ao ankehitriny.


## Chapter navigation

- [Previous chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4204.md)
- [Book contents](https://nasa.misia.sk/books/1129.md)
- [Next chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md)

## Available translations

- [Malagasy](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205.md)

## Source

- [Canonical HTML page](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205)
- [Markdown representation](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205.md)
