Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

INDRO, AVY NY MPAMPAKATRA

« »

Ny Teny dia manentana antsika mba hahonon-tena amin’ny zavatra rehetra, ary tsy hametra daty amin’ny Fiverenan’ny Tompo. Ny irarianay dia aoka Kristy hahita antsika samy miambina, miandry, ary vonona, rehefa ho tonga Izy. «Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.» (Matio 24:36)

Jesosy-Kristy dia manoro antsika ireo zavatra tsy maintsy hitranga alohan’ny Fiverenany. Vavolombelon’ny fahatanterahan’izany indrindra isika. Niresaka ny amin’ny aviavy Izy (Isiraely izany). Nambarany ireo famantarana ny fotoana, ary nilaza tamintsika koa ny mikasika ny Famantarany manokana Izy, dia ny Famantaran’ny Zanak’olona. Izao androntsika izao no voalazan’i Jesosy, raha niteny Izy, hoe: «Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsy mba ho levona.» (Matio 24:34-35)

Ny fanoharan’ireo virjina folo, voalaza ao amin’ny Matio 25, dia lasa fanontaniana mivaivay ao am-pon’ny maro. «Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny Mpampakatra! Mivoaha mba hitsena Azy… Ary izay efa niomana dia niara-niditra tAminy tao amin'ny Fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.»

Samy naka ny fanalany ny rehetra hitsenana ny Mpampakatra, ireo hendry nitondra solika fitaiza tao amin’ny sininy, fa ireo adala tsy mba nitondra. Tonga ary ny fotoana izay anehoan’ny Tompo ny Heriny sy ny Voninahiny ao amin’ny Ampakarina, ny vondron’ireo virijina hendry, izay nandray ny tena Voan’ny Tenin’Andriamanitra. Ireo adala dia hikoy fa ny fanambarana ny Teny no mitondra ny fampirisihana amin’ireo mpino, ka te-hahazo io Fanahy Masina io koa izy ireo. Saingy, amin’izay, hiverina ny Mpampakatra, ary ireo izay vonona no handeha hiaraka Aminy.

Nandre isika, tamin’ny lasa, fandikana maro an’io fanoharana io. Kanefa, hatramin’ny nahafantarantsika tsara ireo kisary ara-Baiboly, dia hitantsika ny dikany ara-paminaniana. Ireo kisary ara-tSoratra Masina, ana virijina, fanala, diloilo, siny, sns, dia manome antsika izay asehon’ny sary manontolo.

Voalaza fa virijina i Maria. Nahita fahasoavana izy teo imason’Andriamanitra, ary nandray ny teny fikasana ho an’ny androny izy, tamin’ny alàlan’ny anjely iray. Nanomba azy ny Fanahy Masina, ary norakofan’ ny Aloky ny Herin’ny Avo-Indrindra izy. Ny Teny mihitsy no nitoetra tao aminy mba hampiseho izay efa nampanantenaina: ny Teny izay tonga nofo. Toy izany koa ankehitriny. Ilay Teny-Voa, izay nampanantenaina ho an’izao ora izao, dia raisin’ireo virijina hendry; mino Izany izy ireo; ary tonga aminy ny herin’ny Fanahy Masina, ary mitsiry ao amin’ny fiainan’izy ireo ny Teny nampanantenaina.

Ny virijina dia tovovavy izay tsy nisy lehilahy nikasika azy, izay nitandrina ny tenany ho madio tsy misy pentina. Io teny io dia midika sahady fa tsy mba nijangajanga ara-panahy ilay mpino, fa nitandrina ny tenany ho madio, masina ary nohamasinina eo anatrehan’ny Tompo. Ireo virijina folo no maneho ireo mpino amin’izao taranaka izao. Tahaka an’i Maria, ireo virijina hendry dia nahita fahasoavana teo anatrehan’Andriamanitra. Raha nandre ny Tenin’ny teny fikasana izy ireo, dia nampahiratra azy ireo ny hazavana izay nampirehetina amin’izao taom-Piangonana farany izao.

Na manao ahoana, ireo virijina adala dia tsy nifandray tamin’ny fikoriana tsy tapaky ny diloilon’ny Fanahy Masina, koa nandalovany ny fiomanana farany. Taloha, dia nirehitra tsara ny fanilony, kanefa tsy namindra niaraka tamin’ireo fanambarana izay tonga niantoana izy ireo mba handraisany anjara amin’ny fahatanterahan’ny Teny, izay nampanantenaina hatramin’ny farany, koa tsy feno diloilo indray ny fanilony, dia maty.

Amin’ireo virijina nivoaka avy tamin’ny fanandevozana, dia ireo izay mirona amin’ny zavatra ara-nofo no virijina adala. Ananan’izy ireo ny tenin’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ananany ny Fanahiny. Kanefa izy ireo dia matoky tena fa ilay tselatra azony voalohany iny no hany zavatra ilainy. Noraisin’ireo virijina adala àry ireo fanalany, sady nihevitra hahazo anjara amin’ny fampakarana; saingy amin’ny ora sarobidy indrindra, tsy nisy intsony ny diloilony satria tsy nanana fitaiza izy ireo. Ilain’ny tsirairay àry ny manana fifandraisana manokana amin’ny hetsika tsy tapaky ny Fanahy Masina, ary izany, hatramin’ny fotoana farany.

Raha naharitra ela ny Mpampakatra, dia samy natory izy rehetra. Ary indro ny fotoana fifohazana, satria naneno ny feo hoe; «Indro ny Mpampakatra, mivoaha mba hitsena Azy!» Fomba iray ihany no nanombohan’ireo virijina folo ireo. Samy nandray ny Hazavana nomena tamin’ny fiandohan’ity taom-Piangonana ity avy izy rehetra, satria samy nirehitra avy ny fanalany. Ny rehetra samy nandre ny feo, ka samy nanomana ny fanalany, ary nivoaka hitsena ny Mpampakatra. Saingy, amin’ny farany vao homena ny satroboninahitra fa tsy amin’ny fiandohana.

