Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

KRISTY SY NY FIANGONANY AO AMIN’NY FAMINANIANA

« »

Raha ny marina, dia fotoana be voninahitra tokoa izao, ao amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Amin’ny sehatra rehetra, dia misy zava-baovao hatrany hita. Fivoarana lehibe no nisy, ary zavatra mahagaga isan-karazany no vita. Toa tsy misy zavatra tsy ho vita. Hitan’ity taranaka ity ny fivoarana, niainga tamin’ny kalesin-tsoavaly ka tonga amin’ny sambon-danitra. Miezaka ny tsy ilaozan’ny toetrandro ny rehetra. Saingy, ny fanontaniana lehibe dia izao: tsy nilaozan’ny toetrandro ve isika ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ahoana ny fandrosoantsika ara-panahy? Manaraka ny hetsiky ny Fanahy Masina ve isika, raha madiva haka antsika ho any amin’ny avo indrindra ny Tompo izao?

Mety ianao kristiana izay mankasitraka ny nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa, fa ny fanontaniana dia ity: Tsapanao ve izay ataon’ny Fanahy Masina ankethitriny, raha mitarika ny Ampakarin’i Kristy ho amin’ny fahatanterahana Izy?

Tamin’ny andro Pentekosta no naorina ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy, ary Andriamanitra mihitsy no nametraka ny modelin’ny tena kristianisma mandritra ny fizaram-potoana manontolo ho an’ny Fiangonan’ny firenena Jentilisa. Tsy hanaiky afa-tsy ny Teniny ihany Andriamanitra. Na ny olona tsirairay, na ny fiangonana tsirairay, dia tsy maintsy mampitaha ny fampianarany, sy ireo fototry ny finoany, ary ireo traikefany, amin’ireo fampianaran’ilay Fiangonana voalohany. Tamin’izany andro izany, ny mpino tsirairay dia nanana traikefa manokana sy mahagaga izay niainany niaraka tamin’i Kristy, ary ny Fanahy Masina no nametraka azy tao amin’ ny Fiangonana toy ny zanakalahy na zanakavavy an’Andriamanitra.

Indrisy anefa, tsy maintsy milaza isika fa, na be voninahitra tokoa aza ny fiandohan’ny Fiangonana, dia nitsofoka tsikelikely tao amin’ny fanjakan’ireo voavonjy ny zavatra ara-nofo maro. Nanomboka nangatsiaka sy nanana endrika ivelany fotsiny ny olona, ary nanomboka nampianatra ireo fanekempinoany sy ireo fampianarany izay nifototra tamin’ny Lalàna. Arakaraka ny nandrosoan’ny fotoana no nitoetra koa ny tsifirehana, ary niala ny làlan’ny Mazava ny ankamaroan’ny tontolo kristiana, ka nilentika tao amin’ny fahamaizinana ara-panahy. Tao amin’izany anefa ny Tompo dia niahy ireo izay Azy. Nandefa iraka Izy ho an’ny taom-Piangonana tsirairay, mba handrehitra ny afon’Andriamanitra indray. Io vondrona kely, vitsy an’isa io dia nihazona mafy ny finoan’ireo ray Apostoly. Nihetsika teo anivony ny Fanahy Masina, izay nitarika azy nankao amin’ny Teny nampanatenaina ho an’ny androny.

«Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'Isaka.» (Galatiana 4:28).

Mandray ny Teny fikasana ireo zanaky ny Teny fikasana, ary asiana tombo-kase amin'ny Fanahy Masina araka ny Teny fikasana. (Efes. 1:13)

Nandritra ireo fotoana lasa, dia nitondra andro famelombelomana ny Tompo, tamin’ny alàlan’ireo fifohazam-panahy nifandimby sady nitety firenena maro, izay nampiasainy nanairana ireo Zanany amin’ny fisian’ny fahatanterahan’ny Teny fikasana. Hatrany hatrany, ny finoan’i Abrahama sy ny an’ireo taranany, dia niankina tamin’ireo teny fikasan’ Andriamanitra.

