Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Ireo rain’ny fiangonana kristiana, izay mpanompo andriamani-tsy-izy taloha, dia tsy afaka tamin’ireo finoanoampoana sy fanompoan-tsampy grika. Hita fa sady tsy nahafantatra izy ireo no tsy niraharaha ny Testamenta Taloha. Noho izany dia nadikany araka ny saim-pantany ny Testamenta Vaovao. Satria ireo Jiosy tsy afaka nanaiky ny fampianarany ny “telo-izay-iray“, dia nolatsainy sy nenjehany ho mpamono an’i Kristy sy mpamono Andriamanitra, ary nozoniny tamin’ny raikipohy vao noforononiny, “amin’ny anaran’ny Ray, Zanaka, Fanahy”. Tamin’ny taona 321 sahady, dia efa norarana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana izy ireo tsy hankalaza ny Sabata, kanefa Andriamanitra mihitsy no nanome izany azy: «…Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany, ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.» (Eksodosy 31:12-18). Nisy aza synagogan’izy ireo sasany no navadika ho tranon-dambo. Tamin’izany fotoana izany no nanomboka ny fankahalana ny Jiosy, nafafin’ny fiangonana, izay mbola velona ankehitriny, ary tsy nitsahatra nitombo habibiana, ka indraindray nihoam-pampana, nahatonga hetsi-bahoaka firotahana jiosy, tamin’ny fitondran’i Hitler, 1933-1945, izay ny fandorana velona vahoaka jiosy marobe [Holocauste], nandritra ny “troisième Reich“, no teboka avo indrindra.
“Ho fanajana ny telo-izay-iray masina“, dia famonoana olona hafa finoana an-kabibiana mahatsiravina no natao. Nandritra ireo tafika fito (croisades) (nanomboka ny taona 1095 ka hatramin’ny 1270, taorian’i J.K), dia an-tapitrisany maro ireo olona novonoina tamin’ny anaran’ny “Andriamanitra telo-izay-iray“. Ny 27 Novambra 1095, dia nandidy ny Pàpa Urbain, ny handroahana ireo “tsimpino“ tivelan’i Jerosalema, sy ny nambaboana ireo toerana masina, dia nihiaka ny vahoaka hoe «Deus lo vult!», izany hoe «Izany no sitrapon’ Andriamanitra». Ny Zoma 15 Jolay 1099, dia nanomboka ny famonoam-bahoaka, nataon’ireo mpiantafika, tao Jerosalema. Niisa 80000 ny fitambaran’ireo Jiosy, sy Silamo, ary hafa finoana, novonoin’ireo mpiantafika. Ary izany rehetra izany, ho fanomezam-boninahitra “ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina“!
Ny nokendrena tamin’izany dia ny hanafoanana ny fiandrianan’ireo Silamo tao Jerosalema, sy ny hampijoro ny fahefan’ny fiangonana (eklezia). Ny fialantsininy tamin’izany dia ny fifantohany tamin’ny voalazany hoe “trano-fiangonan’ny fasana“, izay teo afovoan’ny tanàna. Saingy, ny fasana foana an’i Kristy, raha ny marina, dia eny ivelan’ny tanàna. Izany no voalazan’ny evanjelisitra Jaona: «Ary nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.» (Jaona 19:17+41; Mat.27:32). Tamin’izany fotoana izany no tokony efa teraka ny lamina maneran-tany kristiana vaovao iray ho notarihin’i Godefroy de Bouillon, dia ny “Fanjakan’i Jerosalema“.