Izao no fotoanan’ny sedra. Tsy ampy tamin’ny zanak’Isiraely ny nahafantatra sy niresaka nikasika azy, fa Mosesy no ilay mpaminany nirahin’Andriamanitra. Tsy maintsy nankatò izy ireo, ary nihetsika tamim-pinoana, araka ny teny fikasana rehetra nataon’Andriamanitra taminy, rehefa tafavoaka ny fanandevozana izy ireo. Ny marina, dia tsy maintsy nosedraina tamin’ireo teny fikasana ny finoany. Tamin’ny fiandohan’ny hazakazaka, dia nandeha tsara aokizany ny zavatra teo anivony. Nifalifaly izy ireo, ary tena ravoravo noho ny fahagagana nataon’Andriamanitra teo anivony. Fa avy teo, nanomboka tsy afa-po izy ireo, ary nimonomonona. Notsarainy tamin’ny fomba ara-nofo ireo zavatra ara-panahy, ary tsy nofantariny ny làlan’Andriamanitra, ka nahatonga azy ireo nanota tAminy izany.

Mifanohitra amin’izany kosa, ireo virijina hendry dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Izy ireo tsy mifototra amin’ny tenan’ilay mpaminany nirahin’Andriamanitra, fa mino ny Teny izay nentiny. Tsy maintsy toy izany no handrosoantsika, manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Tsy vitan’ny miresaka momba ny fahazavana manokana azontsika fotsiny, sy ny fitsidihan’Andriamanitra ny taranatsika, fa tsy maintsy manohy ny dia miaraka amin’i Jesosy-Kristy isika, mandra-pahatonga antsika amin’ny tanjona alehantsika.

Ireo virijina hendry dia mangetaheta sy noana an’Andriamanitra, ary ho vokisana izy ireo (Mat.5:6). Ny sakafo ara-panahy, ny Tenin’Andriamanitra voambara, izany ny mana miafina izay nangonina ho an’ireo voafidy amin’ity taom-Piangonana ity. Tsy àry nisy izany hanina naroso izany, kanefa tsy mba nangonina aloha. «Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?» (Matio 24:45)

Ireo virijina hendry —ireo voafidy, ireo mpandresy— tsy ny Fanahy Masina ihany no noraisiny, fa koa ny vavolombelon’i Jesosy-Kristy, izay ny Fanahin’ny faminaniana (Apok.19:10). Manana anjara ao amin’ny Planin’Andriamanitra ho an’ny andro farany izy ireo.

Enga anie isika, tsy mba hahatezitra na hampahalahelo ny Fanahy Masina, fandrao hanalavitra antsika Izy. Ireo hendry dia tsy manam-potoana himonomononana sy hitarainana, satria izy ireo seriny loatra amin’ny fiomanana hitsena ny Mpampakatra. Tsy ela, dia ho lasa tantara ny Matio toko faha-25. Tsy mahasoa na amin’inona, na amin’inona, ny nahafantatra ny iraka sy ny hafatra, raha tsy manohy mamindra ao amin’ny fahazavana. Amin’ny alàlan’ny Fitiavan’Andriamanitra no hahatonga ny asan’Andriamanitra amin’ny fahatanterahany. Ny singa rehetra ao amin’ny Vatana dia miray, sady miray amin’ny Loha. Tsy ela, handray ny Toerany ilay Vato-hatao-Tendrony, satria Kristy dia izy roa, Izy no sady Vato-Fehizoro no Vato-hatao-Tendrony, ny Alfa sy ny Omega.

Ireo izay mino ny hafatra ho an’ny andro farany, dia tsy tokony hanao ny fahadisoan’ ireo virjina adala ireo: miresaka ny zavatra vao nataon’Andriamanitra, tsy ela, sady miandry amin’ny fanantenana lehibe izay hataony amin’ny ho-avy, saingy diso tsy manana fifandraisana amin’izay ataony ankehitriny.

Tamin’ny fiandohan’ny Testamenta Vaovao, mety niresaka andro aman’alina ny amin’ny minisiteran’ny mpaminany nalefan’Andriamanitra ireo mpino. Saingy, noho izy tsy nanohy ny dia niaraka tamin’i Jesosy-Kristy-Tompo, dia tsy nahazo ny sisa rehetra, hatramin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, tamin’ny andro Pentekosta aza. Mety nandre mikasika ny minisitera mahery nataon’i Jesosy-Kristy-Tompo izy ireo, kanefa raha tsy nanana fitohizana tamin’ny hetsik’Andriamanitra manaraka, dia tsy nahazo anjara tamin’ny Planiny tamin’izany fotoana izany. Ny mety sy tokony atao dia ny mandray anjara amin’izay ataon’Andriamanitra izao ankehitriny izao. Izany no mampitohy antsika amin’izay hataony manaraka.

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, isika dia mamantatra an’i Kristy ao amin’ny minisiterany ara-paminaniana, amin’ny maha-Zanak’olona Azy. Amintsika, ny Teniny dia «Izao no lazain’ny Tompo». Enga anie isika hahita sitraka Aminy, amin’izao ora sarobidy izao, mba hahazo anjara amin’ireo zavatra izay mbola hataon’ny Tompo mandra-pihaonantsika Aminy isika. «Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.» (Romana 8:11). «Fa izao zavatra àry rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak' Andriamanitra;» (Romana 8:19)