NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Tsy afaka misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy. Lasa mijangajanaga izy raha miditra amin’ny fanambadian’olon-kafa, izany hoe raha maka vadin’olona, izay lasa mpijangajanga ihany koa. Nataon’Andriamanitra ho zavatra masina ny fanambadiana, ary napetraka eo ambany fiarovana manokana. Anankiroa amin’ireo didy folo no mitodika manokana amin’ny lehilahy: “Aza mijangajanga“, “Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao“. Izany dia heloka mitondra voka-dratsy tokoa, toy ny fahalavoana tamin’ny fahotana. Koa izany no nandidian’Andriamanitra izao: «Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.» (Deot.22:22). Ny famonoana ho faty no sazin’izany heloka izany, toy ny hita ao amin’ny Lev.20:10 koa: «Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.». Mikasika ny fijangajangana dia manampy koa ny mpaminany (par.169-175) fa na amin’ireo fivavahana hafa noho ny an’ny Jiosy, dia natao fady ny mikasika vadin’olon-kafa. Mbola toy izany any amin’ireo vahoaka sy foko monina an’ala, tsy mahay mamaky teny na manoratra. Rehefa nikasa hanambady an’i Saraha, izay noheveriny fa anabavin’i Abrahama, i Abimeleka izay mpanjaka jentilisa, dia niteny taminy tao amin’ny nofy ny Tompo, hoe: «Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.» (Gen. 20:7). Dia nankatò tsy nisy fisalasalana ny baikon’ny Tompo ilay mpanjaka. Solomona, ilay fantatsika fa nanana vady maro, izay nantsoin’ny mpaminany Natana hoe Jedidia, izay midika “malalan’i Jehovah“, dia miteny amintsika hoe: «Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.» (Ohab. 6:32-33). Nomelohin’Andriamanitra ho amin’ny fahamenarana mandrakizay ny fijangajangana, ary ireo lehilahy mangala-badin’olona dia antsoina “tsy ampy saina“. Mbola novesarin’ny Tompontsika izany raha nilaza Izy hoe: «… izay rehetra mijery vehivavy (vadin’olon-kafa) hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.» (Mat. 5:28)
Nokianin’i Jaona mpanao batisa mafy i Heroda, noho izy nanambady ny vadin-drahalahiny, fanao izay noheverina ho fifanambadian’ny mpianakavy. Tsy niolakolam-piteny izy amin’ny maha-mpaminany azy, ary indrindra koa izy tsy maintsy nitory ny Tenin’Andriamanitra milaza hoe: «Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.» (Lev. 18:16)
Na mitodika amin'ny Fiangonan’ny andro farany aza ny rahalahy Branham dia tsiahiviny ireo lehilahin’Andriamanitry ny Testamenta Taloha, toa an’i Abrahama, Jakoba, sy ny hafa koa.
Hoy izy: (par.227): “Jereo Jakoba izay nipoiran’ireo patriarka. Tsy latsaky ny folo no vadiny. Mpirahavavy anankiroa nampakariny, fa mbola nanana vaditsindrano izy ankoatra ireo (vehivavy izay niara-niaina taminy ara-dalàna kanefa tsy vadiny), ary ny sasany tamin’ireo patriarka ireo dia zanaka vaditsindranony.“
Tsy nijanganjanga i Jakoba tamin’izany, fa tsy tahaka an’i Davida izay naka an’i Batseba vadin’i Oria. Rehefa avy namelabelatra izany ny rahalahy Branham, dia hoy fotsiny izy hoe: “Hitanareo, tsy maintsy avelanareo haneo ny heviny fotsiny ny Teny“.