---
type: BookChapter
work_id: '1524'
book_url: https://nasa.misia.sk/books/1129
book_markdown_url: https://nasa.misia.sk/books/1129.md
language: mg
position: 33
canonical_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207
markdown_url: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207.md
markdown_source: converted
updated_at: '2020-06-07T11:07:16Z'
translations:
  mg: https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207.md
---

# TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994

## ISIRAELY, LASIBATRY NY FANENJEHAN’NY REHETRA

Mbola misy làlan-tsarotra miandry azy ny vahoaka jiosy. Efa noraiketina ho amin’ny may 1996 ireo fifanarahana mikasika an’i Jerosalema. Kanefa ankehitriny sahady *(janoary 1995)*, feo maro isan-karazany no re, mitaky zo handray anjara amin’ireo fifanarahana; anisan’izany ny *cheik Ikrima Sabri*, ny *Imam*an’ny *mosquée Al-Aksa*ao Jerosalema. Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety izy dia nampitainy tamin'ny arofenitra izao lahateny izao izay maneho mazava tsara ny heviny: “Afaka manapaka izay tiany Isiraely. Amiko sy amin’ny mpino rehetra, ny fibodoan’Isiraely an’i Jerosalema dia tsy mitombina sady tsy manan-kery. Tsy Isiraely, fa izahay no vato-tsy-azon’iza-n'iza-tsinontsinoavina. Izahay Palestiniana no tena mpandray anjara amin’ireo fifanarahana ireo. Raha misy gisitra hanan-jo amin’ny fanapahan-kevitra mikasika an’i Jerosalema dia ny Isrelita. *Jordanie*koa tsy manan-draharaha amin’i Jerosalema. Manana ny lanjany ara-pivavahana sy ara-politika i Jerosalema. Raha tsy miverina ny zonay mikasika an’i Jerosalema, hirodana io fifanarahana ho amin’ny filaminana io; na firy na firy aza ny fifanarahana mety ho efa vita adivarotra amin’ny Israelita sy ny Arabo.”

Ny filohan’ny *OLP, Yasser Arafat*kosa nanome ity lahateny ity tamin’ny arofenitra: “Henoinareo aho, ry *Hussein*sy *Rabin*, Jerosalema dia renivohitr’i *Palestine*foana, n’inona n’inona fifanarahana vitanareo sonia, na ny tany *Amman*na ny tany an-kafa. Jerosalema no tsy maintsy iadivana. Heverinareo fa mbola lavitra izany: Fa izahay kosa mihevitra fa efa antomotra izany…”

Ny dinika farany indrindra amin’ny firosoana ho amin’ny filaminana dia tsy maintsy ho mikasika an’i Jerosalema. Tsy hisy fitsaharana, ary indrindra tsy hisy fandriampahalemana hipetraka any. Tsy hitsahatra ho matoan-dahatsoratry ny gazety ny fitantarana hatrany ireo zava-mitranga ao *Jeriko*sy ao amin’ny “faritr’i *Gaza*”, ary eny amin’ny havoanan’i *Golan*sy any an-kafa. Ny mampalahelo dia akaiky loatra an’i Jerosalema ireny toerana misy korontana ireny. *Gaza*izay tsy misy afa-tsy 80 km miala an’i Jerosalema dia tsy mba voababon’ny fokon’i Joda mihitsy araky ny baiko nomen’i Josoa azy ireo (Mpitsara 1.18). Kanefa araka ny fampanantenana ao amin’i Zefania 2:4-7, ny faritry ny Filistina rehetra dia ho eo ambany fifehezan’ny fokon’i Joda avokoa, raha vao ho tafapetraka eo ambany fifehezan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. “Ry Andriamanitr’Israely ô, miantrà an’Israely Vahoakanao!”, izany no italahoanay.


## Chapter navigation

- [Previous chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4206.md)
- [Book contents](https://nasa.misia.sk/books/1129.md)
- [Next chapter](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4208.md)

## Available translations

- [Malagasy](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207.md)

## Source

- [Canonical HTML page](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207)
- [Markdown representation](https://nasa.misia.sk/book_chapters/4207.md)
