Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Ny Fiaviana voalohany sy faharoa an’i Kristy dia ampahany ao amin’ny Drafi-panavotan’Andriamanitra
Font Face
Line Height
Paragraph Gap
Font Size
Tamin’ny Fiavian’i Kristy voalohany dia tanteraka tao amin’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa ny faminanian’ny Malakia 3:1: «Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.» (Matio 11:10; Lioka 7:27) Ny teny fikasana izay tanteraka mialohan’ny Fiverenan’i Kristy dia ity: «Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;» (Malakia 3:23). Namarinin’ny Tompontsika izany taorian’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa: «Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.» (Matio 17:11). Ao amin’ny Marka 9 ;12, dia namarinin’ny Tompo indray izany: «Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra.».
Andalana maro ao amin’ny Baiboly no miteny mivantana ny amin’ny “Fiverenan’i Jesosy-Kristy“. Hatra tany am-piandohana, ny fiandrasana ny Fiverenany no efa ivotoeran’ ireo lohahevitra ho an’ny mpino rehetra. Izany fiandrasana izany dia nifototra tamin’ny fampanantenana, izay Izy ihany no nanome azy, hoe: «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.» (Jaona 14:3)
Raha nanontany Azy ny amin’ny famantarana ny Fiverenany sy ny fiafaran’izao-tontolo-izao ny mpianatra (Mat.24:3), ny Tompo dia namaly tamin’ireto teny ireto: «Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.» (Matio 24:14) Tsy mbola nisy hatrizay fotoana toy ny ankehitriny, izay ahatongavan’ny Filazantsara any amin’ny toerana lavitra indrindra, amin’ny alàlan’ireo hainoamanjery moderina. Raha ny marina, ny tanjona voalohany an’ny fitoriana ny Filazantsara feno dia ny ahavonona ireo mpino amin’ny Fiverenan’i Jesosy-Kristy, satria voasoratra hoe: «… ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.»
(Matio 25:10)
Tamin’ny andron’ireo apostoly no efa lohahevitra voalohany ny Fiverenan’i Kristy, ary mbola izany ihany amin’izao androntsika izao. Nanoratra izao ny apostoly Paoly ao amin’ny epistiliny ho an’ireo Tesaloniana: «Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va?» (1 Tesaloniana 2:19). Afaka namarana ny fijoroany vavolombelona tamin’ireto teny ireto ny apostoly Paoly: «Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.» (2 Timoty 4:8)
Antomotra loatra ny Fiverenan’i Kristy izao, ka ireo rehetra singan’ny Fiangonan’ny Tompo dia tsy maintsy miaina ny famonjena toy ny tany am-piandohana, ary tsy maintsy tafaverina amin’ny toerana voalohany izy ireo, eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina. Toy izany sahady no naminanian’ny apostoly Petera izany fahiny, raha niresaka ny amin’i Kristy sy ireo mpino izy: «Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.» (Asan’ny Apostoly 3:21). Mialoha ny Fiverenan’i Kristy, dia tsy maintsy ho tahaky ny tany am-piandohana eo anivon’ny Fiangonan’Andriamanitra velona: ny toriteny voalohany sy ny toriteny farany, toy ny batisa voalohany sy ny batisa farany. Ny fampianarana rehetra sy ny fampiharana rehetra dia tsy maintsy mifanaraka amin’ireo voalohany. Filazantsara iray ihany, finoana iray ihany, batisa iray ihany, no ambara ankehitriny manerana izao-tontolo-izao, ary ireo tena mino marina, toy ny voalazan’ny Soratra masina, dia miaina ny famelàna ny helony, ka atao batisa toy ny tany am-piandohana, amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy, dia mandray ny batisan’ny Fanahy Masina. Izany no modely tokana apostolika marina (Asa 2:38-39; Asa 8:14-17; Asa 10:43-48; Asa 19:5-6) izay manan-kery anatrehan’Andriamanitra, hatramin’ny farany.
Tsy tokony andalovana mangingina fotsiny izany
«Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.» (Jaona 13:20)
Toy ny niantsoan’Andriamanitra sy nanirahany an’i Abrahama, sy Mosesy, ary ireo mpaminany, no nanirahany koa an’i Jaona mpanao batisa, ary niantsoany manokana an’i Paoly, nanomezany azy iraka manokana ao amin’ny tantaran’ny famonjena ho an’ny Fiangonana manontolo. Io Andriamanitra io ihany, Izy no nampanantena handefa mpaminany iray toa an’i Elia, dieny mbola tsy hifarana ny andron’ny famonjena, ka hanomboka ny andron’ny Tompo (Malakia 3:23). Io teny fikasana ho an’ny fiafaran’ny andron’ny fahasoavana izay iainantsika izao io dia efa tanteraka, mialohan’ny hihovan’ny masoandro ho aizaina sy ny volana ho rà (Joela,2:31; Asa 2:20; Apok.6:12). Ny 11 Jona 1933, dia nisy zava-mahagaga no nitranga, raha teo am-panaovana batisa olona 300 vao niova fo i William M. Branhnam, mpitoriteny batista, teo amin’ny renirano Ohio, taorian’ny fitoriana Filazantsara, tao Jeffersonville, any Indiana-Etazonia. Sahabo ho tamin’ny 2 ora folakandro, raha andeha hanao batisa ny olona faha-17 izy, dia nisy hazavana mahagaga, hitan’ireo olona an-drivony maro nanatrika teo, nijanona teo ambonin’ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary nisy feo heno nilaza tamin’ny teny anglisy, hoe: «Toy ny nanirahana an’i Jaona mpanao batisa nanomana ny Fiavin’i Kristy voalohany, ny hafatra izay nomena entinao no hanomana ny Fiavian’i Kristy faharoa.» Nanao tatitra mikasika an’io tranga io ny “Associated Press“ tany Etazonia, sy tany Canada. Fantatry ny rehetra fa, taorian’ny ady lehibe faharoa, nanomboka ny volana Mey 1946, dia i William Branham no nampiasain’Andriamanitra nipoiran’ny hetsika fifohazam-panahy sy fanasitranana.
