NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Ao amin’ny fiandohana, izany-hoe ao amin’ny bokin’ny Genesisy (izay midika “loharano“, “fiandohana“) no nojeren-drahalahy Branham voalohany, ao izay ahitana ny fihavian’ny ratsy rehetra, ao izay ahitana ny fahalavoana tao amin’ny fahotana, ary mifamatotra amin’izany, ny tsifankatoavana voalohany ny Teny, ny fanangolena voalohany, ny fijangajangana voalohany, sy ny sisa. Velabelariny ny naha-tao amin’i Adama an’i Eva tamin’ny famoronana ny vatana ara-panahy (Gen.1), ary ahoana, ao amin’ny toko faha-2, teto ambonin’ny tany, ny fomba namoahana an’i Eva avy tamin’i Adama, sy ny nanolorana izany azy. Araka izany, dia aseho amintsika hatramin’ny fiandohany ny “tantaran’ny fanavotana“ ao anatin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Efa tao amin’ny Mpamonjy ny Ampakarin’i Kristy, raha mbola tao anaty vatana ara-panahy Izy, fa tsy nivoaka avy tao Aminy Izy raha tsy efa niseho tamin’ny vatana-nofo Izy ka nanatanteraka ny fanavotana teo amin’ny hazofijaliana tao Golgota.
Avy eo dia nambaran-drahalahy Branham tao amin’ny toriteniny fa tamin’ny fiandohana, tsy nisy noforonina afa-tsy “lahadroa“ tokana isaky ny karazana, izany hoe lahy iray sy vavy iray. Ary navoitrany fa tsy mba nirona tamin’ny fahotana ny famoronana voalohany, ka tsy nety ho fitahina (par.131). Izany no antony nandrambasan’ny fahavalo ny vehivavy, izay tsy tao amin’ny famoronana voalohany amin’ny maha singan’olona mahaleotena azy teo an-kilan’ i Adama, fa kosa notsoahina avy taminy tato aoriana. Ity baiko manaraka ity no nomen’Andriamanitra an’i Adama, raha mbola tao aminy i Eva: «Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.» (Gen. 2:16-17). Adama no nitenenan’Andriamanitra, fa ny fahavalo kosa, izy, nifidy an’i Eva niresahany, ary nampikorontaniny tamin’ireo hevi-petsiny ny amin’izay “notenenin’Andriamanitra“. Ankehitriny, mbola ireny teny ireny ihany no ampiasain’ny fahavalo eny am-bavan’ny olona maro: “Ho nihevitra izany ve Andriamanitra?“, sy ny hoe: “Tena niteny tokoa ve Andriamanitra fa…?“, dia manomboka eo ny fanasimbana ny Tenin’Andriamanitra. Hazo iray manokana izay tsy azo ohanina ny voany no tao an-tsain’Andriamanitra; ny “hazon’ny fahalalana“, ny fahavalo kosa, izy, niteny “ny hazo rehetra“. Ny marina dia nijanona tao amin’ny lohahevitra noresahina izy, fa tsy nijanona tao amin’ny fahamarinana.
Tao amin’ny asa famoronona voalohany, izy roa, lahy sy vavy, dia tao anaty endrika tokana. «Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik' Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.» (Gen. 1:26-29). Na efa vita tanteraka ny famoronana ary hita fa tsara, ary nitsahatra tamin’ny Asany rehetra Andriamanitra ny andro fahafito, rehefa avy nitso-drano sy nanamasina io andro fahafito io (Gen.2:1-3), dia izao no voalaza ao amin’ny andininy 2:5b: “… ary tsy nisy olona hiasa ny tany…“. Efa noforonina ny vatana-nofon’i Adama, vao nampatoriana izy, ary notsoahina taminy i Eva. Tao anatin’io vatana-nofo io ny olona vao afaka niasa ny tany, ary tao amin’io vatana io koa no nahalavo azy; ary izany no antony tsy maintsy nidinan’i Jehovah tao anatin’io vatana-nofo io mba hanafaka antsika amin’ny ota, ka hanavotra antsika. Tsy maintsy natao nitovy tanteraka amin’ny lafiny rehetra amin’ireo kendrena havotana ny Mpamonjy (Heb.2:17), mba ho afaka hitovy Aminy izy ireo (1 Jaona 3:2) rehefa mby amin’ny fahatanterahana. Latsaka eo ambanin’ny fahefan’ilay ratsy ny zanak’ olombelona noho ny fanangolen’i Satana nihavian’ny fiterahana voalohany izay nahatonga ny taranaky ny olombelona ateraka ara-nofo. Kaina dia zanak’ilay “ratsy“ (1 Jaona 3:12). Ao amin’ny “Rainay izay any an-Danitra“ isika dia mivavaka hoe “… afahonao izahay amin’ny ratsy“ (Mat.6:13b). Tsy maintsy tonga tao anaty vatan’olombelona ny Tompon’ny Lanitra, nateraky ny Fanahy, mba hanafaka antsika amin’ny fahalavoana ao amin’ny fahotana, ary hanavotra antsika amin’ny herin’ilay “ratsy“.
Raha vao nanaiky nihaino an’i Satana i Eva, dia efa teo ambany fahefany. Ary nitaominy teo ambanin’io izay nisy azy io koa Adama, ka notarihiny niaraka lavon’ny ota taminy, rehefa nitsipaka ny didy iray izay nazava tsara anefa. Koa, raha misy vehivavy mitaona ny vadiny handà ny Tenin’Andriamanitra, dia latsaka ambany fifehezan’ilay “ratsy“ tahaka an’i Eva izany vehivavy izany. Mazava hoazy fa, toy ny fahiny, ny adihevitra amin’izany dia mikasika ny amin’ny “izay nolazain’Andriamanitra“. Amin’ny tranga toy izany, tsy tsapan’ireo vehivavy akory fa naolan’ny fahavalo tao an-tsainy sy teo am-bavany ny Tenin’Andriamanitra. Ampiasain’i Satana hatrany ny Tenin’Andriamanitra mba hamitahana — toy izany no nanatonany ny Tompontsika niaraka tamin’ireo “voasoratra hoe“ — satria tsy misy afa-tsy toy izany no ahafahany mandavo ny zanak’Andriamanitra. Ny lainga, raha dinihina, dia tsy inona fa fahamarinana akorontana ambony-ambany, izany hoe aolana. Tsy maintsy manaraka ny ohatra nomen’ny Tompontsika àry isika, ka miatrika azy amin’ny “fa voasoratra koa hoe“. Mandray andalana sasany ao amin’ny Baiboly Satana, raisiny mitokana izany, miala ny manodidina azy, mba hamitahana ny mpino; fa isika kosa, raisintsika ny Teny manontolo hanoherantsika io mpanangoly io.