Kristy sy ny Fiangonany ao amin'ny Faminaniana
Tamin’ny fotoana nahitan’i Jaona an’i Kristy sy ny Fiangonany ao amin’ny Faminaniana, dia nisy fiangonana tamin’ny toerana maro, izay nandefasan’i Paoly ireo epistiliny. Kanefa, ireo Fiangonana fito tany Azia no nofidin’ny Fanahy Masina, noho ny toetrany manokana, izay naneho ireo taom-Piangonana izay ho avy. Tsy nisy voatonana ireo Fiangonan’ny Jiosy, na ny an’i Jerosalema aza; satria ireo hafatra dia nanana dikany ara-paminaniana izay nifandraika tanteraka tamin’ny fizaram-potoan’ny Jentilisa.
Milaza amintsika ny Baiboly, rehefa hita mamindra eo afovoan’ny Fiangonany Jesosy-Kristy, fa eny an-Tànany ankavanana ireo kintana fito. Izy no Andriamanitra avo indrindra, asandratra sy tiavin’ireo Azy; ary rehefa mandefa ireo Iraka-kintany Izy, iretsy farany dia miteny toy ny manana fahefana. Eo an-tànan-kavanan’ny Mpampianany izy ireo, ary eo ambanin’ny Fahefany tanteraka. Tsy eo an-tànan’anaram-piangonana izy ireo; manohitra ny fivavahana voalamina izy ireo.
Na efa notondroin’ireo mpandinika tantara malaza aza ireo vanim-potoana samihafa, dia tsy maintsy niandry ny minisitera ara-paminanian’i William Branham vao fantatra ireo anjely-iraka, dia ireo kintana fito teo an-tanana ankavanan’ny Tompo, izay nitondra ny hafatra tamin’ny taom-Piangonana tsirairay.
Tao anatin’ny Fiangonana dia vondrona anankiroa no niresahan’ny Tompo: ny iray ara-nofo, ny faharoa ara-panahy. Sady nilaza Izy fankasitrahana, no nilaza fanakianana. Mitodika amin’ny anjely isaky ny taom-Piangonana ireo hafatra alefany, ary amin’ny iray amin’ireo Fanonona Azy amin’ny maha-Andriamanitra Azy no ilazany ny Tenany.
Araka ny tantara sy ny fanambaran’Andriamanitra, dia toy izao ireo taonan’ny Fiangonana sy ireo iraka:
NY FIANGONAN’I EFESOSY
«Izao no lazain'ilay mihazona ny kintana fito eny an-Tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito…» (Apokalypsy 2:1-7). Ny teny Efesaosy dia midika mamela mivoaka, mamaha. Manakiana ity taom-Piangonana voalohany ity ny Tompo noho izy nandao ny fitiavany voalohany. Nanomboka niala tamin’ny traikefan’ny Pentekosta voalohany ireo mpino, ka izany dia namela ny fanahy Nikolaita nitsofoka an-tsokosoko tao amin’ny Fiangonana. Ny olona dia nanomboka nanangana klerjy, izay nitady hihambo ho mpifehy ireo laïka. Etsy ankilany, nankasitrahan’ny Tompo kosa ireo voafidy tamin’io taom-Piangonana io noho izy ireo nankahala ny asan’ireo Nikolaita izay nikatsaka ny hahazo toerana ao amin’ny Fiangonana mba hanjakazakany. Ireo mpino izay nitoetra tamin’ny fampianarana voalohany dia afaka namantatra mora foana ireo apostoly sandoka, satria ny fampianaran’izy ireo tsy nifanaraka tamin’ny fototry ny Baiboly
Mbola ampiharina ankehitriny izany. Izay rehetra fampianarana tsy mifanaraka tanteraka amin’ny fampianaran’ireo apostoly sy mpaminany dia diso.
Azon’i Paoly antoka loatra ny naha-tsy-mety-diso ny fampianarany, ka nahazoany tolotsaina nanozonany izay rehetra ho sahy hitory filazantsara hafa (Galat. 1). Ny Tenin’ Andriamanitra notononina tany amboalohany no Fahamarinana, ka izay rehetra fandikana Azy dia fahadisoana sy laingan’ny devoly. Tamin’ny voalohany dia ny Teny, izay Voa nindohana. Kanjo tonga tao amin’ny saha Edena ny fahavalo, dia nanontany an’i Eva an-kafetsena, ary nanomboka izy nanolana araka ny nitiavany azy ny dikan’ny Teny Masin’ Andriamanitra. Ary io fandrika nandavo an’i Eva io ihany no nahavoa ireo Nikolaita.
Fahasamihafana lehibe no misy amin’ny mitory ny Teny-Voa sy ny manao fandikana Azy. Ny voalohany mitondra ny Fiainana ara-panahy, ny faharoa mitondra ny fahafatesana ara-panahy. Tsy hatrany hatrany dia mandà ny Tenin’Andriamanitra ny fahavalo. Na i Jesosy aza natoniny niaraka tamin’ny Teny. Fa Satana ratsy fampiasa ny Tenin’Andriamanitra: adikany vilana Izany, sady apetrany amin’ny tsy tokony ipetrahany.
Manao toa an’i Jesosy ireo mpandresy: mitoetra ao amin’ny Teny voalohany izy ireo, ary ny teny vavolombelony no nandreseny ny fahavalo. Ny teny fikasana azon’ireo mpandresy tamin’ny taom-Piangonana voalohany, dia ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny Hazon’Aina, izay eo afovoan’ny Paradisan’Andriamanitra.
Ny nihainoan’i Eva ny fandikana nataon’ny menarana no nahalasa azy sy Adama voaroaka niala ny Paradisa, ary nanasarahana azy ireo tamin’ny Hazon’Aina. Saingy, noho i Kristy, ireo mpandresy dia tafaverina ao amin’ny Hazon’Aina, sy ao amin’ny Paradisan’ Andriamanitra.
«Izay manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana».
Naharitra hatramin’ny taona 170 ny taom-Piangonan’i Efesaosy.
Ary, araka ny fanambaran’Andriananitra, dia ny apostoly Paoly no iraka-kintana teo an-tanan-kavanan’ny Tompo tamin’io Taom-Piangonana io.
NY FIANGONAN’I SMYRNA
«Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray…» Ny teny Smyrna dia mampisaina fangidiana. Io teny io dia avy amin’ny teny miora, izay ditin-kazo-manitra fampiasa amin’ny faty. Maty ara-panahy ireo izay nino ny fandikana, dia ny asan’ny Nikolaita, izay avy tamin’ny fahavalo.
Tamin’ny andron’io Fiangonana io, dia nanangana asa fisoronana iray izy ireo nifehezana ireo laïka; napetraka izany na dia voalaza aza fa ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao manontolo no Fisoronana Masina. Ireo anaram-piangonana rehetra dia natao araka ny modelin’ny fivavahana voalamina voalohany, ary ny fanahin’izany ihany no manetsika ny rehetra. Ny fiavahan’ny endrika ivelany dia tsy mampiova izany toe-javatra izany. Araka ny Tenin’Andriamanitra, ny fivavahana voalamina voalohany no reniny, ary zanany avokoa ireo nanaraka azy (Apok.17).
Tsy mba nandefitra tamin’ireo fampianaran-diso ireo olom-boafidin’Andriamanitra, ka niharitra fanenjehana mafy noho izany. Nankaherezina izy ireo mba hijanonany mahatoky hatramin’ny fahafatesana, hahazoany ny satroboninahitry ny Fiainana, sy ny tsy hananan’ny fahafatesana faharoa fahefana aminy.
«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana»
Naharitra hatramin’ny taona 312 io Fiangonana io.
Maro ireo lehilahy nanao asa fanompoana tamin’io vanim-potoana io, saingy, araka ny fanambaran’Andriamanitra, dia Irenée no nofidin’Andriamanitra ho iraka-kintana teo an-tanan-kavanan’ny Tompo. Nijoro tamin’ny fampianaran’ny Apostoly izy, ary nitory ny Filazantsara feno. Namarinin’Andriamanitra-Tsitoaha ny minisiterany, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay nanaraka azy.
NY FIANGONAN’I PERGAMOSY
«Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra…» (Apok. 2:12)
Nandritra ny taonan’io Fiangonana io, dia tafajoro ho fiangonana feno ny vondron’ireo Nikolaita. Dia tafiditra teo ny fampianaran’i Balama. Balama no ilay nanasa ny zanak’Isiraely hankalaza fety iray lehibe niaraka tamin’ireo Moabita, ary izany no nandavo an’Isiraely. Izany fomba izany ihany koa no nampiasain’i Constantin, nanaovany konsily tao Nikea, izay nanasany ireo vondrona anankiroa. Latsaka tao amin’ny fandrika nomanin’i Balama Isiraely, na efa nahita ny minisiteran’i Mosesy namarinin’Andriamanitra aza io vahoaka io. Tsy mba noesorina taminy izany heloka izany.
