NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

NY FANAMBADIANA

« »

Fanambadiana mirindra tsara no nokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Raha tiantsika hisy firindrana ao amin’ny fianan-tokantrano, alohan’ny fanambadiana, dia tsy maintsy mitoetra tsara ireo fepetra ara-Baiboly. Amin’ireo tovolahy tsy mbola manambady no anoratan’i Paoly ireo toro-làlana izay omeny “avy amin’Andriamanitra“: «Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra, mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'ny raharaha; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.» (1 Tes.4:3-8). Rehefa avy nanome teny mazava tsara ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, ary ny fanambadiana-indray, dia izao no vakintsika: «Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady. Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny Fanjakan'ny lanitra….» (Matio 19:10-12). Raha tsy misy mahakasika ny tovolahy iray ireo fepetra telo ireo, dia tsy maintsy mandray andraikitra ny amin’ny fiainany izy, ka maka anabavy iray ao amin’i Kristy izay mitovy saina aminy. Raha tsy mahita atao vady ireo rahalahy tanora ireo, na ela na aingana, dia tsy maintsy teren’ny zavamisy hanana filàna ara-nofo. Fantatr’Andriamanitra tsara ny antony namoronany ny fanambadiana. Noho izany no isian’ny soratra hoe: «Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.» (1 Kor.7:9). Ny rahalahy Branham mihitsy, tao anatin’ny toriteniny, no nilaza tamin’ireo rahalahy tanora tojo izany fanapahan-kevitra izany, hoe: “Raha tsy efa tsapanao fa tsy afaka miaina ianao raha tsy misy azy, hany ka satrinao ho anatinao izy, amin’izany ihany no ahafantaranao fa izy no mety ho anao.“ Mampatsiahy ahy ireo toko valo an’ny Tonon-kiran’i Solomona, izay milaza ny amin’ny Mpampakatra sy Ampakarina izany. Amin’ireto teny ireto no anehoany ny faniriana lalina te-ho tafaray: «Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah. Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.» (Tononkira.8:6-7)

Ny tovovavy koa dia tokony hahay hiandry mandra-pihavian’ilay lehilahy marina mety hizarany ny fiainany manontolo — mazava hoazy anefa fa tsy hiandry mandra-pahalasa ny fahatanorany izy (1 Kor.7:36). Tsy tokony ho voasarika hanandrankandrana izy, fa kosa hitandrina ny maha-virijina azy ho ao amin’ny fanambadiana, zavatra izay hisaoran’ny vadiny azy mandrapahafaty. Mety ho efa lany andro izany amin’ny sasany, saingy fiainana iray manontolo feno hasambarana no ho valisoan’izany. Hatr’izao andro iainantsika izao, ny nahazatra dia ny itoeran’ny ankizivavy ao amin’ny ray-aman-dreniny mandra-panambadiany, hanorenany tokantranony. Kanefa ny firehana ankehiriny dia ny mandao faingana indrindra ny tranon-dray-aman-dreny mba tsy hiankinana aminy, ahafahana mizaka-tena, manapa-kevitra samirery ny amin’ny fiainany, ary hanana fahaleovantena, izay tsy voatery hifarana amin’ny fanambadiana. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: ny tovovavy toy izany ve any aoriana, rehefa manambady, ho mety hofehezin’ny vadiny araka ny voalazan’ny Baiboly, ka hanana fiainan-tokantrano mirindra? Tsy tokony hahamaika loatra ny hanambady, satria fanapahan-kevitra iankinan’ny fiainana manontolo izany. Tokony hiresaka mazava tsara mialoha izy roa, mba hisian’ny firaisan-tsaina marina ny amin’ireo zavatra mikasika ny finoana. Tsy maintsy toy ny voalazan’ny Tompo-Andriamanitra izany, hoe: «… dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.» (Gen.2:18). Raha izany no mipetraka vao azo antoka fa Andriamanitra no nanambatra ireo olona roa mba hiaraka hiaina mandra-pahafatiny.