Tamin’ny alàlan’ny ministeran’io lehilahin’Andriamanitra William Branham io, ny Tompo, Izy mihitsy, no namerina ny Vahoakany tamin’ny fahamarinana ara-Baiboly, mikasika ny maha-Andriamanitra, ny batisa, ny Fanasan’ny Tompo sy ireo fampianarana rehetra. Voambara manontolo ny tolo-tsain’Andriamanitra, ary nitoriana manerana izao-tontolo-izao ny hafatra ara-Baiboly madiodio, mba iantsoana ireo tena mpino marina hivoaka, ka hatokana ary homanina ho amin’ny andro be vonibnahitry ny Fiverenan’i Kristy (Jaona 14:1-3; 2 Kor.6:14; 1 Tes.4:13-18).
Toy ny nakan’i Elia ireo vato roambinifolo araka ireo fokon’Isiraely roambinifolo, sy namerenany ny alitaran’Andriamanitra, ary nanangonany ny vahoakan’Andriamanitra mba hanapahan’ireo ny heviny teo amin’ny havoana Karmela (1 Mpanj.18:17-40), ato amin’ny androntsika izao, fotoana manan-danja ao amin’ny tantaran’ny Famonjena, dia naverina eo amin’ny fitoeranjiro ny fampianaran’ireo apostoly roambinifolo, naorina indray ny Fiangonana eo amin’ny fototra voalohany an’ny apostoly, ary antsoina ny tsirairay hanapa-kevitra: «Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.» (1 Mpanjaka 18:21)
Tamin’ny Fiavian’i Kristy voalohany dia tanteraka tao amin’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa ny faminanian’ny Malakia 3:1: «Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.» (Matio 11:10; Lioka 7:27) Ny teny fikasana izay tanteraka mialohan’ny Fiverenan’i Kristy dia ity: *«Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;»* (Malakia 3:23). Namarinin’ny Tompontsika izany taorian’ny minisiteran’i Jaona mpanao batisa: «Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.» (Matio 17:11). Ao amin’ny Marka 9 ;12, dia namarinin’ny Tompo indray izany: «Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra.».
Andalana maro ao amin’ny Baiboly no miteny mivantana ny amin’ny “Fiverenan’i Jesosy-Kristy“. Hatra tany am-piandohana, ny fiandrasana ny Fiverenany no efa ivotoeran’ ireo lohahevitra ho an’ny mpino rehetra. Izany fiandrasana izany dia nifototra tamin’ny fampanantenana, izay Izy ihany no nanome azy, hoe: «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.» (Jaona 14:3)
Raha nanontany Azy ny amin’ny famantarana ny Fiverenany sy ny fiafaran’izao-tontolo-izao ny mpianatra (Mat.24:3), ny Tompo dia namaly tamin’ireto teny ireto: «Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.» (Matio 24:14) Tsy mbola nisy hatrizay fotoana toy ny ankehitriny, izay ahatongavan’ny Filazantsara any amin’ny toerana lavitra indrindra, amin’ny alàlan’ireo hainoamanjery moderina. Raha ny marina, ny tanjona voalohany an’ny fitoriana ny Filazantsara feno dia ny ahavonona ireo mpino amin’ny Fiverenan’i Jesosy-Kristy, satria voasoratra hoe: «… ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.» (Matio 25:10)
Tamin’ny andron’ireo apostoly no efa lohahevitra voalohany ny Fiverenan’i Kristy, ary mbola izany ihany amin’izao androntsika izao. Nanoratra izao ny apostoly Paoly ao amin’ny epistiliny ho an’ireo Tesaloniana: «Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va?» (1 Tesaloniana 2:19). Afaka namarana ny fijoroany vavolombelona tamin’ireto teny ireto ny apostoly Paoly: «Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.» (2 Timoty 4:8)
Antomotra loatra ny Fiverenan’i Kristy izao, ka ireo rehetra singan’ny Fiangonan’ny Tompo dia tsy maintsy miaina ny famonjena toy ny tany am-piandohana, ary tsy maintsy tafaverina amin’ny toerana voalohany izy ireo, eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina. Toy izany sahady no naminanian’ny apostoly Petera izany fahiny, raha niresaka ny amin’i Kristy sy ireo mpino izy: «Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.» (Asan’ny Apostoly 3:21). Mialoha ny Fiverenan’i Kristy, dia tsy maintsy ho tahaky ny tany am-piandohana eo anivon’ny Fiangonan’Andriamanitra velona: ny toriteny voalohany sy ny toriteny farany, toy ny batisa voalohany sy ny batisa farany. Ny fampianarana rehetra sy ny fampiharana rehetra dia tsy maintsy mifanaraka amin’ireo voalohany. Filazantsara iray ihany, finoana iray ihany, batisa iray ihany, no ambara ankehitriny manerana izao-tontolo-izao, ary ireo tena mino marina, toy ny voalazan’ny Soratra masina, dia miaina ny famelàna ny helony, ka atao batisa toy ny tany am-piandohana, amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy, dia mandray ny batisan’ny Fanahy Masina. Izany no modely tokana apostolika marina (Asa 2:38-39; Asa 8:14-17; Asa 10:43-48; Asa 19:5-6) izay manan-kery anatrehan’Andriamanitra, hatramin’ny farany.
