NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Ao amin’ny sasintenin’ny toriteniny (par. 25), ny rahalahy Branham dia mampatsiahy ireo trangan-javatra an’aliny nambara taminy fa hitranga ary tena nitranga avokoa, tsy nisy diso, na tokana aza. Ary navelany an'ny fiangonany, izay naheno sy nahita izany nandritra ireo taona maro, ny nanamarina izany tamin’ny “Amena!“ iray lehibe. Aorian’izany vao noporofoiny — na dia manjaka sy torina ary inoana eny-rehetra-eny aza — ny fahadisoana amin’ny lafiny ara-Baiboly an’ireo fampianarana anankiroa lehibe izay mifanohitra.
Hoy izy: “Misy foto-pampianarana lehibe anankiroa mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panabadiana. Ny iray milaza fa tsy mahazo manambady ny lehilahy iray afa-tsy indray mandeha ihany, raha tsy hoe maty ny vadiny. Anisan’ireo fanontaniana izany. Raha izany zotra izany no arahinareo, dia diso làlana ianareo. Ny faharoa milaza hoe ‘Raha ny lahy na ny vavy mijangajanga, dia afaka misaraka sy manambady olon-kafa ilay iray’. Fa izany zotra izany koa dia maha diso làlana anareo.“ (par.50)
Tsy mahafinaritra loatra ny miresaka mikasika ny fiainan’olona manokana. Kanefa Andriamanitra izay mikatsaka ny mahasoa antsika amin’ny maha Ray Azy, dia miteny mikasika ny fifandraisantsika olombelona Izy, ary nampanoratra, hitoetra mandrakizay, ireo Fampianarany, ireo Didiny, ary ireo Fandrarany. Izy no Ilay mahafantatra indrindra antsika, ny mahasoa antsika, ary ny fiantraikan’ny fandikantsika ireo lalàna mikasika ny tenantsika amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ny tsifankatoavana ataontsika ao amin’ny tenantsika manko no miteraka fahasimbana ao amin’ny fanahintsika, ary manasaraka antsika amin’Andriamanitsika. Noho izany, ho an’ny zanak’Andriamanitra, ny zavatra rehetra voalazan’ny Soratra Masina dia tsy maintsy ankatoavina. Raha nanome ny Lalàna Andriamanitra, dia nametraka antsika hisafidy amin’ny fiainana sy ny fahafatesana, amin’ny fitahiana sy ny ozona — ny fiainana raha mankatò ny Teniny, ny fahafatesana raha mandika izany. Ny Mpamonjy antsika, izay nisolo toerana antsika, Izy dia nankatò hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Filip.2:8), mba hanavotany antsika amin’ny tsifankatoavan’i Adama (Rom.5:19 sy ny hafa). Hoy ny Mpanavotra antsika hoe: «… fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.» (Jaona 3:36). Petera dia manoratra hoe: «Tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny …» (1 Pet. 1:14). Tsy misy afa-tsy anankiroa ny làlan-kaleha: na ny tsifinoana arahin’ny tsifankatoavana, na ny finoana arahin’ny fankatoavana. Aiza ny làlana nofidintsika? Aiza amin’ireo no misy antsika? Tsy ilaina mijery ny hafa eto, fa ny tsirairay mihitsy no mamela ny Tenin’Andriamanitra hitsara azy. Tsy maintsy hakambana ireo andalan’ny Baiboly mikasika zavatra iray ihany. Fa ny fakana andalana tokana monja ao amin’ny Baiboly, ka tsy iraharahiana ny hafa, dia mampikorontana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy eo io Tenin’Andriamanitra io mba hanome rariny an’iza na iza, ary vao mainka tsy eo Izy mba hanamafisana ny fandikana manokana ataontsika Aminy. Ny hanome rariny an’Andriamanitra no antony iainantsika, ary hankatò ireo Teniny rehetra. Ohatra, izay tsy manavaka sady tsy mandinika ny teny mitodika amin’ny lehilahy, sy ny teny mitodika amin’ny vehivavy, dia tsy nahazo ny fandehan-javatra, na koa angamba tsy te-hahalala izany tsara izy. Hatrany hatrany, rehefa miteny Andriamanitra hoe “ralehilahy“, dia ny lehilahy no ao an-tsainy, rehefa miteny Izy hoe “ravehivavy“ dia ny vehivavy izany. Ny zavatra sainin’Andrimanitra hatrany no teneniny, ary tsy miteny Izy afa-tsy izay ao an-tsainy.