Mbola misy zavatra hafa ho tenenina Andriamanitra amin’ny lehilahy: «Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy Azy.» (Efes.5:25). «Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy …» (1 Pet.3:7a). Matetika ny lehilahy mirona amin’ny tsy-rariny, ka izany no hanentanana azy ireo, araka ny marina, hanaja ny vadiny, fa tsy hanao azy ireny ho toy ny famafan-tongotra, na mpiasa an-trano. Ireo vehivavy kosa tokony haneho toetra malefaka sy milamina izay mahataona ny vadiny aminy (1 Pet.3:1). Na eto ambony tany aza, ny vehivavy iray dia afaka mamorona, ao an-tokantranony, manodidina iray miendrika any an-danitra, izay hahasambatra ny vady aman-janany. Fa raha tsy mitandrina izy, ka ho tanteraka aminy ny voalazan’ny Baiboly mikasika ny vehivavy iray izay tia ady, dia izy ihany no hahatonga helo ny tokantranony ary hahasimba ny fanambadiany sy ny ankohonany.

Manazava tsara ny apostoly hoe: «Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy(1 Kor. 7:4). Toy izany no nandaminan’Andriamanitra ny “fitoviana“ ao an-tokantrano, amin’ny fomba mirindra, firaisana am-po izay tanteraka ao amin’ny vatana, toy ny voalazany, Izy mihitsy, hoe «… dia ho nofo iray ihany izy roroa.» (Mat.19:5). Amin’io lalàna fototra mikasika ny fanambadiana io, dia mbola manampy i Paoly hoe: «Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.» (1 Kor.7:5). Loza ho an’ny lehilahy na vehivavy efa manambady izay, tampotampoka eo, tsy manaiky ny vadiny! Ireo tsy manam-bady dia manam-pahefana amin'ny vatany, fa ireo efa manam-bady tsy manam-pahefana amin'ny vatany; izany no ambaran’ny teny vao novakintsika. Tsy misy fomba hanorenana fanambadiana sady ao amin’ny fitiavana arak’Andriamanitra no ao amin’ny fitiavana araka ny fomban-tany, afa-tsy raha tena ampiharin’ny roa tonta ireo teny ireo.

Raha ny iray, na ny lahy na ny vavy, misitanka kanefa tsy nifampieran’izy roa ary mandritra ny fotoana voafetra, dia fandikana miharihary ny Teny izany, ary fandavana ny vadiny. Raha misy mihevitra, na maro aza ny antony tanisainy, fa afaka tsy hiaraka amin’ny vadiny izy, dia miangavy azy izahay eto handinika ny Soratra Masina. Tsy misy olona hitombo fahamasinana na ho sitrana aretina rehefa miala ny vadiny, lavitr’izany, manohitra ny fitsipika napetraky ny Soratra Masina ho an’ny mpivady izy. Tsy mba misy maloto, na azo kianina, ao amin’ny fiainan’ny mpivady. Tsy afaka manao izay tiany atao ny tsirairay amin’ny mpivady. Tsy maintsy ifanarahana no anaovana ny zavatra rehetra. Ny fahasoavana ao amin’ny fiainan’ny mpivady dia midika ihany koa tsifihoarana ireo fetra voafaritry ny Teny.

Tao amin’ny saha Edena dia efa niteny sahady tamin’ny vehivavy Jehovah-Tompo hoe: «…ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.» (Gen. 3:16). Ho an’ny lehilahy dia tsy ilàna fitenenana manokana, noho izy efa nampitaovina hay-ho-azy ny amin’ny fahazoan-taranaka. Izany no ilazana fa natao ho an’ny lehilahy ny vehivavy. Nomena azy ny fiombonana ao amin’ny fanambadiana mba ho valisoa noho ny harerahany isan’andro. Izao no voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 9:9, mikasika izany: «Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao aty ambanin'ny masoandro.» (Mpit.9:9)

Ankoatra izany, ny apostoly dia manoratra izao, ho an’ireo izay maka andraikitra manokana hanambady, hoe: «… Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; …» (1 Kor.7:28b). Izany no izy, kanefa tsy lehibe noho Ilay manampy antsika ireo fahoriana ireo! «Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy(1 Kor.7:34). Ny olona iray izay miditra amin’ny fanambadiana dia mahalala tsara fa ireo làlana narahin’ny roa tonta taloha dia hitambatra ho làlana tokana izay hiarahana mamindra. Ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana dia tsy maintsy voaomana ho an’olon-droa: ny efitrano fandraisam-bahiny, ny efitra fatoriana… Tsy mahazo miolonolona ao amin’ny fanambadiana, tsy misy fiainana manokana ho an’ny tsirairay.

