---
type: BookChapter
work_id: '1524'
book_url: https://nasa.misia.sk/books/1129
book_markdown_url: https://nasa.misia.sk/books/1129.md
language: mg
position: 32
canonical_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206
markdown_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md
markdown_source: converted
updated_at: '2020-06-07T11:07:15Z'
translations:
  mg: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md
---

# TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994

## HO AVY NY FAMORETANA

Ny famoretana dia ho atao amin’ireo tsy hanaiky io fampiraisana lehibe io. Ohatra, dradradradraina mafy ny “hanaraha-maso ireo sekta”, isaky ny hita amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety ny fihetsika mahatsiravina itarihana olona marobe ho faty ataon’ireo mpitarika fivavahana mirehidrehi-poana, tahaka an’i *Jones*tany *Guyane*, taona vitsivitsy lasa izay, ary koa *David Koresh*tany *Waco-Texas*, ary ankehitriny *Luc Jouret*sy *Joseph Di Mambro*any *Suisse*andrefana.

Ny hainoamanjery sy ny sarambabem-bahoaka dia tsy mahita mihitsy ny fiavahan’ireo fiangonan’ny mpino ara-Baiboly izay manana fiainana toy ny olona rehetra, amin’ireo misy olona itoeran’ny demonia. Alaim-baraka mandrakariva ireo mpino tsy mpikambana amin’ireo Fiangonana ofisialy. Ary tsy vitsy ireo minisitra *[minisi-pitondram-panjakana—F.n.m]*izay efa miteny tsy an-kiafina sahady ny tokony hanarahan’ny Fanjakana maso ireo sekta.

Ireo izay afaka nandinika ny sarin’ireo toerana nitrangàn’ny zavatra tany *Suisse,*dia afaka namantatra ny naha-katolika ny *“Ordre du Temple du soleil”:*amin’ny alitara, ireo lakroa sy ireo labozia, sy ny sisa. Kanefa ny fiviliana toy ireny no araraotina iampangana amin’ny vahoaka ireo fiangonan’ny mpino tsy miankina. Na izany na tsy izany, fantatsika tsara fa amin’ny dingana farany mialoha ny Fiverenan’ny Tompo, rehefa hisy zavatra lehibe hitranga, hitombo ny fanenjehana ireo tena mpino, toy izay efa voalazan-drahalahy *Branham*.


## Chapter navigation

- [Previous chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4205.md)
- [Book contents](https://nasa.misia.sk/books/1129.md)
- [Next chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207.md)

## Available translations

- [Malagasy](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md)

## Source

- [Canonical HTML page](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206)
- [Markdown representation](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md)