Nandritra ny fotoan’io Fiangonana io koa no nikambana tamin’ny fanjakana ilay fiangonana mpihemotra, nakambana ny fanompoan-tsampy sy ny kristianisma. Tamin-kafetsena loatra no nandaminana ny programa, hany ka tafalatsaka tao amin’ny vela-pandrika ireo kristiana ara-nofo.
Na tamin’izany fotoana izany aza, Andriamanitra dia nanana lehilahy mahery izay nifikitra mafy tamin’ny Fahamarinana. Ary izy ireo no nankahery ny olom-boafidy, ka na tamin’ny fanjakana, na tamin’ilay fiangonana mpihemotra dia tsy mba nanaovan’iretsy farany marimaritra iraisana.
Ny teny fikasana ho an’ny mpandresy tamin’izany andro iizany dia ny handraisany ny mana miafina sy ny vato fotsy, izay hisy anaram-baovao voasoratra, ka izay mandray izany ihany no irery hahafantatra azy.
«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana».
Naharitra hatramin’ny taona 606 io taom-Piangonana io.
Araka ny fanambaran’Andriamanitra, dia i Saint-Martin no iraka-kintana teo an-tànana havanan’ny Tompo tamin’izany. Tamin’ireo lehilahy lehibe izay nitory ny Filazantsara tamin’ izany fotoana izany, dia izy no nanakaiky indrindra ny fampianarana apostolika.
Nahery ny asa-fanompoany, ary nisy famantarana ara-tSoratra Masina nanaraka izany.
NY FIANGONAN’I TYATIRA
«Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano…» (Apok 2:18-29)
Ny zavatra nanomboka nitranga tao amin’ny Fiangonan’i Efesosy, izay nantsoina hoe asan’ny Nikolaita, dia nivoatra ho fiangonan’ny pàpa tao amin’ity taom-Piangonana ity, ary nanjaka tamin’ity vanimpotoana ity. Tamin-kerisetra àry no nampidirana ny Fiangonana tao amin’ny taonam-pahamaizinana. Toa tsy nisy soritra intsony hita tavela tamin’ilay tena kristianisma, sy ny fampianarana ara-Baiboly, saingy, Andriamanitra dia nanana sisa izay notarihin’ny Fanahy Masina, araka ny Teniny.
Ampitahain’ny Tompo amin’ny fampianaran’i Jezebela, izay nitarika an’Isiraely tamin’ny fanompoan-tsampy, io rafitra sandoka io. Noezahany nofitahina ireo mpanompon’ Andriamanitra mba hijangajanga ara-panahy. Kanefa ireo olona voafidin’Andriamanitra tsy mba nandohalika teo anoloan’ireny rafitra namboarin’olombelona ireny. Na tamin’izany vanimpotoam-pahamaizinana sy fanenjehana izany aza, dia nanazava ny làlan’ireo Zanany ny hazavan’ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy voafitaka izy ireo. Ny Teny fikasana nomena ny mpandresy dia ny hanomezana azy ny fahefana amin’ny firenena Jentilisa, izay handrasany amin’ny tehim-by. «Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.»
«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin' ny fiangonana.»
Naharitra hatramin’ny taona 1520 io taom-Piangonana io. Colomban no iraka-kintana teo amin’ny tànana ankavanan’ny Tompo. Ny minisiterany dia nifototra tamin’ny Tenin’ Andriamanitra voalohany, ary namarinin’ilay Tsitoha.
NY FIANGONAN’I SARDISY
«Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito…» (Apokalypsy 3:1-6)
Ity taom-Piangonana ity dia mamerina antsika amin’ny andron’ny reformasiona, izay nitondra tara-pahazavana rehefa lasa ilay fotoam-pahamaizinana lavabe. Ny Tompo, noho ny Fahasoavany tsy manam-petra, dia nanomboka zava-baovao, namerina indray ny Teniny velona, izay efa nanjakan’ny fahangoly ara-panahy. Nitombo tsikelikely ny hazavana izay nirehitra tamin’io fotoana io mandra-pahatongavana tamin’ny fanambarana feno an’i Jesosy-Kristy amin’ireo mpinon’izao andro farany izao.
