Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

ILAY FEO TOY NY ANJOMARA

« »

Fahiny, isaky ny nisy tranga manokana, na nisy zava-mahagaga hiseho, dia tsofina ny anjomara mba anangonana ny vahoaka, na ho firavoravoana izany na ho fampitam-baovao. Fony nidina teo amin’ny tendrombohitra Sinay ny Tompo-Andriamanitra mba ihaona tamin’i Mosesy, mpaminaniny izay notendreny handray ny Teniny ho an’ny vahoakan’Isiraely, dia toy izao no voasoratra: «Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.» (Eksodosy 19:19)

Naneno ny anjomaran’Andriamanitra tamin’ny andron’i Josoa, rehefa nandray ireo trompetra fito ireo mpisorona, ary nandeha teo alohan’ny fiaran’ny fanekena izay nitehirizana ny Tenin’Andriamanitra (Josoa 6).

Maneno ny anjomaran’Andriamanitra isaky ny hiteny Izy. Eo ny feon’ny anjomara mba hanaitra ny Vahoakan’Andriamanitra, ka hihainoany ny Feony, ary hahazoany mandresy.

Naneno toy izany indray ny anjomara, tamin’izao taranatsika izao. Milaza amintsika ny Soratra Masina fa amin’ny andron’ny feon’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zavamiafin’Andriamanitra, araka ny voalazany tamin’ireo mpaminany Mpanompony (Apok. 10:7)

Inona ny zavamiafin’Andriamanitra? Ahoana no hahenoantsika ny feon’izay lazain’ny anjely fahafito? –Efa haintsika fa ny anjely dia iraka iray, izay mitondra hafatra iray avy amin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka. Mandritra ny fanenon’ny feon’ny anjely fahafito dia hotanteraka ny zavamiafin’Andriamanitra, toy ny nambara tamin’ireo mpaminany Mpanompony.

Aoka tsarovintsika tsara fa ny teny “mpaminany“ dia misy dikany anankiroa. Ao amin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao dia misy apostoly, mpaminany, mpampianatra, sns… Fa isaky ny misy zavatra manan-danja hitranga eo amin’ízao-tontolo-izao, dia maniraka mpaminany lehibe iray Andriamanitra, hanambara izany.

Tao amin’ny fiangonan’i Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra maromaro (Asa 13.1). «Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia. Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.» (Asa 11:28).

Ny mpaminany iray toy izany dia afaka milaza mialoha zavatra hitranga eo amin’ny tontolo, na amin’olona iray manokana. Naminany nikasika an’i Paoly koa Agabo izay zavatra hitranga aminy (Asa 21:11). Araka ny 1 Kor.14:29, mpaminany roa na telo no miteny, fa ny sisa mamantatra.

Rehefa misy mpaminany iray lehibe, mpahita, dia izy no mpitondra ny Tenin’ilay Andriamanitra-Tsitoha. Amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra no anehoany ny Teny, sy amoahany ireo faminaniana zavatra hitranga ao amin’ny Drafi-Panavotana. Tsy maintsy mihaino sy mino ny mpaminany toy izany isika, fa tsy mitsara azy. Tsy nisy afa-tsy tokana i Enoka, tokana i Abrahama, tokana i Mosesy, tokana i Noa, tokana i Jaona mpanao batisa, ary tokana i Paoly, tamin’ny androny avy. Tsy nisy nahazo nitsara ireny mpaminany ireny, satria izy ireny nanana ny “Izao no lazain’ny Tompo“.

Tao amin’ny Fiangonana voalohany dia nisy apostoly, mpaminany, mpampianatra, sns… Saingy i Paoly, izay mpaminany-iraka, no nomena ny anjara asa famelabelarana ny zavatra tamin’ny Fiangonana. Hoy izy, ao amin’ny 1 Korintiana 14:37, hoe: «Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.»

Na iza na iza, tena voantson’Andriamanitra marina ho amin’ny iray amin’ireo minisitera dimy voalazan’ny Efesiana 4:11 ireo, dia hanaiky ny Tenin’ny Tompo tsy misy kilema izay entin’ny iraka alefan’Andriamanitra izy.

Nandritra ny taom-Piangonana tsirairay amin’izy fito, dia nisy hatrany lehilahy maromaro izay nalaza teo amin’ny vahoaka; ary tena nampiasain’Andriamanitra tamin’ny minisitera samihafa tokoa izy ireny, saingy tao amin’ny taom-Piangonana tsirairay Andriamanitra dia nifidy izay nampitondrainy ny hafatra ho an’ny vanimpotoana.

Toy izany koa amin’izao taranatsika izao, maro ireo evanjelisitra malaza sy mahay miteny, saingy iza àry ilay iraka izay nahatongavan’ny Tenin’ny Tompo ankehitriny?