Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Andriamanitra / Elohim – Tompo / Yahvé - Fampitahana sarobidy samihafa

« »

Ny teny hebreo “Elohim“, izay hita in-3562 ao amin’ny Baiboly, manomboka ao amin’ny Genesisy toko voalohany, izay nadika “Andriamanitra“ ao amin’ny Baibolintsika, fa nadika “Theos“ ao amin’ny “Septante“. Ary, ny teny “Yahvé“/YHWH, izay hita in-4024 ao amin’ny Baibolintsika, hatrao amin’ny Genesisy 2:4, amin’ny teny “Jehovah“ na “Tompo“ dia voadika “Kyrios“. Ilay tambateny “Elohim-Yahvé’ [ilay Andriamanitra Mandrakizay], na “Jehovah-Andriamanitra“ dia hita in-6356 ao amin’ny Baiboly.

Hatra taloha ka ankehitriny, ho an’ny Hebreo rehetra, ny teny “Elohim“ dia manondro ilay Andriamanitra iray sady tokana, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Efa niseho Izy, tao amin’ny Testamenta Taloha, ho toy ilay “Tokana“, ilay “Izaho izay Izy“, Ilay misy. Tsy misy persona maro Izy, ilay Mandrakizay, fa manambara ny Tenany amin’ireo Fisehoany (teofania) maro samihafa, toy ny Mpamorona, Mpitahiry, Mpanavotra, Mpanjaka, Mpitsara, sns… Ireo rehetra ireo dia tsy anarana, fa toetram-pahatanterahana (attributs) izay manondro an’Andriamanitra. “Mpamorona“ tsy anaran’Andriamanitra, fa Izy dia Mpamorona. “Mpanjaka“ tsy anarany, fa Izy dia Mpanjaka. “Mpitsara“ tsy anarany, fa Izy dia Mpitsara. “Mpamonjy“ tsy anarany, fa Izy dia Mpamonjy, sns… Kanefa, amin’izany rehetra izany, dia Izy Ilay Tsimiova.

Ohatra vitsivitsy ihany:

Ao amin’ny Genesisy 14:18, Izy dia miseho ho “El Elyon“, ilay Andriamanitra Avo Indrindra: «…Hotahin’Andriamanitra Avo indrindra –El Elyon- anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;»

Ao amin’ny Genesisy 17:1, Izy dia niseho tamin’i Abrahama ho “El Shaddaï“ -Andriamanitra Tsitoha: «…Izaho no Andriamanitra Tsitoha –El Shaddaï-, mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.»

Ao amin’ny Genesisy 21:33, dia voasoratra “El Olam“- Andriamanitry ny mandrakizay: «…tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay – El Olam

Ao amin’ny Isaia 9:5-6, hitantsika ny fampanantenana ny hahaterahan’ny Zanaka: «…ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery – El Gibbor, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana»

Ireo teny hebreo rehetra manomboka amin’ny El, na miafara amin’ny el, dia manambara an’Andriamanitra. Toy izany koa, ireo teny manomboka amin’ny Yah, na miafara amin’ny yah, dia mifandraika amin’i Yahvé (Jehovah), ny Tompo. Zava-dehibe izany, ka manilika izay rehetra fandikana. Ohatra “Emmanu-el“ dia midika “Andriamanitra amintsika“; “Isra-el“ midika “ilay mitolona amin’Andriamanitra“; “Beth-el“, dia “ny tranon’Andriamanitra“; “Dani-el“ dia “mpitsara Andriamanitra“; “El-ia“ dia “Jehovah no Andriamanitra“; “Isa-ia“ dia “Jehovah no Famonjena“; “Hallelu-yah“ dia “Derao Jehovah/ny Tompo“, sns…

Ny Anarana masina an’ny Fanekena “Yahvé“ (Jehovah), araka ny fipetrany ao amin’ny soratra hebreo voalohany, dia manan-danja manokana. Araka ny efa voalazantsika, “Elohim“ dia nadika “Theos“, ary “Yahvé“ nadika “Kyrios“. Izany dia tsy mifanandrify tanteraka amin’ny dikany voalohany. Kyrios dia andriana iray, ka mety manondro izay rehetra mpanjaka, na izay rehetra filoha eto an-tany, ka tsy milaza intsony ny fanambarana ny Anaran’Andriamanitra, toy ny fanambarana izany ao amin’ny Eksodosy 6:2-3: «Ary Andriamanitra [Elohim] niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah [Yahvé], ny Tompo; ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA [El Shaddaï] no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH-ANDRIAMANITRA [Elohim-Yahvé] tsy mbola nahafantarany Ahy,»

Ny anarana “YHWH“, fantatra amin’ny hoe “tétagramme“, no Anarana masina an’ny Faneken’ilay “Andriamanitra Mandrakizay“, voambara tao amin’ny Testamenta Taloha. Efa ankatoky ny hofehezina ny Fanekena tamin’izay fotoana, ka nahatonga ny Tompo-Andriamanitra nanambara ny Anaram-Panekeny “YHWH“-Yahvé [Jehovah], tamin’ny Mosesy Mpaminaniny, sy tamin’ny Vahoakan’ny Fanekeny.

