Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Fiverenana amin’ny Teny Fiverenana amin’ny fiandohana
Font Face
Line Height
Paragraph Gap
Font Size
«Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Filazantsara izay notorina taminareo.» (1 Petera 1:25)
Rehefa nandalo ireo taonjato maro, nampihorohoroana sy nanjakazakan’ny fiangonam-panjakana tamina vahoaka sy firenena maro, dia nitsioka ny rivo-baovao ara-panahy iray, nitaona ny olona hiverina ao amin’ny Baiboly, tamin’ny fiafaran’ireo taonjato anelanelany (Moyen Age).
Tamin’ireo fifohazam-panahy rehetra, taloha sy taorian’ny Reformasiona, ireo olona izay nino ny Baiboly dia nandao ny fiangonam-panjakana, ka nohenjehan’ity farany. John Wyclif (1321–1384) izay nandika ny Vulgate tamin’ny teny anglisy, dia nahalala ny dikan’ny Tenin’Andriamanitra, ary nanambara ampahibemaso izy hoe: “Amiko, dia tsy misy azo ekena, afa-tsy izay voasoratra ao anatin’ny Baiboly! ‘’ Nanohitra ny fitondran’ny Pàpa izy, ary 30 taona taorian’ny nahafatesany izy no mbola nolazaina hoe hérétique (mpanohitra ny fiangonana). Jan Hus (1370–1415) ihany koa, rehefa nahazo tolotsaina tamin’ny Baiboly, dia nitory ary nanambara ny fandavany ny fananan’ny Pàpa zo amin’ny firenena rehetra. Ny Baiboly irery, taminy, no fahefana mahefa amin’ny zavatra rehetra mikasika ny finoana. Araka izany no nanoratany, raha namelabelatra ny Jaona 8:21-32 izy, hoe: “Katsaho ny fahamarinana, henohy ny fahamarinana, ianaro ny fahamarinana, tiavo ny fahamarinana, teneno ny fahamarinana, hazony ny fahamarinana, arovy hatramin’ny fahafatesana ny fahamarinana !». Rehefa noheloin’ny klerjin’ny konsilin’i Contstance izy, ny 6 Jolay 1415, dia teo ambony antontan-kitay nirehitra izy no nanolotra ny fanahiny an’ny Jesosy-Kristy Mpanavotra azy, sady nangataka famelan-keloka ho an’ireo fahavalon’ny fahamarinana.
Nolavin’i Martin Lotera ny fivarotana indulgences fanaon’ny pàpa, ary nitory izy ny fibebahana sy ny fanamarinana amin’ny finoana. Tamin’ny 1520 sahady izy dia efa namoaka ny boky iray nikasika ny “Figadrana babyloniana mahazo ny fiangonana“, ary nanome ny heviny izy, nilaza fa tsy ny sakramentan’ny fiangonana no mahavonjy, fa ny finoana an’i Jesosy-Kristy irery. Ho azy dia tsy nisy afa-tsy ny Soratra Masina (Sola Scriptura). Tao amin’ny diète, tao Worms, ny 18 Aprily 1521, rehefa nahavita ny lahateniny i Lotera dia nilaza izao teny malaza izao: «Fa izaho dia tsy matoky ny pàpa, na ny konsily, noho ireo matetika diso hevitra, sy nifanohitra izy samy izy. Izany no toetro. Ka raha tsy maharesy lahatra ahy ianareo amin’izay ambaran’ny Soratra Masina, na hevitra marina, na ireo andalan-tSoratra Masina notononiko, dia sady tsy afaka aho, no tsy te-hitsipaka na inona na inona amin’izay nosoratako, satria sady tsy araka ny fahendrena rahateo, no tsy mahasoa ny hihetsika mifanohitra amin’ny fieritreretan’ny tena. Andriamanitra anie hitahy ahy, Amena!» Teo amin’ny teboka avo indrindra, tao amin’izany adihevitra ara-pivavahana izany, dia ilay mpanao reformasiona no lasa mpitondratenin’Andriamanitra, nanohitra ny pàpa sy ny fiangonana.
