Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Fantatry ny rehetra fa ireny fivavahana ireny dia nandray fahefana mifehy vahoaka sy firenena manontolo: Etsy, ny kristianisma, eroa ny Silamo, erỳ ny indoïsma na ny bodisma. Araka izany, ny atsimon’ny Eropa, hatramin’i Italie ka hatramin’i Espagne sy Portugal, dia voafehin’ny katolisisma, raha ny avaratra kosa, hatrany Suede, Norvege, sy Finlande, dia ny protestanta no maroanisa. Raha ny an’i Amerika avatra, dia hitantsika fa Etazonia sy Canada dia voatentin’ny protestantisma ihany koa, fa ireo firenena an’ny Amerika atsimo sy ny Amerika afovoany, dia voatentin’ny katolisisma. Any Inde, amin’ny ankapobeny, dia ny indoïsma no manjaka. Ao amin’ny Moyen Orient manontolo, dia ny silamo, ary any Azia dia ny bodisma no maroanisa. Ny itovizan’ireo fivavahana rehetra ireo dia ny tsifananany teny fikasana avy amin’Andriamanitra, koa tsy manam-pitohizana Aminy. Noho izany, dia tsy maintsy lazaina mazava tsara hoe: ny famonjen’Andriamanitra dia tsy ao amina fivavahana na fiangonana, na tokana aza, fa ao amin’i Jesosy-Kristy irery ihany. Ireo fampanatenan’olombelona rehetra mikasika ny lanitra sy ny Paradisa dia tsy misy ifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy ilay Tokana, dia ny Mpamonjy, Izy ihany, no afaka milaza hoe; «Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.» (Lioka 23:43)
Tsy misy amin’ireo mitonon-tena ho fiangonana kristiana ireo no ilay Fiangonana naorin’i Kristy, ilay Mpanavotra; na ny katolika, na ny ortodoksa, na ny anglikana, na ny loteriana, na ny kalvinista, na koa ny kopta, sy ny hafa. Fa kosa, ohatra, ekena fa ny pàpa no filohan’ny fiangonana katolika romana, ny patriarka no filohan’ny fiangonana ortodoksa, saingy ireo tsy filohan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy. Miharihary fa ny arsevekan’i Canterbury no filoha ara-panahy an’ny fiangonana anglikana, kanefa tsy filohan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy izy. Toy izany avokoa amin’ireo fivavahana kristiana rehetra, na misy fihavahana aza amin’ny samy izy, izay manaiky avokoa ny fanekem-pinoanan’i Nicée-Constantinople, ikambanany amin’i Roma. Araka an’ny encyclopédie Wikipedia, ny fepetra anekena ho singan’ny vondrona protestanta, eo anivon’ny “Filankevitra ekiomenika an’ny fiangonana maneran-tany“ voalohany, dia “ny fanekem-pinoana amin’ilay Andriamanitra trinitera, voalazan’ny Soratra Masina, araky ny anehoan’ny Famantaran’i Nicée-Constantinople izany finoana izany.»
Fa izany dia tsy fanekempinoanan’ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona. Ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy dia mino Andriamanitra tokana, araka ny tena anambaran’ny Baiboly izany. Ao aminy no misy ireo mpino ara-Baiboly, amin’ny fotoana rehetra, amin’ny firenena rehetra, sy vahoaka ary fitenim-pirenena rehetra. Ny Tompo, Izy mihitsy, no niteny hoe: «Ny fanjakako tsy avy amin’izao-tontolo-izao…» Tsy fivavaham-panjakana iray nifaneken’ny olona ny Fiangonan’ny Andriamanitra velona, fa Izy dia ny Vatan’i Kristy, araka ny voasoratra, hoe «Ianareo no Tenan’i Kristy, ka samy momba ny Tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.» (1 Korintiana 12:27). Jesosy-Kristy no Lohan’io tena Fiangonan’ireo voavotra io (Efesiana 4:15); ary ny Baiboly irery no fahefana tokana ao Aminy, amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy.