NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Hatezerana lehibe no navalin’i Jehovah-Andriamanitra io fahalatsahana tamin’ny ota io. Nozoniny ny menarana, izay namery teo-no-eo ny fitenenana sy ny endriny voalohany. Talohan’io izy dia afaka nitsangana sy niteny, fa hatreo dia tsy maintsy nandady tamin’ny tany izy. Tsy voaozona i Eva fa voasazy, ary izany dia ny mba ahatadidiavany fotsiny ny fitaka, tsy maintsy anaty fahoriana no ahazoany zanaka. Tsy teo amin’ny vava no nametrahan’ Andriamanitra ny sazy, fa tena tao amin’ny tokony handray izany, dia tao amin’ny kibon-dreny. Ny nanaronan’izy ireo ny famenarany tamin’ny ravin’aviavy — fa tsy ravina paoma izay tsy resahin’ny Baiboly akory — dia manazava tsara izay nitranga. Tsy voaozona ihany koa i Adama, fa ny tany izay tsy maintsy iasany no voaozona. Ary tsy maintsy ny hatsembohan’ny tavany no ihinanany hanina. Ny fanakianana nataon’ny Tompo taminy dia: ‘Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao ianao“ (Gen.3:17).
Hatramin’ny fahalavoana tao amin’ny fahotana, ka hatrizao, ny teny nolazaina tamin’i Adama sy Eva dia mbola manan-kery ho an’ny mpino, satria vatana mitovy amin’ny an’ireo ihany no ivahinian’izy ireo eto an-tany. Amim-pahoriana ihany koa no ahazoan’ireo vehivavy mpino zanaka, ary an-katsembohan’ny tava ihany koa no anaovan’ ireo lehilahy mpino ny asa fivelomany. Efa any amin’ny fanovana ihany vao ho tanteraka ny fanafahana ny vatana. Mandra-pahatonga izany dia mitovy ihany ny mahazo ny vatana ho an’ny mpino sy ny tsimpino; mitovy ny filàna sy ny aretina ho an’ny rehetra.
Raha vao niditra ny loza dia efa nampanantena ny fanavotana sahady Andriamanitra, izany hoe, ho tonga amin’ny alàlan’ny vehivavy ny “Voa“ hanorotoro ny lohan’ny menarana. Nampiditra ny voany tamin’ny alàlan’i Eva i Satana, fa Andriamanitra kosa nitondra ny Voany tamin’ny alàlan’i Maria. Izao no nolazain’Andriamanitra, raha nitodika tamin’ny fahavalo Izy: «Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.» (Gen. 3:15)
Raha nanohy niresaka ny amin’ny fahalavoana tamin’ny ota ny rahalahy Branham, dia nilaza izy fa efa lasa ireo zavatry ny fiandohana, izany hoe ireo zavatra izay nolazain’i Jesosy Tompontsika fa “…tsy toy izany tany amin’ny fiandohana.“ (Mat.19:8). Tsy maintsy nisy fanekena vaovao nilaina taorian’ny fahalavoana, hoy ny lehilahin’ Andriamanitra, ary izany fanekena izany dia namarana ny fimirana lenta tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Hoy izy (Par.155-156).: “ Mariho izao ity: Taorian’ny fiandohana, rehefa avy nanomboka ny fotoana (talohan’ny fotoana dia ny mandrakizay), rehefa vita ny fiandohana, taorian’ny fahalavoana noho ny nataon’i Eva, dia tsy maintsy nisy fanekena vaovao indray natao. Hahatafintohina anareo izany, kanefa ndeha homeko anareo ireo andalana manaporofo ny fahamarinan’izany ao amin’ny Soratra Masina. Mariho fa Jesosy nilaza fa talohan’ny fahalavoana dia lahadroa iray isaky ny karazana no namboarin’ Andriamanitra. Fa avy eo dia nialana izany. Tao amin’ny fanekena voalohany dia nitovy lenta izy anankiroa. Fa taorian’ny fahalavoana dia nisy ny fanekena vaovao hafa. Tsy niaraka nanana fahefana tamin’ny lehilahy intsony ny vehivavy. Tsy maintsy nisy fanekena manokana ho an’ny tsirairay tamin’izy roa.“
Efa lasa ny fitoviana, izany hoe ny fimirana lenta tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary Andriamanitra mihitsy no nametraka an’i Adama ho tompon’ny vadiny. “… ka izy hanapaka anao“. (Gen.3:16). Tsy misy miova amin’izany ho an’ireo vehivavy mpinon’ny Testamenta Vaovao, na dia maro amin’izy ireo aza no miteny an-karihary, na mangingina hoe: “Ho tianareo raha toy izany ny zavatra!“. Paoly dia nanoratra hoe: «Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.» (1 Kor. 11:3). Mbola izany, ary mbola ho izany ny lamin’Andriamanitra ho an’ny mpino. Ny vehivavy iray tena mpino marina, izay mitoetra amin’ny toerany tsara, dia hanaiky ny andraikiny amin’ny fony rehetra. Fa raha miala amin’ny fahefan’ny lahy izy dia manafoana ny lohany, ary lasa tena “tsy misy loha“ tokoa. Fony tonga ny fahalavoana tamin’ny ota, dia efa lasa ny “fiandohana“ nolazain’i Jesosy.
