Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Ny fahatanterahan’ny Drafi-Panavotan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao

« »

Mba hanatanterahany ny Planiny mandrakizay ho Fanavotana ny zanak’olombelona, Andriamanitra, tamin’ny fiandohan’ny Tetstamanta Vaovao, tamin’ ny alàlan’ny Fanahy Masina, dia niseho amin’ny maha Ray Azy tao amin’ny Zanaka, tao amin’i Jesosy-Kristy (Hebr: Yahshua-Maschiah), ilay Voahosotr’Andriamanitra. Ny Anarana ho an’ny Faneken’ ny Testamanta Vaovao, “Yahshua“, dia avy amin’ny tenin’ny Testamenta Taloha, “Yahvé“. Ny teny hebreo “yasha“ midika “mamonjy“ (Eks. 14:30). Ampitahaintsika fotsiny ny Joela 3:5: «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah (Ilay Mandrakizay/Yahvé) dia ho afa-mandositra…», amin’ny Asa 2:21: «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.» , sy Romana.10 ;13: «Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo (Yahshua) no hovonjena.» Jehovah [Yahvé] an’ny Testamenta Taloha no Jesosy [Yashuah] an’ny Tetstamenta Vaovao. Izao no voasoratra ao amin’ny soratra hebreo: «…ary ny anarany hataonao hoe Yahshua [Jesosy]; fa Izy no hamonjy [yasha] ny olony ho afaka amin’ny fahotany.» (Matio 1:21). Yahshuah (Jesosy) midika «Yahvé (Jehovah) no Mpamonjy». Indrisy anefa, io Anaran’ny Faneken’ny Tetstamenta Vaovao io, izay nisehoan’Andriamanitra ho Ray tao amin’ny Zanaka, dia tsy azon’ny olona mandrakariva amin’ny dikany ao amin’ny Drafi-Panavotana.

Ilaintsika ny fanambaran’ny Fanahy Masina, mba hamantarantsika io zavamiafina tsy takatry ny saina sy tsy hay azavaina io, izay nampidirana antsika.

Mialoha izany, dia ity no mety amin’ny rehetra: «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.» Kanefa ny apostoly dia afaka nijoro vavolombelona fa: «isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.» (1 Kor. 2:10-15)

Talohan’ny nahafahan’ny Mpanavotra nanatanteraka ny Irakany, ary nanolorany ny Fanavotana tamintsika, dia tsy maintsy teraka tao amin’izao-rontolo-izao Izy, tao amin’ny vatana nofo, amin’ny maha Zanaka Azy.

«…fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna.» (Gal. 4:4)

«Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: … Maria, renin’i Jesosy, … dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina.» (Matio 1:18)

«… fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,» (Matio 1:20)

«Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.» (Matio 1:22-25)

«Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay haterakao dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.» (Lioka 1:26-38)

Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Elizabeta, feno ny Fanahy Masina, dia ity: «Avy aiza no ahatongavan’izao amiko, no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?» (Lioka 1:43) — fa tsy: “ny renin’Andriamanitra“.

Fomba mazava tsara no nitantarana ny fahaterahan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra amintsika. Toy izao no nanambaran’ny anjely izany tamin’ireo mpiandry-ondry, tany an-tsaha: «…fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio, ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» (Lioka 2:11)

Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Tompo sy Mpanavotra antsika dia hita amin’ny “fiantsoana efatra manan-dikany samihafa, amin’ny maha-Zanaka Azy“: Zanak’i Abrahama, Zanak’i Davida, Zanak’Andriamanitra, ary Zanak’ Olona.

Amin’ny maha-Zanak’i Abrahama Azy (Mat. 1:1), dia Izy no “mpandova izao-tontolo-izao“ (Rom. 4:13), ary ireo voavotra no voatendry ho mpandova an’Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’ i Jesosy-Kristy (Rom.8:17).

