Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana
Jesosy-Kristy no Zanakalahin’Andriamanitra, Zanak’olona, ary Zanak’i Davida. Ny tsirairay amin’ireo fiantsoana Azy ireo dia maneho Azy amin’ireo Asany samihafa, ary tsy mety ampifanakalozana ireo. Raha ny amin’ny Teny-faminaniana, dia aseho toy ny Zanak’olona Izy. Araka izany no tsy ahitantsika Azy toy ny Zanakalahin’Andriamanitra, na Zanak’i Davida, fa tena Zanak’olona izay mamindra eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito (Apok. 1:13).
Ireo mpanoratra ny Filazantsara efatra dia saika niresaka Azy amin’ny maha Zanak’olona Azy avokoa, satria nandritra ny Fiaviany voalohany dia tanteraka ireo faminanian’ny Baiboly. Nandritra ny Asa fanompoany teto an-tany dia naneho ny Tenany ho Zanak’olona ny Tompo Jesosy. Izy no fahatanterahan’ny Deotoronomia 18, izay notsiahivin’i Petera tato aoriana: «Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo. Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).» (Asan'ny Apostoly 3:22-23)
Mosesy sy Elia ho an’ny Testamenta Taloha, Petera, Jakoba ary Jaona ho an’ny Testamenta Vaovao, dia niara-nahita an’i Jesosy-Kristy Tompo niova endrika teo anatrehany: «… ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava… Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.» (Matio 17)
Jaona ihany koa dia nanambara ny fihetsiny rehefa nahita Azy izy: «Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.» (Apokalypsy 1:17-18)
Raha isika nanaiky Azy ho Zanakalahin’Andriamanitra, sy ho Mpamonjy antsika, tsy tokony koa ve isika hiankohoka eo an-Tongony, hanaja Azy, rehefa manonona ny Teniny amin’ny fahefan’ny Zanak’olona Izy, ilay Mpaminany-Andriamanitra?
Ao amin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3, dia mandefa ireo anjely-iraka an’Azy Jesosy-Kristy. Ireto teny tsy miova ireto no vakintsika ho famaranana ny hafatra rehetra: «Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana»;
«izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana…» Ao amin’ny Teniny, Andriamanitra dia misaina izay teneniny, ary miankina amin’izany ny hoavintsika mandrakizay. Na efa natao ho amin’ny fiainana aza ny fanahintsika, dia mety mbola hamery izany isika, raha tsy mitandrina ny fandraisana anjara amin’ny sakafo ara-panahy, ny Teny voambara izay ahavitantsika mihaina ara-panahy. «… tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho…» (Apokalypsy 3:5). Aoka ho tsapantsika tsara ny lanjan’izany filazana izany! Tsy tenina mpanompon’Andriamanitra, na tenin’olon-kafa izany, fa tena ny an’i Jesosy-Kristy mihitsy, ilay Zanak’olona, ilay Mpaminany-Andriamanitra, manonona ny Teniny izay Fanahy sy Fiainana. Izay fanahy tsy mihaino ny tenin’io mpaminany io dia tandindonín-doza lehibe.
Isaky ny miditra an-tsehatra ny iray amin’ireo iraka-kintana ireo, tsy mba mitady ny hahasoa ny tenany manokana izy. Tsy nisy tamin’izy ireo mba niteny ny amin’ny tombontsoany manokana. Tsia, kintana teo amin’ny tanan-kavanan’ny Tompo izy ireo, mampimiratra ny Hazavan’i Jesosy-Kristy. Tena mpitondra marina ny Feon’Andriamanitra-Tsitoha izy ireo
Io teny «Izy no henoy» io dia misy dikany mihoatra ny mety ho fantarintsika. Anivon’ireo feo samihafa rehetra ara-pivavahana manerana izao-tontolo-izao ankehitriny, dia io iray io no tena Feon’Andriamanitra marina. Tonga izao ny fotoana izay tsy maintsy hihainoantsika ny feo izay maneno toy ny feon’anjomara. Raha tena ilay voan’Andriamanitra tokoa isika, tsy maintsy mandray ny Teny voambara voalohany.
Petera, izay teo amin’ny tendrombohitry ny Fiovantarehy, dia notsindrin’ny Fanahy Masina mba hampita ny fanambarana avy amin’Andriamanitra: «… Izy no hohenoinareo…» (Asa 3:22).
Iray ihany ny «Zanak’olona», iray ihany ny «Mpaminany». Ireo iraka alefany no atao hoe mpanompo sy mpaminany. Izy ny Mpisoronabe, ny Mpanjaka, fa isika no mpanjaka sy mpisorona. Izy ny Zanakalahin’Andriamanitra, fa isika no zanakalahy sy zanakavavy an’ Andriamanitra.
