Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany

Ny Fanasan’ny Tompo

« »

Ny fankalazana ny Fanasan’ny Tompo ihany koa dia tafidirana fampianarana avy tamin’ny fanompoan-tsampy. Tsy mahagaga izany, satria talohan’ny Reformasiona aza, ary taoriana, dia tsy nitsahatra nisy ny adihevitra nikasika azy io.

Raha te-ahafantatra tsara ny tena dikan’ny Fanasan’ny Tompo, dia tsy maintsy mamaky ireo andalan’ny Soratra Masina milaza izany. Ny Fanasan’ny Tompo dia nantsoin’ireo mpino voalohany fotsiny hoe: “mamaky mofo“. Ao an-trano fonenan’olona izy ireo no mivory manao izany (Asa 2:42-47; Asa 20:7) Nandritra ny fankalazana ny Paska no nametrahan’ny Tompontsika io Fanasana io (Jaona 13, Mat.25, Marka 14). Ao amin’ny Eksodosy 12, tamin’ny nanomezany ny torolàlana mikasika ny Paska voalohany, Jehovah-Andriamanitra no niantso voalohany ny vahoakan’Isiraely ho “fiangonana“ (Eklezia = voantso hivoaka tao). Tsy maintsy nisy aloha zanak’ondry iray novonoina, ary ny rà tsy maintsy natentina ireo tolam-baravarana mba ho fiarovana azy ireo: «Ary ny rà dia ho famantarana [fiarovana amin’ny teny allemand – N.d.t] ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo…» (Eksodosy 12:13). Nandrahoina ny henan’ny zanak’ondry, ary nohanina niaraka tamin’ny mofo tsy misy masirasira. Noraisin’i Paoly apostoly ho fototra izany, raha nanoratra izy, ao amin’ny 1 Korintiana 5:7, hoe: «Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo, fa voavono Kristy, Paska ho antsika.

Ao amin’ny Jaona toko faha 6, dia mahita isika ilay fanoharana izay ampitahan’ny Tompo ny tenany amin’ny mofo: « Izaho no mofon’aina… Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra (Voalohany, mofo Izy, avy eo dia omeny izany); raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao… »..;. «… Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.»; «… raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy»

Ao amin’ny Matio toko faha 26, ireo mpianatra dia nanontany hoe: «Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?» (Matio 26:17). «Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.» (Matio 26:26). Ary indro ny andininy 27: «Ary nandray ny kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity » Tamin’izay ihany Izy vao niteny hoe: «fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.» ( Jereo koa Marka 14:24-25). Ary nihinana ny mofo sy nisotro ny divay izy ireo. Hoy ny Tompo mikasika ny divay tao amin’ny kapoaka, hoe: «Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.» (Matio 26:29)

Nandrotsaka ny Ràny ny Mpanavotra, nanolotra antsika, araka izany, ny famelana ireo fahotantsika sy ny fihavanana indray amin’Andriamanitra. Ny mofo sy ny divay dia sady tsy mety no tsy ilaina hovaina; sady tsy afaka no tsy ilaina hatolotra ho sorona fanindroany Kristy, satria indray mandeha monja no nanaovana izany. Araka ny Drafi-panavotan’ Andriamanitra, Izy dia «…niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.» (Hebreo 9:12). Amena

Ny fisainana fototra dia efa tao amin’ny Levitikosy 17:11: «Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà…» Tao amin’ny Ràn’ilay Mpanavotra ny fiainana mandrakizay an’ Andriamanitra. Ary ny Fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Zanakalahin’Andriamanitra ihany (1 Jaona 5:11-13) no ao amin’ireo rehetra navotan’ny ràn’ny Zanakalahin’ Andriamanitra, ka nateraky ny Teny sy ny Fanahy indray (Jaona 3:3; Jak. 1:18; 1 Pet.1:23). Fomba mety azon’ny rehetra no nanoratan’i Paoly izany, ao amin’ny 1 Korintiana 10:16-17: «Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa.»

Ao amin’ny 1 Korintiana 11:23-34, dia hoy ny apostoly hoe: «Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.» (andininy 26-27). Ny fankalazana ny Fanasan’ny Tompo dia teboka avo indrindra ao amin’ny fotoam-panompoana iray. Mandini-tena eo anatrehan’Andriamanitra ny tsirairay, ary mangataka famelan-keloka. Amin’ny fifantohana tanteraka, sy fivavahana ary fangovitana no ankalazana ny Fanasan’ny Tompo, ho fahatsiarovana ny fanolorany ny Tenany ho sorona, sy ny Ràny masina izay narotsany ho antsika. Ny mofo tsy misy masirasira dia isaorana ny Tompo amim-bavaka, eo anatrehan’ireo mpivory, ary vakiana, dia zaraina. Isaorana ny Tompo am-bavaka ihany koa ny kapoaka feno divay, dia omena ny rehetra. Toy izany ny fampiharan’ireo kristiana voalohany izany, ary toy izany no nampitana azy tamin’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao.