Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Ankehitriny ireo teolojiana rehetra dia mahafantatra fa mpaminany nampanantenaina i Jaona mpanao batisa (Isaia 40:3; Mal.3:1), izay namboatra ny làlan’ny Tompo, teo anoloany, saingy ireo mpanora-dalàna nitsipaka azy, ka nanafoana ny sitrapon’Andriamanitra taminy: «Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa izy.» (Lioka 7:30). Izay nitranga taloha ve mbola miverina indray ankehitriny? ao amin’ny Lioka toko 19, dia nitomany mihitsy ny Mpamonjy ary niteny hoe: «…ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.» (And.44). Ireny olona izay mandà tsy hino ara-Baiboly ireny, ka tsy manaiky atao batisa araka ny Baiboly ireny ve, tsy mitsipaka koa ankehitriny ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny famonjena? —Tsy isalasalana. Tsy ampy ny mitanisa amin’ny fo mahitsy ireo teny nolovana tamin’ny razana, ao amin’ny “Rainay izay any an-danitra“, hoe «…ho tonga anie ny Fanjakanao, hatao anie ny Sitraponao.», raha ianao tsy mikasa akory ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsy voambara afa-tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany.
Tsy miverina amin’ny androntsika izao ve ny nolazain’ny Tompo fahiny, hoe: «Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalanareo ny fanalahidin’ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.» (Lioka 11:52)? Tsy samy manangana ny fanjakany avy ve izy ireo, ny fiangonany manokana avy? Tsy samy manao ny programany avy ve izy ireo? Ahoana ny amin’ireo izay efa tafavoaka ireo reformasiona aza, kanefa mbola mitory ny filazantsarany manokana ihany, anisan’izany ny hetsika pentekotista?
Ilay fiangonana maneran-tany dia mikatsaka amim-pikirizana mafy ny fampiraisana ireo antokom-pivavahana kristiana rehetra, ary amin’ny farany dia ny hanambatra ny fivavahana rehetra ho eo ambanin’ny filoha iray amin’ny maha fahefana maneran-tany azy; ary ny iankinany amin’izany, dia ny Jaona toko faha 17: «…mba ho iray ihany izy rehetra!». Ny Pàpa François dia nifona tamin’ny mpino hafa finoana rehetra izay nohenjehin’ny fiangonana katolika tany aloha rehetra tany, nanomboka tamin’ireo Vaudois ka hatramin’ireo Pentekotista. Eny, tsy izay mampisaraka intsony no jerena, fa izay mampiray, ny fanekem-pinoana amina “Andriamanitra iray misy persona telo“. Am-piomanana ny jobilin’ny faha 500 taona an’ny Reformasiona, ny taona 2017, dia ny fampiraisana ireo fiangonana no tsy maintsy laharam-pahamehana voalohany.
Ahoana ny amin’ny fampiraisana ireo mpino ara-Baiboly rehetra amin’Andriamanitra, amin’ny alàlan’i Jesosy-Kristy Tompontsika, amin’ny maha Lohan’ny Fiangonana Azy?
Iza, amin’ireo mpiandraikitra asa misionera kristiana marobe ireo, anisan’izany ireo mpitoritenin’ny Filazantsaran’ny fahombiazana, malaza maneran-tany, sy ireo mpihaino an-tapitrisa maro, no tena miomana amin’ny Fiverenan’i Kristy izay efa antomotra? Ny fiantsiana mitodika amin’ny tsirairay manokana, ankehitriny dia hoe: Miverina amin’ Andriamanitra! Miverina amin’ny fiandohana! Miverina amin’ny Teny izay nivoaka tao Jerosalema, izay mitoetra mandrakizay! Iza no hiandany amin’Andriamanitra, tsy handray afa-tsy ny Teny ho zotra tokana, ary tsy hanaiky marimaritra iraisana na tokana aza?
Tsy maintsy nihiaka Isaia hoe: «Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah?» (Isaia 53:1) Paoly ihany koa dia nahatsapa fa: «… tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?» (Romana 10:16). Iza no afaka hino toy ny voalazan’ny Soratra Masina? Iza no manaja ny Tenin’Andriamanitra, ka mba manaiky ahitsy? Afaka malalaka ny tsirairay, hanapa-kevitra ho an’ny tenany, na hijanona ho voafatotry ny fanekem-pinoana iray tsy misy fototra ara-Baiboly, na handray ny tena fanekem-pinoan’ireo apostoly sy mpaminany. Tsy mahasoa ny mitetitety fivavahana, mitetitety fiangonana. Ny Tenin’ Andriamanitra, amin’ny maha Voa Azy (Lioka 8:11) no tsy maintsy voaray ao am-po, ary tsy maintsy mitondra fiainam-baovao mandrakizay, amin’ny alàlan’ny fahateraham-baovao (Jaona 3 ;7; 1 Pet.1:23). Zavatra tena hentitra izao, ary isika dia tsy maintsy mandray ny fanapahan-kevitra izay hidirantsika ao amin’ny mandrakizay.
Ireo rehetra mahita sitraka amin’Andriamanitra dia samy mandini-tena, ahitany na mifanaraka amin’izay voalazan’ny Tompo izy: «Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.» (Jaona 4:23-24). Izay tsy tena mivavaka ao amin’ny Fanahin’ny fahamarinana, araka ny Tenin’ny fahamarinana, dia mivava-poana amin’Andriamanitra. «Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy, koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.» (Matio 15:9; Marka 7:6-7)
Mba hamaranana, dia tsy maintsy tsipihana indray mandeha koa fa: ny tena fanekem-pinoana, ny tena fampianarana marina dia ao amin’ny Baiboly, ary isika tsy maintsy mandini-tena eo anoloan’Andriamanitra, ahitantsika na manaiky an’i Jesosy-Kristy ho Lohan’ny Fiangonana isika, ka miverina amin’ny fampianaran’ ireo apostoly, izay nivoaka tao Jerosalema, na isika miziriziry mitoetra ao amin’ny fampianarana nipoitra tao amin’ny fiangonam-panjakana tao amin’ny Fanjakambe romana. Ekentsika amin’ny lafiny rehetra ve ny Tenin’Andriamanitra, ary Izy ihany, sa isika miziriziry ao amin’ny fombam-pivavahana ara-drazana? Mitodika amintsika rehetra ny fampitandremana: «Anio, raha hihaino ny feony ianareo aza manamafy ny fonareo» (Hebreo 4:7). Izay manan-tsofina aoka izy handre izay lazain’ny Fanahin’Andriamanitra amin’ny rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy! Impito izany no voasoratra ao amin’ny Apokalypsy (Toko faha 2 sy 3)