Amin’ny maha-Zanak’i Davida Azy (Mat. 1:1b), dia Izy no “Mpanjaka“ (Lioka 1:32; Jaona 18:37), ary ireo voavotra no voatendry hiara-manjaka Aminy (Apok. 5:10)

Amin’ny maha-Zanak’Olona Azy, dia Izy “Ilay Mpaminany“, efa naminanian’i Mosesy fa ho avy (Deo. 18:15-19), araka ny nanoritan’i Paoly izany ao amin’ny Asa 3:22-24: «Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.»

Amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, dia Izy no “Mpanavotra“, izay andraisan’ireo izay navotana ny fananganana, hahatonga azy ireo zanakalahy sy zanakavavy an’Andriamanitra: «…mba handraisantsika ny fananganan’anaka.» (Galat. 4:4-9)

Mikasika izany indrindra no anoratan’ny apostoly ity: «Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny Filazantsaran’ Andriamanitra, izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ny Soratra Masina, ny amin’ny Zanany, izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny fahamasinana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia Jesosy-Kristy Tompontsika, izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ny jentilisa rehetra…» (Rom. 1:5)

Raha ny ara-nofo, Jesosy-Kristy, ilay Zanakalahin’Andriamanitra, dia avy amin’ny taranak’i Davida (Mat. 1: 1-17; Lioka 3:23-38), ary tamin’ny alàlany isika «no efa nampihavaniny ankehitriny tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,» (Kolosiana 1:21-22) «Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany,» (Efesiana 1:7). Tamin’ny Fahafatesany ho fanoneran’ota, no nanolorany antsika ny fihavanana amin’Andriamanitra: «Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana.» (2 Kor.5:14-21). Maty Izy «…mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly,» (Hebreo 2:14). Tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nomena antsika ny fandresena ny fahafatesana, ary natolotra antsika ny tsifahafatesana.

«Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty… Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony… Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.» (1 Korintiana 15:21,25,28)

Hiaina izany ireo voavotra rehetra amin’ny Fiverenan’ny Tompo: «Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity…» Amin’izay dia hihiaka ireo navotana hoe: «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? … Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.» (1 Korintiana 15:51-57). Amena

Na oviana na oviana, ilay Andriamanitra tokana, dia tsy mba nizara ho “persona telo mandrakizay“. Ao amin’ny Soratra Masina, tsy mba ahitana Andriamanitra telo, na “telo-izay-iray“, na “roa-izay-iray“, fa ny Ray ihany, izay naneho ny Tenany tao amin’ny Zanaka, ho an’ny Famonjena antsika. Toy izany koa, ny Testamenta Vaovao dia tsy manambara afa-tsy ilay Andriamanitra iray sy tokana: «… ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa…(Jaona 5:44): «…, dia ny mahafantatra Anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, …» (Jaona 17:3): «fa iray ihany Andriamanitra, …» (Romana 3:30): «…, fa Andriamanitra dia iray ihany(Galatiana 3:20): «Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany…» (1 Timoty 1:17): «Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.» (Apokalypsy 1:8)

Ny tena fanekem-pinoan’ireo apostoly, izay iankinan’ny zavatra rehetra, dia tsy hita raha tsy ao amin’ny Baiboly ihany, ary izany dia napetraka indray mandeha monja ho an’ny Fiangonan’ny Tompo:

«IRAY ny Tompo, IRAY ny finoana, IRAY ny batisa, IRAY Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.» (Efesiana 4:5-6)

«Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra.» (1 Timoty 3:16)

Raha ny amin’ny maha olona tonga nofo Azy, ny Tompo dia naseho ho toy ny Mpanavotra, teo ankilan’Andriamanitra, araka ny Drafi-Panavotana.

