Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Ny batisa

« »

Hita marimarina, fa raha tsy misy fanambaran’Andriamanitra dia tsy misy koa ny fitarihana ara--Baiboly. Fa ny hisy dia adihevitra sy fandikana vilana. Izany no misy amin’ny lohahevitra ara-Baiboly rehetra, anisan’izany ny batisan’ny rano. Nahoana, nanomboka ny taonjato fahefatra, ny batisa dia tsy natao intsony toy ny nanaovan’i Petera tao Jerosalema (Asa 2:38), na i Filipo tao Samaria (Asa 8:16), ary Paoly tao Efesosy (Asa 19:5)? —Satria tsy azon’ireo rain’ny fiangonana fa amin’ny Anarana misy ny Famonjen’Andriamanitra no tokony anaovana batisa (Asa 4:11). Noho ny tsy fahafantarana tsara “Iza“ Andriamanitra, ny didin’ny Tompo mikasika ny batisa, ao amin’ny Matio 28:19, dia novana ihany koa ho fanao ara-panjakana trinitera izay tsy misy ifandraisany na kely aza amin’ny dikany voalohany, kanefa dia mbola izany fanao izany no ampiharina ankehitriny.

Ny batisa ara-Baiboly dia ialohavan’ny toriteny, satria ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny avy amin’ny Tenin’Andriamanitra (Asa 2; Rom.10:16, sy ny hafa). Araka izany no nobaikoan’ny Tompo ao amin’ny iraka misionera nomeny: « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra Izay mino sy atao batisa no hovonjena…» (Marka 16:15-16). Ny olona iray izay natao batisa dia manaiky fa nandray ny famelana ireo fahotany, amin’ny maha vao niova-fo azy.

Ny fitsikerana ny tantaran’ny fiangonana dia nanaporofo fa ny dika voalohany an’ny ‘‘baikon’ny batisa“, ao amin’ny Matio 28:19; dia toy izao: «Noho izany, mandehana ary ampianaro ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ireo amin’ny Anarako (onto onomati mou) ary ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.» izany no voatondro ambany pejy ao amin’ny “Novum Testamentum Graece et Germanice“ an’i Nestle-Aland, fanontana taona 1973. Ny dika fantatra maneran-tany, “amin’ny anaran’i Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina“, izay ampiasaina any amin’ny fiangonana rehetra, dia tsy hita na aiza na aiza, amin’ireo soratànana voalohany, araka ny nampisehoan’ireo mpitsikeran’ny fandinihana ny Baiboly. Ny fanamarihana ambany pejy amin’ny fandikan’i Lotera, dia milaza, ny amin’ny Matio 28:19: «fa ireo teny tena voadika dia: Noho izany, mandehana ary atovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny Anaran’i Ray, sy ny Zanakan ary ny Fanahy Masina, ary ampianaro ireo hitandrina…». Tsy afaka isika hanao batisa amin’ny Anaran’Andriamanitra izay nisehoany tamintsika, toy ny Ray, tao amin’ny Zanaka, tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, raha tsy voambara amintsika aloha io Anarana io. Ao amin’ny fandikan’i Elberfelder, toy ny ao amin’ny an’i Menge, izay dika alemana maro mampiasa indrindra, dia voasoratra koa hoe: «Ataovy batisa izy ireo amin’ny Anarana…!» Tena izany mihitsy no nataon’ireo apostoly ireo. Tsy nampiasaina io raikipohy “telo-izay-iray“ io ao anatin’ny Baiboly, na indray mandeha monja aza. Hitantsika ny porofon’izany ao amin’ny dika alemana avy tamin’ny grika.

Tao amin’ny toriteniny voalohany, ny andro nanorenana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, dia tsy nanome fanazavana lavabe mikasika ny batisa i Petera, satria efa nandre ireo teny marina avy tamin’ny Mpampianatra izy, ary nazava taminy ny fomba hanatontosana ny batisa. Noho izany, araka ny iraka nampanaovin’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, dia nobaikoany ireo rehetra izay nino mba atao batisa amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy (Asa 2:37-41).

Raha vao nisy fotoana nety, dia nitory ny famelan-keloka indray izy: «Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka(Asan’ny Apostoly 10:43), ary koa ny batisa; «Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy…» (Asan’ny Apostoly 10:47-48). Rehefa nandre ny fitorian’i Paoly, na ireo mpianatr’i Jaona-mpanao-batisa aza dia nino an’i Jesosy-Kristy, ary nanaiky natao batisa indray: «Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.» (Asan’ny Apostoly 19:5-6). Ireo apostoly sy ireo mpino rehetra tao amin’ny kristianisma voalohany dia nahafantatra fa amin’ilay Anarana misy ny Famonjena no tsy maintsy anaovana ny batisa.