Ny fisehon’i Jesosy-Kristy toy ny «Zanak’olona» ao amin’ny faminaniana dia manoro antsika fa mitohy mandritra ny fotoanan’ny Testamenta Vaovao manontolo ny Minisiterany.
Ireo epistily, manomboka amin’ny Romana ary miafara amin’ny Joda, dia manoritra Azy toy ny «Zanakalahin’Andriamanitra». Na indray mandeha aza, tsy nampiasaina ny teny «Zanak’olona» na ny teny «Zanakalahin’i Davida». Tsy fifandrifian-javatra izany, satria ao, tsy faminaniana no tena resahiny. Ny tanjon’izy ireo voalohany dia ny hampitoetra ny fampianarana sy ny didy ao amin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, ary hampiseho an’i Jesosy-Kristy amin’ny maha «Zanakalahin’Andriamanitra» Azy, izay maneho ny Heriny mamonjy sy manasitrana nanomboka tamin’ny andro Pentekosta.
Ho an’ny Jiosy, Jesosy dia ny «Zanakalahin’i Davida». Fony niditra tao Jerosalema Izy, ny andron’ny Sampandrofia, vahoaka maro be no nihira mafy hoe: «Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra.» (Matio 21:9). Ny ankizy, tao amin’ny tempoly dia faly koa nihiaka hoe: «Hosana ho an'ny Zanak'i Davida!» (Matio 21:15)
Amin’ny maha «Zanakalahin’i Davida» Azy, dia toy ny Mpanjaka, hipetraka eo amin’ny Sezafiandrianany Izy, hifehy ny firenena rehetra, mandritra ny Fanjakana-arivo-taona. Amin’ny maha-Zanakalahin’ Andriamanitra Azy, dia Izy no Mpamonjy, amin’ny maha-Zanak’olona Azy, dia Izy ilay Mpaminany, ary amin’ny maha-Zanak’i Davida Azy, dia Izy no Mpanjaka. Tsy mba mety ampifamadihana ireo fiantsoana telo ireo. Ny fiantsoana tsirairay, Zanakalahin’Andriamanitra, Zanak’olona, Zanak’i Davida, dia milaza fisehoana miavaka tsara an’ireo Toe-pahatanterahany sy ireo Asany. Tsy misy Soratra azo ovana, ary toy izany, tsy mety asolo fiantsoana hafa koa ny fiantsoana iray na Olona iray ihany aza no resahina. Ny anarana tsirairay, ny fiantsoana tsirairay omena Azy, dia manana dikany manokana mifandraika amin’ny lohahevitra dinihina, ary tsy maintsy apetraka ao amin’ny manodidina azy.
Betsaka no voalaza mikasika an’i Jesosy-Kristy, Zanakalahin’Andriamanitra, saingy tena vitsy ireo olona mba mihevitra handalina ny Teny faminaniana, ary mamantatra an’i Jesosy-Kristy amin’ny maha-Zanak’olona Azy. Vanim-potoana fahatanterahana faminaniana no iainantsika izao, izay nahitana an’i Kristy niseho toy ny Zanak’olona, araka ireo teny fikasan’ny Teny ho an’ny androntsika izao. Amin’ny fiafaran’ny fizaram-potoanan’ny Fahasoavana, dia tsy maintsy tanteraka ny fanambarana ny Zanak’olona, sy ny famantarana ny Zanak’olona, ary farany ny fiavian’ny Zanak’olona.
Ao amin’ny Matio 24, ny Tompo Jesosy dia miresaka ireo zavatra tsy maintsy hitranga mialoha ny Fiaviany faharoa. Noresahina imbetsaka ireo famantarana ny andro farany: ady sy filazana ady, horohoron-tany, fanangonana ireo Jiosy, sns… Miteny amintsika ny Baiboly, Matio 24:3, fa nametraka fanontaniana telo miavaka tsara tamin’i Jesosy Tompo ireo mpianatra: «Lazao aminay —izay andro hahatongavan'izany? sy —izay ho famantarana ny fihavianao? ary —ny fahataperan'izao tontolo izao?» Vao avy niteny taminy ny Tompo fa tsy hisy vato hifanongoa ho tavela amin’io tempoly io. Tsy ela taorian’izany dia tanteraka ny valin’ny fanontaniana voalohany, raha nanafika an’i Jerosalema i Titosy, ka nambabo azy. Noravana ny tanàna, nopotehina ny tempoly, ary naparitaka ireo Jiosy.
Ny fanontaniana faharoa no tena mahakasika antsika: «izay ho famantarana ny Fihavianao?» Tsy nanontany ny amin’ireo famantarana maro izay noresahin’i Jesosy fa hialoha ny Fiverenany ireo mpianatra, fa famantarana tokana no nanontaniany: «izay ho famantarana ny Fihavianao?»
