Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

MBA ASEHO AMIN’IREO MPANOMPONY…

« »

Ny Andriamanitra-Tsitoha tsy mba nanadino nanome torolàlana mazava ho an’ny Vahoakany; nalefany ireo Iraka, ireo mpanompony sy mpaminaniny, nitondra teny manokana ho an’ny vanim-potoana niainan’ireo avy. Amin’ny fotoana zina, raha mitady hanadino ny Tompo ireo Vahoakany, ka tsy mandeha araky ny Làlany, dia mandefa hafatra mampitandrina azy Andriamanitra mba tsy ho tonga aminy ny fitsarana. «Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy… ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.» (2 Tantara 24:19-20). Izao indray, dia mihantona eo ambonin’ny lohantsika ireo fitsaran’Andriamanitra. Inona àry ny hafatra, raha mbola tsy tonga amintsika izany ?

Tiako ny hampifantoka anareo amin’ny bokin’ny faminaniana, ny Fanambarana an’i Jesosy-Kristy; ao ny Tompo mampanantena fa «… hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana». Nalefa ireny hafatra ara-paminaniana ireny mba hanitsy ny vahoaka, ka hamerina azy amin’Andriamanitra. Miankina amin’ny fanajanao sy ny lanja omenao ny Tenin’ny Tompo ny fahombiazana na ny tsifahombiazan’ny fiananao ara-panahy. Ny Fanahy Masina ao anatinao, dia hampiteny anao mandrakariva, hoe: “Eny sy Amena“ amin’ny Tenin’ny fampanantenana.

Ny teny “mpanompony“ dia manondro, voalohany, ireo iraka izay eo amin’ny tànana ankavanan’ny Tompo, ary izy ireo no nomena handray ny fanambarana ara-paminanian’ny Teny avy amin’ny Fanahy Masina, mandritra ireo taom-Piangonana fito.

Ny nandefasan’ny Tompo ny Anjeliny tamin’i Jaona dia maneho ny lanjan’ny votoatin’ ny boky farany ao amin’ny Baiboly. «… ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,». Manana ny Anjeliny Andriamanitra any an-danitra, ary manana ireo Iraka Izy ambonin’ny tany mba hanambara ny zavatra tsy maintsy hitranga.

Ireo singan’ny Vatan’i Kristy dia tsy afaka ho ilay mpanompon’Andriamanitra izay ihavian’ny Tenin’ny Tompo avokoa, ary antsoina feon’Andriamanitra ny minisiterany. Saingy, tsy maintsy mandre ny feon’ny Teniny avokoa izy rehetra. Araka ny Safidiny manokana no hakany olona iray asainy mijoro vavolombelona amin’izay hitany sy renesiny. Izao no voalaza ny amin’i Jaona; «Izay nanambara ny Tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.» (Apokalypsy 1:2). Toy ireo mpaminany fahiny, dia nahazo fahitana izy, ary nandray fanambarana ny Tenin’Andriamanitra. Misy fahasamiafana lehibe amin’ireto tranga roa ireto: ny manana fahalalana ny Teny izay novozina, sy ny mahazo ny fanambaran’i Jesosy-Kristy, izay tsy azo raha tsy avy amin’ny Fanahy Masina. Amin’ity farany ity ihany, vao lasa Fanahy sy Fiainana ho antsika ny Teny.

Misy fahasamiafana lehibe amin’ny olona iray izay miteny mikasika an’i Kristy, sy Kristy izay miteny amin’ny alàlan’ny mpaminany iray, izay manana ny “Izao no lazain’ny Tompo“. Miteny i Paoly, ilay apostoly lehibe, hoe: «Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.» (Galatiana 1:12)