NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Ao amin’ny 1 Korintiana 5, Paoly dia miresaka mikasika ny lehilahy iray izay niaraka tamin’ny vadin-drainy. Izao no fampitandremana voasoratra mikasika izany: «Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.» (Lev.18:8). Tsy vitan’ny nanota fotsiny io lehilahy io, fa nametra-tena ambanin’ny ozon’Andriamanitra, satria io nataony io dia anisan’ireo zavatra roambinifolo izay Andriamanitra mihitsy no nanozona. «Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy.» (Deo. 27:20). Ao amin’ny Levitikosy toko 18-19-20 indrindra indrindra, fa hita koa ao amin’ny andalana hafa ao amin’ny Soratra Masina, dia ahitana ny lisitr’ireo heloka izay manakatona ny varavaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, satria mifanohitra amin’ny fahamasinan’ny olombelona araka an’Andriamanitra, izay tsy maintsy ananana mba ahitana ny Tompo (Heb.12:14). anatin’io lisitra io misy ny fahalotoana, izay ahitana ny firaisan’ny lehilahy na ny vehivavy amina biby, sy ny fiarahan’ny lehilahy amin-dehilahy sy ny vehivavy amim-behivavy, toy ny voaresak’i Paoly mazava tsara ao amin’ny Romana toko voalohany: «Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.» (Lev.18:22-23). «Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.» (Rom.1:26-27). «Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.» (Joda 7). Toy ny efa nolazain’ny Tompontsika mialoha, dia ho toy ny tamin’ny andron’i Sodoma sy Gomora, amin’ny andro farany, haseho ara-dalàna ho toy ny zavatra diso ireo zavatra marina, ary ireo diso kosa haseho ho marina: hamasinim-panambadiana any am-piangonana ny samy lehilahy, ary tsofin-drano any koa ireo samy vehivavy miaraka. Anaovan’ireo haino-aman-jery dokam-barotra erỳ ireny zavatra ireny, ary tsy manan-toerana sy hasina eo amin’ny fiarahamonina intsony ny fanambadiana araka ny nametrahan’Andriamanitra azy, sy ny fianakaviana koa vokatr’izany. Koa dia savoritaka tanteraka no mitoetra amin’ireo andro farany, “Edenan’i Satana“ iray araka ny voalazan-drahalahy Branham. Tsy misy afa-tsy ireo tena mpino no ho afaka amin’izany fanahin’izao andro izao, ary hankatò ny Tenin’Andriamanitra rehetra amin’ny lafim-piainana rehetra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.
Izao no voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 6:9-10: «Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.». Lava io lisitr'ireo tsy-handova ny Fanjakan’Andriamanitra io, toy ny voasoratra rahateo amin’ny andalana maro ao amin’ny Soratra masina. Koa tsy tokony ianona amin’izay voaresakay manokana eto fotsiny ny tsirairay, fa tokony hijery ny lisitra manontolo an’ireo fahotana ireo, ka rehefa mamaky izany dia mitsara-tena an-kitsimpo, toy ny mijery ny fitaratry ny Teny. Izao no lazain’ny Tompo: «Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo.» (Lev.20:7-8; 1Pet.1:13-19). Raha niteny ny Tompontsika tao amin’ny vavaka fisoronana izay nataony, hoe: «Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana.» (Jaona 17:17), dia nisaina ity teny izay dinihintsika eto ity koa Izy, teny izay nomena antsika mba hitarika antsika mandritra ny fiainantsika eto amin’ny tany.