Ao amin’ny Lalàna (Eks. 20), niteny ilay Tsitoha hoe: «Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah [Yahvé/Ilay Mandrakizay] Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah [Yahvé/Ilay Mandrakizay] ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.» Masina loatra izany Anarana izany ho an’Andriamanitra, ka tiany ny ahazo antoka fa Isiraely Vahoakany dia hanaiky izany fahamasinany izany. Ohatra, ny Anarana Jehovah-Andriamanitra [Andriamanitra Mandrakizay] dia tsy azo notonina rehefa mamoaka razana ivelan’ny trano (Amosa 6:9-10): «… Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’i Jehovah [Ilay Mandrakizay].» satria Andriamanitra tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ireo velona (Mat.22:32). Saingy, tsy azon’ny olona tsara koa io andalan’ny Baiboly io, sady nadika vilana. Ny vokatr’izany ny Anaran’ny Fanekena “Jehovah“ [ Yahvé], Andriamanitra Mandrakizay, dia tsy tononina intsony any amin’ireo Jiosy ortodoksa, fa nosoloana an’ny “Adonaï“. Ny teny hebreo Adon dia midika “mpanjaka“, “andriana“, na koa “tompo“. Saraha dia niantso an’i Abrahama hoe “Adon“ (Gen.18:12; 1 Pet. 3:6). Kanefa, Jehovah-Andriamanitra [Elohim-Yahvé/Andriamanitra Mandrakizay], dia tsy Mpanjaka fotsiny, fa Izy no “ilay Mandrakizay“, ilay “IZAHO IZAY IZY“, ilay “Misy amin’ny alàlan’ny Tenany“ (Eks.3:14; Eks.34:5-6 sy ny hafa). “Jehovah [Yahvé] dia natokana ho Anarana voambara ho an’ny Fanekena, sy an’ny fanavotan’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha.

Ireto fiantsoana fito manaraka ireto dia manondro manontolo ny Drafi-Panavotan’ Andriamanitra: “Yahvé-Jireh“ midika “Ilay Mandrakizay no hiahy ny amin’ny sorona“ (Gen.22:1-14) , “Yahvé-Rapha“ midika “Ilay Mandrakizay izay manasitra anao“ (Eks. 15:26), “Yahvé-Nissi“ midika “Ilay Mandrakizay no fanevako“ (Eks.17:15), “Yahvé-Shalom“ midika “Ilay Mandrakizay no fiadanako“ (Mpitsara 6:24), “Yahvé-Tsidkenu“ midika “Ilay Mandrakizay fahamarinanay“ (Jer.23:6), “Yahvé-Shammah“ dia midika “Eto ilay Mandrakizay“, “Yahvé-Sabaoth“ dia midika “Ilay Mandrakizain’ireo tafika“ (“Andriamanitry ny maro, ao @ Baiboly malagasy) (1 Sam.1:3)

Elohim/Andriamanitra, ilay tsy mety hita noho Izy Fanahy (Jaona 4:24), izay tsy nisy olona nahita hatrizay (Jaona 1:18; 1 Jaona 4:12), hatrany amin’ny mandrakizay, dia niafina tao amin’ny Fahafenoiny amin’ny Fanahy, sy hazavana, ary fiainana (1Timoty 1:17). Tamin’ny fiandohan’ny fotoana, dia niseho tamin’ny endrika hita maso Izy, amin’ny maha Yahvé/ilay Mandrakizay Azy (Jehovah). Ary nantsoiny ho nisy, tamin’ny alàlan’ny Teniny-Tsitoha ny zavatra rehetra ao amin’ny voaàry, ny natiora, sy izay ankoatry ny natiora, ary nitsangatsangana tao Paradisa Izy.

Ny “fanekempinoana voalohany“ izay tafita amintsika tamin’ny alàlan’ireo Soratra Masina, ny “Sch’mah Israel“, dia nivoaka tamin’ny vavan’i Jehovah-Andriamanitra [Ilay Mandrakizay-Andriamanitra]; Jehovah niteny tamin’ny feo mibaiko, hoe: «Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah [Ilay Mandrakizay] Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany! [ilay tokana Mandrakizay!].» (Deo.6:4). Ao amin’ny Marka 12:29, dia hitantsika ny fanamafisana izany, avy amin’ny vavan’ny Tompo sy Mpanavotra antsika: «Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah [Ilay Mandrakizay] Andriamanitsika dia Jehovah [Tompo] iray ihany!»

Ny fanekempinoana ao amin’ny soratra voalohany dia:

Yahvé Elohim, Yahvé Echat = Jehovah (Ilay-Mandrakizay) no Andriamanitsika, Jehovah (Ilay-Mandrakizay) dia TOKANA!

Izany dia manambara ny finoana marina amin’ilay tokana Andriamanitra marina. Na miseho amin’ny endrika maro aza Ilay-Mandrakizay (Jehovah) tokana, toy ny Mpamorona; Mpanavotra, Mpanjaka, Mpitsara sns… izany tsy mahasakana ny maha ilay Mandrakizay (Jehovah) tokana Azy, ary ankoatra Azy, dia tsy misy hafa: «Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho… Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,» (Isaia 45:5-6). «Izaho no Jehovah Andriamanitrao… Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.» (Eks. 20:3)