Izy dia Mpanalalana: «Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona…» (1 Timoty 2:5);

Mpisolovava koa Izy: «Anaka, izany zavatra iz any no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina» (1 Jaona 2:1)

Izy koa dia Mpisoronabe: «Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe tsy isan’izao zavatra àry izao, ary tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay(Hebreo 9:11-12)

Mba hanatanterahany ny Planiny mandrakizay ho Fanavotana ny zanak’olombelona, Andriamanitra, tamin’ny fiandohan’ny Tetstamanta Vaovao, tamin’ ny alàlan’ny Fanahy Masina, dia niseho amin’ny maha Ray Azy tao amin’ny Zanaka, tao amin’i Jesosy-Kristy (Hebr: Yahshua-Maschiah), ilay Voahosotr’Andriamanitra. Ny Anarana ho an’ny Faneken’ ny Testamanta Vaovao, “Yahshua“, dia avy amin’ny tenin’ny Testamenta Taloha, “Yahvé“. Ny teny hebreo “yasha“ midika “mamonjy“ (Eks. 14:30). Ampitahaintsika fotsiny ny Joela 3:5: «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah (Ilay Mandrakizay/Yahvé) dia ho afa-mandositra…», amin’ny Asa 2:21: «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.» , sy Romana.10 ;13: «Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo (Yahshua) no hovonjena.» Jehovah [Yahvé] an’ny Testamenta Taloha no Jesosy [Yashuah] an’ny Tetstamenta Vaovao. Izao no voasoratra ao amin’ny soratra hebreo: «…ary ny anarany hataonao hoe Yahshua [Jesosy]; fa Izy no hamonjy [yasha] ny olony ho afaka amin’ny fahotany.» (Matio 1:21). Yahshuah (Jesosy) midika «Yahvé (Jehovah) no Mpamonjy». Indrisy anefa, io Anaran’ny Faneken’ny Tetstamenta Vaovao io, izay nisehoan’Andriamanitra ho Ray tao amin’ny Zanaka, dia tsy azon’ny olona mandrakariva amin’ny dikany ao amin’ny Drafi-Panavotana.

Ilaintsika ny fanambaran’ny Fanahy Masina, mba hamantarantsika io zavamiafina tsy takatry ny saina sy tsy hay azavaina io, izay nampidirana antsika.

Mialoha izany, dia ity no mety amin’ny rehetra: «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.» Kanefa ny apostoly dia afaka nijoro vavolombelona fa: «isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.» (1 Kor. 2:10-15)

Talohan’ny nahafahan’ny Mpanavotra nanatanteraka ny Irakany, ary nanolorany ny Fanavotana tamintsika, dia tsy maintsy teraka tao amin’izao-rontolo-izao Izy, tao amin’ny vatana nofo, amin’ny maha Zanaka Azy.

«…fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna.» (Gal. 4:4)

«Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: … Maria, renin’i Jesosy, … dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina.» (Matio 1:18)

«… fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,» (Matio 1:20)

«Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.» (Matio 1:22-25)

«Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay haterakao dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.» (Lioka 1:26-38)

Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Elizabeta, feno ny Fanahy Masina, dia ity: «Avy aiza no ahatongavan’izao amiko, no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?» (Lioka 1:43) — fa tsy: “ny renin’Andriamanitra“.

Fomba mazava tsara no nitantarana ny fahaterahan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra amintsika. Toy izao no nanambaran’ny anjely izany tamin’ireo mpiandry-ondry, tany an-tsaha: «…fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio, ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» (Lioka 2:11)

Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Tompo sy Mpanavotra antsika dia hita amin’ny “fiantsoana efatra manan-dikany samihafa, amin’ny maha-Zanaka Azy“: Zanak’i Abrahama, Zanak’i Davida, Zanak’Andriamanitra, ary Zanak’ Olona.

Amin’ny maha-Zanak’i Abrahama Azy (Mat. 1:1), dia Izy no “mpandova izao-tontolo-izao“ (Rom. 4:13), ary ireo voavotra no voatendry ho mpandova an’Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’ i Jesosy-Kristy (Rom.8:17).

