Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

NY FAHITANA TAO PATMO

« »

Raha tao amin’ny nosy Patmo i Jaona, dia voatsindrin’ny Fanahy, ary nasehon’ny Tompo tamin’ny alàlan’ny fanoharana maro ny lafin’ny faminanian’ny Drafi-Pamonjena. Naseho azy ireo taonan’ny Fiangonana, sy ireo zavatra rehetra izay tsy maintsy ho avy hatramin’ny fiafaran’ny fotoana. Na ireo lanitra vaovao sy tany vaovao aza dia hitany.

Ary mijoro vavolombelona mihitsy izy, milaza hoe: «Voatsindrin' ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho …». Misy vitsivitsy milaza fa ny andro Sabata no “Andron'ny Tompo“, fa ny sasany kosa milaza fa ny alahady izany. Saingy ireo fandikana anankiroa ireo dia ara-nofo ihany. Tsy mety ho andro 24 ora izany, satria roa taona no naha sesitany an’i Jaona tao amin’ny nosy Patmo.

Soritan’ny Baiboly mazava tsara ny atao hoe “Andron'ny Tompo“. Izany dia ny vanimpotoana miantomboka, rehefa tapitra ny Andron’ny Fahasoavana sy Famonjena. Manomboka amin’ny fitsarana ireo firenena rehetra izay hivondrona hamely an’i Jerosalema izany. «He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely.» (Joela 4:14-16)

Ireo toko telo voalohan’ny Apokalypsy dia milaza ireo zavatra mihatra amin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Io vanimpotoana io no fantatra hoe “Andron’ny Famonjena“ (2 Kor.6:2). Raha nanomboka tamin’ny fanehoana ny herin’Andriamanitra ho famonjena ny “Andron’ny Famonjena“, ary hifarana toy izany koa; dia tahaka izany koa, ny “Andron’ny Tompo“ dia hiantomboka ary hifarana amin’ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra , amin’ny fandreseny ireo Fahavalony.

Hanohy hitombo ny fahasoavana mandrapahatonga ny Ampakarin’i Jesosy Kristy eo amin’ny fahatanterahana, sy hiakarany amim-boninahitra. Enina andro no namoronan’ Andriamanitra izao-tontolo-izao, ary nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito (Eks.31:17). Tsy ela dia ho tapitra ireo enina arivo taona, ary hiantomboka ny andro fahafito, ny “andro’ny Tompo“. «Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.» (2 Petera 3:8)

Misy olona mino ary manizingizina fa ireo izay mitsaoka an’Andriamanitra ny alahady dia manana ny mariky ny Bibidia. Tokony hitandrina mafy ny rehetra mba tsy handika vilana ny Soratra Masina, ary tsy hilaza zavatra mahafaty sy maharingana toy izany. Misy ve ho sahy hilaza fa nanana ny mariky ny Bibidia i Kristy, satria niangona niaraka tamin’ireo Mpianany Izy ny andro voalohan’ny herinandro? «Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.» (Jaona 20:19). Herinandro taorian’izay, raha niangona koa ireo Mpianatra, dia tonga teo indray Izy (Jaona 20:26). Ahoana no ahasahian’ny olona miteny fa nanana ny mariky ny Bibidia ireo kristiana voalohany ireo, noho izy ireo nitsaoka tamin’ny andro alahady? «Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminay, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.» (Asan'ny Apostoly 20:7). Ny amin’ny fanangonam-bola hanampiana ireo masina kosa, Paoly nananatra mba hanokana izany ny andro voalohany aorian’ny Sabata. «Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.» (1 Kor. 16:2)

Ireo Jiosy no tsy maintsy mankalaza ny Sabata: «Dia hotandreman' ny Zanak'Isiraely (fa tsy ny firenena jentilisa) ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak' Isiraely (fa tsy ny firenena jentilisa) mandrakizay izany…» (Eksodosy 31:16-17)

