Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

Fampidirana

« »

Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana

Famelabelarana ara-Baiboly 

Fampidirana

Ny tanjon’ity famelabelarana ity dia ny ifantohantsika amin’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana. Hatra tany am-piandohan’ny fotoana, dia nisy hatrany lehilahin’ Andriamanitra izay nirakitra ireo asa masina nataon’ny Tsitoha. Nanambara izay hitany izy ireo, sy izay reny ary izay niainany. Na ny Testamenta Taloha na ny Vaovao, dia samy ahitana ny fijoroan’izy ireo vavolombelana.

Mbola fotoana ara-Baiboly no iainantsika izao, ary mbola afaka miditra amin’izay ataon’ny Tompo ankehitriny isika. Tsy maty, toy ny lazain’ny sasany, Andriamanitra.

Firenena dimampolo manerana ny tany no efa nanaovako ny asa fanompoako. Ary fiangonana samihafa no nanasa ahy, toy ny Anglikana, Loteriana, Metodista, Batista, Pentekotista, sy ny hafa koa. Tsy mba voasakan’ny fefy izay atsangan’ny olona ny mpanompon’ Andriamanitra mahatoky. Hainy fa n’aiza n’aiza dia misy zanak’Andriamanitra. Resy lahatra ireo mpanompon’Andriamanitra, rehefa novelarina teo anoloany sy ny fiangonany ny Drafi-panavotana, tamin’ny alàlan’ny fahatanterahan’ireo faminaniana.

Ny sasany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, amin’ny anaram-piangonana samihafa, izay mahafantatra ny zava-mitranga ankehitriny eto ambonin’ny tany dia miaiky avokoa fa nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba miavaka tsy nanam-paharoa i William Branham. Kanefa, misy ireo hafa izay miezaka manamaivana ny fanompoany, satria izy ireo te-hanapotika ny fitokian’ny vahoaka izay nomen’Andriamanitra azy. Na dia mampitandrina ny olona amin’ny fampianarany ara-Baiboly aza izy ireo, tsy afaka handà fa izy dia mpaminany nahery tokoa. Mahatsikaiky! Tsy afaka sady ivoahan’ny rano mamy no ivoahan’ny rano mangidy ny loharano iray.

Ny mpaminany lehibe iray dia atao hoe mpahita. Manana ny fanambarana ny Teny avy amin’Andriamanitra izy, ary efa voatokana amin’ny asa iray manokana hatramin’ny fahaterahany (Jer. 1:5)

Ireo toritenin’io irak’Andriamanitra mpanetritena io dia nitondra indray ny fahazavan’ny Teny. Ho gaga ianao mamaky azy ireo, amin’ireo filazana ara-panahy omeny, izay tonga amin’ny fotoany tsara. Mety misy mahita fa sarotra raisina izany, saingy efa toy izany koa tamin’ny andron’ireo Apostoly.

Nisy olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara no ratsy fampiasa ny filazana sasantsasany nataon’io mpaminany io, ka nahatonga fahaverezana ho an’ny tenany izany. Noho izany, dia ilaina dia ilaina ny mandahatra ny fampianarana rehetra amin’ny Soratra masina, ary ny Baiboly no tsy maintsy jadona ho antsika.

Mangataka aminareo aho, ny mba am-panahim-bavaka no hamakianareo ity bokikely ity. Hanampy anareo anie ny famakiana azy, ahafantaranareo tsara kokoa ny Drafi-Panavotana manontolo. Ary ny fitiavantsika ny Tompo Jesosy-Kristy anie hitombo noho ny taloha. Aza mitsara araka izay lazain’ny olona, na izay ataony. Tsapao tsara ny lanjan’izay ho fanapahan-kevitrao. Aoka ho azonao antoka fa izay tsara no ho noraisinao! Andriamanitra anie hitahy betsaka anao.

Ny mpanoratra.