Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Ny tena finoana marina

« »

«Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy…» (1 Jaona 5:10)

«Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ny teninao ianao, Ary hahery, rehefa tsaraina» (Romana 3:4)

Izao no voalaza mikasika an’i Abrahama: «Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.» (Romana 4:3, Gal.3:6). Abrahama no ohatra tsara indrindra amin’ny finoana marina: Tsy mety hisy ny tena finoana afa-tsy raha afaka miresaka amin’ilay olona manokana Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny Teniny. Tonga ny tsifinoana raha vao ny olona mamela ny fahavalo hisalasala mikasika ny zavatra lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Na ny finoana, na ny tsifinoana, dia samy nanomboka tao Paradisa. Rehefa avy niteny tamin’i Adama Andriamanitra, dia nitaomin’i Satana i Eva niadihevitra mikasika izay nolazain’Andriamanitra. Hatrany hatrany Satana dia mandray izay voalazan’Andriamanitra, ary mamafy fisalasalana izy, manampy, manaisotra, manolana, ary mandika vilana. Ny vokatr’izany, dia ny tsifinoana, izay nitarika tamin’ny tsifankatoavana, ka niafara tamin’ny famitahana sy ny fahotana voalohany. Nanatona ny Mpamonjintsika ihany koa Satana tamin’ny «Voasoratra hoe…» Izany no tena fakampanahy. Tsy mety hisy fakampanahy, fanangolena, ary fahadisoana, raha tsy efa nisalasalana ny Tenin’ Andriamanitra. Saingy, novalian’ny Tompo izy, hoe: «Voasoratra koa hoe…» (Mat.4:1-11; Mark 4:1-13). Mety ho ara-Baiboly ireo lohahevitr’ireo teolojiana, saingy izay lazainy mikasika izany dia mety hifanohitra tanteraka aminy. Raha misy olona maka andalana ao amin’ny Baiboly ka misalasala dia ny fahavalo no te-handrombaka io andalana io mba hanatanterahany ny fakampanahy izay mahatonga ny fahalavoana. Ireo tena zanak’ Andriamanitra dia mandray hatrany ny andininy manaraka, mba ahazava kokoa ny lohahevitra.