Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Tamin’ny voalohany, ny Baboly dia nosoratana tamin’ny fiteny hebreo. Ny Hebreo no fiteny tokana teto ambonin’ny tany, nandritra ireo 1750 taona voalohany, hatra tamin’ny nanorenana ny tilikambon’i Babela (Gen.11:6-7). Ao amin’ny Genesisy 14:13 dia nantsoina “Hebreo“ i Abrahama. Ao amin’ny Eksodosy 7:16, Mosesy dia nilaza tamin’i Farao hoe: «Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an’efitra». Araka ny nambaran’i Paoly, ny Tompo Jesosy koa, taorian’ny Fiakarany, dia niteny tamin’ny fiteny hebreo: «Ary rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ny teny Hebreo….». Matetika ao amin’ny fiteny hebreo, rehefa adika amin’ny fiteny hafa, ireo teny mamaritra olona, anarana, sy toerana, dia mandray endrika hafa.
Ny Testamenta Taloha dia nifarana tamin’ny bokin’ny mpaminany Malakia, izay niaina sahabo 400 taona talohan’i Kristy. Hatra teo ny nisy dia ireo boky dimy an’i Mosesy, ireo mpaminany sy ireo Salamo, tamin’ny endrika horonan-taratasy maro. Efa 300 na 200 taona talohan’i Kristy vao natambatra ho Testamenta Taloha iray, misy boky 39 ireo. Kanefa ireo horonan-taratasy nisaraka dia mbola nisy ihany. Teo anelanelan’ny 1947 sy 1965, tao Qumram, akaiky ny Ranomasin-tsira, dia nahitana horonan-taratasy maro, antitra indrindra, ka ny iray, lava 7,30 metatra, saika mbola tsy nisy fahasimbana, dia nisy ny bokin’ny mpaminany Isaîa, ireo Salamo, ary ny bokin’ny mpaminany Daniela. Ao Jerosalema, ao amin’ny tranom-bakoka, ao amin’ny “Efitry ny Boky“ no voatahiry izany. Ao amin’ny Lioka 24 ;44, ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Jesosy, dia mbola nampivoitra izany fizarana telo izany; lalàn’i Mosesy, ireo Salamo, ireo mpaminany; «.., fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.». Indray mandeha Izy, tao amin’ny synagogan’i Nazareta, dia namaky tao amin’ny horonan-taratasin’Isaia, ary niteny hoe! «Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.» Tamin’izany fotoana izany indrindra mantsy no tanteraka faminaniana zato mahery an’ny Testamenta taloha, mifandraika amin’ny Drafi-Panavotan’Andriamanitra.
Efa tany amin’ny taona 250 mialohan’i Kristy, ny Testamenta Taloha vao nadika tamin’ny teny grika, izay fiteny iraisam-pirenena tamin’izany andro izany. Ireo nanam-pahaizana Jiosy, tao Alexandrie, tany Egypta, no nanao izany. Saingy tsy neken’ireo Jiosy mpandinika ny Thora tany Isiraely izany fandikana izany, izay nantsoina “Septante LXX“. Tao amin’izany fandikana izany sahady dia efa nisy teny maro manan-danja sy sarobidy izay tsy takatry ny mpamaky intsony, kanefa mazava tsara ao amin’ny soratra hebreo. Anatin’ity famelabelarana ity àry, isaky ny ilaina izany, dia ho marihina ny dikan’ny teny voalohany, amin’ny fiteny hebreo. Kanefa, na ireo izay mahafehy fiteny maro aza dia mila ny fitarihana sy ny fanambaran’ny Fanahy-Masin’Andriamanitra. Izahay dia mino ny tsindrimandrin’ ny Soratra Masina, izay voamarin’ny firindrany lavorary, amin’ireo Testamenta Taloha sy Vaovao.
