NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

MIVERINA AMIN’NY TENY – MIVERINA AMIN’ANDRIAMANITRA

« »

Tao amin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra dia nifidy vahoaka iray voajanahary, izay nampanantenainy homena tany honenana. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Fanjakany dia tsy eto amin’ity tany ity. Izany no Fanjakan’Andriamanitra; kanefa raha mbola eto amin’ny tany isika, dia mbola fehezin’ireo didin’Andriamanitra mikasika ny fiainana voajanahary ihany koa. Fa izao: tsy afaka mifanontany isika hoe “Ahoana ny hevitrao amin’izany? Ahoana ny fahitanao izany?“. Manomboka ankehitriny ny fitsarana ao amin’ny Tranon’Andriamanitra izay ataon’ny Fitondran’ny Lanitra. Noho izany tokony izao ny fanontaniana apetrantsika hatrany hatrany, hoe: “Ahoana ny fijerin’Andriamanitra izany? Inona no voalazany mikasika izany?“ — Ny atao dia ny mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mampihatra izany ao amin’ny fiainantsika manokana. Izany no fanirian’ny zanak’Andriamanitra mahitsy fo. Tsy maintsy ampiharina amin’ny lafim-pianantsika rehetra izany sitrapon’Andriamany izany, izay tsara, mahafinaritra ary tanteraka. Amin’izay ihany vao mahazo sitraka Aminy isika, ary izany ihany koa no fepetra amin’ny fampakarana antsika. Toy ny tsy maintsy hitondrana ny Fiangonana hifanaraka amin’ny fampianarana amin’ny alàlan’ny asa mirindra tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra no tsy maintsy hahatongavan’ny olom-boafidy rehetra amin'ny lamin’Andriamanitra, na ao amin’ny fanambadiana, na ao amin’ny fianakaviana, na ao am-Piangonana. Tsy azo ekena intsony ny fifampimenomenonana sy ny fifampitarainana, satria antomotra ny Fiverenan’ny Tompo (Jak.5:7-11). Izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina — na amin’ny fitenenana na ny atao — ka miteraka fahasorenana dia tsy maintsy foanana. «Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.» (Jak. 2:8-13)

Maro ireo mpino izay miandry ny hetsika farany hataon’Andriamanitra arahana famantarana sy fahagagana, izay azo antoka fa ho avy tsy ela. Kanefa mialoha izany, ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ampodiana tena hifanaraka amin’ny Teny, ao amin’ny lamina ara-Baiboly. Amin’izay ihany vao afaka hanomboka hiomana amin’ny fiverenan’i Kristy. Mialoha ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tafaverina ao amin’ny Fiangonany ny fatahorana an’Andriamanitra; izy no fiandohan’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahendrena rehetra, izay mampitsahatra ny hadalantsika olombelona. Ny zavatra tokana notadiavin’Andriamanitra ary mbola tadiaviny ankehitriny dia ny handehanantsika ao amin’ny Teniny fa tsy hihoatra Izany. Amin’izay ihany vao mety hisy ny fiaraha-mamindra amin’Andriamanitra. «Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.» (Rom. 13:9-10)

Hentitra tokoa ny rahalahy Branham tao amin’ireo toriteniny, raha nanambara ny ho fivoaran-javatra izay tena ho latsaka ivelan’ny lamin’Andriamanitra, amin’ireo andro farany. Izany no mahatonga izao antso mandòndona izao: Miverena amin’Andriamanitra! Miverena amin’ny Teny! Miverena amin’ny fampianaran’ny Baiboly! Ao amin’ny toriteniny mikasika ny fanambadiana vao natsidintsika izao, dia nilaza izy, rehefa avy nanome ohatra maromaro, fa ny fampianaran-diso no nampikorontana ambony-ambany ny zavatra rehetra, ka na ny lehilahy na ny vehivavy dia nisy efa nanambady indro na intelo.

