Ny Baiboly – boky be mpamaky indrindra maneran-tany
Izay tena mino marina no manaiky ny Tenin’Andriamanitra voamarina.
Font Face
Line Height
Paragraph Gap
Font Size
Mametraka fanontaniana isika, ary Andriamanitra no mamaly amin’ny alàlan’ny Teniny ihany:. Inona no tian’Andriamanitra lazaina amintsika amin’ny alàlan’ny Testamenta Taloha? Inona no nomen’Andriamanitra antsika amin’ny alàlan’ny Testamenta Vaovao? Inona no tena finoana, ary inona ny finoana nodisoina? Io kristianisma eken’ny maro io, sa ireo fiangonana maro be ireo, ve tena maneho ny Fiangonan’i Jesosy-Kristy?
Ireo rehetra izay mandinika izany, dia mahafantatra fa nisy ireo teny fikasana nomena tao amin’ny Testamenta Taloha, izay tanteraka mandritra ny andron’ny Famonjena, ato amin’ny Testamenta Vaovao. Fantatra ihany koa fa, eo anivon’ny tontolo kristiana, dia adikan’ny olona amin’ny fomba maro samy hafa ny Soratra Masina, ao amin’ny Baiboly, hatramin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny farany.
Eto, dia tsy maintsy porofoina fa Andriamanitra dia tsy aiza, fa ao anatin’ ny Teniny voalohany irery ihany, ary amin’ny alàlan’izany Izy no miteny amintsika, saingy izany dia itsofohan’ny fahavalo, mpanohitra an’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ireo fandikana vilana, izay mamitaka ny olona amin’ny fomba toa ara-pivavahana. Satana no voalohany nanolana ny Teny, nitondra tamin’i Eva ilay tenim-pitaka voatantara ao amin’ny Genesisy 3, hoe: «Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe…?» Namafy ny fisalasalana izy, ka nahatonga ny fahotana voalohany, sy ny fisarahana tamin’Andriamanitra. Hatrany hatrany, dia ametrahany fisalasalana izay voalazan’Andriamanitra, ary omeny ny fandikany manokana. Ombieniombieny dia mitaona araka izay vitany izy, na any amin’ireo sehatra teolojika aza, mamahana ireo fanahy tia karokaroka sy mangetaheta fahalalana be, izay tsy misalasala hihinana amin’ny hazon’ny fahalalana, na hitarika azy amin’ny fahafatesana ara-panahy aza izany.