Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana
Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho ny Tompo Kristy-Jesosy amin’ireo Fanononana Azy sy ireo Asany maro samihafa, arakaraka ny Fisehony ao amin’ny Drafi-panavotana. Hita ho toy ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao Izy (Jaona 1:29). Izy no Mpisoronabe, niditra tao amin’ny toerana masina indrindra nitondra ny Ràn’ny Tenany ihany (Hebr.9:11-12). Izy no Mpanalalana tokana amin’Andriamanitra sy ny olombelona (1 Tim.2:5), Izy ilay Mpisolovava izay miady ho antsika (1 Jaona 2:1). Izy no Lionan’ny fokon’ny Joda (Apok.5:5), ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo (Apok.19:16). Izy no zava-drehetra amin’ny rehetra ho an’ireo mpino, Andriamanitra naseho tao amin’ny nofo (1 Tim.3:16). Izy ny Zanakalahin’Andriamanitra, ny Zanak’olona, ary ny Zanak’i Davida.
Ireo Filazantsara efatra no mitantara ny fiainan’i Kristy, ny Minisiterany, ireo Fijaliany, ny Fahafatesany, ny Fandevenana Azy, ny Fitsanganany be voninahitra tamin’ny maty, ary ny Fiakarany voatahy. Tao Kalvaria izay nandrotsahany ny Ràny masina, no nividianany ireo izay Azy. Tamin’ny andro Pentekosta, niverina tao amin’ny endriky ny Fanahy Masina Izy, ary nanao Fitoerany ao anatin’ireo izay navotany. Nanomboka teo, dia amin’ny alàlan’izy ireo Izy no mihetsika, manao ireo asa izay nataony ihany nandritra ny Minisiterany teto an-tany. Amin’ny alalan’ireo famantarana izay manaraka azy ireo no mijoro vavolombelona ny fitoriany ny Teniny Izy, ary manamarina izany. (Heb.2:4)
Ny Fiangonana voalohany dia naharitra tamin’ny fampianaran’ireo Apostoly, tamin’ny fiombonan’ny mpirahalahy ary ny fivavahana (Asa 2:42). Afaka milaza ve isika fa toy izany koa no ataontsika ankehitriny? Nahafantatra ny mpino fa tolotsaina tamin’ny Fanahy Masina, ary teo ambany fitarihany, no nanoratany sy nitenenan’ireo Apostoly. Afaka milaza ve isika fa toy izany amintsika tsirairay, amin’ny maha singan’olona antsika, sy ao amin’ny fiangonana misy antsika?
Ireo epistily dia manazava amintsika ny fiasa sy ny lamina misy ao amin’ny Fiangonana. Araka ny Efesiana 4:11, dia mametraka ao amin’ny Fiangonany Andriamanitra: apostoly, mpaminany, mpampianatra, evanjelisitra ary mpiandry. Andriamanitra no nanome ireo minisitera ireo mba ho fampirisihana sy ho fanatanterahana ireo singan’ny Vatan’i Kristy. Nametraka koa Izy fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba ho fampandrosoana sy ho fampaherezana ny Fiangonana (1 Kor.12:4-11). Ny singa mahatoky tsirairay ao amin’ny Vatan’i Kristy dia maneho ireo vokatry ny Fanahy Masina (Gal.5:22-26). Tiako mba ho fantatry ny olona mazava tsara fa ny Tenin’Andriamanitra rehetra dia mbola manan-kery ankehitriny.
Ny Tenin’Andriamanitra dia manoro antsika mazava tsara ny amin’ireo asa fanompoana rehetra, sy ny fampianarana, ary izay rehetra tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana. Tokony ho azo tsara avokoa, tsy misy anavahana, ireo rehetra ireo. Izay rehetra te-hanao ny tsara dia mahavita manaraka ny tena filamatry ny Baiboly. Tsy misy fomba ahafahana tonga amin’ny fahatanterahana afa-tsy amin’ny fankotoavana ny fampianarana fototry ny Baiboly manontolo, ary amin’izay ihany.
«Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika» (Hebreo 6:1)
Ny lafiny ara-paminaniana an’i Kristy sy ny Fiangonany dia tena manan-danja, indrindra amin’ny fotoana toy izao, izay ahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly. Tsy isalasalana fa ho afaka hiresaka mikasika ny faharavan’ny tontolo ankehitriny isika, sy ireo famantarana ny andro farany, ny amin’Isiraely, ary lohahevitra maro hafa. Ankasitrahantsika tokoa ny Andriamanitsika Tsitoha, noho Izy manefa ireo teny fikasany amin’ireo Jiosy, tahaka ny anaovany izany amin’ny Fiangonany. Ny tena mpino marina dia miandany amin’Isiraely, tsy mijery, na ireo tatitra, na ny hevitry ny firenena maha-olom-pirenena azy. Efa fahagagana sahady, na ny firenena Isiraely, na ny mbola fisiany. «Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amorontsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.» (Jeremia 31:10).