Hoy ny mpaminany (par.160): «Marihontsika eto izay nolazain’i Jesosy mikasika ity Teny ity: “Tsy toy izany tany am-piandohana“. Tsindrio fa TSY tamin’ny fiandohana fa TAORIAN’ny fiandohana, dia indro, misy fanekena roa samy hafa. Nisy ny fanekena voalohany izay nampitovy lenta an'i Adama sy Eva, lehilahy iray sy vehivavy iray. Kanjo, nanota ilay vehivavy, dia inona no vokany? — Nandatsaka azy rehetra tao amin’ny fahafatesana izany, ary voatery nanao fanekena hafa indray Andriamanitra, fanekena vaovao. Indro izany, ao amin’ny Genesisy 3:16. Nanao fanekena vaovao Izy».
Eny, izany no izy! Avy eo, dia mitarika antsika amin-javatra hafa ny rahalahy Branham, izay tsy azo saintsainina raha topaza-maso, fa rehefa dinihina kokoa, dia mahasoa antsika izany ary mahazo toerany izay voalazany:
Hoy izy (par.164 sy 165): “ Hitanareo, taorian’ny fiandohana dia nisy zavatra hafa nampidirina. Hanafintohina anareo izay holazaiko izao… Rehefa natao àry io fanekena roa sosona io, tamin’ny lehilahy sy tamin’ny vehivavy, tamin’ny alàlan’ny firaisana ara-nofo (Fanekena vaovao hafa tanteraka izany. Tsy ilay fanekena voalohany izany, fa fanekena hafa mihitsy), dia inona no tafiditra? — Ny fampirafesana no nisy teny rehetra teny!… Izany no fanekena faharoa: lahy iray miaraka amina vavy maro be.“
Araka ny efa nolazainay, nanafintohina antsika nihoampampana tokoa izany, tsy vonona ny handre izany isika. Kanefa tsy ny hampiditra ny fampirafesana no kendrena eto, fa ny mametraka ny fanitsiana ara-Baiboly. Araka ireo Soratra Masina no namelabelaran-drahalahy Branham, ary ny zavatra ambaran’ny Tenin’Andriamanitra no ampianariny, izany hoe tsy mitovy amin’ny toeran’ny lehilahy ny toeran’ny vehivavy.
Miainga avy amin’izany fototra izany ny mpaminany, dia manohy, araka ny fomba hentitra an’Andriamanitra, ary tsapa eo amin’ny feony izany.
