Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

NY METY SY TOKONY ATAO

«

Mandritra ireo fotoana manokana itsidian’ny Tompo, amin’ny fomba mahagaga, dia tsy maintsy mitandrina betsaka ireo olona izay vao nivoaka ny rojo namatotra azy ireo mba hitoetra amin’ny fahononan-tena, amin’ny fanahy tsara sy fihetsika marina, raha ny mikasika ireo zavatra an’Andriamanitra. Mora tokoa mantsy ny manaiky zavatra sarintsariny fotsiny, ary noho izany, mahatonga ny Fanahy Masina halahelo, ka hanalavitra antsika. Raha tsy mitandrina ny hitoetra ao amin’ny Teny ireo mpino, dia mirona moramora foana amin’ny fanompoan-tsampy, kanefa sady tsy hahatsapa izany fironana izany akory.

Niodina tamin’Andriamanitra ireo zanak’Isiraely, ka nahatonga ny latsa tAminy sy tamin’ny Teniny, raha nanao zanak’omby volamena izy ireo. Tena tsy hay saintsainy izany, raha i Arona, izay akakiky indrindra ny mpaminany, no nanangona ny vahoaka nampidirana ny fanompoan-tsampy teo amin’Isiraely. Fampitahana ara-nofo no nanajamba ny mason’izy ireo, ka natsatsoiny ny minisiteran’ilay mpaminany izay nirahin’Andriamanitra, noho izany.

Lesona lehibe loatra ho antsika izany! Tsy mba manavakavaka olona Andriamanitra. Mahatonga antsika ho tompon’andraikitra bebe kokoa aza ny niarahantsika namindra tamin’ny mpaminany. Aorian’ny minisitera toy io, dia misy hatrany vanim-potoana ho an’ny fakam-panahy. Isika àry dia voatery tsy maintsy mamantatra ny zavatra rehetra amin’ny alàlan’ny Tenin’Andriamanitra. Ireo Isiraelita ireo dia tsy nahatsapa fa, noho ny nataony, dia izy ireo mihitsy no nanamavo ny minisiteram-paminaniana; tsy fantany fa izy ireo no nitondra ny latsa tamin’ny zavatra nataon’Andriamanitra. Mbola mitoetra hatrany ity Teny ity: «Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.» (Isaia 42:8)

Mety miverina indray ve ny tantara eo amin’ireo izay nantsoina nivoaka ireo anaram-piangonana? Ny tena Ampakarina dia mitoetra amin’ny Teny. Mino Azy izy ary mankatò Azy. Tsy ho voataona hitodika amin’ireo mpanita-javatra izy. Mino izy fa Andriamanitra dia hahatody ny zavatra rehetra hifanaraka amin’ny Planiny sy ireo Sitrapony.

Rehefa atao araka ny didin’Andriamanitra ny zavatra iray, dia ahazoana fitahiana. Kanefa io zavatra io ihany dia mety hahatonga ozona, raha misy fanahim-panompoan-tsampy tafiditra, ary koa raha hadika ara-nofo izany. Noho izany àry, ny mpino rehetra dia ilaina hilahatra amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Ao amin’ny hafatra ho an’ny andro farany ihany dia misy ny tolotsain’Andriamanitra rehetra, izay nampahafantariny tamin’ny alàlan’ny fanambarana avy tAminy. Ary io hafatra io dia tsy maintsy apetraka tsara ao amin’ny famelabelarana ny Planin’Andriamanitra. Isika tsy afaka manorina zavatra miainga avy amin’ny filazana iray izay notsoahina ivelan’ny manodidina azy, fa tsy maintsy miainga avy amin’ny fototra mafy an’ireo Soratra Masina, izay jadona ho antsika. Tsy maintsy fantarina ary apetraka tsara amin’ny toerany ao amin’ny Baiboly manontolo ireo hafatra nentin-drahalahy Branham. Tsy mahazo mihambo ho tarihin’ny Fanahin’i Kristy izay rehetra tsy te-hamela ny Tenin’Andriamanitra ho tompon-teny farany, ary na ho ela na ho aingana, dia hivily hiala ny Fahamarinana izy.

Tsy nanomboka fivavahana vaovao Andriamanitra, na nanome Baiboly vaovao. Teo afovoan’ireo anaram-piangonana sy vondrom-pivavahana hatrany no nitoetra ny rahalahy Brahnam, nitory ny Tenin’Andriamanitra marina, mba iantsoana ny vahoaka hivoaka ho an’ny Tompo. Na inona na inona no notoriny, dia tsy maintsy dinihina miaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy azo anampiana na analana.

Tsy nisy vanim-potoana toy ny ankehitriny, teto amin’ny tany, izay nanambarana amin’ny antsipiriany ny Drafi-panavotana, saingy avy teo indrindra, tonga ny fahavalo namafy ny voany nitondra fisarahana sy tsifiraisan-tsaina (Matio 13).-Aoka isika tsy ho voakorontana na ho variana noho izany, satria toy izany foana, hatra tao amin’ny saha Edena ka hatra tao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Isaky ny misy lehilahy iray tena an’ Andriamanitra mipoitra an-tsehatra, dia misy mpaka-tahaka foana manaraka aorianany. Na tamin’ny andron’i Paoly aza, efa nisy olona nitory fampianaran-diso.

Araka ny Tenin’i Kristy, dia avelaontsika hiara hitombo eny ireny zavatra ireny mandra-pahatonga ny fotoan’ny fijinjana. Amin’izay ny tsimparifary dia hosarahana amin’ny voambary. Mandra-pahatonga izany, dia hirotsaka amin’ireo voa anankiroa ireo ny orana, amin’ny marina sy amin’ny tsimarina, ary ny masoandro hiposaka amin’ny tsara fanahy sy amin’ny ratsy fanahy.

Mifehi-tena ireo singan’ny Vatan’i Kristy mba tsy hanome fandikana manokana, na amin’ny Teny, na amin’ireo fahitana, na amin’ireo toriteny. Fa izy ireo mitory ny Teny, ary mamela ny sisa rehetra eo an-tànan’ilay Andriamanitra-Tsitoha. Raha manome fahitana iray, na teny fikasana iray ny Tompo, Izy irery ihany no hiahy an’izany. Tsy mila olon-kafa Izy handeha atsy na aroa hiresaka ny amin’izany, satria Izy mihitsy no hitandrina izany ho tanteraka. Na inona na inona tenenin’ny Tompo, na asehony amin’ny fahitana, dia mitoetra ho andraikiny izany rehetra izany. Amin’ny androny sy ny fotoany no hanambarany ny dikan’izany.

Misy mihevitra fa mbola tsy tanteraka ny sasany amin’ireo zavatra hitan-drahalahy Branham tamin’ny alalan’ny fahitana. Aza adinointsika fa indraindray, ny zavatra ara-nofo dia misy dikany ara-panahy. Na maro aza ireo mpaminany toa nilaza zavatra tsy maintsy hitranga taminy manokana, dia tsy voatery ho mbola velona izy ireny tamin’ny fotoana fahatanterahan’izany zavatra izany. Kanefa ny fahitana azony dia «Izao no lazain’ny Tompo».

Raha mbola nivavaka teo an-tafotrano marindrano i Petera, dia nahazo fahitana iray tena manokana izy. Hitany tamin’izany ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka ety an-tany, sns… Zavatra tena nahagaga izany. Ary nisy feo nanao taminy hoe: « vonoy, ka hano.». Tsy mety ampiharina raha tsy amin’ny sehatra ara-panahy ny oha-teny izay milaza fa «Andriamanitra misaina izay lazainy, ary milaza izay saininy.» Satria matetika ny Tompo, ao amin’ny fahitana, dia maneho zavatra ara-nofo izay manana dikany ara-panahy. Tamin’ny voalohany àry, dia tsy fantatr’i Petera ny dikan’io fahitana io, kanefa nomen’Andriamanitra azy ny valiny, satria Izy ihany no mihetsika anatin’ireo sehatra anankiroa ireo (Asa toko faha-10).

Hevero fotsiny moa ny fahasimbana ho fiantraikan’izany raha ho noraisiny ara-nofo izany fahitana izany! Inona no ho nitranga raha izy, na olon-kafa, no nanomboka niresaka izany na nitory izany? Saingy, izany fahitana izany dia nomena an’i Petera ho fitarihana azy manokana.