Ny tabilao manaraka no ahitantsika ny isan’ireo olona nitondra faisana noho ireo mpiantafika.
|
Tafika |
Olona nalefa |
Olona sisa |
|
Tafika voalohany (1096/99) Tafika faha-2 (1147/49) Tafika faha-3 (1189/92) Tafika faha-4 (1202/04) Tafika faha-5 (1228/29) Tafika faha-6 (1248/54) Tafika faha-7 (1270) |
330 000 240 000 350 000 30 000 70 000 25 000 25 000 |
40 000 90 000 280 000 - 60 000 10 000 10 000 |
|
Totaliny |
1 070 000 |
490 000 |
Loharano: Alfred Läpple, Tantaran’ny Fiangonana an-tsary (Histoire de l’Église illustrée)
Tsy mifanaraka ny hevitry ny olona mikasika ny isan’ireo maritiora, matin’ny voalaza fa “Fanadihadiana masina“ (Sainte inquisition), teo anelanelan’ireo taonjato faha 13 sy 18. Ny azo antoka kosa dia an-drivony maro izy ireo. Rehefa nisy Jiosy maro maty nodorana nanerana an’i Eropa manontolo, dia nandositra ny sasany, ary ireo izay tsy nanaiky ny finoana katolika dia tsy maintsy niala tany Espagne, talohan’ny 31 Jolay 1492. Rehefa izany, dia nambara fa tsy nisy Jiosy intsony tany Espagne.
Nandritra ny “Alin’i Bartholomée“, ny 23 alina nifoha 24 Aogositra 1572, no nanomboka ny fandringanana an’ireo Huguenots, tany Frantsa. Tamin’ireo taonjato faha 16 sy 17, nandritra ny “fanoherana ny reformasiona“, izay nanomboka tamin’i Ignace de Loyola (1491-1556) dia an-drivony maro ireo protestanta no voatery nitsoaka niala ny fireneny, tamin’ny fomba henjana, ary maro araka izany ireo namoy ny ainy. Satria, araka ny re hatrany, tsy an-kiato, dia “tsy misy famonjena ivelan’ny fiangonana“. Ny fiangonana iray nihoson-drà betsaka toy izany ve mbola afaka hiambo fa an’i Kristy sy Andriamanitra-fitiavana? Manontany ireo mpitoritenin’ny fifohazana, hoe: mba iza àry ilay tanàna voatondron’ny Apokalypsy 18:24 , hoe: «…Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.»?
Raha atao ny fampitahana amin’ny an-tsipirihany, dia tsy misy mifanaraka, na amin’Andriamanitra, na amin’ny Tenin’Andriamanitra, na amin’ny Fiangonana voalohany, ny ao amin’ny fiangonam-panjakana, izay teraka tao amin’ny Fanjakambe romana, tamin’ny taonjato fahefatra. Ary izany, indrindra rehefa nisaraka ny fiangonana grika tatsinanana sy ny fiangonana latina tandrefana, tamin’ny 1054, izay nipoiran’ireo fiangonana katolika sy ortodoksa tato aoriana. Samy namorona ny fombafombany avy izy roa, tsy niraharaha izay voalazan’ny Baiboly, izay nambaran’i Petera, Jaona, Paoly, izay nampianarin’izy ireo sy nampihariny, amin’ny maha iraka voamarina azy ireo. Ohatra izao, ireo niandohana ireo tsy mba nankalaza olona maty iray ho masina. Ny Tompo mihitsy aza, tsy mba nitondra ny Hafatra nentiny afa-tsy tamin’ireo mbola velona, anisan’izany ireo “fahasambarana“ sivy, (Matio toko faha 5): «Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.» (Matio 13:16)
Voararan’ny Soratra Masina mafy ny fifandraisana amin’ny maty (Lev.19:31). Rehefa nahavita ny adidiny tsy nanam-paharoa i Maria, niteraka an’i Jesosy-Kristy, dia voatonona indray mandeha farany ao amin’ny Asan’ny apostoly, niaraka tamin’ireo 120, izay niandry ny firotsahan’ny Fanahy Masina tao Jerosalema. Ho an’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy, izy dia tsy mpanalàlana, na “mpifona“. Ary, tao amin’ny Kristianisma voalohany, tsy mba nisy fitanisa “Ave Maria“. Ny Soratra Masina tsy mba manambara fiakarana velona any an-danitra, afa-tsy ny an’ny Mpanavotra (Lioka 24:50-52; Asa 1:11), fa tsy misy fampiakarana an’i Maria ao.
