Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana

NY ZAVAMIAFIN’I KRISTY SY NY FIANGONANY

« »

Nanolotra ny Tenany Jesosy-Kristy mba ho sorona tanteraka indray mandeha, ho an’ny fahotan’ny zanak’olombelona izay lavo. Ny fandresena lehibe indrindra tao amin’ny vanimpotoana rehetra dia ny Azy, rehefa nentiny ho babo ny fahababoana, ka notapahany ny rojo rehetry ny fonja, hanafahana ireo izay navotany. Rehefa izany, dia niakatra any an-Danitra Izy, ary niverina tamin’ny endrika Fanahy Masina, mba honina ao anatin’ireo Azy, ka hiseho eo anivony, mandritra ireo taom-Piangonana rehetra, mandra-piverenany indray ho an’ny Ampakariny izay tsy hisy pentina, sady hitafy ny akanjon’ny Fahamarinany.

Sary tsara loatra milaza an’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana no voasoritra ho antsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Nahita Azy nandeha teo afovoan’ireo fitoeranjiro fito i Jaona, toy ny Zanak’olona.

«Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito, ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.» (Apok. 1:12-20)

Ao amin’io sary faminaniana io, ny Tompo Jesosy-Kristy dia aseho ao amin’ny endrim-boninahiny, mamindra sy miteny afovoan’ny Fiangonany. Ny fehikibo volamena eo amin’ny Tratrany dia maneho Azy toy ny Mpitsara. «Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra…» (1 Petera 4:17)

Jaona tsy nahita Azy toy ny Zanakalahin’Andriamanitra, manavotra ireo very sy manasitrana ireo marary; tsy nahita Azy mametraka ireo minisitera samihafa ao amin’ny Fiangonany koa izy. Tsy mba niresaka fanomezam-pahasoavana, apostoly roambinifolo, mpianatra fitopolo i Jaona, fa izy kosa nahita ny Tompo Jesosy-Kristy toy ny Zanak’olona, mihazona ireo kintana fito eo an-Tanany ankavanana. Ny Teniny dia «velona sy mahery ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.» (Hebreo 4:12). «Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.» (Jaona 8:47). «Izay manda Ahy ka tsy mandray ny Teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,» (Jaona 12:48)

Miseho amin’ireo Fiangonana fito ny Tompo Jesosy-Kristy toy ilay “Ampy amin-java-drehetra“, «Alfa sy Omega, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.» (Apokalypsy 1:8). Izany no Fanambarana Azy farany amin’ny Fiangonany. Izy dia efa naseho tao amin’ireo Toetram-pahatanterahany samihafa sy ireo Endriny izay mifandraika amin’ny Drafi-panavotana. Fa eto, dia ny maha Andriamanitra feno Azy no aseho.

Tao amin’ny Testamenta Taloha sahady, dia efa noresahina ny fanaovanjiro, izay maneho ny Fiangonana. Zakaria mpaminany dia nahita ny fanaovanjiro, ka nanambara hoe: «… Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;» (Zakaria 4:2). Ny diloilo ao amin’ny fitoeran-diloilo dia entin’ireo fantsona fito mankao amin’ireo fanilo fito. Ilay Andriamanitra iray ihany, ilay Fanahy Masina iray ihany, no nidina nandritra ireo taona fiton’ny Fiangonana, nanome ny fanambarana marina tamin’ny Fiangonana velona.

Raha tany an-tendrombohitra ny mpaminany Mosesy, dia nasehon’ilay Andriamanitra-Tsitoha azy ny modelin’ny Tabernakely, ary nomeny azy tamin’ny antsipirihany ny torolalana hanamboarana izany (Hebr. 8:5). Natao ho fonenan’ny Andriamanitry ny Isiraely io Tabernakely io, isaky ny mampitoetra ny Fiombonany amin’ny vahoakan’ny fanekena Izy, ary ao Izy no mandray ireo fitsaofany sy ireo fanatitra izay ateriny eo amin’ny alitara.