Tsy misaraka ny finoana, sy ny batisan’ny rano, ary ny batisan’ny Fanahy Masina. Ny batisan’ny rano no anehoan’ilay niova fo ho mpino ny finoany an’Andriamanitra. Ny batisan’ny Fanahy Masina kosa no anamarinan’Andriamanitra ilay niova fo lasa mpino. «Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.» (1 Korintiana 12:13)

Ireo mpanoratra tantara rehetra dia samy milaza fa hatramin’ny kristianisma voalohany ka hatramin’ny taonjato fahatelo, dia tamin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy irery ihany no nanaovana batisa, nasitrika an-drano indray mandeha. Hoy ny apostoly tamin’ireo mpino tany Roma: «Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika [izany hoe nasitrika an-drano {baptisimo}], mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.» (Romana 6:3-4), «fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa…» (Kolosiana 2:12)

Izao no tantaraina amintsika ao amin’ny Asa 8:38: «Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano; dia nataony batisa izy.» Jaona mpanao batisa ihany koa dia nanao batisa tao amin’i Jordana (fa tsy teo amoron’i Jordana): «Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.» (Matio 3:16)

Ny taona 337, raha teo am-pandriany i Constantin amperora, niandry ny fahafatesany, tao amin’ny lapan’i Ankyron, dia notsipazan’ny eveka Eusebe rano intelo ny andriny sady nampiasany ny raikipohy “ telo-izay-iray“. Batisa ve izany? Nilaza ny tenany ho lasa kristiana tamin’izany fomba izany i Constantin, kanefa mbola niankohoka tamin’i Sol, ny andriamanitry ny masoandro Sol, hatramin’ny fahafatesany. Ny raikipohin’ny batisa trinitera dia zavatra nampian’ireo rain’ny fiangonana, ireo izay nanjary jamba ara-panahy, satria tamin’ny fotoanany no nampidirana ny fampianarana trinitera. Nifanaraka tsara tamin’ny famoronana ny fampianarana trinitera mantsy ny batisa amin’ny raikipohy “telo-izay-iray“, mba ho mora ekena sy inoan’ny olona izany. Izany no atao hoe “fanekena ny batisa romana“.

Ireo rain’ny fiangonana ireo, tamin’ny taonjato faha 3 sy faha 4, sy ireo teolojiana tato aoriana, raha mba nampihatra ny baikon’ny batisa, toy ny nataon’i Petera ny andro Pentekosta (Asa 2), na toa an’i Paoly taoriana (Asa 19:5), dia tsy ho nisy mihitsy ny fifandirana mikasika izany. Saingy, tsy nisy tamin’ireo rain’ny fiangonana ireo no afaka nanambara fa tena niova fo ho an’i Kristy, na niaina traikefan’ny Famonjena, ary vao mainka, indrindra nahazo iraka tamin’Andriamanitra.

Tsy misy ao amin’ny Baiboly izany dogma trinitera an’olona telo velona mandrakizay izany; ary tsy misy toy izany koa ny batisa trinitera. Tsy misy andalana, na tokana aza, ahitana olona nampiasa ny raikipohy «amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina» —tsy misy na tokana aza! Ny vavaka, sy ny zavatra hafa rehetra dia natao tamin’ny Anaran’i Jesosy-Kristy Tompo, satria izany no nandidiana ireo tena mpino marina, ao amin’ny Kolosiana 3:17: , «Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany…»

Ny raikipohy “telo-izay-iray“ dia ampiasaina any amin’ny fiangonana rehetra, mandritra ireo fombafomba sy lanonana ara-pivavahana rehetra. Ampiasaina ihany koa io amin’ny fidirana amin’ireny fikambanana manokana ireny [“ordre“ na “loge“], ary na amin’ny fivoriana iresahana amin’ny maty ireny aza [spritisme], sy ireo fomba miafina rehetra [occultisme] amin’ny ankapobeny. Tsy ara-Baiboly izy io, koa tsy hafa fa fanoherana ny Baiboly. Tsy avy amin’Andriamanitra izy io, koa tolotsaina sandoka no niaviany, sady famitahana. Tokony hisaintsaina izany ny tsirairay, anisan’izany ireo karismatika izay mampiasa ny Anarana “Jesosy-Kristy“ ivavahany ho an’ny marary, saingy mandà mafy dia mafy ny atao batisa amin’ny Anaran’ny Tompo-Jesosy-Kristy.