Amin’ny maha-Zanak’i Davida Azy (Mat. 1:1b), dia Izy no “Mpanjaka“ (Lioka 1:32; Jaona 18:37), ary ireo voavotra no voatendry hiara-manjaka Aminy (Apok. 5:10)

Amin’ny maha-Zanak’Olona Azy, dia Izy “Ilay Mpaminany“, efa naminanian’i Mosesy fa ho avy (Deo. 18:15-19), araka ny nanoritan’i Paoly izany ao amin’ny Asa 3:22-24: «Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.»

Amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, dia Izy no “Mpanavotra“, izay andraisan’ireo izay navotana ny fananganana, hahatonga azy ireo zanakalahy sy zanakavavy an’Andriamanitra: «…mba handraisantsika ny fananganan’anaka.» (Galat. 4:4-9)

Mikasika izany indrindra no anoratan’ny apostoly ity: «Paoly, mpanompon’i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny Filazantsaran’ Andriamanitra, izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ny Soratra Masina, ny amin’ny Zanany, izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny fahamasinana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia Jesosy-Kristy Tompontsika, izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ny jentilisa rehetra…» (Rom. 1:5)

Raha ny ara-nofo, Jesosy-Kristy, ilay Zanakalahin’Andriamanitra, dia avy amin’ny taranak’i Davida (Mat. 1: 1-17; Lioka 3:23-38), ary tamin’ny alàlany isika «no efa nampihavaniny ankehitriny tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,» (Kolosiana 1:21-22) «Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany,» (Efesiana 1:7). Tamin’ny Fahafatesany ho fanoneran’ota, no nanolorany antsika ny fihavanana amin’Andriamanitra: «Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana.» (2 Kor.5:14-21). Maty Izy «…mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly,» (Hebreo 2:14). Tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nomena antsika ny fandresena ny fahafatesana, ary natolotra antsika ny tsifahafatesana.

«Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty… Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony… Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.» (1 Korintiana 15:21,25,28)

Hiaina izany ireo voavotra rehetra amin’ny Fiverenan’ny Tompo: «Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity…» Amin’izay dia hihiaka ireo navotana hoe: «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? … Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.» (1 Korintiana 15:51-57). Amena

Na oviana na oviana, ilay Andriamanitra tokana, dia tsy mba nizara ho “persona telo mandrakizay“. Ao amin’ny Soratra Masina, tsy mba ahitana Andriamanitra telo, na “telo-izay-iray“, na “roa-izay-iray“, fa ny Ray ihany, izay naneho ny Tenany tao amin’ny Zanaka, ho an’ny Famonjena antsika. Toy izany koa, ny Testamenta Vaovao dia tsy manambara afa-tsy ilay Andriamanitra iray sy tokana: «… ny laza avy amin’ny Andriamanitra Tokana kosa… (Jaona 5:44): «…, dia ny mahafantatra Anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, …» (Jaona 17:3): «fa iray ihany Andriamanitra, …» (Romana 3:30): «…, fa Andriamanitra dia iray ihany (Galatiana 3:20): «Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany…» (1 Timoty 1:17): «Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.» (Apokalypsy 1:8)

Ny tena fanekem-pinoan’ireo apostoly, izay iankinan’ny zavatra rehetra, dia tsy hita raha tsy ao amin’ny Baiboly ihany, ary izany dia napetraka indray mandeha monja ho an’ny Fiangonan’ny Tompo:

«IRAY ny Tompo, IRAY ny finoana, IRAY ny batisa, IRAY Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.» (Efesiana 4:5-6)

«Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra.» (1 Timoty 3:16)

Raha ny amin’ny maha olona tonga nofo Azy, ny Tompo dia naseho ho toy ny Mpanavotra, teo ankilan’Andriamanitra, araka ny Drafi-Panavotana.

Izy dia Mpanalalana: «Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona…» (1 Timoty 2:5);

Mpisolovava koa Izy: «Anaka, izany zavatra iz any no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina» (1 Jaona 2:1)

Izy koa dia Mpisoronabe: «Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe tsy isan’izao zavatra àry izao, ary tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay (Hebreo 9:11-12)