Hoy izy (par.167): “Marihonareo ity:aza andalovana izany izao. Hazòny mafy ao am-ponareo izany. Tsy nisy tamin’ireo vehivavy nahazo nanambady mihoatry ny tokana. Ny lehilahy no famoronana voalohany fa tsy izy. Tsy nisy tamin’ireo vehivavy nahazo nanana vady anankiroa, fa ny lehilahy iray kosa nahazo nanana vady arivo. IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO izany. Izany no voalazan’ny Baiboly“
Tsy nanao tsindrimpeo tamin’izany fisainana izany koa ve i Paoly ny amin’ny vehivavy? «Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany» (1 Tim. 5:9). Voasoratra mazava tsara mikasika ny vehivavy hoe: «Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy. Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy…» (Rom.7:2-3). Voafatotry ny voadin’ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona ny vadiny, ka raha tsy manaja izany voady izany izy dia meloka. Manamarina izany ny 1 Korintiana 7:39. Nanadino zavatra ve Andriamanitra? Sa nisy naha-diso Azy? — Tsia, tsia dia tsia! Io Paoly io ihany manohy, mikasika ireo mpitondratena tanora, lazainy fa tokony hanambady (1 Tim.5:14). Ny tsifitovian’ny toeran’ny lahy sy vavy dia mbola asongadin’ny andalan’ny Baiboly manaraka izay noraisin-drahalahy Branham.
Hoy izy (par.185): “Matio 5:31. Tiako ho marihinareo izany mba hanamafisana io fisainana IRAY sy MARO io… «Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy (Hitanareo? satria nahoana? — Satria manambady olon-kafa indray izy); ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.». Eto indray isika dia tsy maintsy mitandrina ny amin’ny hoe iza no itodian’ny teny ary inona no tena votoatin’izany.
Noho izany, ny lehilahy iray izay nanome taratasy fisaoram-bady ny vadiny mba ahafahan-dravehivavy manambady olon-kafa, dia tsy afaka mamerina azy indray ho vadiny rehefa maty io vadiny faharoa io, satria ho efa voaloto izy (Deo.24:1-4). «Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany?…» (Jer.3:1). Izany dia izany tokoa no hataon’Andriamanitra amin’izany tranga izany. Mety tsy vitsy ny hihoraka hoe: “Mahazendana raha lehilahin’Andriamanitry ny Testamenta Vaovao, toa an’i Paoly sy Branham, no mahateny izany! Aiza àry ny fahamarinana? Ny miralenta efa azontsika!“ Marina izany. Ireo izay ao amin’ny fisainan’izao andro izao dia mampihatra ny miralenta, ary manandratra ny vehivavy eo ambonin’ny lehilahy mihitsy aza, izy no mifehy azy, toy ny voalazan’ny mpaminany. Kanefa manohitra izany fironan’ny andro ankehitriny izany ny Fanahin’Andriamanitra, mandra-petezan’ny vehivavy rehetra nohamasinin’ny Teny ho eo ambany fifehezan’ny vadin’izy ireo, ary ny lehilahy rehetra ho fehezin’i Kristy tanteraka, mba ho tafatoetra ny lamin’Andriamanitra izay tsy miova.
Raisin-drahalahy Branham koa ny ao amin’ny 1 Timoty 2:9-15 izay ilazan’i Paoly fa tsy mamela ny vehivavy izy «hampianatra na hanapaka ny lehilahy». Rehefa nihaino ny fitaoman’i Satana i Eva, ka nanaiky azy, dia nanomboka nitaona an’i Adama koa izy, mandra-paneken’ity farany, ka nandikàny ny didin’Andriamanitra. Araka izany no nahatongavan’ny fahalavoana izay fitenenana-dratsy an’Andriamanitra, ary nandrava ny lamin’Andriamanitra, ka izany dia mbola mitohy amin’ireo izay tsy mety manaiky ny didin’Andriamanitra. Ity manaraka ity no fototra niorenan’ny apostoly ny amin’ny fifampifehezana: «Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.» (1 Tim. 2:13-14). Avy eo dia ampifandraisin-drahalahy Branham amin’ny 1 Korintiana 14 izany, ary toa an’i Paoly, izy dia manisy tsindrimpeo amin’ny tokony hanginan’ny vehivavy sy ny hiaretany amin’ny fankatoavana, «araka ny lazain’ny lalàna koa» (1 Kor.14:34). Lamaody taloha? Testamenta Taloha? Fahavalon’ny vehivavy? — Tsia! Fa toy ny itoeran’Andriamanitra mandrakizay tsy miova, dia mitoetra mana-kery mandrakizay koa izay napetrany ao amin’ny Lalàny! Ny Tompo Jesosy tsy tonga handrava ny Lalàna sy ireo didy, fa kosa ny hanatanteraka azy ireny. Hoy Izy hoe: «Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.» (Mat.5:18). Izay noteneniny indray mandeha dia manan-kery mandrakizay.