Anatra tsara indrindra no omen’i Petera apostoly ho an’ireo vehivavy izay manana vady mbola tsy niova-fo: «Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.» (1 Pet.3:1-2). Araka izany, tsy amin’ny alàlan’ny fifandirana, na fanakianana, na fibedesana no andresen-dahatra, fa tena amin’ny alàlan’ny fitondrantena andavanandro, araka ny voalazan’ny Soratra Masina eto.

Fanambadiana mirindra tsara no nokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Raha tiantsika hisy firindrana ao amin’ny fianan-tokantrano, alohan’ny fanambadiana, dia tsy maintsy mitoetra tsara ireo fepetra ara-Baiboly. Amin’ireo tovolahy tsy mbola manambady no anoratan’i Paoly ireo toro-làlana izay omeny “avy amin’Andriamanitra“: «Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra, mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'ny raharaha; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.» (1 Tes.4:3-8). Rehefa avy nanome teny mazava tsara ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, ary ny fanambadiana-indray, dia izao no vakintsika: «Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady. Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny Fanjakan'ny lanitra….» (Matio 19:10-12). Raha tsy misy mahakasika ny tovolahy iray ireo fepetra telo ireo, dia tsy maintsy mandray andraikitra ny amin’ny fiainany izy, ka maka anabavy iray ao amin’i Kristy izay mitovy saina aminy. Raha tsy mahita atao vady ireo rahalahy tanora ireo, na ela na aingana, dia tsy maintsy teren’ny zavamisy hanana filàna ara-nofo. Fantatr’Andriamanitra tsara ny antony namoronany ny fanambadiana. Noho izany no isian’ny soratra hoe: «Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.» (1 Kor.7:9). Ny rahalahy Branham mihitsy, tao anatin’ny toriteniny, no nilaza tamin’ireo rahalahy tanora tojo izany fanapahan-kevitra izany, hoe: “Raha tsy efa tsapanao fa tsy afaka miaina ianao raha tsy misy azy, hany ka satrinao ho anatinao izy, amin’izany ihany no ahafantaranao fa izy no mety ho anao.“ Mampatsiahy ahy ireo toko valo an’ny Tonon-kiran’i Solomona, izay milaza ny amin’ny Mpampakatra sy Ampakarina izany. Amin’ireto teny ireto no anehoany ny faniriana lalina te-ho tafaray: «Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon'i Jehovah. Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon'ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.» (Tononkira.8:6-7)

Ny tovovavy koa dia tokony hahay hiandry mandra-pihavian’ilay lehilahy marina mety hizarany ny fiainany manontolo — mazava hoazy anefa fa tsy hiandry mandra-pahalasa ny fahatanorany izy (1 Kor.7:36). Tsy tokony ho voasarika hanandrankandrana izy, fa kosa hitandrina ny maha-virijina azy ho ao amin’ny fanambadiana, zavatra izay hisaoran’ny vadiny azy mandrapahafaty. Mety ho efa lany andro izany amin’ny sasany, saingy fiainana iray manontolo feno hasambarana no ho valisoan’izany. Hatr’izao andro iainantsika izao, ny nahazatra dia ny itoeran’ny ankizivavy ao amin’ny ray-aman-dreniny mandra-panambadiany, hanorenany tokantranony. Kanefa ny firehana ankehiriny dia ny mandao faingana indrindra ny tranon-dray-aman-dreny mba tsy hiankinana aminy, ahafahana mizaka-tena, manapa-kevitra samirery ny amin’ny fiainany, ary hanana fahaleovantena, izay tsy voatery hifarana amin’ny fanambadiana. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: ny tovovavy toy izany ve any aoriana, rehefa manambady, ho mety hofehezin’ny vadiny araka ny voalazan’ny Baiboly, ka hanana fiainan-tokantrano mirindra? Tsy tokony hahamaika loatra ny hanambady, satria fanapahan-kevitra iankinan’ny fiainana manontolo izany. Tokony hiresaka mazava tsara mialoha izy roa, mba hisian’ny firaisan-tsaina marina ny amin’ireo zavatra mikasika ny finoana. Tsy maintsy toy ny voalazan’ny Tompo-Andriamanitra izany, hoe: «… dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.» (Gen.2:18). Raha izany no mipetraka vao azo antoka fa Andriamanitra no nanambatra ireo olona roa mba hiaraka hiaina mandra-pahafatiny.