Hoy ny Tompo taminy, hoe: «Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.» Ity fiangonana ity dia nampiasa ireo fanononana telo, toy ny fanaon’ny fiangonana Romana. Tsy nahafantatra izy fa Jesosy-Kritsy-Tompo no Anaran’ny Ray, sy an’ny Zanaka, ary an’ny Fanahy Masina. Ireo izay nino ny hafatra nalefan’ Andriamanitra tamin’io vanimpotoana io dia tsy mba nandoto ny fitafiany. Izao no teny fikasana azon’ireo mpino tamin’izany taom-Piangonana izany: «Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho.»
«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana!»
Hatramin’ny taona 1750 ny faharetan’io Fiangonana io. Nisy lehilahy nahery maromaro nandray anjara tamin’ny asan’ny reformasiona tamin’io fotoana io, kanefa, araka ny fanambaran’Andriamanitra, dia i Martin Luther (Lotera), no ilay iraka-kintana teo an-tànan-kavanan’ny Tompo. Rehefa niseho izy dia nitondra ity hafatra ity: «Ny marina ho velon’ny finoana».
NY FIANGONAN’I FILADELFIA
«Izao no lazain'Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida,» (Apokalypsy 3:7-13).
Tsy mba nahazo fanakianana avy tamin’ny Tompo ity Fiangonana ity. Vanimpotoana lehibe ho an’ny asa misionera izy. Niely nanerana izao-tontolo-izao ireo mpino izay notsindrin’ny tolotsain’ny Teny sy ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy niadihevitra nikasika ny Teny ny olona, fa niaina Azy. Faharesendahatra lehibe no nirotsaka tamin’ireo olona izay nihaino ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Fotoana be voninahitra tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana tamin’izay. Nahery loatra ny fiantraikan’ny fitoriana ny Teny, hany ka ireo tao amin’ny synagogan’ny Satana aza tsy maintsy niaiky izany, ary niankohoka teo anatrehan’ny Teny. Ny Teny fikasana azon’ireo mpino dia ny ho voaàro amin’ny fizahan-toetra izay tsy maintsy ho tonga amin’ny tany manontolo, mandritra ny taom-Piangonana farany, fotoana izay hifanakaikezana izaitsizy ny marina sy ny diso: hany ka tsy misy afa-tsy ny Fahasoavan’Andriamanitra ihany no hahafahan’ireo voafidy hanavaka ny marina amin’ny sandoka.
Ny teny fikasana azon’ireo mpandresy tao amin’ity taom-Piangonana ity dia ny ho lasa andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra.
«Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana!
Io taom-Piangonana be voninahitra io dia naharitra hatramin’ny taona 1906.
Araka ny fanambaran’Andriamanitra, ny iraka-kintana teo amin’ny tànan-kavanan’ny Tompo dia i Jhon Wesley, izay nanohy nitondra ny fanevan’ny Teny, tamin’ny nitoriany ny fanambarana be voninahitry ny fanamasinana.
NY FIANGONAN’I LAODIKIA
«Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao» (Apokalypsy 3:14-22)
Tena mahonena ny fipetrak’ity taom-Piangonana ity, ary tsy ahitan’ny Tompo fankasitrahana na tokana aza omena azy. Ny mampiavaka azy ity, dia izy ihany no mamitaka ny tenany: «Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory…» Raha jerena ivelany dia manana betsaka amin’ny haren’izao-tontolo-izao tokoa izy, saingy tsy tsapany akory fa izy dia ory, mahantra, malahelo sy jamba, ary mitanjaka. Ilay manana maso toy ny lelafo mijery azy dia mahita ny tena toetran’i Laodikia.
Tsy isalasalana fa mbola resahina ny mikasika Azy sy deraina Izy ao amin’ity fiangonana ity, ary ireo mpikamba aminy dia manana karazana fiankohofana, saingy ireo hetsik’izao-tontolo-izao no manjaka ao aminy. Raha tokony hanokana fotoana bebe kokoa amin’ny vavaka, mialoha sy aorian’ny fotoana, ny olona dia faly mialoha misaina ireo kilalao sy alavoly izay hisy aorian’ny fivoriana. Tsy tsapan’izy ireo akory fa nandroaka Azy izy ireo. Tsy eo anivony intsony Izy: «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna…» Amin’ny ankapobeny, ny fiangonana dia mihevitra fa ho an’ny mpanota no itenenana io filazana io, saingy amin’ny fiangonana no ampiharan’Andriamanitra azy io. Mijoro any ivelany ny Tompo, mandondona, ary mangataka antsika hanokatra ny varavarana Aminy.