Marihonareo izany, azafady. Ny «Famantarana ny Fiaviany» no resahina. Koa, tsy maintsy mifandray amin’ny Fiaviany izany. Ny famantarana no omena dia ny hampianatra sy ny hitarika. Raha te-ho vonona amin’ny Fiaviany àry isika, dia tsy maintsy fantarintsika ny famantarana izay manondro ny Fiaviany. Ireo Jiosy, dia ny famantarana ny Zanak’olona no ho hitany (Mat.24:30), rehefa handeha hidina eo amin’ny tendrombohitra Oliva Izy (Zak. 14).
Ny Tenin’Andriamanitra milaza fa rehefa nakarina niala teo amin’ny Mpianany Izy, dia nisy rahona naka Azy, ka tsy hitan’izy ireo intsony Izy (Asa 1:9), ary ho toy izany ihany ny Fiverenany (Asa 1:11). Io rahona mahagaga io dia mampatsiahy antsika ireo fitsidihana samihafa nataon’ilay Andriamanitra-Tsitoha tao amin’ny Testamenta Taloha, sy izay niainan’ireo apostoly teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.
Inona àry no dikan’ny fisehon’ny Tompo tao amin’ny rahona tamin-drahalahy Branham, ny 28 Febroary 1963, nialoha ny nanambarana ireo zavamiafina nofonosin’ireo Tombokase fito? Mety io ve ilay Famantarana ny Fiaviany, natao mba hanaitra ireo Olony? Ankehitriny, dia ny fotoana iantsoana antsika hivoaka hitsena Azy, sy hiomanantsika, satria antomotra ny Fiavian’ny Tompo. Izay olona milaza fa efa niverina Kristy, na koa amin’ny fomba hafa noho ny voalazan’ny Soratra Masina ny hiverenany, dia nohajambaina niala ny Fahamarinana, ka mamita-tena.
Ny famantarana iray dia maneho, na mitondra dikany ilaintsika amin’ny fahalalan-javatra, na manome torolalana antsika. Tsy maintsy arahina feo ara-tSoratra Masina iray ny famantarana ara-tSoratra Masina iray. Ireo izay mahafantatra ny famantarana àry dia mihaino ny feo.
Rehefa avy niseho teo amin’ny rahona mahagaga iray ny famantarana ny Zanak’olona, dia nampandre ny Feony ny Tompo: Nosokafana ireo Tombokase, ary voambara ireo zavamiafina izay nisarona. Araka izany, mialoha ny hampakarana am-boninahitra ny Vadin’i Kristy, dia misy famantarana iray nomena azy eto an-tany, amin’ny alalan’ny ministeram-paminaniana iray. Tsy azo lavina ireny trangan-javatra ireny. Ao amin’izao taranaka farany izao, ireo olom-boafidy dia voataona hifantoka amin’ny zavatra izay ataon’ny Tompo.
Ao amin’ny Lioka 17, dia mampitaha amin’ny andron’i Noa, sy ny an’i Lota Jesosy-Kristy; hoy Izy hoe: «Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.» Tamin’ireo fotoana roa ireo, ny Tenin’ny Tompo dia nambara tamin’ny mpaminany iray. Talohan’ny safodrano, nilazana ny zavatra ho avy i Noa. Talohan’ny nandravana ny tanàn’i Sodoma sy Gomora, niresaka tamin’i Abrahama ny Tompo. Mpaminany lehibe izy roalahy ireo. Tamin’izany fotoana izany Abrahama no nahazo fanamafisana ny teny fikasana ny amin’ny ahazoany zanakalahy, dia Isaka izany, ary Saraha nofantarin’ny Tompo ny niafina tao am-pony.
Io minisiteran’ny famantarana io ihany no niverina indray, rehefa nambaran’ny Tompo ny zavamiafin’ny fo an’i Natanaela, sy Petera, ary ilay vehivavy teo am-pantsakana, sy ny hafa koa. Tamin’izao taranatsika izao, mbola io minisitera io ihany no niseho, tsy nisy valaka. Ireo izay mahalala ny minisiteram-paminanian-drahalahy Brahnam dia mahay ny fahamasinan’ny rivotra tao amin’ny efitra fivoriana isaky ny miasa io fanomezam-pahasoavan’ny famantarana io. N’aiza n’aiza nanerana ny tany izy, dia afaka nilaza tamin’ny olona ny aretiny, sy ny olana aminy, ny toerana niaviany, sns… Nisy fahanginana masina nilatsaka teo amin’ny mpivory, satria, tsy nisy fisalasalana, fa teo ny fanatrehan’ny Tompo.