Kanefa moa, tsy maintsy misy koa ny kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka, mba ahatanteraka izay nolazain’ny Tompontsika hoe: «Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.» (Matio 7:22-23)

Iza no afaka hanazava ny anton’ny hanjakan’ny fisalasalana, ao amin’ny kristianisma manontolo, mikasika ireo fampianarana fototra —toy ny maha-Andriamanitra, ny batisa ary ny Fanasan’ny Tompo— kanefa ireny dia voaseho mazava tsara avokoa ao amin’ny Baiboly? Izany no misy, tsy noho ny inona, fa satria tsy nijanona tao amin’ny fampianaran’i Kristy sy ireo apostoly ny olona. Indrisy, nandritra ireo taonjato voalohany, ny fanambarana tena marina toy ny nandraisan’ireo apostoly azy, dia efa nanjavona sahady tao amin’ny kristianisma. Nisy fotokevitra hafa, ara-politika sy ara-pivavahana no nampidirin’ireo rain’ny fiangonana.

Ilay teolojiana malaza, Hans Küng, ihany koa dia namelabelatra mikasika io lohahevitra lehibe io, ao amin’ny bokiny, “Ny Kristianisman“, miaty pejy maherin’ny arivo. Ao amin’ny pejy 126, izy dia manontany hoe: «Aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao no misy resaka “telo-izay-iray“?» Ary nampiany avy eo hoe: «Tsy misy fampianarana “telo-izay-iray“ ao amin’ny Testamenta Vaovao, na tokana aza.» Izy ihany koa dia nifototra tamin’ny «Comma Johanneum »: «Misy telo any an-danitra izay manambara, dia ny Ray, sy ny Teny, ary ny Fanahy-Masina, ary ireo telo ireo dia iray.», ary azavainy hoe: “Kanefa ny fandinihana am-pitsikerana ny tantara dia nahitana fa io fehezanteny io dia fanadisoana tonga avy tany Afrika avaratra, na Espagne, tamin’ny taonjato fahatelo na fahefatra. Ary tsy nahasoa akory ny fanjakana romana mpanao fanenjehana ny hafa finoana, ny niarovany io fehezanteny io ho marina, tamin’ny fiandohan’ny taonjato iainantsika. Raha lazaina mazava, dia inona no dikan’izany —ao amin’ny jodaïsma sy kristianisma, ary na ao amin’ny Testamenta Vaovao manontolo aza— fa tsy ny tena fisian’ny finoana an’Andriamanitra Ray, an’i Jesosy, Zanaka, ary an’ny Fanahy-Masin’Andriamanitra, saingy tsy misy fampianarana, na tokana aza, milaza Andriamanitra misy persona telo (olona telo miavaka tanteraka), tsy misy fampianarana “Andriamanitra telo mitambatra“, tsy misy “telo-izay-iray“.» (Pejy 126-127)

Hita marimarina, fa raha tsy misy fanambaran’Andriamanitra dia tsy misy koa ny fitarihana ara--Baiboly. Fa ny hisy dia adihevitra sy fandikana vilana. Izany no misy amin’ny lohahevitra ara-Baiboly rehetra, anisan’izany ny batisan’ny rano. Nahoana, nanomboka ny taonjato fahefatra, ny batisa dia tsy natao intsony toy ny nanaovan’i Petera tao Jerosalema (Asa 2:38), na i Filipo tao Samaria (Asa 8:16), ary Paoly tao Efesosy (Asa 19:5)? —Satria tsy azon’ireo rain’ny fiangonana fa amin’ny Anarana misy ny Famonjen’Andriamanitra no tokony anaovana batisa (Asa 4:11). Noho ny tsy fahafantarana tsara “Iza“ Andriamanitra, ny didin’ny Tompo mikasika ny batisa, ao amin’ny Matio 28:19, dia novana ihany koa ho fanao ara-panjakana trinitera izay tsy misy ifandraisany na kely aza amin’ny dikany voalohany, kanefa dia mbola izany fanao izany no ampiharina ankehitriny.

