NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

IREO OLONY DIA MIHAINO NY TENINY

« »

Ankehitriny dia mbola manadala olona maro ny fahavalo amin’ireny fombafomba maro sy antitra nolavana tamin’ny razana ireny. Tsy ampy azy izay nataony tamin’ireo “andron’ny tsifahalalana“, fa mbola tohizany amin’ny fomba mahamenatra izany na efa nisy fanambarana nivantana aza nomena. Kanefa hatrizay ela izay dia tsy nahazoana fanazavana antsipirihany toy izao ankehitriny izao ny zavatra tena nitranga tao saha Edena, izany hoe ny fomba nampidiran’ny fahavalo ny voany tao amin’ny zanak’olombelona, ary ny nahafahany nametraka eo ambany fahefany sy fifehezany ny zavatra rehetra. Izany nataony izany no antony nametrahan’Andriamanitra fandrafiana tamin’ireo taranaka anankiroa (Gen.3:15). Losifera — izay efa tao saha Edena talohan’ny nandatsahana azy (Ezek. 28:13-15) — dia tsy tia ny ampihanjahanjana azy. Tiany hafenina avokoa ny fiokony, ny nandatsahana azy avy tany an-danitra (Is.14), ny fahotana voalohany izay vokatry ny famitahany tao Edena (Gen.3), ary ny halatra fanaony. Mbola te-hitory mikasika ny dian-tongotry ny menarana ny rahalahy Branham, ary hoy izy hoe: “Tany am-piandohana ny Bibidia, ary amin’ny farany dia mbola ny Bibidia ihany“. Saingy mampalahelo fa tsy nanana fotoana amin’izany intsony izy. Na izany aza, dia haintsika tsara ny fisainan’i Satana, araka ny voalazn’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 2 ;11. N’iza n’iza, ka rehefa avy nanambarana ny toetry ny lehilahy sy ny vehivavy, araka ny nametrahan’Andriamanitra izany, nefa mbola miziriziry amin’ny heviny taloha ihany, dia manambara fa tsy mbola niresahan’Andriamanitra izy. Ny mampanahy ahy dia ireo izay mitsangana ho mpanohitra ny Teny, satria manana fanahy hafa ireo, saingy tsy fantany. Miaraka sady mirindra hatrany hatrany ny Teny sy ny Fanahin’Andriamanitra. Ireo izay tsy mety hilefitra amin’ny Teny dia iasan’ny fanahy mpivavaka antikristy. Ary izany koa no manindry ireo vehivavy izay mitady ny làlany manokana, na tsy mitondra azy hanao masera aza, fa mahatonga azy maneho ankarihary ny fanaovany tsinontsinona ny lehilahy izay, hoy izy ireo, “nampahory azy ireo ela loatra“, mba hanamarinany ny fihetsiny tsy ara-Baiboly. Ny lehilahy koa dia tsy mahazo manao izay tsy neken’Andriamanitra ataony. Sambatra ireo rahalahy sy anabavy izay mametraka ny tenany ho eo ambanin’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra rehetra, sady miaina izany.

Enga anie ny rahalahy tsirairay amintsika hanaiky ho eo ambany fifehezan’i Kristy izay Lohany, ary toy izany koa, ny anabavintsika tsirairay hety ho ambany fifehezan’ny vadiny, toy ny amin’ny Tompo, ary ny ankizy hankatò sy hanaja ny ray sy reniny, ireo ray kosa tsy hanorisory ny zanany, sns, mba ho tonga amin’ny fiainana mirindra, sitrak’ Andriamanitra, ny singa rehetra ao amin’ny Fiangonana. Ny rahalahy Branham dia nahita, tao amin’ny fahitana, ny Ampakarina somary nivaona famindra raha nijery ny fiangonana izay notarihin’ny mpamosavivavy iray. Fa hitany tafaverina tamin’ny famindra tsara ihany rehefa avy teo. Ka tamin’ny farany dia nitovy tanteraka tamin’ny Ampakarina voalohany ihany izy. Nisy vehivavy anankiray koa hitany, izay nandeha nilingilingy tamin’ny kiraro avo be sady nanao fitafin’izao tontolo izao, ary niteny tamin’ireo vehivavy hafa hoe: “Aza mihaino io lehilahy io! Ndeha asehoko anareo fa azo atao tsara ny mandeha toy izao amin’io làlana io!“ Kanjo, nibolisatra izy, ka tamin’ny fihikiana mafy be no nianjerany tao amin’ny lavaka-tsy-hita-nonoa.

Izay an’Andriamanitra dia mihaino ny Tenin’Andriamanitra. Manaiky ampamoahan’ny Teny izy, ka ahitsiny, hareniny, ary ampidiriny ao amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Izao voalazan’ny Tompontsika izao no mitoetra: «Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, …» (Jaona 7:16-17). Tsy misy atao ahafantatra fa avy amin’Andriamanitra izany fampianarana izany afa-tsy izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra mba ahafantarany ny Sitrapon’Andriamanitra, ary vonona hampihatra izany. Amin’izay indray koa, ny Teny dia mbola hahatanteraka ny nanirahana Azy ao amin’ny rehetra. Ny “ao amin’ny rehetra“ dia manondro ireo nateraky ny Teny-Voa ho amin’ny fanantenana velona. Ny olona izay tsy avy amin’ny Teny-Voa dia tsy afaka ho ao amin’ny Ampakarina-Teny, ary tsy misy ifandraisany amin’ Andriamanitra, na amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy karazana iray, sy-fianakaviana, ary ao amin’ireo izay naterak’Andriamanitra ihany no isian’izany.