Tsy tokony andalovana mangingina fotsiny izany
«Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.» (Jaona 13:20)
Toy ny niantsoan’Andriamanitra sy nanirahany an’i Abrahama, sy Mosesy, ary ireo mpaminany, no nanirahany koa an’i Jaona mpanao batisa, ary niantsoany manokana an’i Paoly, nanomezany azy iraka manokana ao amin’ny tantaran’ny famonjena ho an’ny Fiangonana manontolo. Io Andriamanitra io ihany, Izy no nampanantena handefa mpaminany iray toa an’i Elia, dieny mbola tsy hifarana ny andron’ny famonjena, ka hanomboka ny andron’ny Tompo (Malakia 3:23). Io teny fikasana ho an’ny fiafaran’ny andron’ny fahasoavana izay iainantsika izao io dia efa tanteraka, mialohan’ny hihovan’ny masoandro ho aizaina sy ny volana ho rà (Joela,2:31; Asa 2:20; Apok.6:12). Ny 11 Jona 1933, dia nisy zava-mahagaga no nitranga, raha teo am-panaovana batisa olona 300 vao niova fo i William M. Branhnam, mpitoriteny batista, teo amin’ny renirano Ohio, taorian’ny fitoriana Filazantsara, tao Jeffersonville, any Indiana-Etazonia. Sahabo ho tamin’ny 2 ora folakandro, raha andeha hanao batisa ny olona faha-17 izy, dia nisy hazavana mahagaga, hitan’ireo olona an-drivony maro nanatrika teo, nijanona teo ambonin’ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary nisy feo heno nilaza tamin’ny teny anglisy, hoe: «Toy ny nanirahana an’i Jaona mpanao batisa nanomana ny Fiavin’i Kristy voalohany, ny hafatra izay nomena entinao no hanomana ny Fiavian’i Kristy faharoa.» Nanao tatitra mikasika an’io tranga io ny “Associated Press“ tany Etazonia, sy tany Canada. Fantatry ny rehetra fa, taorian’ny ady lehibe faharoa, nanomboka ny volana Mey 1946, dia i William Branham no nampiasain’Andriamanitra nipoiran’ny hetsika fifohazam-panahy sy fanasitranana.
Tamin’ny alàlan’ny ministeran’io lehilahin’Andriamanitra William Branham io, ny Tompo, Izy mihitsy, no namerina ny Vahoakany tamin’ny fahamarinana ara-Baiboly, mikasika ny maha-Andriamanitra, ny batisa, ny Fanasan’ny Tompo sy ireo fampianarana rehetra. Voambara manontolo ny tolo-tsain’Andriamanitra, ary nitoriana manerana izao-tontolo-izao ny hafatra ara-Baiboly madiodio, mba iantsoana ireo tena mpino marina hivoaka, ka hatokana ary homanina ho amin’ny andro be vonibnahitry ny Fiverenan’i Kristy (Jaona 14:1-3; 2 Kor.6:14; 1 Tes.4:13-18).
Toy ny nakan’i Elia ireo vato roambinifolo araka ireo fokon’Isiraely roambinifolo, sy namerenany ny alitaran’Andriamanitra, ary nanangonany ny vahoakan’Andriamanitra mba hanapahan’ireo ny heviny teo amin’ny havoana Karmela (1 Mpanj.18:17-40), ato amin’ny androntsika izao, fotoana manan-danja ao amin’ny tantaran’ny Famonjena, dia naverina eo amin’ny fitoeranjiro ny fampianaran’ireo apostoly roambinifolo, naorina indray ny Fiangonana eo amin’ny fototra voalohany an’ny apostoly, ary antsoina ny tsirairay hanapa-kevitra: *«Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.»* (1 Mpanjaka 18:21)