NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

MITOETRA MAHARITRA NY LAMIN’ANDRIAMANITRA

« »

Araka izany, mandroso sady tsy miova ny lamin’Andriamanitra, na tao amin’ny Testamenta Taloha na ato amin’ny Testamenta Vaovao. Mbola izay nolazainy 6000, 4000, na 2000 taona lasa ihany no lazainy ato amin’ny taonjato faha-20. Ny olona tsy mankatia izany dia mametraka ny tenany ho isan’ireo vahoaka moderina izay tsy manana fitarihana ara-panahy, ka mandeha araka ny làlany manokana, ho amin’ny fahaverezana. Tsy maintsy manontany tena isika ny amin’ny hanjo antsika, raha tàhiny hiteny zavatra iray amin’ny fomba iray Andriamanitra, avy eo hiteny iny zavatra iny ihany amin’ny fomba iray hafa. Raha izany, Andriamanitra dia tsy afaka ho Ilay nahavita Drafi-panavotana tao amin’ny mandrakizay ho an’ny zanak’olombelona mba hanefany izany ao amin’ny tantaram-pamonjena, ary hitondrany izany amin’ny fahatanterahany ankehitriny. Raha tsy izany, ahoana no hahafahany hitsara izao-tontolo-izao araka ny Teniny rehetra, tsy an-kanavaka.

Hoy ny mpaminany; (Par.148) “Hitantsika mivelatra eo anoloantsika àry ankehitriny ny sary manontolo. Izany ny vehivavy. Koa tsy avelan’Andriamanitra hampianatra izy, na hanao na inona na inona ao am-piangonana, afa-tsy ny mangina, ary misaron-doha.“

Teny mafy sady tsy misy fitiavana ve izany? Iza no afaka hihaino izany? Iza no hahatanty izany? Iza no ho tafintohina ka mbola handeha araka ny làlany ihany? Iza no ho afaka handray izany am-pankasitrahana ka hanaraka izany? — Tsy misy ao amin’ny Testamenta Vaovao asa fanompoana ataon’ny vehivavy, na apostoly, na mpaminany, na mpampianatra, na pastora. Kanefa, ao amin’ny taratasy fahefatra ho an’ny anjelin’ny Fiangonana, dia misy an’i Jezebela vehivavy milaza azy ho “mpaminany“ ka mampianatra toy ny “mpampianatra“ (Apok.2:20). Bedesin’Andriamanitra mafy ilay anjelin’ny Fiangonana noho izy mandefitra amin’io vehivavy io. Mbola izany no ataon’Andriamanitra ankehitriny.

Tsy maintsy nanohitra ireo mpaminanivavy Ezekiela, rehefa avy nanakiana ireo mpaminany (lahy) sy nanameloka ny asan’izy ireo (Ezek.13). Hoy ny baikon’ny Tompo taminy: «…handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony,…» (Ezek. 13:17). Filazana “loza!“ no itenenany amin’ireo vehivavy mpanao ratsy an-kafetsena: «Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono (fampiharana mazika)…» (Ezek.13:18), fono izay natao ho mety amin’ny tranga rehetra. Ny faminanian’ izy ireo no ahafahany mambabo sy mamono fanahin’olona amin’ny alàlan’ny tsindrimandry diso izay azony, izany hoe amin’ny alàlan’ny poizin’ny menarana anatin’ izany. Tsy faminaniana izany fa tena fankatòvana. Mety miteny zavatra marina ny fankatòvana, saingy ny faminaniana dia avy amin’Andriamanitra, fa ny fankatòvana kosa avy amin’ny devoly. (Jereo Asa. 16:16-18, Asa.21:7-14, sy ny hafa). Misy famantarana telo hatrany ao amin’ny faminaniana izay avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana: ny fanorenana, ny fankaherezana, ary ny fampiononana (1 Kor.14:3). Izay rehetra avy amin’Andriamanitra dia mitarika antsika ho Aminy, ary mampiray antsika Aminy, fa tsy amin’ny siny izay nampiasainy mba itenenana. Ny mpaminany sandoka, ary indrindra fa ny mpaminanivavy sandoka, dia azo fantarina amin’izao: miteny mikasika an’Andriamanitra izy sady miseho amin’ny endrika ara-panahy tokoa, saingy, izy ireo dia mamatotra ny olona amin’ny tenany amin’ny alàlan’ny fanomezam-pahasoavana izay tahaka ny ananany, ary mampiankina azy ireo amin’ny faminaniany sy ireo “fanambarana manokana“ lazainy fa ananany.