Amin’ireo endrika mody asehon’ny fiagonanan’ity taom-Piangonana ity, dia sahalan’ny miaraka aminy ny Tompo. Ny olona dia manao fanahy iniana tsy mijery ny tena marina voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay ny Tompo Jesosy mihitsy no miteny izany. Ity no vanimpotoana mpamitaka indrindra amin’ny taom-Piangonana rehetra, satria miezaka mamorona rivotry ny fifohazam-panahy ny olona, tsy manaiky ny zavatra tena misy aminy. Koa, tsy mety mino ny Marina izy ireo, «izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,» (2 Tesaloniana 2:11). Na iza na iza isika, raha mitsipaka ny Fahamarinana, dia manokatra avy hatrany ny tenantsika amin’ny fahadisoana.
Amin’ny fomba fetsy indrindra, no hamelaran’ny fahavalo fandrika, na eo anoloan’ny fiangonana sy anaram-piangonana tsirairay, na anoloan’ny evanjelista sy mpitoriteny tsirairay. Omeny fahombiazana aza ireny, raha mbola tsy mahafantatra ny hafatra sy ny iraka-mpitondra hafatra izay nalefan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Misy ny sasany amin’izy ireny, izay milaza tsy mba hiditra ao amin’ny Filankevitry ny Fiangonana Maneran-tany, kanefa ny fanahin’io ihany no miasa aminy, ary tsy fantany fa mandray anjara anatin’izany rafitra izany izy. Na inona na inona lamim-pivavahana kristiana, dia io fanahy izay namorona io fiangonana voalamina voalohany io ihany no manetsika azy. Izay rehetra mandà ny hafatr’Andriamanitra ambaran’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy mandray avy hatrany ny mariky ny bibidia.
Maro samihafa ireo zavatra lazaina fa hetsiky ny Fanahy Masina. Mifangaro izaitsizy ny marina sy ny diso, ka tsy misy afa-tsy ireo voafidy ihany, ireo izay mifototra amin’ny Teny, no ho afaka manavaka izany.
Eo ny hetsika karismatika izay miezaka hitondra ny fiainana ara-panahy hatramin’ny ao amin’ny Filankevitry ny Fiangonana maneran-tany, izay, araka ny faminaniana, dia sarin’ny bibidia. Ny Fanahin’Andriamanitra kosa anefa, dia miantso: «Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.» (2 Korintiana 6:17). Tahaka an’i Kristy ivelan’ny toby amin’izao taom-piangonan’i Laodikia izao, ireo rehetra izay voafidy koa dia mivoaka miala ny tobim-pivavahana rehetra, ka ny tsirairay mandray ny toerany miaraka Aminy, sady mitondra ny Latsany; saingy, ireo koa dia manana ny teny fikasana hizarany ny Voninahiny.
Ny teny fikasana dia: «Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin' ny seza fiandrianako…»
Tsy isalasalana na kely aza, fa misy lehilahy malaza tena miavaka any amin’ireny anaram-piangonana samihafa ireny, kanefa iza no voafidy ho iraka-kintana ho an’izao taranatsika izao? —Tsy maintsy ara-tSoratra Masina ny masontsivana hamantarantsika izany, fa tsy ny fahombiazana, na ny toetra, na fahatsapana hafa. Tsy maintsy fantarintsika ny safidin’Andriamanitra.
Tsy amim-pisalasalana, eo anatrehan’Andriamanitra, no ilazantsika fa ny rahalahy Brahnam no tondroin’ny Soratra Masina, ary nohamarinin’Andriamanitra izy. Aoka izay rehetra manan-tsofina ho afaka handre izay lazain’ny Fanahy amin’ireo fiangonana, ka tsy ho voagejan’ny fomba nolovana intsony, fa hivoaka hiala amin’izany, ary hisaraka amin’ny tsifinoana rehetra.
Raha ny amin’ity taom-Piangonana ity, dia nilaza ny rahalahy Branham, hoe: «Manombatombana aho… tsy milaza aho fa tena izany, manombatombana aho fa 1977 no hiafarany, ary hiditra tanteraka ao amin’ny fihemorana ny fiangonana, ka haloaky ny vavan’Andriamanitra. Ary mety hitranga amin’ny fotoana rehetra ny Fiaviana faharoa an’i Kristy, na ny fampakarana. Kanefa, mety ho diso aho, amin’ny iray taona, na roapolo taona, eny na zato taona aza…».
Tena akaiky ny farany tokoa ve isika?
«Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina…» (Isaia 21:12)