Tamin’ny Fiantrany hatrany no nitarihan’Andriamanitra ireo Olony, sy nitantanany ny diany. Nandritra ireo taom-Piangonana maizina, izy ireo dia afaka niharitra ireo fanenjehana mafy indrindra sy ireo fampijaliana, satria nomba azy Andriamanitra. Amin’ny fo feno fankasitrahana no ahafahantsika mandinika ireo andron’ny Reformasiona, sy ireo fifohazam-panahy nanaraka izany, izay nitarihan’Andriamanitra ny Olony ho amin’ny fahazavana nitombo hatrany. Saingy, tsy afaka mijanona amin’ireny fitsidihana tamin’ny lasa ireny isika, izay nipoiran’ny anaram-piangonana maro. Ny Fanahin’Andriamanitra, na oviana na oviana, tsy mijanona anatin’ny sehatra tery izay ana rafi-pandaminana. Mifindra hatrany Izy, ary ny Fanahy Masina dia maneho ny Heriny eo amin’ny rehetra tena mpino, mandrapaha voahova azy ireo hanana ny endrika voatahy an’ny Tompo Kristy-Jesosy. Hiverina tsy-ho-ela Izy, haka Ampakarina iray tsy misy pentipentina na fikentronana.

Nisy hetsika mahery nataon’ny Fanahy Masina tamin’ny fiandohan’ ny taonjato faha-20; naverina nomena ireo zanak’Andriamanitra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Nanerana ny tany no niaina andro famelombelomana ara-panahy avy tany amin’ny Avo ny olona. Ireo olona antitra amin’ny firenena rehetra dia afaka mijoro vavolombelon’izany fitsidihana nahery nataon’ilay Andriamanitra Tsitoha izany. Ary mbola manohy ny Asany eo anivon’ireo Azy Izy. Maro ireo olona izay afaka mijoro ho nahita maso ny fifohazam-panahy nahery tamin’ny famonjena sy fanasitranana izay nisy taorian’ny ady lehibe faharoa. Noho ny Fiantrany lehibe sy ny Fitiavany, dia mbola norakofan’ny Tompo ny Fiahian’ny Fanahy Masina ireo Zanany, mba ifantohany amin’ny Teny fikasana ho an’ny androntsika. Araka ny Teniny, dia efa fikasany ny hanazava amin’ny antsipiriany ny Planiny mandrakizay, sy hanambara ireo zavamiafina be voninahitra voafina nandritra ny fotoana rehetra.

Ity hetsiky ny Fanahy farany ity dia nanomboka ny volana Mey 1946, araka ny baiko nivantana nomen’Andriamanitra Tsitoha an’i William Branham. Ny asa fanompoany tsy nanam-paharoa, izay niavaka tokoa tamin’ny famonjena sy fanasitranana, dia nisy fiantraikany be tamin’ny sarambaben’ny vahoaka. Ny Tompo mihitsy no nanamarina ny Filazantsara teo imason’ny olona anjatony sy andrivony, nanerana ny tany manontolo. Kanefa, rehefa notorina ny fampianarana ara-Baiboly, dia tsy nanaiky izany ny besinimaro. Dia niharihary fa aleony nitady trondro sy mofo. Ary nihavitsy kokoa hatrany hatrany ilay vondrona kely mahatoky izay nanaraka an’i Kristy, ireo izay nandray manontolo ilay minisiteram-paminaniana, nahafantatra ny andro izay niainany, sy ny hafatra nifanaraka tamin’izany. Vonona hanaraka ny Tompo izy ireo, na aiza na aiza no itarihany azy.

Hatra tamin’ny andron’ireo Apostoly, ny Tenin’Andriamanitra dia tsy notorina feno toy ny amin’izao fifohazam-panahy farany ho amin’ny fampodiana Azy izao. Naneho ny Heriny i Jesosy-Kristy, ary noporofoiny fa Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, araka ny tena hevitry ny Teny. Ireo nambinina tamintsika miaina amin’izao taom-Piangonana farany izao ka nahita ny Mazava dia voatarika ivelan’ireo aizina ara-panahy. Ny Fiangonana-Teny, ny Ampakarina, izay notarihin’ny Fanahy Masina, dia niverina amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina voalohany.