Izao no lazain’ny Tompo amin’ny vehivavy toy ireny, izay nisy hatrany tamin’ny vanimpotoana rehetra, ary nahataona olona hino azy — mariho: nohon’ny fanomezam-pahasoavana nananany — ka nahataona azy ireo teo ambanin’ny fifehezan’i Satana izay efa nisy azy ireny koa: «… tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tànanareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.» (Ezek. 13:23). Mahatsiravina raha ny vehivavy toy ireny izay tsy manaja ny Teny, kanefa manana fahitana avy amin’ny tsindrimandrin’ny fanahin-dainga! Tsy mahatsapa akory ireo olona manaraka azy fa ny faminaniany anie ka mifandray amina fankatòvana mpandainga. Dia toy izany no maha voafitaka ireo mpino “mora minomino foana“ amin’ny fomba toa tena araka an’Andriamanitra tokoa. Tsy hisy amin’izy ireo hahatsapa fa ireny olona ireny izay miseho toy ny tarihin’ny Fanahy sy “manana fanomezam-pahasoavana“ anie ka ampiasain’ny fahavalo mivantana mba hisarika ny fiangonana ho amin’ny fahadisoana sy ny fahafatesana. Izany dia mamerina antsika amin’i Eva izay nanaiky nofitahin’ny fahavalo, ary noho izany dia lasa fitaovany hanimbana ny planina voalohany an’Andriamanitra ho an’ireo Zanany. Mazava hoazy fa ny tsirairay dia mety ahazo tsindrimandry diso, toa an’i Petera izay te-hanoro hevitra an’ny Tompo — hevitra tsara, saingy araka ny fisainan’olombelona — mba tsy hanjo Azy ny fijaliana, raha niteny tAminy mangingina izy hoe: «Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao tokoa izany! Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana Amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.» (Matio 16:22-23). Kanefa raha niezaka nandresy lahatra Azy i Petera, tsy mba nilaza fahitana na faminaniana, toy ny fanaon’ireo “Jezebela“ sy ireo mpaminany sandoka hatramin’ny ankehitriny. Tamin’io fotoana io, tsy niambina i Petera, ka tsindrimandry diso no nandavo azy, na dia tanjona tsara aza no nokendreny.

Tsy maintsy miambina isika rehetra. Isaky ny misy zavatra voateny, kanefa tsy mifanaraka amin’ny filazan’ny Soratra Masina, dia tsindrimandry diso izany, na olona iza na vavan’olona iza no nampiasain’ny fahavalo notenenana. Ny Teny ihany no mitoetra ho fitsipika mandrakizay. Izay rehetra vokatry ny Fanahy Masina dia mifanaraka hatrany amin’ny Soratra Masina. Ny sisa rehetra dia fitaka ara-pivavahana, izay vokatry ny tsindrimandry diso. Tsy àry nilaina toy ny ankehitriny ny fanomezam-pahasoavana mamantatra ny fanahy, noho izao andro izao fotoanan’ny fitaka, ka mifanakaiky izaitsizy ny sandoka sy ny marina, hany ka na ireo voafidy aza mety ho voasarik’ireo fitaka ara-pivavahana. Raha ny amin’ireo asa fitoriana ny Teny dia tena nampiandreketana ny rahalahy izany ho fampandrosoana ny Fiangonana (1 Kor 12:28, Efes.4:11, sy ny hafa). Ho an’ireo vehivavy izay miomana hivavaka, na haminany, na hampiasa fanomezam-pahasoavana, Paoly dia mibaiko azy ireo — satria amin’ireny asa ireny ny tsindrimandry no miditra an-tsehatra ary amin’izany indrindra no ahafahan’ny devoly mandramby azy ireo — mba hisaron-doha izy sady tsy hilanja orona, fa ny fieboeboana ara-panahy no mialoha ny fahalavoan’ny mpino. Ny volo lava no fisaronana ho azy ireo mandritra ireo fivoriana manokana izay ampiasan’izy ireo ny fanomezam-pahasoavana ananany (1 Kor.11:5,15). Fa izany koa dia famantarana maneho ny fampiharany tanteraka ny fanetrentena sy ny fileferana amin’ny lamina ara-Baiboly ao amin’ny Fiangonana, izany dia noho ireo anjely napetraky ny Tompo ho irak’Andriamanitra (1 Kor.11:10). Ao amin’ny dikanteny voalohany dia iray ihany ny fototry ny teny “anjely“ sy “iraka“. Ka raha voasoratra hoe ny sasany nampiantrano anjely nefa tsy fantany (Heb.13:2), tsy ny anjely Gabriela izany na ny anjely Mikaela, fa mety i Paoly na i Petera izany, na mpanompon’ny Tompo hafa. Impito no voasoratra ao amin’ny Apokalypsy ny hoe: «Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana…» — izay hoe, ho an’ilay iraka napetrak’Andriamanitra ao. Ireo mpanompon’Andriamanitra tena-izy dia masoivohon’i Kristy (2 Kor.5:20). Ny fomba fanaporofoan’i Paoly sy ny fomba fiteniny ihany no ampiasan-drahalahy Branham. «Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy. Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely.» (1 Kor. 11:8-10) [mbola miampy hoe: “ho mariky ny fahefana eo aminy“ ao @ ny Baiboly frantsay“]. Manantena sisa no ataontsika mba hanan-tahotra ampy ny rehetra eo anoloan’ Andriamanitra sy ny Teniny, eo anoloan’ireo Iraka alefany sy ny hafatra entin’ireo. Ny Tenin’Andriamanitra rehetra, anisan’izany ny “mariky ny fahefana eo amin’ny vehivavy“ sy izay rehetra omena antsika mikasika izany ao amin’ny Soratra Masina, dia sady masina no tsy maintsy toavina. Ny lehilahy iray izay an’Andriamanitra dia miaina ny Tenin’ Andriamanitra rehetra izay mivoaka ny vavan’Andriamanitra. Tsy maintsy vonona hanaraka ny làlana nosoritan’ny kristianisma voalohany isika. Tsy miova amin’izany ny fiasan’ny Fanahy Masina sy ny fitarihany.