Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Ny fijoroam-bavolombelon’ireo Testament Taloha sy Vaovao dia mifampirindra tanteraka, raha ny amin’i Jesosy-Kristy Mpamonjy antsika. Ao amin’ny katesizy kosa, sy ireo bokin-teolojia maro, dia ny fanekempinoana namboarin’olombelona no hita. Niteny mazava tsara ny apostoly Jaona hoe: «Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy tonga tamin’ny nofo dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.» (1 Jaona 4:2-3 Darby). Raha ny amin’ny fanekena an’i Kristy, Zanaka, dia manapotsitra ny fery i Jaona, manontany hoe: «Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy (ilay Voahosotr’ Andriamanitra)? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.» (1 Jaona 2:22). Ny teny “anti“ midika “mpanohitra, mpisongona“. Misy ny fanahy antikristy, dia ny fanahy izay manohitra an’i Kristy, ary misy ireo antikristy, dia ireo izay fehezin’io fanahy ratsy io. Izay rehetra tenenina na ampianarina, ka mifanohitra amin’ny nambaran’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia antikristy, ary mipetraka ho fanoherana Azy, ka manasaraka antsika amin’Andriamanitra, amin’ny hazon’ny Fiainana. (Apok. 22:19)
Raha mampitandrina antsika ny apostoly fa izay fanahy rehetra tsy manaiky an’i Jesosy-Kristy ho ny Zanaka tonga nofo, araka ny Baiboly, dia tsy avy amin’Andriamanitra, dia mipetraka kosa ity fanontaniana ity: ahoana ny amin’ireo izay manaiky fa ny Zanaka Jesosy-Kristy, izay nateraky ny virjina araka ny Isaia 7:14, tao Betlehema araka ny Mika 5:1 (Mat.2:5), dia persona faharoa mandrakizay ao amin’Andriamanitra iray, kanefa izany dia tsy hita akory ao amin’ny Baiboly? Voatery nanao tsindrimpeo indray ny apostoly Jaona; «Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy tonga tamin’ny nofo (araka ny ambaran’ny Soratra Masina) dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy…» (1 Jaona 4)
Ireo fanekempinoana nosoratana tao Nikea, tamin’ny taona 325, ary nanampiana ny taona 381 tao Constantinople, dia tsy misy ifandraisany amin’ny vavolombelon’ireo Soratra Masina nampitaina amintsika. Izao, ohatra, no hita ao amin’ireny fanekempinoana ireny: “… ny Zanakalahy tokana an’Andriamanitra, nateraky ny Ray talohan’ny fotoana rehetra: Andriamanitra avy amin“Andriamanitra, Hazavana avy amin’ny hazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, miray sobstansia amin’ny Ray.“ Ny Zanaka ve dia tokony ho nateraky ny Ray, amin’ny maha Andriamanitra Azy, tany an-danitra, talohan’ny fiandohan’ny fotoana, tany amin’ny mandrakizay? —Tsy misy fahamarinany izany, na dia kely aza.
Tsy mety mihitsy ho Kristy, ny Zanaka, ilay Voahosotra, no ho resahina amin’izany. Satria, hoy ny Soratra Masina, ao amin’ny Salamo 2:7: «“Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.» Ary ny mandrakizay tsy misy androany na rahampitso, fa maharitra hatrizay ka tsisy fiafarany. Nidina avy tany an-danitra ny anjely Gabriela, ary nanambara ny fahaterahan’ny Zanaka eto amin’ny tany. Hoy izy tamin’i Maria virijina: «Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy [Yahshua].» (Lioka 1:31)
Mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly ny fanekem-pinoana hoe: “Ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, ny Ray dia mandrakizay, ny Zanaka dia mandrakizay, ary ny Fanahy Masina dia mandrakizay.“ Noho izany dia manohitra an’i Kristy izany ary manohitra an’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy tokana Andriamanitra: «Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.» (Sal. 90:2). Ny fisainana “Andriamanitra Zanaka“, na “Zanaka mandrakizay“ dia tsy hita na indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly, ary tsy hita toy izany koa ny “Andriamanitra Fanahy Masina“. Ny hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia tsy misy afa-tsy Zanak’Andriamanitra, ary koa Fanahy Masina. Tsy persona fahatelo ny Fanahy Masina, fa Izy ny Fanahin’Andriamanitra izay nanomba teo ambonin’ny rano teo am-piandohana (Gen.1), izay voatonona in-381 ao amin’ny Baiboly toy ny “Ruach Yahvé“, ary narotsaka tamin’ny andro Pentekosta tao amin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao (Asa 2). Efa ny taona 381 ny Fanahy Masina vao nambara ho persona fahatelo ao amin’Andriamanitra, nandritra ny konsilin’i Constantinople. Ilay lazaina ho “fanekempinoan’ny apostoly“ dia sady tsy an’ny apostoly no tsy ara-Baiboly. Izay avy amin’ny apostoly ihany no azo ekena ho an’ny apostoly, ary izay hita ao amin’ny Baiboly ihany no azo ekena ho ara-Baiboly. «…nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.» (1 Korintiana 8:6). Io Andriamanitra “TOKANA“ io dia niseho amin’ny maha Tompo Azy – ny Ray tao amin’ny Zanaka.
Na iza na iza fiangonana, raha Tompo iray hafa, finoana iray hafa, ary batisa iray hafa, noho ireo izay ambaran’ny Soratra Masina no ampianariny sy ampihariny, dia tsy mahasoa azy na amin’inona na amin’inona ny manamafy ny fanekeny ireto tenin’ny Efesiana 4:5 ireto: «iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.».
Ny adilahy nisy tamin’ireo teolojiana, nandritra ny taonjato fahatelo an’ny kristianisma, dia tonga, satria fotsiny niezahan’ny fanahin’ny olombelona nofantarina tamin’ny fomba takatry ny saina sy azo hazavaina ny fisehon’ny Ray tao amin’ny Zanaka, na dia voasoratra aza fa: «… ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.» (Matio 11:25-27; Lioka 10:21-22). Ireo apostoly sy ireo mpaminany tsy mba niadihevitra nikasika ny Andriamanitra, satria ireo teny nolazain’ny Tompo tamin’i Petera dia nitranga tamin’izy ireo koa: «…fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.» (Matio 16:16-19)
Ny fanekempinoana tena marina an’ny Fiangonan’Andriamanitra tena izy, izay izy koa no fototra sy andrin’ny fahamarinana (1 Tim.3:15), dia tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly. Ao irery ihany no voalaza amintsika iza marina i Jesosy-Kristy, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra. Ny fanekempinoana araky ny Baiboly sy araka an’ireo apostoly, sady mitoetra mandrakizay, dia napetrak’Andriamanitra, Izy tenany. Izany dia ny fanavotana sy ny fiainana mandrakizay: «Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.» (1 Jaona 5:11-12)
Izao no traikefan’ny Famonjena, izay azon’ny tsirairay iainana manokana, noho ny fahasoavana: «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany » (Jaona 1:12)
«Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.» (1 Jaona 5:20). Amena, eny, Amena!
Ho an’ny tena Fiangonan’i Jesosy-Kristy, izay tsy rafim-pandaminana, fa zavatra velona iray, dia tsy misy azo ekena afa-tsy ireo fampianaran’ny Baiboly, araka izay ahitana azy ireo ao amin’ny Soratra Masina. Tsy azo inoana sy ampianarina ao amin’ny Fiangonany afa-tsy izay napetraka ao amin’ny Testamenta manan-kery mandrakizay, satria ao anatiny tsy misy azo hovana, ary tsy misy azo ampiana (Gal.3:15; Apok.22:18-21).
«Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.» (Galatiana 1:8)
Ny olona iray nahazo iraka avy tamin’Andriamanitra mivantana, toy ireo apostoly voalohany, Petera, Jaona, Jakoba ary Paoly, dia tsy hiandany, sady tsy afaka hiandany, afa-tsy amin’Andriamanitra sy ny Tenin’Andriamanitra. Toy izany koa, ireo olona miasa ho an’ny fiangonana iray dia tsy afaka hiandany afa-tsy amin’izay inoana ao, sy ampianarina ary ampiharina ao. Ohatra, anatin’ny maro, dia ireo fanekempinoana sy dogma izay nodidiana narahina nanomboka ny taonjato fahefatra, tao amin’ireny konsily sy synoda ireny. Taorian’ny reformasiona aza, ireo fiangonana kristiana vaovao maro, dia samy nampitoetra ny fampianarany avy, izay matetika tsy mifanaraka amin’ny an’ny Baiboly. Miisa mahery ny roa lavitrisa ankehitriny ireo kristiana izay mitsinjara amin’ireo fiangonana Katolika, Anglikana, Ortodoksa, Protestanta, sy ireo fiangonana madinika maro be.
