NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Tsy mba anisan’ireo manao ny rahalahy Branham ho tabihany sy reharehany aho — ary tsy manao izany koa aho amin’i Petera sy Paoly, saingy izaho manaiky sy manaja an-kitsimpo ireo fanapahan-kevitr’Andriamanitra izay tokana mendrika omena ny voninahitra rehetra amin’ny alàlan’i Jesosy-Kristy Tompontsika. Nataon’Andriamanitra mendrika ny hamantatra ny andro sy ny oran’ny Fitsidian’ny Fahasoavany aho amin’izao taranatsika izao, sady hanaiky am-pankasitrahana ny Hafatra sy ny mpitondra hafatra, araka ny voalaza ao amin’ny Jaona 13:20, hoe: «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.». An-tapitrisa maro ireo olona amin’ny taranatsika izao no afaka mijoro vavombelona fa ny asa fanompoana nataon-drahalahy Branham, mahagaga sy tsy manan-tsahala, dia iraka nivantana tamin’Andriamanitra. Tsy misy, amin’ireo evanjelista lehibe hafa rehetra maneran’izao tontolo izao ankehitriny, no afaka manambara ny andro sy ny oran’ny niantsoan’Andriamanitra azy; ny azy ireny dia minisitera tsotra fotsiny no azo ilazana azy, fa tsy iraka izay manan-toerana ao amin’ny Drafi-Panavotan’Andriamanitra. Fa William Branham no niantombohan’ny hetsik’ireo fifohazam-panahin’ny Filazantsara Feno izay nantsoin’ny olona hoe “Hetsiky ny Pentekosta“. Na tsy nivantana aza izany dia io minisiterany voatahy manokana io koa no nahaterahan’ny hetsik’ireo “Lehilahy mpandraharaha kristiana“ notarihin’i Demos Shakarian, izay nifoha nandritra ny fivoriana iray nataon-drahalahy Branham. Toy izany koa no niandohan’ny hetsika karismatika tamin’ny alàlan’i David Du Plessis, izay nalefan-drahalahy Branham nitety an’ny Etazonia taorian’ireo fivoriana nalaza tany Afrika atsimo, ka nahazoany ny anarambosotra “Andriamatoa Pentekosta“. Efa nifanerasera tamin’izy roalahy ireo aho, nanomboka tamin’ny 1958 ho an’i David Du Plessis, ary nanomboka tamin’ny 1962 ho an’i Demos Shakarian, ary nanao fandikana toriteny ho an’izy ireo aza aho. Ireo evanjelista rehetra ao amin’ny hetsika fanasitranana ihany koa dia ny fanatrehana ny fivoriana nataon-drahalahy Branham no nahazoan’izy ireo izany finoana izany. Ary nitohy mandrak’amin’ny androntsika izao ny onjan’io fifohazam-panahy io. Nifanerasera tamin-drahalahy Branham aho ary nahita ny minisitera mahagaga nomena azy, izay nitovy tsy nisy valaka tamin’ny asan’i Jesosy-Kristy sy ireo apostoly, ka afaka nanaraka izany aho nandritra ny folo taona, hatramin’ny 1955 ka hatramin’ny 1965. Nandray anjara tamin’ireo fihaonana nomanin’ny “Voice of Healing“ an’i Rev.Gordon Lindsay, tao Dallas, tany Texas aho, tamin’ny Jiona 1958; ka nanomboka teo, dia nandefasana ireo toritenin-drahalahy Branham rehetra nataony tany Etazonia aho. Maherin’ny 300 tamin’ireo no voadikako tamin’ny fiteny Allemand. Ary afaka miteny aho fa mihoatra ny rehetra eto ambonin’ny tany, dia afaka nanaraka ny dingana rehetry ny minisiterany aho, ka nandray ireo fisainany sy ny fampianarany. Toy ny tamin’ny andron’ny Tompontsika, dia tsy azon’izy ireo no sady notoherin’ireo mpanora-dalàn’izao andro izao koa ny minisiteram-paminaniany. Tsy nahazatra azy ny fahagagana satria tsy niainany manokana, kanefa dia ara-Baiboly tokoa izany, ary nohamarinin’Andriamanitra. Misy kasety dika voalohany iray azoko avela hohenoin’izay te-handinika marina, izay andrenesana an-drahalahy Branham miasa ho an’ny marary amin’ny alàlan’ny fahitana, ny famantarana ny zavamiafin’ny fo ary ny fanomezam-pahasoavana manasitrana.