Nizara roa ny Tabernakely, dia ny “fitoerana masina indrindra“, sy ny “fitoerana masina“ izay nisy ny fanaovanjiro nisampana fito, sy ny latabatr’ireo mofo aseho (Heb. 9:2). Nahazo ny torolalana nanamboarana izany i Mosesy: «Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.» (Eksodosy 25:31). Miresaka amintsika ny fifelan’ny Fiangonana izany. Vongam-bolamena tokana no nanaovana ny fanaovan-jiro manontolo. Tsy nisy metaly nampiana na nesorina taminy. Sary tsara loatra an’ny Vadin’ny Tompo Jesosy-Kristy izany! Miray Aminy Izy, sady miray toe-tena Aminy, voadion’ny Ràny, nateraka indray, ary nataon’ny Fanahiny tombokase.

Ny fanaovanjiro misy tahony fito dia tsy nitondra labozy, toy ny fanao amintsika ankehitriny. Fa izy dia nitondra fanilo feno diloilo, izay narehitra sy namboarin’ny mpisorona isan’andro mba hirehitra tsy an-kiato (Eks. 27:20-21). Nanazava ny fitoerana masina izany ho an’ny olona tonga mandray anjara amin’ny latabatry ny Tompo. Tsy ireo fanilo ireo no fahazavana, fa ireo no maneho sy mampita ny fahazavana izay raisiny avy amin’ilay fitoeran-diloilo. Ireo fanilo fito eo amin’ny fanaovanjiro ireo no maneho ny Fiangonan’ny Tompo Kristy-Jesosy mandritra ireo taom-Piangonana fito.

Mifanatrika amin’ny fanaovanjiro no itoeran’ny latabatry ny mofo aseho, izay ametrahana ireo mofo-tsy-misy-masirasira (Lev. 24:5-6). Ho an’ny mpino rehetra izany dia sary ara-paminaniana an’i Kristy, ilay Mofon’Aina. Ireo mpisorona no mihinana ireo mofo ireo, fa isika kosa, amin’ny maha-fanjakam-pisoron’ny Testamenta Vaovao antsika, dia tsy maintsy manana anjara amin’ny Tompo Jesosy-Kristy, ilay Teny velona, satria hoy Izy, hoe: «Izaho no mofon'Aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.» (Jaona 6:35)

Napetraka teo anoloan’ny efitra-lamba ny alitara fandorana ditin-kazo manitra, ary nodorana teo amboniny ny didin-kazo manitra isa-maraina sy isan-kariva, mandritra ny nanamboarana sy nandrehetana ireo fanilo. Indray mandeha isan-taona ny Mpisoronabe no manao fanavotana, amin’ny ràn’ny biby-sorona, eo amin’ny alitara (Eks. 30:6-10).

Mety hanontany ianao hoe: “Inona moa no ifandraisan’izany amintsika?“ Dia, izao no voalaza amintsika, hoe: «ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny Tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.» (Efesiana 5:2). Isika, amin’ny maha-mpinon’ny Testamenta Vaovao antsika, dia manatitra ireo vavakantsika ho hanitra ankasitrahana eo anoloan’Andriamanitra-Tsitoha.«Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.» (Salamo 141:2). «Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay..:» (2 Kor. 2:15)

Ny Apokalypsy 8:3 dia miresaka mikasika ny alitara fandorana ditin-kazo manitra: «Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo amin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.». Tsy ny vavak’ireo mihambo ho mino no voalaza eto, fa ny vavak’ireo masina, ireo izay nohamasinin’ny Teny sy ny Fanahin’ny fahamarinana. «Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.» (Apok. 5:8). Ny vavaka rehetra an’ireo izay manaiky ny Teny nampanantenaina ao amin’ny fanekena nataon’Andriamanitra dia miakatra mankany amin’ny Sezafiandrianan’ny Tsitoha, toy ny hanitra ankasitrahana. Ny vavak’ireo izay tena mino marina ny hafatra nentin’ny iraka-kintana, ilay anjelin’ny tany ho an’izao taom-Piangonana izao, dia hakarin’ireo anjelin’ny lanitra eo amin’ny Sezafiandrianan’ Andriamanitra. Ny Teny voambara tao amin’ ny taom-Piangonana tsirairay, sy ireo vavak’ireo Masiny izay nandray io Teny io, dia miverina any amin’ny Sezafiandrianana. «Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.» (Isaia 55:11)

«… Miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.» (Hebreo 9:6). Fa, nialoha ny nahafahany nanompo teo anoloan’ ny Tompo, dia tsy maintsy natokana sy namasinina izy ireo, satria masina avokoa ny siny sy ny zavatra rehetra, noho izy ireo efa nohosorana sy namasinina ho amin’ny fanompoana ny Tompo: «Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.» (Eksodosy 30:29)

Araka izany, dia naroso teo amin’ny trano-lay fihaonana ireo mpisorona mba «…anasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy…» (Eks. 30:21). Rehefa izany, dia tsy maintsy notafiana akanjo masina natao manokana ho azy, araka ny torolalana marina efa nomen’ny Tompo. Dia izay vao nohosorana izy ireo.

Sary tsara manao ahoana rê izany ho an’ny Vadin’ny Tompo Jesosy-Kristy! Novidin’ny Ràny Masina Izy, dia nohamasininy sy nidioviny tamin’ny ranon’ny Teniny, «mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho Fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.» (Efesiana 5:27). Afaka hiteny io Fiangonana io hoe: «Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin' Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.» (Isaia 61:10). Voahosotra Izy, ary vita tombokasen’ny Fanahy Masina (2 Kor. 1:22). Ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy dia «… taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina…» (1 Petera 2:9). «Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny Ràny, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena!» (Apok.1:6)

Ny efitra-lamba no nanasaraka ny fitoerana masina indrindra tamin’ny fitoerana masina. «Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana…» (Hebreo 9:3-5).

Rehefa maty teo Kalvaria i Jesosy-Kristy, ilay Zanak’ondry tanteraka natao sorona, dia nanonitra ny fahotantsika ny Ràny. Isaky ny nanolotra ireo biby natao sorona ny mpisoronabe, tsy mba rovitra nizara roa ny efitra-lamba, fa rehefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra kosa nanolotra ny Ainy noho ny fahotan’ny vahoaka, dia «… indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany…» (Matio 27:51). Tamin’izay no nisokatra ny làlana mankao hatrany amin’ny Sezafiandrianana, ao amin’ny fitoerana masina indrindra.

Vita hatreo ny Lalàna, ny Fahasoavana no nasolo azy. Ny fitriaran’ny lamba-efitra, nizara roa hatra ambony ka hatra ambany, dia naneho fa Andriamanitra mihitsy no nandrovitra ilay lamba-efitra izay nanasaraka ny fiangonana tamin’ny Fanatrehana masina ny Tsitoha.

Tsy afaka niditra nihoatra ny efitra-lamba ny mpitsaoka tao amin’ny Testamenta taloha ka tsy ho faty, fa ankehitriny kosa isika dia mijanona ho maty ao amin’ny fahotantsika sy ny helontsika, raha tsy hankao amin’ny fitoerana masina indrindra, manaraka ny Mpisoronabentsika masina indrindra, ilay Mpanjaka izay nanafoana ny herin’ny fahavalo, ary koa, nametraka ny Ràny ihany teo amin’ny rakotra fanavotana. Tsy araka ny fanaon’i Arona ny maha Mpisoronabentsika an’i Kristy, fa araka ny fanaon’i Melkisedeka, Mpanjakan’i Salema, Mpanjakan’ny fiadanana, Tompon’ny voninahitra (Hebreo 7). Izy no Mpisoronaben’ ny finoantsika, izay mahay miara-mitondra ny fahalementsika (Hebreo 4:15)

Ny fitoerana masina indrindra dia mira refy ny lavany sy ny sakany, ary ny haàvony; ary izany dia mitory fahatanterahana amintsika. Io dia tahaka izay lazainy amintsika mikasika an’i Jerosalema vaovao, ilay ho fonenan’ny Vadin’i Kristy. «… Avia ety, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry. Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra… Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany… Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.» (Apokalypsy 21:9-10,16). Akory ny hatsaran’ny fonenana izay nomanin’ny Mpampakatra ho an’ny Vadiny! Raha teto an-tany tao amin’ny Fitoerana Masina indrindra no nidirany, dia hiaraka honina mandrakizay Aminy Izy ao amin’i Jerosalema Vaovao.

Ny fiaran’ny fanekena sy ny rakotra fanavotana dia tao amin’ny fitoerana masina indrindra. Ireo kerobima anankiroa dia nitodika tamin’ny rakotra-fanavotana. Vongam-bolamena iray tamin’ny rakotra-fanavotana ihany no nanaovana azy ireo (Eks. 37:1-9). Notehirizina tao amin’ny fiaran’ny fanekena ny Teny. Ny Tompo dia nijery ny Teniny izay teo anoloany mandrakariva, ary notandremany mba ho tanteraka (Jer. 1:12). Nanao fanekena Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha, ary nanao koa Izy ato amin’ny Vaovao. «Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.» (Marka 14:24)

Nisy ihany koa tao amin’ny fiaran’ny fanekena siny volamena iray nasiana ny mana, ary nidika izany fa izay misy ny Teny, dia ao koa ny hanina vao ho an’ny fotoany. Tao amin’ny taom-Piangonana tsirairay, ireo mpandresy dia nihinana ny mana niafina, izay ny Teny voambara. Ny mana izay noraisin’ny zanak’Isiraely isan’andro dia lò ny ampitso, fa ilay mana voatahiry tao amin’ny fiaran’ny fanekena, teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra dia tsy mba simba. Araka izany, isika tsy mahazo maka ny sisan-kanin’ny taom-Piangonana iray ka mampiditra izany ao amin’ny taom-Piangonana manaraka. Misy Teny nampanantenaina ho an’ny taom-Piangonana tsirairay, ary ny hanina vao dia tonga avy any Ambony amin’ireo izay manatanteraka ny Fisoronana Masina ao amin’i Kristy. Notehirizina tao amin’ny fiaran’ny fanekena koa ny tehin’i Arona izay nitsimoka. Andriamanitra mihitsy no nanendry an’i Mosesy sy ireo zanany ho mpisorona, ary nijoroany vavolombelona tamin’ny fomba mahagaga izany, nampamoniany sy nampitondrany voa ny tehina iray efa maina, tao anatin’ny alina iray monja. Toy izany koa, efa notendrena ho fisoronana hamony sy hitondra ny voan’ny Fanahy Masina ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona. Nalain’ny Tompo ireo taolana efa maina, dia nanamboarany vatana iray velona, mitafy ireo toetram-pahatanterahan’i Jesosy Kristy.

Tao amin’ny Testamenta Taloha, n’aiza n’aiza nampitoerana ny fiaran’ny fanekena dia voatahy betsaka ny olona tany. «Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.» (2 Samoela 6:15)

Ato amin’ny Testamenta Vaovao, Jaona dia nahita ny fiaran’ny fanekena. «Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.» (Apok. 11:19). Misy firavoravoana lehibe ao amin’ny vondron’ireo voavotra, rehefa niverina tamin’ireo Azy ny Tenin’ny faneken’ny Andriamanitra-Tsitoha, amin’izao andro farany izao.

Rehefa vita araka ny Teny avokoa ny zavatra rehetra, dia nidina tao amin’ny trano-lay fihaonana ny rahona, ary nameno ny tabernakely ny Voninahitry ny Tompo; Izy no nitarika ireo zanak’Isiraely tamin’ny diany nankao amin’ny tany nampanantenaina. Toy izany koa no ataon’ny Tompo amin’ny Vadiny, amin’ireo izay mankatò ny Teniny, mandra-pidirany ireo vavahady perla an’ny Tanana Masina.

