Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Ny fivoarana mampalahelo teo anivon’ny kristianisma eken’ny maro

« »

Ekena fa ny tsirairay dia afaka mifidy izay zavatra inoany sy izay olona ametrahany ny finoany. Fa tianay fotsiny eto, ny maneho fohifohy ny zavatra mampalahelo tao amin’ny tantaran’ny fiangonana.

Tao amin’ny kristianisma voalohany, ny fitoriana dia nifanaraka tsara tamin’ny Soratra Masina. Ireo apostoly, izay ny Tompo mihitsy no nampianatra azy, dia teo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireo kristiana voalohany dia iray fo iray saina. Ny Fiangonana voalohany dia tsy rafi-pandaminana, fa zavatra iray nanan’aina. Andriamanitra mihitsy no nametraka ireo apostoly, ireo mpaminany, ireo evanjelista, sy ireo mpampianatra, ary ireo pastora, tao amin’ny Fiangonany (1 Kor.12; 1 Kor.14; Efes.4 sy ny hafa). Niforona ireo fiangonana an-toerana, nisy loholona sy diakona, samy nahaleotena avy, ary tsy mba nanao politika. Kanefa ny fitomboana faingana tamin’ireo fiangonana kristiana ireo dia nampiahiahy ny mpitantana sasany tao amin’ny fanjakambe romana, natahorany hanimba ny fivavahana nentin-drazany na hitarika korontana teo amin’ny fiarahamonina. Koa nanomboka ny fanenjehana tamin’ny andron’i Néron (taona 64 aorian’i Kristy), izay tsy nitsaha-niely nandritra ireo taonjato voalohany.

Taorian’ireo fanenjehana ny kristiana, nahatsiravina sy tsy nisy indrafo, tamin’ny andron’ny amperora Dioclétien (285-305), farany dia neken’ny fanjakana ihany ny kristianisma, taona 313, tamin’ny alàlan’ny amperora Constantin. Hatra teo àry, ny kristianisma izay efa nitady hihemotra sahady, dia nanomboka nanohana ny tombotsoan’ny fahefan’ny fanjakambe. Taona iray talohan’izany i Constantin, dia efa nanandra-tena ho “Pontifex Maximus“, sady lehiben’ny fanjakana no lehiben’ny fiangonana. Araka izany no nahaterahan’ny “fiangonam-panjakana“, tao amin’ny fanjakambe romana.

Tamin’ny taona 380, dia nambaran’i amperora Theodose 1er, fa ny finoana trinitera no fivavahana ofisialy an’ny fanjakana. Ary tsy maintsy niditra mpikambana tamin’izany, tsy ireo efa kristiana isan-tokony avy ihany, fa ny olom-pirenena rehetra tao amin’ny fanjakambe romana. Ny teny-filamatra tamin’izany dia ny hoe: “Tsy misy famonjena ivelan’ny fiangonana“, sy koa ny hoe: “Izay manana ny fiangonana ho reny ihany no manana an’Andriamanitra ho Ray.“ Inona no nikambanan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy tamin’izany fivoarana nifototra tamina politikam-pivavahan’ny fiangonan’ny fanjakambe izany? —Tsisy, tena tsy misy na inona na inona!

Ny fanononana “Pontifex Maximus“ (pontifa lehibe), tamin’ny voalohany dia nanondro ny lehiben’ny pretra, tao amin’ny sokajin’ny pontifa (pretra), mpitantana ny fanompoan-tsampy tao amin’ny Roma voalohany, ary nomena an’ireo amperora romana aloha, izay vao nomena ireo pàpa tato aoriana. Ny Pàpa Léon lehibe (440-461), no evekan’i Roma, voalohany nitonon-tena ho izany. Ny fiandrianan’ireo pàpa, sy ny fiambonian’ny Fiangonana katolika amin’ny ankapobeny, dia miankina amin’ny filazana fa teo ambonin’i Petera, izay nomeny ny fanalahidin’ny Fanjakana, no ho nanorenan’i Jesosy ny fiangonana, ary i Petera no eveka voalohany tao Roma, noho izany dia izy no pàpa voalohany.