Tany Suisse, tao Zurich ny taona 1531, dia nahazo fandresena ny reformasiona notarihin’i Huldreich Zwingli. Nandray anjara tamin’ny faninterahan’izany i Jean Calvin, tao Geneve, ny taona 1536. Izy roalahy ireo, sy ny maro hafa koa no nampihetsika ny fifohazampanahy “protestanta“ nanerana an’i Eropa manontolo. Ireo izay niova fo, ka nantsoin’ilay fiangonana hoe “jiolahy“ dia niangona teny rehetra teny, nanao fivoriam-bavaka. Nisy fikambanana madinidinika niforona, anisan’izany indrindra ny hetsika anabaptiste, izay nantsoina “sekta“ ka nohenjehina.
Saingy tsy voasakana intsony ny fanavaozana, ary voambara lalindalina kokoa hatrany ny Soratra Masina, ary niha nazava hatrany ny fitorian’izany, nandritra ireo fifohazana tao amin’ireo taonjato nifanesy. Mpitoritenin’ny fifohazana maro no nitsangana, toa an’i Comte de Zinzendorf ho an’ny fiangonan’ireo “Frères moraves“, Jhon Wesley ho an’ireo Metodista, Jhon Smyth ho an’ireo Batista, Menno Simons ho an’ireo Menonita, William Booth ho an’ny “Armée du salut“, sy ny maro hafa koa. Ireo mpitoriteny rehetry ny Fahamarinan’ny Baiboly ireo dia nitovy hevitra nikasika ilay mitonona ho solontenan’i Kristy, manjakazaka ambonin’ ny fahefana rehetra eto amin’ny tany, ary manandra-tena ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na iankohofana, izay nantsoin’i Paoly hoe “zanaky ny fahaverezana“ (2.Tes.2). Nosoritan’izy ireo fa ny Teny tsy mahafantatra izay atao hoe “solontenan’i Kristy“ (Vicarius Filii Dei), na izay “mpandimby an’i Petera“; ary nosoritany koa izay nolazain’ny Tompontsika ao amin’ny Matio 23:9: «Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo (vao mainka koa hoe “ray masina“); fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.»
«Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Filazantsara izay notorina taminareo.» (1 Petera 1:25)
Rehefa nandalo ireo taonjato maro, nampihorohoroana sy nanjakazakan’ny fiangonam-panjakana tamina vahoaka sy firenena maro, dia nitsioka ny rivo-baovao ara-panahy iray, nitaona ny olona hiverina ao amin’ny Baiboly, tamin’ny fiafaran’ireo taonjato anelanelany (Moyen Age).
Tamin’ireo fifohazam-panahy rehetra, taloha sy taorian’ny Reformasiona, ireo olona izay nino ny Baiboly dia nandao ny fiangonam-panjakana, ka nohenjehan’ity farany. John Wyclif (1321–1384) izay nandika ny Vulgate tamin’ny teny anglisy, dia nahalala ny dikan’ny Tenin’Andriamanitra, ary nanambara ampahibemaso izy hoe: “Amiko, dia tsy misy azo ekena, afa-tsy izay voasoratra ao anatin’ny Baiboly!‘’ Nanohitra ny fitondran’ny Pàpa izy, ary 30 taona taorian’ny nahafatesany izy no mbola nolazaina hoe hérétique (mpanohitra ny fiangonana). Jan Hus (1370–1415) ihany koa, rehefa nahazo tolotsaina tamin’ny Baiboly, dia nitory ary nanambara ny fandavany ny fananan’ny Pàpa zo amin’ny firenena rehetra. Ny Baiboly irery, taminy, no fahefana mahefa amin’ny zavatra rehetra mikasika ny finoana. Araka izany no nanoratany, raha namelabelatra ny Jaona 8:21-32 izy, hoe: “Katsaho ny fahamarinana, henohy ny fahamarinana, ianaro ny fahamarinana, tiavo ny fahamarinana, teneno ny fahamarinana, hazony ny fahamarinana, arovy hatramin’ny fahafatesana ny fahamarinana !». Rehefa noheloin’ny klerjin’ny konsilin’i Contstance izy, ny 6 Jolay 1415, dia teo ambony antontan-kitay nirehitra izy no nanolotra ny fanahiny an’ny Jesosy-Kristy Mpanavotra azy, sady nangataka famelan-keloka ho an’ireo fahavalon’ny fahamarinana.