Ireo rain’ny fiangonana kristiana, izay mpanompo andriamani-tsy-izy taloha, dia tsy afaka tamin’ireo finoanoampoana sy fanompoan-tsampy grika. Hita fa sady tsy nahafantatra izy ireo no tsy niraharaha ny Testamenta Taloha. Noho izany dia nadikany araka ny saim-pantany ny Testamenta Vaovao. Satria ireo Jiosy tsy afaka nanaiky ny fampianarany ny “telo-izay-iray“, dia nolatsainy sy nenjehany ho mpamono an’i Kristy sy mpamono Andriamanitra, ary nozoniny tamin’ny raikipohy vao noforononiny, “amin’ny anaran’ny Ray, Zanaka, Fanahy”. Tamin’ny taona 321 sahady, dia efa norarana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana izy ireo tsy hankalaza ny Sabata, kanefa Andriamanitra mihitsy no nanome izany azy: «…Dia hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany, ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.» (Eksodosy 31:12-18). Nisy aza synagogan’izy ireo sasany no navadika ho tranon-dambo. Tamin’izany fotoana izany no nanomboka ny fankahalana ny Jiosy, nafafin’ny fiangonana, izay mbola velona ankehitriny, ary tsy nitsahatra nitombo habibiana, ka indraindray nihoam-pampana, nahatonga hetsi-bahoaka firotahana jiosy, tamin’ny fitondran’i Hitler, 1933-1945, izay ny fandorana velona vahoaka jiosy marobe [Holocauste], nandritra ny “troisième Reich“, no teboka avo indrindra.
“Ho fanajana ny telo-izay-iray masina“, dia famonoana olona hafa finoana an-kabibiana mahatsiravina no natao. Nandritra ireo tafika fito (croisades) (nanomboka ny taona 1095 ka hatramin’ny 1270, taorian’i J.K), dia an-tapitrisany maro ireo olona novonoina tamin’ny anaran’ny “Andriamanitra telo-izay-iray“. Ny 27 Novambra 1095, dia nandidy ny Pàpa Urbain, ny handroahana ireo “tsimpino“ tivelan’i Jerosalema, sy ny nambaboana ireo toerana masina, dia nihiaka ny vahoaka hoe «Deus lo vult!», izany hoe «Izany no sitrapon’ Andriamanitra». Ny Zoma 15 Jolay 1099, dia nanomboka ny famonoam-bahoaka, nataon’ireo mpiantafika, tao Jerosalema. Niisa 80000 ny fitambaran’ireo Jiosy, sy Silamo, ary hafa finoana, novonoin’ireo mpiantafika. Ary izany rehetra izany, ho fanomezam-boninahitra “ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina“!
Ny nokendrena tamin’izany dia ny hanafoanana ny fiandrianan’ireo Silamo tao Jerosalema, sy ny hampijoro ny fahefan’ny fiangonana (eklezia). Ny fialantsininy tamin’izany dia ny fifantohany tamin’ny voalazany hoe “trano-fiangonan’ny fasana“, izay teo afovoan’ny tanàna. Saingy, ny fasana foana an’i Kristy, raha ny marina, dia eny ivelan’ny tanàna. Izany no voalazan’ny evanjelisitra Jaona: «Ary nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.» (Jaona 19:17+41; Mat.27:32). Tamin’izany fotoana izany no tokony efa teraka ny lamina maneran-tany kristiana vaovao iray ho notarihin’i Godefroy de Bouillon, dia ny “Fanjakan’i Jerosalema“.
Ny tabilao manaraka no ahitantsika ny isan’ireo olona nitondra faisana noho ireo mpiantafika.
| | | | | --- | --- | --- | | Tafika | Olona nalefa niady | Olona sisa taorian’ny ady | | Tafika voalohany (1096/99) Tafika faha-2 (1147/49) Tafika faha-3 (1189/92) Tafika faha-4 (1202/04) Tafika faha-5 (1228/29) Tafika faha-6 (1248/54) Tafika faha-7 (1270) | 330 000 240 000 350 000 30 000 70 000 25 000 25 000 | 40 000 90 000 280 000 - 60 000 10 000 10 000 | | Totaliny | 1 070 000 | 490 000 |