Mba nahavitan’izy ireo nanao izany, dia niankinany koa ny Tenin’i Jesosy, hoe: «…ambonin’ity vatolampy ity no haoroko ny Fiangonako.». Kanefa, tsy tokony hisy teolojiana, na tokana aza, tsy ahafantatra fa teny roa samy hafa no ao amin’io andinin’ny Matio 16:18 io. Hoy ny Tompontsika hoe: «Ianao no Petera…» (petros = vato iray, silaka vatolampy). Tsy niteny Izy hoe: «… amboninao no haoriko ny Fiangonako», fa kosa hoe: «…ambonin’ity vatolampy ity (petra = vatolampy lehibe) no haoriko ny Fiangonako!» Ahoana no ahasahiana miteny fa Petera no ho vatolampy niorenan’ny Fiangonana?

Tsy isalasalana fa ny Fiangonana dia mifototra amin’i Kristy, ilay Vatolampin’ny Famonjena, ilay vato fehizoro, araka ny ambaran’i Petera, izy mihitsy, ao amin’ny 1 Petera 2:4-8: «Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”» Raha ny amin’ny Fiangonana ara-Baiboly, dia soratan’i Paoly, ao amin’ny Efesiana 2:20 fa Izy dia «natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.»

Araka ny tolotsain’Andriamanitra koa no nanoratany hoe: «Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy(1 Korintiana 3:10-11).

Jesosy-Kristy no Lohan’io Fiangonan’Andriamanitra tena izy io; izay ireo navotana no singany (Efes. 4:15). Ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Izy mihitsy, no nilaza mazava hoe: «… ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy Azy(Matio 16:18). —Tsy fiangonana maro fa «ny Fiangonako». Izany dia ireo ondry vitsy, tena mpino (Lioka 12:32) izay nanomezan’ny Mpiandry tsara ny Ainy; ary ireo Ondriny ireo dia tsy mihaino afa-tsy ny Feony (Jaona toko faha 10).

Tsy mba àry tany Rôma ny apostoly Petera —fa angano nahim-po noforonina izany. Ny nisy tany, dia ilay mpanao «magie» atao hoe Simona Magy, izay nahavariana ny vahoaka tamin’ny fomba niavaka. Araka ny Asan’ny apostoly toko faha-18, na ny amperora Claude aza, izay nanjaka tamin’ny taona 41-54 taorian’i Kristy, dia nandidy ny Jiosy rehetra niala tao Rôma, ary anisan’ireo Akoila sy Prisila vadiny. Tsy avy tao Rôma no nanoratan’ny apostoly Petera, fa avy tao Babylona, amoron’i Efrata (1 Petera 5:13), izay ny sisa tsy rava dia mbola hita ankehitriny, 20 ka hatramin’ny 92 kilometatra atsimon’i Bagdad, any Irak. Ireo fitsidihana misionera nataon’i Petera, tahaka an’ireo an’i Paoly dia voatantara ao amin’ny Asan’ny apostoly. Paoly, izay nandalo natetika tao Roma —indray mandeha aza naharitra 2 taona (Asa 28:30)— dia tsy mba nanao veloma an’i Petera, tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ireo mpino tany Rôma, nefa olona 27 no notononiny tamin’ny anarany (Romana 16).

Tato aoriana, dia nadika vilana ihany koa ireo tenin’i Jesosy hoe; «na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany…» Tamin’ny andron’ireo apostoly, dia tsy natao ho fitsipika raikitra azon’ny pretra nampiasaina araka izay tiany izany, fa tolotra manaraka ny fitoriana an’i Jesosy-Kristy, ilay Voahombo, izay nanaisotra ny fahotan’izao-tontolo-izao, amin’ny maha Zanak’ondrin’Andriamanitra Azy. Ny baiko nomen’ny Tompo an’ireo apostoly dia: «mba hotorina amin’ny Anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra…» (Lioka 24:47; Asa 13:38).