Ny fanaovanjiro misampana fito dia maneho ny Fiangonan’ny Andriamanitra Velona ao amin’ny Faminaniana, satria Izy no fonenan’ny Avo-Indrindra. Ireo fanilo fito dia miteny amintsika ny fahazavana entin’ny Teny nampanantenain’Andriamanitra ao amin’ireo taona fito an’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny latabatra misy ireo mofo aseho dia faminaniana an-tsary an’i Kristy, ilay Mofon’Aina.

Ny alitaran’ny didin-kazo manitra dia maneho fa, ao amin’ny faminaniana, ireo mpandresy, ireo izay nandray ny Teny voambara ho an’ny androny, dia mitondra ireo vavakany eo anoloan’ny Sezafiandrianan’Andriamanitra, ary mihanaka toy ny hanitra ankasitrahana izany eo amin’ny Fanatrehany masina. Ireo masina tamin’ny taom-Piangonana rehetra dia naharesy noho ny Ran'ny Zanak'ondry sy ny Teny vavolombelony, ary ny tsy nankamamiany ny ainy intsony, na dia ho faty aza izy. (Apok. 12:11)

Ny fanilo voalohany no maneho ny taom-Piangonana voalohany; afo avy tao amin’ny alitara no nampirehetan’Andriamanitra —Izy tenany— io fanilo io, ny andro Pentekosta. Ny fanilon’ny taom-Piangonana nanaraka, tsirairay avy, dia nahazo ny hazavany tamin’ny fanilo nialoha azy izay nampita taminy io afon’Andriamanitra io, ary nampahazava ny Teny nampanantenainany rehetra. Isaky ny vanimpotoana dia nisy hatrany olona nandray ny hazavan’ny androny, ary nisy koa ireo izay nandà izany.

Ny hafatra iray avy amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mamerina antsika amin’ny Teny, ary ny Fanahy Masina no mitarika antsika amin’ny fibebahana. Raha tsy mibebaka isika, ary manaiky hofehezin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hesorin’ny Tompo amin’ny fitoerany ny fanaovanjiro, ka havelany ho ao amin’ny aizina ara-panahy isika (Apok. 2:5). Tsy hitohy hanazava ny fiangonana ny Hazavana raha mbola tsy mirehitra ny fanilo. Izay manohitra ny Hazavana dia hajambainy, fa ireo izay mandeha ao amin’ny Hazavana kosa dia «… tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny Ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.» (1 Jaona 1:7). «Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.» (1 Jaona 1:6). Ny atao hoe manaraka an’i Kristy dia ny manaraka Azy ao amin’ny fanambarana izay Izy ihany no nanome izany. Hoy Izy, hoe: «Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.» (Jaona 8:12)

Izao no voalazan’ny Soratra Masina mikasika ireo rehetra izay nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Fiavin’i Kristy voalohany: «Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.» (Isaia 9:1). Ary amintsika miaina amin’ny fotoanan’ny Fiaviany faharoa kosa, dia izao no lazain’i Paoly, hoe: «Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.»
(1 Tesaloniana 5:4)

Tamin’ny andron’i Mosesy, Egypta manontolo dia tao anaty aizina lalina, saingy ireo zanak’Isiraely dia nanana ny hazavana tao amin’ireo fonenany (Eks. 10:23). Nahazo ny Teny nampanantenaina ho an’ny androny izy ireo, ary nanaiky an’i Mosesy, ilay mpaminany nirahin’Andriamanitra. Noho izany izy ireo dia tafiditra nandray anjara tamin’izay nataon’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Mbola izany ihany no miverina indray ankehitriny. Indro, manarona ny tany ireo aizina, ary ny fahamaizinana manarona ireo vahoaka, araka ny teny fikasana ho an’izao ora izao.

«Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.» (Apokalypsy 5:6)

Hitantsika eto ny Zanak’ondry amin’ireo Fanahy fito, ireo maso fito, izay miteny amin’ireo anjely-iraka fito, izay nomena hahazo ny Teny nampanantenaina ho an’ny taom-Piangonany, izany dia amin’ny alalan’ny fanambarana. Ny minisiteran’ny faminaniana dia azo ampitahaina amin’ny maso ho an’ny vatana izay voamboatra amin’ny singa maro. «Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany). Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;» (Isaia 29:10-11)

Izany ka fitenenana mazava. Raha tsy afaka mahita ireo mason’ny Vatan’i Kristy, dia ny Vatany manontolo no ho rakotry ny aizina. Saingy, isaorana anie Andriamanitra, fa nomeny fahitana mazava tsara isika tamin’ny alalan’ny Teny voambara.

Maro ireo nihezaka namaky ny boky farany ao amin’ny Baiboly, saingy tsy afaka nahafantatra ny votoatiny, satria vita tombokase izany. Ankehitriny anefa, dia nampahafantariny antsika ireo zavatra izay niafina tamintsika, noho ny fiahian’ilay Andriamanitra-Tsitoha. Sitraky ny Tompo ny namoaka ireo zavamiafina nafenina nandritry ny fotoana rehetra, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ilay mpaminany nirahin’Andriamanitra, tamin’izao taom-Piangonana farany izao. Mbola miafina amin’ireo hendry sy marani-tsaina izany, saingy nambara tamin’ireo ankizy, ireo izay vonona hianatra.

Raha te-hahazo fijerena amin’ny ankapobeny an’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana isika, dia tsy maintsy mandinika ny Soratra Masina amin’ny fitohizany. Tsy maintsy jerentsika ny fifampidiran’ny lohahevitra iray amin’ny iray hafa, mandra-pivelatra manontolo ny Drafi-panavotana eo imasontsika.

Ireo mpisoron’ny Testamenta Taloha dia nanaiky ireo didy, ary nankatò izany. Fantatr’izy ireo fa ny làlana nahatanterahana ny fampiononam-pahatezerana, ny famelana ny fahotany, dia ny fanavotana. Ary ny fankatoavana ny didy no nanehoany ny fahatokiany amin’Andriamanitra.

Ireo fanjakam-pisoron’ny Testamenta Vaovao koa dia maneho ny fahatokiany sy ny fankatoavany an’Andriamanitra amin’ny fanarahany ireo didin’ny Testamenta Vaovao. Voavidin’ny Ràn’ny Zanak’ondry isika. Ireo fahotantsika dia voavela. Tao amin’ny Testamenta Taloha, nankalaza ny Paska ny vahoaka voafidin’Andriamanitra, ary ato amin’ny Testamenta Vaovao, ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy mandra-piveriny indray dia miara-mandray ny Fanasan’ny Tompo isika.

Tao amin’ny Testamenta Taloha, natao batisa tamin’i Mosesy izy ireo tao amin’ny rahona sy ny ranomasina (1 Kor. 10:2). Ato amin’ny Testamenta Vaovao, atao batisa anaty rano, amin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy-Tompo ny mpino, rehefa avy nibebaka ireo fahotany (Asa 2:38).

Tao amin’ny Testamenta Taloha, tsy maintsy nanasa ny tànany sy ny tongony ireo mpisorona vao niditra tao amin’ny fitoerana masina. Ato amin’ny Testamenta Vaovao, Jesosy-Kristy mihitsy no nanasa ny tongotr’ireo Mpianany, ary niteny taminy, hoe: «Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.» (Jaona 13:5-17)

Nanao akanjo manokana ireo mpisorona, taloha, ary toy izany koa, ny Ampakarin’i Kristy dia tafiana akanjon’ny fampakaram-bady.«Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.» (Apokalypsy 19:8). Ny fahamarinantsika dia tsy avy tamintsika. Izy no nanadio antsika, ary Izy no nampitafy antsika; Izy no nanosotra antsika. Ny Vadin’i Kristy dia voahosotry ny Fanahiny masina. «Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny Tenin'ny fahamarinana, dia ny Filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny Teny fikasana.» (Efesiana 1:13)