Ny fijoroam-bavolombelon’ireo Testament Taloha sy Vaovao dia mifampirindra tanteraka, raha ny amin’i Jesosy-Kristy Mpamonjy antsika. Ao amin’ny katesizy kosa, sy ireo bokin-teolojia maro, dia ny fanekempinoana namboarin’olombelona no hita. Niteny mazava tsara ny apostoly Jaona hoe: «Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy tonga tamin’ny nofo dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.» (1 Jaona 4:2-3 Darby). Raha ny amin’ny fanekena an’i Kristy, Zanaka, dia manapotsitra ny fery i Jaona, manontany hoe: «Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy (ilay Voahosotr’ Andriamanitra)? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.» (1 Jaona 2:22). Ny teny “anti“ midika “mpanohitra, mpisongona“. Misy ny fanahy antikristy, dia ny fanahy izay manohitra an’i Kristy, ary misy ireo antikristy, dia ireo izay fehezin’io fanahy ratsy io. Izay rehetra tenenina na ampianarina, ka mifanohitra amin’ny nambaran’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia antikristy, ary mipetraka ho fanoherana Azy, ka manasaraka antsika amin’Andriamanitra, amin’ny hazon’ny Fiainana. (Apok. 22:19)
Raha mampitandrina antsika ny apostoly fa izay fanahy rehetra tsy manaiky an’i Jesosy-Kristy ho ny Zanaka tonga nofo, araka ny Baiboly, dia tsy avy amin’Andriamanitra, dia mipetraka kosa ity fanontaniana ity: ahoana ny amin’ireo izay manaiky fa ny Zanaka Jesosy-Kristy, izay nateraky ny virjina araka ny Isaia 7:14, tao Betlehema araka ny Mika 5:1 (Mat.2:5), dia persona faharoa mandrakizay ao amin’Andriamanitra iray, kanefa izany dia tsy hita akory ao amin’ny Baiboly? Voatery nanao tsindrimpeo indray ny apostoly Jaona; «Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy tonga tamin’ny nofo (araka ny ambaran’ny Soratra Masina) dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy…» (1 Jaona 4)
Ireo fanekempinoana nosoratana tao Nikea, tamin’ny taona 325, ary nanampiana ny taona 381 tao Constantinople, dia tsy misy ifandraisany amin’ny vavolombelon’ireo Soratra Masina nampitaina amintsika. Izao, ohatra, no hita ao amin’ireny fanekempinoana ireny: “… ny Zanakalahy tokana an’Andriamanitra, nateraky ny Ray talohan’ny fotoana rehetra: Andriamanitra avy amin“Andriamanitra, Hazavana avy amin’ny hazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, miray sobstansia amin’ny Ray.“ Ny Zanaka ve dia tokony ho nateraky ny Ray, amin’ny maha Andriamanitra Azy, tany an-danitra, talohan’ny fiandohan’ny fotoana, tany amin’ny mandrakizay? —Tsy misy fahamarinany izany, na dia kely aza.
Tsy mety mihitsy ho Kristy, ny Zanaka, ilay Voahosotra, no ho resahina amin’izany. Satria, hoy ny Soratra Masina, ao amin’ny Salamo 2:7: «“Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.» Ary ny mandrakizay tsy misy androany na rahampitso, fa maharitra hatrizay ka tsisy fiafarany. Nidina avy tany an-danitra ny anjely Gabriela, ary nanambara ny fahaterahan’ny Zanaka eto amin’ny tany. Hoy izy tamin’i Maria virijina: *«Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy [Yahshua].»* (Lioka 1:31)
Mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly ny fanekem-pinoana hoe: “Ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, ny Ray dia mandrakizay, ny Zanaka dia mandrakizay, ary ny Fanahy Masina dia mandrakizay.“ Noho izany dia manohitra an’i Kristy izany ary manohitra an’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy tokana Andriamanitra: «Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.» (Sal. 90:2). Ny fisainana “Andriamanitra Zanaka“, na “Zanaka mandrakizay“ dia tsy hita na indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly, ary tsy hita toy izany koa ny “Andriamanitra Fanahy Masina“. Ny hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia tsy misy afa-tsy Zanak’Andriamanitra, ary koa Fanahy Masina. Tsy persona fahatelo ny Fanahy Masina, fa Izy ny Fanahin’Andriamanitra izay nanomba teo ambonin’ny rano teo am-piandohana (Gen.1), izay voatonona in-381 ao amin’ny Baiboly toy ny “Ruach Yahvé“, ary narotsaka tamin’ny andro Pentekosta tao amin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao (Asa 2). Efa ny taona 381 ny Fanahy Masina vao nambara ho persona fahatelo ao amin’Andriamanitra, nandritra ny konsilin’i Constantinople. Ilay lazaina ho “fanekempinoan’ny apostoly“ dia sady tsy an’ny apostoly no tsy ara-Baiboly. Izay avy amin’ny apostoly ihany no azo ekena ho an’ny apostoly, ary izay hita ao amin’ny Baiboly ihany no azo ekena ho ara-Baiboly. *«…nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.»* (1 Korintiana 8:6). Io Andriamanitra “TOKANA“ io dia niseho amin’ny maha Tompo Azy – ny Ray tao amin’ny Zanaka.