Taorian’ny firotsahan’ny Fanahy Masina sy ny fitsanganan’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, ny toriteny voalohany, ny andro Pentekosta, ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-2, dia nanohina ny fon’ny maro tamin’ireo mpihaino, izay nanontany hoe: «Ry rahalahy, inona no hataonay?» Ary hoy Petera tamin’ireo hoe: «Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;» ary «Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’izany andro izany.» (Andininy 37-41)

Raha ny amin’ny Fanavotana vita, dia izao no nosoratan’i Petera: «Fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny rà soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;» (1 Petera 1:19). Ireo apostoly, sy ireo rehetra tena mpanompon’Andriamanitra marina, dia nitory ny Filazantsara, izany hoe ny famelan-keloka sy ny fihavanana amin’Andriamanitra, ary afaka izy ireo hiteny amin’ireo rehetra izay mino hoe: «Efa navela ny helokareo amin’ny Anarany!» Fa ireo izay tsy mino dia tsy afa-keloka (Marka 16:16; Jaona 21 ;23). Indrisy, fa nomena dikany maro samihafa ny Tenin’Andriamanitra, ary novana avokoa ireo fampianarana sy fampiharana rehetra. Ireo fandikana vilana rehetra ireo dia avy tamin’ny tsy fahazoana tsara ny andalana sasany ao amin’ny Soratra Masina. Araka ny nandaminan’ Andriamanitra ny Famonjena, ny lohahevitra rehetra sy ny fampianarana ara-Baiboly rehetra, dia tsy maintsy mifototra amina vavolombelona roa na telo, na mihoatra, andalana ao amin’ny Baiboly (2 Kor.13:1).

Ekena fa ny tsirairay dia afaka mifidy izay zavatra inoany sy izay olona ametrahany ny finoany. Fa tianay fotsiny eto, ny maneho fohifohy ny zavatra mampalahelo tao amin’ny tantaran’ny fiangonana.

Tao amin’ny kristianisma voalohany, ny fitoriana dia nifanaraka tsara tamin’ny Soratra Masina. Ireo apostoly, izay ny Tompo mihitsy no nampianatra azy, dia teo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ireo kristiana voalohany dia iray fo iray saina. Ny Fiangonana voalohany dia tsy rafi-pandaminana, fa zavatra iray nanan’aina. Andriamanitra mihitsy no nametraka ireo apostoly, ireo mpaminany, ireo evanjelista, sy ireo mpampianatra, ary ireo pastora, tao amin’ny Fiangonany (1 Kor.12; 1 Kor.14; Efes.4 sy ny hafa). Niforona ireo fiangonana an-toerana, nisy loholona sy diakona, samy nahaleotena avy, ary tsy mba nanao politika. Kanefa ny fitomboana faingana tamin’ireo fiangonana kristiana ireo dia nampiahiahy ny mpitantana sasany tao amin’ny fanjakambe romana, natahorany hanimba ny fivavahana nentin-drazany na hitarika korontana teo amin’ny fiarahamonina. Koa nanomboka ny fanenjehana tamin’ny andron’i Néron (taona 64 aorian’i Kristy), izay tsy nitsaha-niely nandritra ireo taonjato voalohany.

Taorian’ireo fanenjehana ny kristiana, nahatsiravina sy tsy nisy indrafo, tamin’ny andron’ny amperora Dioclétien (285-305), farany dia neken’ny fanjakana ihany ny kristianisma, taona 313, tamin’ny alàlan’ny amperora Constantin. Hatra teo àry, ny kristianisma izay efa nitady hihemotra sahady, dia nanomboka nanohana ny tombotsoan’ny fahefan’ny fanjakambe. Taona iray talohan’izany i Constantin, dia efa nanandra-tena ho “Pontifex Maximus“, sady lehiben’ny fanjakana no lehiben’ny fiangonana. Araka izany no nahaterahan’ny “fiangonam-panjakana“, tao amin’ny fanjakambe romana.