Ny Testamenta Vaovao, amin’ireo bokiny 27, dia niseho nandritra ireo taonjato voalohany nisian’ny kristianisma, amin’ny maha “canon“ (fitsipika) azy. Nitranga aloha izay notaterin’i Lioka ao amin’ny fampidirany ny Filazantsarany hoe: «Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika…» Tamin’ireo fitantarana maro ireo dia efatra no tafajanona, ny an’i Matio, an’i Marka, an’i Lioka, ary an’i Jaona. Ireo no noraisina ho “Filazantsara“ tao amin’ny “canon“ an’ny Baiboly. Natao izy ireo ho fampitana amin’ny taranaka mifandimby, ny zava-nitranga tao amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny asany, ho ampahany ao amin’ny Tantaran’ny Fanavotana. Ny Filazantsara tsirairay dia samy nanana ny nampiavaka azy. Ny tsifitovizan’izy ireo anefa dia manambara, sady manome sary feno, an’ny Tompo sy Mpamonjy, nanomboka teo amin’ny Fahaterahany ka hatramin’ny Fampakarana Azy.
Matio, ohatra, dia maneho avy hatrany ny porofo fa tanteraka tao amin’ny fahaterahan’i Kristy ny faminanian’ny Isaia 7:14: «Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy. Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela.» (Mat.1:18-25). Ao amin’ny Matio 2:1-6, izy no mitantara ny Fahaterahany tao Betlehema, ary asongadiny ny fahatanterahan’ny teny fikasana nomen’ny Mika 5: «Fa ianao, ry Betlehema… avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely…»
Marka kosa dia manomboka amin’ireto faminaniana anankiroa tao amin’ny Testamenta Taloha ireto: Isaia 40 ;3: «Injany! misy feon’ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’i Jehovah….» sy Malakia 3:1 «Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako…»
Lioka, dien’ny toko voalohany, dia nitantara ny fitsidihan’ny anjely Gabriela an’i Zakaria, naminany taminy ny hahaterahan’i Jaona mpanao batisa, sy ny fitsidihany an’i Maria, nanambara azy ny hahaterahan’ny Mpamonjy: «Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy (Hebr. Yahshua).»
Jaona kosa, niverina tany amin’ny fiandohana mihitsy, ka nanambara hoe: «Tamin’ny voalohany ny Teny,…» (Jaona 1:1). «Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika…» (Jaona 1:14)
Tsy maintsy mamaky ireo filazantsara efatra ireo, vao ananana fahitana feno amin’ny fiainan’ny Mpanavotra antsika, ireo asany, ny minisiterany, ireo fahoriany sy ny fahafatesany, ary ny fiakarany, izay tranga lehibe indrindra ao amin’ny Tantaran’ny Famonjena, araka ny efa nanambarana izany tao amin’ny Testamenta Taloha.
Manaraka ireo filazantsara, dia ireo “Asan’ny apostoly“ tao amin’ny Fiangonana voalohany, arahan’ireo epistilin’ireo apostoly, ary mamarana dia ny Fanambaran’i Jesosy-Kristy, izay noraisin’i Jaona apostoly, tao amin’ny nosy Patmo, any amin’ny tany Grika.
Tany am-boalohany, dia novakina tany amin’ireny fiangonana an-toerana ireny ireo filazantsara sy ireo epistily ireo, avy eo dia nampitaina tamin’ny hafa: «Ary rehefa voavaky aty aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ny Laodikiana.» (Kolosiana 4:16). Niely nanerana ny tany ny fitoriana, araka ny efa nobaikoan’ny Tompo izany, tao amin’ny iraka nomeny.
Talohan’ny niforonan’ny fanontam-boky moderina, tany amin’ny taonjato faha-15, dia sora-tànana avokoa no fomba nanamaroana ny asasoratra rehetra. Taorian’ny fandikana tamin’ireo fiteny hafa, dia natao ny fitsinjarana ho toko, ary taorian’izany ny fitsinjarana ho andininy. Asiana tsindrimpeo indray, fa tsy ny fampitahana ireo fandikana maro ireo, na sarobidy manao ahoana aza ireny, no hitondra fahazavana amintsika, fa ny Fanahin’ Andriamanitra irery ihany no tena mamantatra ny saina lalina an’Andriamanitra (1 Kor.2:10), ary mitarika amin’ny fahamarinana rehetra (Jaona 16:13). Ny soratra, ny Teny voasoratra, ho antsika dia tsy maintsy manjary Teny voambara sady velona. Ny Tenin’Andriamanitra no maharitra mandrakizay (1 Petera 1 ;25; Isaia 40:8).