Lioka 17:30 dia miresaka ny andro izay hisehon’ny Zanak’olona. Ny andininy faha-34 dia mitantara amintsika ny fomba hampakarana ireo izay ho vonona hihaona Aminy: «Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.». Tsy isalasalana fa miteny mikasika ny fampakarana io andalana io. Aoka hazava tsara amintsika! Tsy tonga ny fampakarana raha tsy efa ho nisy aloha ny famantarana sy ny fanambaran’ny Zanak’olona.
Ao amin’ny Lioka 18:8, manontany Jesosy-Kristy, hoe: «Kanefa, raha avy ny Zanak'olona (fa tsy ny Zanak’Andriamanitra na ny Zanak’i Davida), moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?». Raha tsy mahafantatra ny Famantarana ny Fiaviany isika, ary tsy mandre ny Feon’ny Zanak’olona ao amin’ny Teny faminaniana, ahoana àry no hahavonona antsika amin’ny andro tena hiaviany? Ny Fiangonan’ny Andriamanitra velonadia tsy maintsy manilika ny fombafomba rehetra nampidirin’ny olombelona, manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ary mahita an’i Jesosy-Kristy, ny Zanak’olona, ao amin’ny Fiangonany. Mihazona ireo kintana fito amin’ny Tanan-kavanany Izy, mandroso sady miteny eo afovoan’ireo fanaovanjiro volamena fito.
Ny kristiana rehetra dia mandray ny Tompo Jesosy-Kristy amin’ny maha Zanakalahin’ Andriamanitra Azy, saingy tsy misy afa-tsy ireo voafidy no manaraka Azy ao amin’ny ministeram-paminanian’ny Zanak’olona. Tsy misy na tokana aza amin’ireo hafa mahafantatra ny Sitrapony. Mbola tahaka ny tamin’ny Fiaviany voalohany ihany ankehitriny. «Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.». Amin’ny fiafaran’ny taonan’i Laodikia, taom-Piangonana farany, hoy Izy hoe: «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny Feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.». Ny fepetra izany, dia ny mandre Azy izay mandondòna, sy ny mamoha Aminy ny varavarana, ary ny mandray Azy. Amin’izay ihany Izy vao hiditra, ary hiara-misakafo amintsika, satria mbola mamaky ny mofon’Aina Izy izao, ary ny fontsika mangorakoraka rehefa miteny Izy. Ny mpino no andefasany io hafatra io, fa tsy ireo mpanota. Ivelan’ny Fiangonana Izy, mangataka ny hovohana Aminy ny varavarana, ary havela hiditra Izy.
Oh, tsy azo lavina, fa maro ireo hetsika ara-pivavahana, ary maro no voateny mikasika Azy, ao amin’ireo fihirana sy ireo toriteny. Saingy ny marina, dia ivelan’ny Fiangonana Izy, nolavina sy tsy fantatry ny maroanisa Izy, satria miseho amin’ny maha Zanak’olona Azy Izy, ilay Mpaminany, miezaka manatanteraka ny Teny nampanantenainy. Efa nolazana isika hoe: «Izy no henoy!». Mihainoa, ry mponina rehetry ny tany, fa miteny ny Tompo: «Ïzay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana.»
Ireo izay nanombo ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana dia ireo izay mpivavaka indrindra teto an-tany, ary ireo no nanana ny teny fikasana sy ny faneken’Andriamanitra. Nihevitra angamba izy ireo fa tena akaiky ny Tompo sy ny Teniny.
Ankehitriny dia voahombo indray Jesosy-Kristy, ary ireo izay mihambo ho mino Azy sy ny fanekena nampanantenainy ihany, kanefa tsy mahafantatra tsara ny Minisiterany amin’ny maha-Zanak’olona Azy, no mandatsa Azy. Saingy, ny Tompo niteny izao fampiononana izao: «Ireo Ondriko mahalala ny Feoko…»
Nivoaka an’i Egypta Isiraely, araka ny teny fikasana azony tamin’Andriamanitra. Kanjo, noho izy ireo tsy nankatò ny feon’Andriamanitra, sady tsy nitandrina izay nolazainy, dia tsy navela niditra ny tanin’ny teny fikasana izy ireo. «Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo… Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.» (Deotoronomia 4:36,39)
Ho antsika kosa, dia teny fampitandremana ny ao amin’ny Hebreo 12:25: «Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tety ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin' ilay avy any an-danitra.»
Tsy voalaza anatin’io andalana io ny amin’ireo izay mandà Azy ho Ilay mamonjy sy manasitrana, fa ireo izay mandà ny mihaino Azy, Izy Ilay miteny, ilay Mpaminany, ny Zanak’olona. Raha miteny ny Tompo-Andriamanitra, kanefa tsy mihaino ny Feony ny Vahoakany, dia zavatra tena ratsy izany. «Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana.»
Tsy maintsy mandre ny “Feony“ isika izao, amin’ny andro iainantsika izao, satria izao no “aniontsika“.