Na ny toriteniny mikasika ny “fanambadiana sy fisaraham-panambadiana“, na ilay mikasika ny fahalavoana tao amin’ny fahotana, dia nahazoan-drahalahy Brahnam fanakianana hatraiza hatraiza. Ny amin’izany aho dia miteny fotsiny toy ny nolazain’i Petera mikasika ireo famelabelarana lalina nataon’i Paoly, hoe: «… fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.» (2 Pet. 3:16). Toy izany hatrany no nisy, ary mbola toy izany ankehitriny: misy olona izay tsy nanambarana ireny famelabelarana ireny ka manolana azy ary mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany ihany. Ny faharesen-dahatra lalina ananako dia raha tsy mahitsy fo sy marina ny olona iray, tsy hahafantatra tsara ny zavatra rehetra izy. Ny Tompo anie hanokatra ny rehetra amin’ny fahafantarana ny Soratra Masina mikasika ity lohahevitra ity, ary ny tsirairay hamantatra ny mikasika ny tenany manokana ka handamina ny fiainany araka izany, satria voasoratra hoe: «…Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany…» (1Kor.11:28). Amin’izay ny zavatra voambara dia hahatanteraka ny tanjony. Toy ny voalazan’i Paoly hoe: «amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany…» (2 Kor. 6:8), izaho dia manatanteraka izay nandidian’ny Tompo ahy hatramin’ny nolazany izany tamiko tamin’ny Feony mahery-tsitoha, hoe: “… Halefako any amin’ny tanàna hafa maro ianao hitory ny Teniko.“ Zary fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika ny Teny voambara. Ankehitriny ny Fiangonana-Ampakarina dia miaina ao anatin’ny Teny rehetra izay nomanin’Andriamanitra ho hanina ara-panahy ho antsika amin’izao fotoana izao. Izay noraisin-drahalahy tamin’ny Tompo ka nambara taminy, dia ampahany amin’ny minisiterako ny mametraka izany amin’ny toerany ao amin’ny Teny sy mampita azy. Imbetsaka nisy amin’ireo mpitoriteny malaza ireo no niteny tamiko fa manimba ny minisiterako ny filazako an-drahalahy William Brahnam, indrindra ny mikasika ny fanohanany ny “taranaky ny menarana“. Kanefa izaho tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin’ny niantsoan’ny lanitra ahy, na inona na inona no hitranga. Finoana mafy ananako no ahafahako miteny toa an’i Paoly hoe: «Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.» (Gal. 1:10 b). Izany dia satria, tahaka an’i Paoly, tsy nandray tamin'olona io Filazantsara io aho, ary tsy mba nampianarina, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy no nahazoako azy (Gal. 1:12).
Tsy misy azoko atao raha sarahan’Andriamanitra tanteraka ireo fanahy noho ity famelabelarana ity. Hatrany hatrany Izy dia nanasaraka ny hazavana amin’ireo haizina. Vonona hivesatra ny fandatsana an’i Kristy aho, sy ny ahy manokana, ary koa ny an-drahalahy Branham. Hanome ny Fahasoavany amin’ireo rehetra izay notompoiko tamin’ny Anarany anie Andriamanitra, amin’ny Fiverenan’ny Tompo malalantsika, ary tsy ho diso fanantenana voatery hijanona etỳ izy ireo, fa kosa hahazo anjara amin’ny fifaliana lehiben’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fampakarana. Izany no aoka ho valisoako, fa tsy maniry ankoatra izany aho. Miteny amin’ny tsirairay manokana amin’ny alàlan’ny Teniny Andriamanitra. Ny zavatra voalaza ato amin’ity famelabelarana ity dia tsy natao hampiasaina hanakianana olona; hamakian’ny lahy amin’ny vavy na ny vavy amin’ny lahy izay mahakasika azy, fa aoka ny tsirairay hamaky ny mikasika azy ihany, ao anaty vavaka, mba hahasoa ny tenany, ary hamela ny Tompo hiresaka aminy izy amin’ny alàlan’ity famelabelarana ity. Amin’izay dia ho voavonjy ny rehetra. Mivavaka aho mba hanome ny Fahasoavany ho amin’izany Andriamanitra.