Azo antoka fa Andriamanitra tsy mba hanadino an’Isiraely, ary Izy hihazona ireo teny fikasany tsara rehetra ho an’ny taranak’i Abrahama ara-nofo, izany mandrapaha-tanteraka ireo Fikasany rehetra mahakasika azy. Zavatra anankiroa mirazotra no miara-mitranga amin’izao androntsika izao: ny fanangonana an’Isiraely avy amin’ny firenena rehetra sy ny fiantsoana ny Ampakarin’i Kristy hivoaka ivelan’izay rehetra rafi-pandaminana. Raha jerena ny fahatanterahan’ireo faminaniana, dia efa tonga amin’ny tendro avony avokoa ny zavatra rehetra ankehitriny. Ho tonga tsy ho-ela ny fandresena farany, sy ny hanomezam-boninahitra ilay Avo Indrindra. Mampihetsi-po manokana ny mahita ny fomba anomanana ny Ampakarina mialoha ny fampakarana. Aorian’izany, dia hiala amin’ny Jentilisa ny Fanahin’ny Tompo, fa ny Tompo dia haneho ny Tenany amin’ireo Rahalahiny, ireo Jiosy, (Zak.13).
Mba ahitana tsara an’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Teny faminaniana, dia tsy maintsy manokatra ny bokin’ny faminaniana isika, ny Apokalypsy, izay fanambarana an’i Jesosy-Kristy. Ireo kristiana mahatoky dia tsy mba manitatra ny amin’ny Soratra Masina, fa mahay mamantatra ny Teny rehetra ao amin’ny tena manodidina tokony ipetrahany.
Ireo Filazantsara efatra, amin’ny ankapobeny, dia milaza ny fiainan’i Kristy, nanomboka tamin’ny Fahaterahany, ka hatramin’ny Fiakarany any an-Danitra. Ao amin’ireo epistily no ahitana ny fampianarana rehetra, sy ireo didy ho an’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Tahaka izany koa, ny bokin’ny faminaniana dia maneho amintsika an’i Jesosy-Kristy amin’ny maha-Zanak’olona Azy, mamindra eo afovoan’ny fanaovanjiro volamena misampana fito. Izao androntsika izao no nosafidin’ny Tompo nanokafana ny Tenin’ny Faminaniana.
Tombontsoa ho an’i Jaona ny nahitany mialoha ny zavatra rehetra tsy maintsy hitranga hatramin’ny fidiran’ny Fotoana amin’ny Mandrakizay. Tsy maintsy apetratsika amin’ny toerana sahaza azy ny zavatra rehetra, ary amin’ny hazavan’ny Teny Masin’Andriamanitra no handinihantsika azy amin’ny fijery mety, rehefa mahita ny fahatanterahan’izy ireo isika.
Firariantsoa tena miavaka no iantombohan’ny bokin’ny Faminaniana: «Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.». Ny iafarany dia fananarana iray tena matotra, izay tokony hotandremana fatratra: «Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny Tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin'ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra ato anatin'ity boky ity.» (Apokalypsy 22:18-19). Fisarahana tanteraka amin’ny Tompo, sy amin’ny Fiainana Mandrakizay no ambaran’ireo teny ireo.
Nandritra ireo taom-Piangonana nifandimby, rehefa namaky io boky farany ao amin’ny Baiboly io ny olona, dia tsy afaka nahafantatra ireo zavatra ireo, satria ny zavamiafin’ny faminaniana dia miery hatramin’ny ahatongavan’ny fotoanan’ny fahatanterahany. Amin’ny alahelo anefa no tsy maintsy ilazana fa nanaovan’ny mpanompon’Andriamanitra, sy ireo olon-kafa, fandikana manokana ny voalazan’ireo Filazantsara, sy ireo epistily, ary ireo faminaniana, raha tokony hionona fotsiny tamin’izay nambaran’ny Fanahy Masina izy ireo.
Tamin’ny Fiavian’i Kristy voalohany, ireo teolojiana, raha tokony ho niandry sy nandinika ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly fotsiny, dia nanome ny heviny manokana; Ary tsy misy hafa amin’izany indray koa ankehitriny. Tafatoetra tsara ao amin’ny fampianarany sy ireo làlany avy ireo fiangonana sy ireo mpanompon’Andriamanitra, ka tsy misy toerana intsony ho an’ny fanambarana ara-panahy. Koa, niteraka fikorontanana betsaka tao amin’ny mpino ireo fanazavana sy fandikana ireo lohahevitry ny Teny Masin’Andriamanitra. Ireny faminanian ao amin’ ny Baiboly ireny dia natao ahafantarantsika izay kasain’Andriamanitra hatao, mialoha ny fahatanterahany. Tsy misy toerana na dia kely ho an’ny fanombatombanana izany; Eo amin’ny fahatanterahan’ny tranga no hamantarana azy.
Aoka hotandremantsika izay nolazain’i Petera, teo ambanin’ny tolotsain’ny Fanahy Masina, hoe: «fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;» (2 Petera 1:20)