Tamin’ny taona 380, dia nambaran’i amperora Theodose 1er, fa ny finoana trinitera no fivavahana ofisialy an’ny fanjakana. Ary tsy maintsy niditra mpikambana tamin’izany, tsy ireo efa kristiana isan-tokony avy ihany, fa ny olom-pirenena rehetra tao amin’ny fanjakambe romana. Ny teny-filamatra tamin’izany dia ny hoe: “Tsy misy famonjena ivelan’ny fiangonana“, sy koa ny hoe: “Izay manana ny fiangonana ho reny ihany no manana an’Andriamanitra ho Ray.“ Inona no nikambanan’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy tamin’izany fivoarana nifototra tamina politikam-pivavahan’ny fiangonan’ny fanjakambe izany? —Tsisy, tena tsy misy na inona na inona!

Ny fanononana “Pontifex Maximus“ (pontifa lehibe), tamin’ny voalohany dia nanondro ny lehiben’ny pretra, tao amin’ny sokajin’ny pontifa (pretra), mpitantana ny fanompoan-tsampy tao amin’ny Roma voalohany, ary nomena an’ireo amperora romana aloha, izay vao nomena ireo pàpa tato aoriana. Ny Pàpa Léon lehibe (440-461), no evekan’i Roma, voalohany nitonon-tena ho izany. Ny fiandrianan’ireo pàpa, sy ny fiambonian’ny Fiangonana katolika amin’ny ankapobeny, dia miankina amin’ny filazana fa teo ambonin’i Petera, izay nomeny ny fanalahidin’ny Fanjakana, no ho nanorenan’i Jesosy ny fiangonana, ary i Petera no eveka voalohany tao Roma, noho izany dia izy no pàpa voalohany.

Mba nahavitan’izy ireo nanao izany, dia niankinany koa ny Tenin’i Jesosy, hoe: «…ambonin’ity vatolampy ity no haoroko ny Fiangonako.». Kanefa, tsy tokony hisy teolojiana, na tokana aza, tsy ahafantatra fa teny roa samy hafa no ao amin’io andinin’ny Matio 16:18 io. Hoy ny Tompontsika hoe: «Ianao no Petera…» (petros = vato iray, silaka vatolampy). Tsy niteny Izy hoe: «… amboninao no haoriko ny Fiangonako», fa kosa hoe: «…ambonin’ity vatolampy ity (petra = vatolampy lehibe) no haoriko ny Fiangonako!» Ahoana no ahasahiana miteny fa Petera no ho vatolampy niorenan’ny Fiangonana?

Tsy isalasalana fa ny Fiangonana dia mifototra amin’i Kristy, ilay Vatolampin’ny Famonjena, ilay vato fehizoro, araka ny ambaran’i Petera, izy mihitsy, ao amin’ny 1 Petera 2:4-8: «Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”» Raha ny amin’ny Fiangonana ara-Baiboly, dia soratan’i Paoly, ao amin’ny Efesiana 2:20 fa Izy dia «natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.»

Araka ny tolotsain’Andriamanitra koa no nanoratany hoe: «Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy (1 Korintiana 3:10-11).

Jesosy-Kristy no Lohan’io Fiangonan’Andriamanitra tena izy io; izay ireo navotana no singany (Efes. 4:15). Ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Izy mihitsy, no nilaza mazava hoe: «… ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy Azy (Matio 16:18). —Tsy fiangonana maro fa «ny Fiangonako». Izany dia ireo ondry vitsy, tena mpino (Lioka 12:32) izay nanomezan’ny Mpiandry tsara ny Ainy; ary ireo Ondriny ireo dia tsy mihaino afa-tsy ny Feony (Jaona toko faha 10).