Hatrany hatrany, ilay Fanahy Masina nampanantenaina dia manaraka ny Teny nampanantenaina, ary manao tombokase ao amin’ny Vatan’i Kristy ireo izay mino io Teny io. Fahasamiafana lehibe no misy amin’ny olona iray voahosotra sy ny olona iray vita tombokase. Maro ireo olona voahosotry ny Fanahy Masina, ary mahavita zavatra lehibe, saingy hiteny aminy ny Tompo, hoe: «Tsy fantatro akory ianareo izay ela izay.» Izany no hisy, dia satria izy ireo tsy ho nandray ny Tenin’ny fahamarinana, ny Tenin’ny teny fikasana, koa tsy mety hatao tombokasen’ny Fanahin’ny Fahamarinana izy ireo. Eken’ireny olona ireny ny fitahin’ny Fanahy Masina, fa laviny kosa ny Teny ambaran’io Fanahy Masina io ihany.

Maro ireo miresaka fanompoana manokana, ary ataony ohatra ny zava-bitany. Saingy, tonga ny fotoana izay tsy maintsy isedran’ny Teny ny zavatra rehetra. Ny kristiana mahatoky iray dia tsy hionona amin’ny anaovana tatitra fivoriam-pifohazana aminy, fa izy te-handre ny Tenin’ Andriamanitra, mba hidiran’izany lalina ao am-pony, ka hampamoa vokatry ny Fanahy ao aminy izany. Misy faniriana lalina, ao amin’ny fanahiny ao, ka te-ahafantatra ireo zavamisy miainga avy any amin’ny Tompo izy.

Maro ireo mitory ny Fiaviana faharoa an’i Kristy, kanjo nohajambaina izy ireny toy ny nahazo ireo Jiosy tamin’ny Fiaviany voalohany. Tena manaitra ny fisahalan’izany. Raha efa madiva hitodika indray amin’ireo Jiosy Andriamanitra, mba hitahy azy ireo indray, ary mizotra amin’ny fiafarany ny fizaram-potoana natokana an’ny Jentilisa, ireo kristiana dia mitsipaka ny Tompon’ny voninahitra, ka manombo Azy indray. Tsy isalasalana fa miresaka Azy izy ireo toy ny Mpamonjy sy Mpanasitrana azy, ny Zanak’Andriamanitra, na ny Zanak’i Davida, saingy laviny Izy ao amin’ny Miniteram-paminaniana maha-Zanak’olona Azy, izay mamindra sy mampandre ny Feony eo afovoan’ireo fanaovanjiro volamena fito. Kanefa, Andriamanitra dia nitahiry sisa kely ana mpino izay mahafantatra ny Teny nampanantenaina ho an’ny androny. Izy ireo dia mahita an’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana.

Andriamanitra anie hanome ny tsirairay ny dikan’ny fanaovanjiro volamena misy sampany fito, mirehitra, amin’ny anehoany io Fiangonana iray misy vanim-potoana fito io, ary ho afaka ny tsirairay hamantatra ireo iraka toy ireo kintana fito eo an-tanan-kavanan’ny Tompo. Izany dia ilay voninahitry ny Tompo, ilay Andry-afo ihany, izay teo amin’ny zanak’ Isiraely, ary ankehitriny manidintsidina eo ambonin’ny Fiangonana.

Izao no voalazan’ny Soratra Masina mikasika ireo rehetra izay nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Fiavin’i Kristy voalohany: «Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.» (Isaia 9:1). Ary amintsika miaina amin’ny fotoanan’ny Fiaviany faharoa kosa, dia izao no lazain’i Paoly, hoe: «Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.»(1 Tesaloniana 5:4)