TARATASY IFAMPITAPITANA DESAMBRA 1994

TENA NITRANGA TOKOA IZANY…

« »

Taorian’ny nandevenana ny rahalahy Branham, androtr'io ihany, ny Fanahin’ny Tompo dia niteny tampoka tamiko, heno tsara sady niverimberina tao am-poko hoe: “Ankehitriny, tonga ny fotoanao, tonga ny fotoana izarana sakafo”. Ny ampitson’iny, nanasa maromaro tamin’ireo rahalahy amerikana ny tenako mba hidinidinika, ary nikiry aho nangataka mba ho atao boky ireo toritenin-drahalahy Branham, izay mbola tanaty horonam-peo hatreo, mba ahazoanay ampiasa izany hanombohana ny fandikana azy amin’ny tenim-pirenena hafa. Dia toy izany no niantombohan’ny asa, sy ny nitohizany tsy an-kiato. Ny mahasarika ny saina mikasika izany, dia tsy mba nilaza mihitsy Rahalahy Branham fa tsy maintsy miainga avy any Jeffersonville na Tucson ny fizarana ny sakafo. Taona maro lasa izay, noterem-panahy ny rahalahy Green, tsy maintsy nanamarina tamiko, tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny tranoko, laharana faha-7 amin’ny arabe Lechstrasse nanao hoe: Rahalahy Frank, ianao dia afaka manondro ny andro niantsoan’ny Tompo anao; izaho tsy mba afaka manao izany, ary tsy misy rahalahy na iray koa aza afaka manao izany.” Avy eo dia latsa-dranomaso izy ary namihina ahy.

Tamin’izany fotoana izany aho, mbola tsy nahay ny mikasika ny tenin’ny Amosa 8:11, izay ilazan’Andriamanitra fa Izy handefa mosary amin’ny tany, faniriana handre ny Teniny, toy ny tsy nahaizako koa ny tenin’ny Matio 24 izay vao notononiko teo. Tsy fantatro koa ny hevitra an-tsary asehon’ny tantaran’i Josefa, izay tsy maintsy nandalo fahoriana be, mba ho voaàro —amin’ny fotoan’ny mosary— ny ain’ireo izay namadika azy, nandà, nitsipaka ary nivarotra azy. Noho izany, notanterahiko arak’izay takatry ny fahalalako sy ny fisainako ny andraikitra roa sosona nomena ahy, dia, voalohany, mitory ny Tenin’Andriamanitra, faharoa, mizara ny sakafo notehirizina.

Niaraka tamin’ny fitoriana ny Teny maneran-tany, dia tsy natao ambanin-javatra ny fanontàna amin’ny tenim-pirenena maro ireo toritenin-drahalahy Branham. Tsy mba nanova na inona na inona aho tamin’ireo zavatra roa ireo. Ny fototry ny fanambarako, hatry ny taloha ka mandrak’ankehitriny, dia tsy misy afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra ihany, ny Baiboly, na amin’ireo toriteniko izany, na amin’ireo asasoratro. Toy izany koa, navelako tamin’izay nitoriana azy avokoa ireo toritenin-drahalahy Branham rehetra, tsy nisintona zavatra voalaza tao aho hanaovako fampianarana. Nandritr’ireny taona rehetra ireny koa aho dia nianatra nanavaka, teo an-daniny, ny minisitera ara-paminaniana tsy nisy lesoka, izay naneho ny “famantaran’ny Mesia” sy ny hevitr’izany, ary teo an-kilany rehefa nilaza ny heviny manokana ny rahalahy Branham, toy ny nataon’i Paoly koa. Ohatra, nanoratra io apostoly io hoe: “Izay manambady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo…”, ary nanohy izy hoe: “Fa amin’ny sasany, hoy izaho, fa tsy ny Tompo…” (1 Kor 7:10-12).

Ny famelabelarany ny toko faha 14 dia atsapantsika tsara ny fomba nametrahan’ny apostoly ny lanjan’ny maha-avy-amin’Andriamanitra ireo lahateny azony tamin’ny tsindrimandry. Nentaniny tao aza na ireo mpaminany, na ireo nahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary hoy izy hoe: “…aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo”(1 Kor 14:37).

Ao amin’ny 1.Timoty.2, dia velabelariny fa sitrak’Andriamanitra ny hamonjena ny olona rehetra ka ahatongavany amin’ny fahalalana ny marina. Ary tohizany izany amin’ny ilazany hoe: Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.” (And 8). Tsy azo lavina izany fa ny didy napetrak’i Paoly arak’izay noheveriny dia tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa.

Mijoro vavolombelona ny apostoly ao amin’ny 1Tim.1:12 “Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompotsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana…” Tsy minisiteran’ny Teny iray fotsiny tamin’ireo minisitera dimy nomena ny Fiangonana no nananan’i Paoly, fa izy dia napetraka tao amin’ny minisiteran’ny Tompo izay mifandray mivantana amin’ny tantaran’ny Fanavotana. Kanefa nametraka fahasamihafana izy ny amin’izay mety holazainy mifototra amin’ny Teny, ka efa, ary mbola mijanona ho IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO, sy izay voalazany amin’ny maha-olon’Andriamanitra azy mifototra amin’ny fahalalany. Tsy maintsy tadidintsika mandrakizay fa ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO dia izay hitantsika ho ny IZAO NO LAZAIN’NY TOMPO ao amin’ny Teniny voasoratra ihany. Ny minisiteran’i Paoly dia manana ny lanjany ho an’ny tantaran’ny Fanavotana, na dia miteny zavatra amin’ny fahalalany manokana aza izy tsindraindray. Toy izany koa ny amin’ny minisitera nampanantenaina sy tsy manam-paharoa an-drahalahy Branham. Ireo fampianarana napetraka araky ny didin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana tany am-piandohana, nandritry ny andron’ireo apostoly, dia mbola manankery hatramin’ny farany.