Isaky ny nitory tamin’ireo Jiosy i Jesosy, sy ireo Apostoly, dia ny Sabata no nanaovany izany, satria izany no andro fiangonany mba itsaofany. Ireo kristiana, kosa, ny andron’ny fitsanganana tamin’ny maty no najainy, saingy tsy voatery nitandrina andro manokana, toa an’ireo Jiosy izy ireo. Na iza na iza, tena mpianatr’i Jesosy-Kristy, dia efa nahita ny fiadanan’Andriamanitra, ka efa niditra ao amin’ny tena “fitsaharan’ny Sabata“. Izany dia tsy voafetra amin’ny andro iray ao amin’ny herinandro, fa izany dia fitsaharana mandrakizay.

Ny tantara milaza amintsika fa ny Pàpa dia namoaka didy, nametra ny andro alahady ho andro tokana fitsaofana, na ho an’ny Jiosy, na ho an’ny Kristiana. Ny kristiana dia efa hatra tamin’ny andron’ny Apostoly, tsy nisy nanery, no niangonany amin’izany andro izany. Fa tamin’ireo Jiosy nanao ahoana ny fiantraika ratsy vokatr’izany didy izany; tsy misy
afaka hisaintsaina izany. Nampangain’ny Fiangonana Katolika Romana ho tompon’andraikitra tamin’ny nahafaty an’i Kristy izy ireo, ka izany no antony namoahany io didy jadona io, hiadivany aminy. Ny vokatr’izany dia ny fahoriany noho ny fanenjehana azy; norahonana izy ireo, nampijaliana ary novonoina. Fa indray andro, Andriamanitry ny Lanitra, izay marina, dia hamaly ireo halozan-kabibiana ireo.

Manana ny fomba fanaony manokana Andriamanitra amin’ny Jiosy, ary manana ny fomba fanaony koa Izy amin’ny Jentilisa. Nomena ny Jiosy ny Sabata ho famantarana ny Fanekena nataony taminy, fa ny Fiangonan’ny Jentilisa kosa mankalaza ny fitsanganan’i Jesosy-Kristy Tompo tamin’ ny maty. Tsy mba nihevitra hampitandrina ny Alahady an’ireo Jiosy Izy, toy ny tsy mba noheverany hampitandrina ny Sabata amin’ny Jentilisa.

Misy mihitsy aza olona izay mino fa ny Sabata no Tombokasen’Andriamanitra. Tsy manam-pototra ara-tSoratra Masina izany fiheverana izany. Ny Baiboly dia manazava tsara fa ny atao hoe Tombokasen’ Andriamanitra dia ny Tombokasen’ny Fanahy Masina. Ireo izay nihaino ireo toritenin-drahalahy Branham dia tody amin’ny fahalalana tsara ny atao hoe Tombokasen’Andriamanitra; toy izany koa ny amin’ny hoe mariky ny Bibidia.

Ao amin’ny Testamenta Taloha ny fanaterana ny amboara ahevaheva eo anatrehan’ny Tompo, ny maraina ampitson’ny Sabata (Lev. 23:10-11) dia maneho ny vokatry ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny andron’ny Pentekosta, izay andro fahadimampolo ihany koa dia ampitson’ny Sabata iray (Lev. 23:15-16). Mandritra ny Fanjakana-arivo-taona, dia miverina ho andro fiankohofana indray ny Sabata (Es. 66:23).

Ireo adihevitra sy fifandirana mikasika ny fihinanana sy fisotroana, ary fitandremana andro iray, dia tsy mahasoa na iza na iza. «Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny Tenany dia an'i Kristy.» (Kolosiana 2:16-17)

Raha voatsindrin’ny Fanahy i Jaona, dia tanjona lehibe kokoa noho ny fankalazana andro iray misy 24 ora no kinendr’izany. Nahita ny fizotry ny fotoana rehetra izy, sy ireo zava-dehibe rehetra tsy maintsy hitranga. Io Fanahy Masina be vonihanitra, izay naneho ireny zavatra ireny tamin’i Jaona, no nanambara izany tamintsika tamin’ny alàlan’ny minisiteram-paminaniana.