Ny batisa ara-Baiboly dia ialohavan’ny toriteny, satria ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny avy amin’ny Tenin’Andriamanitra (Asa 2; Rom.10:16, sy ny hafa). Araka izany no nobaikoan’ny Tompo ao amin’ny iraka misionera nomeny: « Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra Izay mino sy atao batisa no hovonjena…» (Marka 16:15-16). Ny olona iray izay natao batisa dia manaiky fa nandray ny famelana ireo fahotany, amin’ny maha vao niova-fo azy.

Ny fitsikerana ny tantaran’ny fiangonana dia nanaporofo fa ny dika voalohany an’ny ‘‘baikon’ny batisa“, ao amin’ny Matio 28:19; dia toy izao: «Noho izany, mandehana ary ampianaro ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ireo amin’ny Anarako (onto onomati mou) *ary ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.»* izany no voatondro ambany pejy ao amin’ny “Novum Testamentum Graece et Germanice“ an’i Nestle-Aland, fanontana taona 1973. Ny dika fantatra maneran-tany, “amin’ny anaran’i Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina“, izay ampiasaina any amin’ny fiangonana rehetra, dia tsy hita na aiza na aiza, amin’ireo soratànana voalohany, araka ny nampisehoan’ireo mpitsikeran’ny fandinihana ny Baiboly. Ny fanamarihana ambany pejy amin’ny fandikan’i Lotera, dia milaza, ny amin’ny Matio 28:19: «fa ireo teny tena voadika dia: Noho izany, mandehana ary atovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny Anaran’i Ray, sy ny Zanakan ary ny Fanahy Masina, ary ampianaro ireo hitandrina…». Tsy afaka isika hanao batisa amin’ny Anaran’Andriamanitra izay nisehoany tamintsika, toy ny Ray, tao amin’ny Zanaka, tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, raha tsy voambara amintsika aloha io Anarana io. Ao amin’ny fandikan’i Elberfelder, toy ny ao amin’ny an’i Menge, izay dika alemana maro mampiasa indrindra, dia voasoratra koa hoe: «Ataovy batisa izy ireo amin’ny Anarana…!» Tena izany mihitsy no nataon’ireo apostoly ireo. Tsy nampiasaina io raikipohy “telo-izay-iray“ io ao anatin’ny Baiboly, na indray mandeha monja aza. Hitantsika ny porofon’izany ao amin’ny dika alemana avy tamin’ny grika.

Tao amin’ny toriteniny voalohany, ny andro nanorenana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, dia tsy nanome fanazavana lavabe mikasika ny batisa i Petera, satria efa nandre ireo teny marina avy tamin’ny Mpampianatra izy, ary nazava taminy ny fomba hanatontosana ny batisa. Noho izany, araka ny iraka nampanaovin’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, dia nobaikoany ireo rehetra izay nino mba atao batisa amin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy (Asa 2:37-41).

Raha vao nisy fotoana nety, dia nitory ny famelan-keloka indray izy: «Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka (Asan’ny Apostoly 10:43), ary koa ny batisa; «Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy…» (Asan’ny Apostoly 10:47-48). Rehefa nandre ny fitorian’i Paoly, na ireo mpianatr’i Jaona-mpanao-batisa aza dia nino an’i Jesosy-Kristy, ary nanaiky natao batisa indray: «Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.» (Asan’ny Apostoly 19:5-6). Ireo apostoly sy ireo mpino rehetra tao amin’ny kristianisma voalohany dia nahafantatra fa amin’ilay Anarana misy ny Famonjena no tsy maintsy anaovana ny batisa.

Tsy misaraka ny finoana, sy ny batisan’ny rano, ary ny batisan’ny Fanahy Masina. Ny batisan’ny rano no anehoan’ilay niova fo ho mpino ny finoany an’Andriamanitra. Ny batisan’ny Fanahy Masina kosa no anamarinan’Andriamanitra ilay niova fo lasa mpino. «Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.» (1 Korintiana 12:13)

Ireo mpanoratra tantara rehetra dia samy milaza fa hatramin’ny kristianisma voalohany ka hatramin’ny taonjato fahatelo, dia tamin’ny Anaran’ny Tompo Jesosy-Kristy irery ihany no nanaovana batisa, nasitrika an-drano indray mandeha. Hoy ny apostoly tamin’ireo mpino tany Roma: «Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika [izany hoe nasitrika an-drano {baptisimo}]*, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.»* (Romana 6:3-4), «fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa…» (Kolosiana 2:12)