Mbola misy zavatra hafa ho tenenina Andriamanitra amin’ny lehilahy: «Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy Azy.» (Efes.5:25). «Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy …» (1 Pet.3:7a). Matetika ny lehilahy mirona amin’ny tsy-rariny, ka izany no hanentanana azy ireo, araka ny marina, hanaja ny vadiny, fa tsy hanao azy ireny ho toy ny famafan-tongotra, na mpiasa an-trano. Ireo vehivavy kosa tokony haneho toetra malefaka sy milamina izay mahataona ny vadiny aminy (1 Pet.3:1). Na eto ambony tany aza, ny vehivavy iray dia afaka mamorona, ao an-tokantranony, manodidina iray miendrika any an-danitra, izay hahasambatra ny vady aman-janany. Fa raha tsy mitandrina izy, ka ho tanteraka aminy ny voalazan’ny Baiboly mikasika ny vehivavy iray izay tia ady, dia izy ihany no hahatonga helo ny tokantranony ary hahasimba ny fanambadiany sy ny ankohonany.

Manazava tsara ny apostoly hoe: «Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy (1 Kor. 7:4). Toy izany no nandaminan’Andriamanitra ny “fitoviana“ ao an-tokantrano, amin’ny fomba mirindra, firaisana am-po izay tanteraka ao amin’ny vatana, toy ny voalazany, Izy mihitsy, hoe «… dia ho nofo iray ihany izy roroa.» (Mat.19:5). Amin’io lalàna fototra mikasika ny fanambadiana io, dia mbola manampy i Paoly hoe: «Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.» (1 Kor.7:5). Loza ho an’ny lehilahy na vehivavy efa manambady izay, tampotampoka eo, tsy manaiky ny vadiny! Ireo tsy manam-bady dia manam-pahefana amin'ny vatany, fa ireo efa manam-bady tsy manam-pahefana amin'ny vatany; izany no ambaran’ny teny vao novakintsika. Tsy misy fomba hanorenana fanambadiana sady ao amin’ny fitiavana arak’Andriamanitra no ao amin’ny fitiavana araka ny fomban-tany, afa-tsy raha tena ampiharin’ny roa tonta ireo teny ireo.

Raha ny iray, na ny lahy na ny vavy, misitanka kanefa tsy nifampieran’izy roa ary mandritra ny fotoana voafetra, dia fandikana miharihary ny Teny izany, ary fandavana ny vadiny. Raha misy mihevitra, na maro aza ny antony tanisainy, fa afaka tsy hiaraka amin’ny vadiny izy, dia miangavy azy izahay eto handinika ny Soratra Masina. Tsy misy olona hitombo fahamasinana na ho sitrana aretina rehefa miala ny vadiny, lavitr’izany, manohitra ny fitsipika napetraky ny Soratra Masina ho an’ny mpivady izy. Tsy mba misy maloto, na azo kianina, ao amin’ny fiainan’ny mpivady. Tsy afaka manao izay tiany atao ny tsirairay amin’ny mpivady. Tsy maintsy ifanarahana no anaovana ny zavatra rehetra. Ny fahasoavana ao amin’ny fiainan’ny mpivady dia midika ihany koa tsifihoarana ireo fetra voafaritry ny Teny.

Tao amin’ny saha Edena dia efa niteny sahady tamin’ny vehivavy Jehovah-Tompo hoe: «…ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.» (Gen. 3:16). Ho an’ny lehilahy dia tsy ilàna fitenenana manokana, noho izy efa nampitaovina hay-ho-azy ny amin’ny fahazoan-taranaka. Izany no ilazana fa natao ho an’ny lehilahy ny vehivavy. Nomena azy ny fiombonana ao amin’ny fanambadiana mba ho valisoa noho ny harerahany isan’andro. Izao no voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 9:9, mikasika izany: «Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao aty ambanin'ny masoandro.» (Mpit.9:9)

Ankoatra izany, ny apostoly dia manoratra izao, ho an’ireo izay maka andraikitra manokana hanambady, hoe: «… Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; …» (1 Kor.7:28b). Izany no izy, kanefa tsy lehibe noho Ilay manampy antsika ireo fahoriana ireo! «Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy (1 Kor.7:34). Ny olona iray izay miditra amin’ny fanambadiana dia mahalala tsara fa ireo làlana narahin’ny roa tonta taloha dia hitambatra ho làlana tokana izay hiarahana mamindra. Ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana dia tsy maintsy voaomana ho an’olon-droa: ny efitrano fandraisam-bahiny, ny efitra fatoriana… Tsy mahazo miolonolona ao amin’ny fanambadiana, tsy misy fiainana manokana ho an’ny tsirairay.