NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Ny rahalahy Branham dia nanana ireo andalan’ny Baiboly izay nasehon’ny Tompo azy, ary nomeny tao anatin’ny manodidina sahaza azy tsirairay avy izany, ka nasehony ny fifandraisana misy amin’izy ireo. Ary izany no nahatonga ireo mpanara-maso tsy nifantoka tsara nilaza azy ho “mpaminany tavela tao amin’ny Testamenta Taloha“. Kanefa, na teo aza ireo ohatra notsoahany tao amin’ny Testamenta Taloha, ny toriteniny dia nitodika mandrakariva tamin’ny Fiangonan’ny Tompo an’izao andro farany izao. Ny Andriamanitry ny Testamenta Taloha ihany no mbola Andriamanitry ny Testamenta Vaovao. Tsy miova Izy, omaly sy anio ary mandrakizay, ary mbola mitoetra ity Teny ity: «Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana …» (2 Tim. 3:16). Isaky ny ahitana ao amin’ny Testamenta Vaovao filazana hoe “Araka ny Soratra Masina…“ na “Araka izay voasoratra…“ na koa “Mba ahatanteraka ny voasoratra…“, dia ny Testamenta Taloha hatrany no resahina. Satria ny Testamenta Vaovao rahateo mbola teo am-pikotrehana Azy. Nandritra ireo taonjato roa voalohany dia nampitampitaina eran’ny fiangonana rehetra ireo Filazantsara sy ireo epistily nosoratan’ny apostoly. Marihin’i Paoly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Kolosiana izany. «Ary rehefa voavaky aty aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.» (Kol.4:16). Efa tamin’ny faran’ny taonjato fahatelo sy fiandohan’ny taonjato fahefatra vao nangonina ireo asasoratra ireo ho boky tokana izay fantatsika amin’ny anarana hoe “Testamenta Vaovao“, izay voatondro ho canon [didim-piangonana], izay midika hoe “fitsipika“ na “fenitra“. Na ireo toritenin’ny Tompo, na ny an’ireo apostoly tany am-piandohana, dia tsy nifototra afa-tsy tamin’ny Testamenta Taloha. «Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.» (Lioka 24:44-45). Ao amin’ny Jaona 7:38, dia nihiaka ny Tompo hoe: «Izay mino Ahy, …, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.» (Jaona 7:38). Lioka dia nanambara an’i Paoly toy izao: «… ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan' Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.» (Asa. 28:23). Nisy hatrany, andalana ao amin’ny Testamenta Taloha izay nifandraika tamin’ny voalaza no voatondro, manomboka ao amin’ny Matio toko voalohany ka hatramin’ny epistilin’i Joda, mandalo ireo Filazantsarara hafa rehetra, sy ny fampianarana rehetra ao amin’ny epistilin’ireo apostoly, na talohan’ny Pentekosta izany, indrindra tamin’ny andron’ny Pentekosta (Asa 2), na koa isaky ny misy dingana vita tao amin’ny Tantaran’ny Fanavotana.
Izay fampianarana tsy mifandray amin’ny Lalàn’Andriamanitra dia avy amin’ilay “ratsy“, araka ny voalazan’i Paoly ao amin’ny 2 Tesaloniana, toko faha-2. Andriamanitra dia mifamatotra mandrakizay amin’ny Teniny, ary fatorany amin’izany Teny izany koa ireo Olony mba tena hiainan’izy ireo ny fahafahana. Mety tsara amin’ny ny toritenin’ny Testamenta Vaovao izany. Ary maneho izany indrindra ny fomban-drahalahy Branham raha nampiasa ireo ohatra, izay ny Tompo mihitsy no nanome azy, mikasika ny fiaimpiainan’ny olona voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha izy. «Mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.» (2 Tim. 3:17)
Tsy azo lazaina ho ara-Baiboly ny fampianarana iray afa-tsy raha mandray sy mampirindra ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao roa tonta izany. Izany no antony maha-diso làlana ireo vondrona kristiana maro, satria tsy nalainy ho fototra ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny toriteniny “Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana“ dia mahatsikaiky antsika hatrany ireo fampitahana tsy mahazatra izay noraisin’ny lehilahin’ Andriamanitra, izay fantatsika fa na izy ihany aza tsy ho nampiasa izany. Ny fanetrentena nomena azy dia nahafahany niteny hoe: “Satria fanontaniana ara-Baiboly izany, dia tsy maintsy ahitana valiny ao amin’ny Baiboly“. Saingy, ireo valiny ara-Baiboly izay nomeny dia tsy mifanaraka amin’ny fiheverena moderna ananantsika ankehitriny. Ny miralenta no faneva manjaka amin’ny fisainan’izao andro izao, amin’ny lafiny rehetra. Ny “fanafahana“ tanteraka no “lamaody“ izao, hany ka loza ho an’ny olona sahy hilaza fa miandany amin’ny voalazan’ny Baiboly izay lazaina fa sady “konka“ no “nilaozan’ny toetr’andro“.