Dia manindry izao filazany izao àry izy, hoe (Par.234): “ Kanefa tompon’ andraikitra amin’izay tsapako fa napetraka amiko aho. Tsy azoko tazonina izany, saingy tsy haiko ny mampita azy. Ary haiko fa haparitaka ity horonampeo ity. Ry rahalahiko isany ô! Vonona aho. Misokatra ny biraoko… Mbola toy ny tamin’ny taranaky ny menarana ihany, tsy misy valaka. Kanefa dia voaporofo tanteraka ny fahamarinany.“

Nahazo iraka izy hiteny — amin’ireo izay nanao fahadisoana mikasika ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana araka ny Lalàn’Andriamanitra — fa namelana heloka ireo rahalahy sy anabavy ireo, satria tsy nahazo fampianarana ara-Baiboly, ary nanao diso noho ny tsifahalalany.

Saingy tohizany manao hoe (Par.264): “… tezao ao anatin’ny fankaherezan’ Andriamanitra ireo zanakareo. Fa raha mamerina fahadisoana ianareo, Andriamanitra anie hiantra anareo! Ampianaro tsy hanao zavatra toy ireny ny zanakareo. Beazo anatin’ny fankaherezan’Andriamanitra izy ireo.“

Hoy izy hoe (Par.269): “Ho vavolombelon’izany, misy ireto olona maro be izay tonga eto, anisan’ny nahita ny Famantarana teo ambonin’ny tendrombohitra izay nahatongavan’ireo anjelin’ny Tompo tao anaty tadio, ireo Anjely fito, teo amin’ny nanokafana ireo zavamiafina fito. Ary mbola io Anjely io ihany no niseho, teo amin’io tendrombohitra io ihany, tamin’ny andro nanambarana izany.“

Nandritra ny minisiterany manontolo dia intelo ihany ilay rahona mahagaga no hita teo amin’ny lanitra ary azo nojeren’ny olona. Ny voaloan’izany dia tamin’ny Jiona 1933, fony nandraisany ny iraka, ny faharoa dia nialoha ny fanokafana ireo Tombokase, ary ny fahatelo dia nifandraika tamin’ny “Fanambadiana sy fisaraham-panambadiana“. Izany fotsiny dia efa manaporofo amin’ny rehetra mpamantatra ny zavatra ara-panahy ny maha-zava-dehibe loatra eo imason’Andriamanitra ireo tranga mifandraika amin’izany, sy ny fahamatorana tsy maintsy handraisantsika ireny zavatra ambaran’ny Tompo ireny. Mikasika ity lohahevitra ity, dia misy mpino izay tsy te-hahalala na inona na inona. Kanefa ireo ihany no manao ambetin-dresaka izany mandrakariva. Tsy maintsy misy zavatra tsy metimety amin’izy ireo any-ho-any. Ary satria tamin’ny fomba manokana no niresahan’Andriamanitra mikasika io lohahevitra io dia maniry Izy, raha ny rehetra hihaino izay tena teneniny. Tsy fampianarana vaovao no nampitain-drahalahy Brahnam, namerina sy nanazava tanteraka fotsiny izay efa nolazain’Andriamanitra sady voasoratra ao amin’ny Teny izy. Dia afaka lazaina koa izao hoe: «Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana». Ary hihaino sy hamerina izay afafin’ny mpaminany sandoka maneran’izao-tontolo-izao ireo izay tsy te-hihaino ny Tenin’ny Fahamarinana voalazan’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny mpaminaniny voamarina.

Mangataka amin’ny rehetra aho mba handinika ny Soratra Masina, hamaky sy hamerina hamaky amin’ny hitsimpo sy saina tony ny toritenin-drahalahy Branham izay tsy maintsy namelabelarany izay nambara taminy. Raha namarana ny toriteniny mikasika ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana izy dia afaka niteny tamim-pahatokisana tanteraka, hoe (Par.274): “Ny marina no nambarako taminareo, ny IZAO LAZAINNY TOMPO hatra amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.“

Mangataka amin’ny rehetra aho mba handinika ny Soratra Masina, hamaky sy hamerina hamaky amin’ny hitsimpo sy saina tony ny toritenin-drahalahy Branham izay tsy maintsy namelabelarany izay nambara taminy. Raha namarana ny toriteniny mikasika ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana izy dia afaka niteny tamim-pahatokisana tanteraka, hoe (Par.274): “Ny marina no nambarako taminareo, ny IZAO LAZAIN’NY TOMPO hatra amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.“