Raha niteny tamiko ny Tompo, ny 2 Aprily 1962, teo amin’ny fiposahan’ny masoandro, nikasika ny tsy maintsy nanangonana hanina satria hisy mosary ho avy, niresaka karazana legioma sy sakafo isan-karazany Izy, toy ny ovy, lafarina, menaka fanendy, karoty, sns… Tamin’ izay dia mosary ara-nofo no noheverinay fa ho tonga, satria tsy fantatray fa efa niteny hanoanana toy izany ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny Amosa 8:11. Noraisinay ara-bakiteny io Tenin’ny Tompo io, dia nanomboka nanangona hanina isan-karazany izahay.

Tsy nahafantatra ny dikan’izany ara-panahy aho, raha tsy efa nihaona tamin-drahalahy Branham, ny 3 Desambra 1962. Noho ny fanambarana azony tamin’Andriamanitra, dia izy no nilaza tamiko fa tsy mosary ara-nofo no ho tonga, fa mosary ara-panahy, hanoanana te-handre ny Tenin’Andriamanitra. Nolazainy tamiko àry fa ny hanina tsy maintsy nangonina dia ny Tenin’Andriamanitra izay voambara ho an’izao fotoana izao, ka notehirizina tao anaty horonampeo.

Andriamanitra, Izy mihitsy, no hanatanteraka ny Asany, araka ny Drafi-panavotany, raha tàhϊny fotsiny isika afaka miankina Aminy, ary mandrakariva «mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy…» (Hebreo 12:2)

Enga anie isika ho afaka hanambara ny Tolo-tsain’Andriamanitra rehetra, ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy feno, ary hanompo amin’ny fontsika rehetra. Mandra-pahatongavan’i Jesosy-Kristy, amin’ireo izay very isika dia hitory ny famonjena, amin’ireo izay marary dia ny fahasitranana, ary amin’ireo izay voafatotra sy votsindrin’ny fahavalo dia ny fanafahana. Ireo izay manaiky an’i Kristy, ka mibebaka amin’ny fahotany, dia tsy maintsy ataontsika batisa ary ivavahantsika, mba handraisany ny Fanahy Masina. Tsy maintsy mandray ny Fanasan’ny Tompo isika, sy mifanasa tongotra, ary manatanteraka, araka izany, ireo Didiny rehetra.

Raha sendra tafahaona amin’olona, na vondron’olona, izay tsy tafatoetra ao amin’ny Soratra Masina ianareo, mitandrema sao hitsipaka ny Teny sarobidy voambara tamin’izao taranatsika izao. Tsy hanafoana an’i Petera isika, satria fotsiny misy sarivongany natsangana ao Vatican, izay iankohofan’olona an-tapitrisany maro, manoroka ampahibemaso ireo tongony. Fony nahita izany aho, dia nahifiko fotsiny ny lohako, ary nanohy nidera ny Tompo aho noho ny amin’io apostoly lehibe io izay nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga loatra.

Mampalahelo fa nisy sasantsasany nanitatra loatra raha ny mikasika an-drahalahy Branham. Kanefa isika tsy hijery izany. Na aiza na aiza Andriamanitra no miasa, dia tsy maintsy ao ny fahavalo, miezaka hamitaka sy hamily antsika hiala amin’izay efa omanin’ Andriamanitra hatao.

Tsy maintsy ny Tompo Jesosy-Kristy no ivotoerana, ao amin’ny resaka ataontsika, ao amin’ny hirantsika, ao amin’ny vavakantsika. Tsy maintsy Izy no voalohany amin’ny zavatra rehetra. Izy no Ilay mamindra eo afovoan’ireo fanaovanjiro volamena fito; mendrika ny iankohofantsika Aminy Izy, sy ny anandratantsika Azy, ary ny anomezantsika Azy ny fotoambavatsika sy ireo fiderantsika. Ireo mpanompony sy mpaminaniny dia tokony hajaintsika, noho ny minisitera nomena azy, sy ny toerana nametrahan’ny Tompo azy ireo.

«Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.» (Joda 24-25)

Miasa, araka ny irak’Andriamanitra

Rahalahy Frank.