Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Tanteraka ireo faminaniana ho an’ny andro farany
Font Face
Line Height
Paragraph Gap
Font Size
Isika rehetra ambonin’ny tany dia mahatsapa fa miova ny zavatra rehetra; ny fanambadiana, ny ankohonana, ny fiaraha-monina dia tsy toy ny taloha avokoa intsony. Ny fisondrotry ny hafanan’ny planeta sy ny fiovaovan’ny vanin’andro dia mahatratra teboka mampatahotra. Miha maro sy miha mahery ireo loza voajanahary. Velona ahiahy ny amin’ny hoaviny ny olona noho ireo korontana eran’izao-tontolo-izao. Mihamaro hatrany ireo toerana “mafana“, indrindra ao Proche sy Moyen Orient. Izao-tontolo-izao mihitsy no mangotraka. Vokatr’izany dia misy olona an-tapitrisa no milefa mitsoa-ponenana. Mitady vahaolana ireo fitondram-panjakana, saingy efa mihoatry ny efany ireo zava-mitranga.
Ao amin’ny Matio 24, sy Marka 13, ary Lioka 21, sy andalana hafa koa, ny Tompontsika dia niresaka mikasika ny zavatra hiseho mialoha ny Fiverenany, ary hitantsika tanteraka ireny zavatra ireny. Ireo zavatra rehetra tsy maintsy hitranga amin’ireo andro farany, izay tsy ho vitantsika halalinina eto, dia efa voambara mialoha tao amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly avokoa. Nalefa ny hafatra iray farany, antso iray farany, ahafahan’ny zanakolombelona hanao ny safidy tsara eo anatrehan’Andriamanitra.
Torìna amin’ny firenena rehetra ankehitriny ny Filazantsara mandrakizay, mba ho vavolombelona, toy ny efa nambaran’ny Tompo, hoe «Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.» (Matio 24:14). Isika izao dia efa tena antomotry ny Fiverenan’i Kristy izay nampanantenaina (Jaona 14:1-3). Manaporofo izany ireo famantarana ny andro farany rehetra ireo. Koa, ireo izay maniry marina ny hino ara-Baiboly, dia tsy maintsy mandao ny làlany manokana, ary mitady ny làlana mankany amin’Andriamanitra. Ny Tompo mihitsy no niteny, ao amin’ny Lioka 21:28, hoe: «Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.»
Raha hamarana ity famelabelarana ity, dia tsy mety raha tsy manao fanentanana farany avy amin’ny Baiboly, ho an’ireo izay matahotra Andriamanitra, izay mino ny Tenin’ Andriamanitra:
«Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ny mazava sy ny maizina?
Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?
Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko. Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.» (2 Korintiana 6:14-18)
«Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.» (Apokalypsy 18:4)
«Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fihaviany.» (1 Jaona 2:28)
«Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.» (Apokalypsy 22:7)
«Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.» (Lioka 21:33)
„Raha ny Teninao tsy hanan-kery intsony
Inona àry no hiankinan’ny finoako
Tontolo an-tapitrisa tsy misy dikany amiko
Afa-tsy ny mampihatra ny Teninao.“
(N.L Comte de Zinzendorf)