Hatezerana lehibe no navalin’i Jehovah-Andriamanitra io fahalatsahana tamin’ny ota io. Nozoniny ny menarana, izay namery teo-no-eo ny fitenenana sy ny endriny voalohany. Talohan’io izy dia afaka nitsangana sy niteny, fa hatreo dia tsy maintsy nandady tamin’ny tany izy. Tsy voaozona i Eva fa voasazy, ary izany dia ny mba ahatadidiavany fotsiny ny fitaka, tsy maintsy anaty fahoriana no ahazoany zanaka. Tsy teo amin’ny vava no nametrahan’ Andriamanitra ny sazy, fa tena tao amin’ny tokony handray izany, dia tao amin’ny kibon-dreny. Ny nanaronan’izy ireo ny famenarany tamin’ny ravin’aviavy — fa tsy ravina paoma izay tsy resahin’ny Baiboly akory — dia manazava tsara izay nitranga. Tsy voaozona ihany koa i Adama, fa ny tany izay tsy maintsy iasany no voaozona. Ary tsy maintsy ny hatsembohan’ny tavany no ihinanany hanina. Ny fanakianana nataon’ny Tompo taminy dia: ‘Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao ianao“ (Gen.3:17).
Hatramin’ny fahalavoana tao amin’ny fahotana, ka hatrizao, ny teny nolazaina tamin’i Adama sy Eva dia mbola manan-kery ho an’ny mpino, satria vatana mitovy amin’ny an’ireo ihany no ivahinian’izy ireo eto an-tany. Amim-pahoriana ihany koa no ahazoan’ireo vehivavy mpino zanaka, ary an-katsembohan’ny tava ihany koa no anaovan’ ireo lehilahy mpino ny asa fivelomany. Efa any amin’ny fanovana ihany vao ho tanteraka ny fanafahana ny vatana. Mandra-pahatonga izany dia mitovy ihany ny mahazo ny vatana ho an’ny mpino sy ny tsimpino; mitovy ny filàna sy ny aretina ho an’ny rehetra.
Raha vao niditra ny loza dia efa nampanantena ny fanavotana sahady Andriamanitra, izany hoe, ho tonga amin’ny alàlan’ny vehivavy ny “Voa“ hanorotoro ny lohan’ny menarana. Nampiditra ny voany tamin’ny alàlan’i Eva i Satana, fa Andriamanitra kosa nitondra ny Voany tamin’ny alàlan’i Maria. Izao no nolazain’Andriamanitra, raha nitodika tamin’ny fahavalo Izy: «Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.» (Gen. 3:15)
Raha nanohy niresaka ny amin’ny fahalavoana tamin’ny ota ny rahalahy Branham, dia nilaza izy fa efa lasa ireo zavatry ny fiandohana, izany hoe ireo zavatra izay nolazain’i Jesosy Tompontsika fa “…tsy toy izany tany amin’ny fiandohana.“ (Mat.19:8). Tsy maintsy nisy fanekena vaovao nilaina taorian’ny fahalavoana, hoy ny lehilahin’ Andriamanitra, ary izany fanekena izany dia namarana ny fimirana lenta tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Hoy izy (Par.155-156).: “Mariho izao ity: Taorian’ny fiandohana, rehefa avy nanomboka ny fotoana (talohan’ny fotoana dia ny mandrakizay), rehefa vita ny fiandohana, taorian’ny fahalavoana noho ny nataon’i Eva, dia tsy maintsy nisy fanekena vaovao indray natao. Hahatafintohina anareo izany, kanefa ndeha homeko anareo ireo andalana manaporofo ny fahamarinan’izany ao amin’ny Soratra Masina. Mariho fa Jesosy nilaza fa talohan’ny fahalavoana dia lahadroa iray isaky ny karazana no namboarin’ Andriamanitra. Fa avy eo dia nialana izany. Tao amin’ny fanekena voalohany dia nitovy lenta izy anankiroa. Fa taorian’ny fahalavoana dia nisy ny fanekena vaovao hafa. Tsy niaraka nanana fahefana tamin’ny lehilahy intsony ny vehivavy. Tsy maintsy nisy fanekena manokana ho an’ny tsirairay tamin’izy roa.“