Isika izao dia tonga amin’ireo andro farany amin’ny fampodiana feno ny Fiangonan’ny Andriamanitra Velona, araka ny teny fikasana ao amin’ny Joela 2:25: «Kristy… dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.» (Asan'ny Apostoly 3:20-21). Ho tonga indray Jesosy-Kristy haka Ampakarina iray tafaverina tanteraka ao amin’ny Teniny.

Isaky ny mandefa fifohazam-panahy Andriamanitra, ny Vahoakany dia mitandrina io antson’Andriamanitra io, ary ialàny tanteraka izay rehetra tsifinoana, tsifiraikana, ary fombafomba ivelany. Araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina azy no androsoany .

Tsy nisy, tao amin’ny tantara, fivelarana goavana an’ireo asam-pivavahana sy fitoriana ny Filazantsara, toy ny amin’ny androntsika izao. Tsy mbola nisy toy ny ananantsika izao ny fampitaovana sy ny fahafahana miasa, saingy tsy mbola koa nanahirana toy ny amin’izao ny fahitana ny làlana, satria ny marina sy ny diso dia mifanakaiky izaitsizy amin’izao fiafaran’ny andro farany izao. Hoy Jesosy, ao amin’ny Matio 24:24, fa ho feno fitaka loatra rehefa hiditra ireo andro farany, ka na ireo olom-boafidy aza ho fitahiana, raha azo atao. Isaorana anefa Andriamanitra fa tsy hisy izany.

Mandre matetika isika resaka mikasika an’i Kristy sy ny Fiangonany, saingy aiza Izy no hita tahaka ny anehoan’ny Baiboly Azy? Aiza ny Fiangonana tahaka ny anoritan’ny Soratra masina Azy? Tsy mihambo ho “ilay Fiangonana“ ve ny anaram-piangonana tsirairay? Tsy tononina amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy ve ny asam-pivavahana rehetra ataony? Milaza ny tenany ho ao amin’ny marina ny tsirairay, saingy ny filazana fotsiny dia tsy manaporofo izany. Amin’Andriamanitra, dia tokana ihany ny Fiangonana mahatoky, dia ilay izay fitoeran’ny Avo-Indrindra: «..Tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.» (1 Timoty 3:15). “Tokana ny finoana, tokana ny Tompo, tokana ny batisa“ (Efes.4:5). Miray amin’ny samy izy ireo singan’ny Vatan’i Kristy rehetra, ary samy miray amin’i Kristy izy ireo (1 Kor.12:12)

Tsy maintsy mitandrina isika rehetra mba tsy hanao fandikana manokana, fa kosa hamela ny Tenin’Andriamanitra hiteny ho Azy ihany. Tamin’ny alàlan’ilay minisiteram-paminaniana naseho tamin’ny androntsika izao, dia voatrandraka ary naseho mazava ireo harena maro nafenina taloha. Tsapantsika fa antomotra ny Fiavin’ny Tompo Kristy-Jesosy, ary tsy manam-potoana ihainoana ireo feo rehetra manodidina antsika isika. Tsy maintsy mihaino sy mankato ny antson’ny Feon’ilay Mpiandry ondry Tsara isika, Izy izay miantso ireo Ondriny ary mitaona azy hanaraka Azy. «Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).» (Matio 4:4). Izany hoe, tsy ireo andalana sasasantsany izay mifanaraka amin’ny hevitsika manokana fotsiny ihany no alaina, fa ny teny rehetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Raha ny mikasika ny zavatra ara-tSoratra Masina rehetra, dia aoka isika hamela ny Baiboly ho mpifehy tokana sy mpitarika tokana antsika. Mandroso amin’ny toerana masina isika rehefa mifandray amin’ny Teny faminaniana. Aoka fotsiny isika hanala ny kirarontsika, rehefa miteny ny Tompo.