NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

FISARAHANA — ENY SA TSIA?

« »

Efa nodinihin’i Paoly apostoly koa — (1 Kor.7:12-16) — ny tranga raha ny iray tsy mpino amin'ny mpivady no misaraka: «Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.» (1 Kor.7:15). Izany tranga izany dia tsy “mahafatotra“ mandra-maty, na ny rahalahy, na ny anabavy sendra izany. Mety misy fandraisana fanapahan-kevitra diso ao amin’ny fiainana, na eo amin’ny mpino aza, ary mety hitranga izany ao amin’ny fanambadiana. Koa, amin’ireo izay tojo izany, moa ve tokony atao toy ny boka izy ireo, izay efa miharitra fahoriana noho izany? Efa ampy azy ireo ny enta-mavesatra izay tsy maintsy entiny mandra-pahafatiny. Kanefa, raha ilay tsy mpino no misaraka, dia afaka ilay mpino, na lahy, na vavy. Tsy voasoratra ao amin’ny Baiboly hoe “… mandra-pahafaty anareo“. Fa izao indrindra no voasoratra: «…Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona(Matio 19:6). Tena misy fanambadiana izay miharihary fa tsy nampiraisin’Andriamanitra. Izany no antony anaovana tsindrimpeo amin’ny “izay nampiraisin'Andriamanitra“, satria izay ataon’ Andriamanitra dia vita tsara mandrakizay! Ilay Andriamanitra namela ny hanomezana taratasy fisaoram-bady noho ny antony marim-pototra — «Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.» (Deo.24:1) — io Andriamanitra io ihany no milaza hoe: «Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro…» (Mal. 2:16)

Ny fisaraham-panambadiana tsy misy antony marim-pototra dia heverin’ny Soratra masina ho herisetra ataon’ilay misaraka amin’ny vadiny. Ao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra, ny Tompontsika dia nampahatsiahy io tenin’ny Deotoronomia 24:1 io: «Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.». Kanefa, tohizany hoe: «Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.» (Mat. 5:31-32). Miaro ny vehivavy voasaotra tsy amin’antony ara-Baiboly Andriamanitra, ary hampamoahany amin’izany ilay nisaotra azy. Raha manambady indray io vehivavy io, dia manameloka azy ny olona noho ny fampianaran-diso azon’izy ireo. Kanefa tsy an’azy ny fahadisoana amin’io tranga io, fa tena an’ilay vadiny voalohany izay nahatonga azy, tsy nampoiziny, nanambady fanindroany. Manao ny marina Andriamanitra, ary ampamoahany mandrakariva ilay diso, dia ilay vady taloha amin’ity tranga ity. Marina Andriamanitra ao amin’ireo Teniny, ary masina Izy amin’ny rehetra ataony. Ny fisarahana tsy marim-pototra, fisaraham-panambadiana, dia herisetra manohitra ny fanavotana sy ny famelan-keloka, satria ny Hazofijaliana sy ny fihavanana mihitsy no tsipahina amin’izany. Tafaverina indray ny fandrafiana izay notononin’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena, taorian’ilay fisarahana mahery vaika, izay nasintaky ny Hazofijalian’i Golgota, ary izany dia mitarika fiampangana hafa vaovao. Ny zavatra efa mitoetra mandrakizay ho antsika rehetra izay navotana dia ny fahadisoantsika sy helotsika dia efa napetraka eo amin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Afaka isika, ary mihavana amin’Andriamanitra. Fa ny tsifihavanana sy ny fiampangana kosa dia manambara ny toetry ny olombelona taorian’ny fahalavoana. Ao amin’ireo navotana sy ireo vita fihavanana amin’Andriamanitra dia tsy misy, na kely aza, fandrafiana, izay matetika na ny fahafatesana aza tsy maharava azy. Tena ho fifanoheran-javatra raha hisy izany. Ny olona iray izay tsy mety hamela heloka ny hafa, mitsipaka ny fampihavanana, dia tsy mila mangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra, satria Andriamanitra rahateo tsy hamela heloka azy koa.

«Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]» (Marka 11:25-26)

Ao amin’ny Jaona toko faha-8, nitondra vehivavy iray tratra nijangajanga teo anoloan’i Jesosy ireo fariseo sy mpanora-dalàna. Araka ny lalàn’i Mosesy, hoy izy ireo, dia tsy maintsy «…hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Ianao?» Niondrika Jesosy ary nanoratra teo amin’ny fasika tamin’ny rantsan-tànany, raha mbola nanohy nametraka io fanontaniana io ireo filoham-pivavahana ireo. Farany nitraka Izy, ary niteny taminy hoe: « Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.» Dia niondrika indray Izy, nanohy nanoratra tamin’ny fasika. Rehefa nitraka indray Izy, dia efa lasa avokoa ny rehetra, (afa-tsy ilay vehivavy); «… dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony.» (Jaona 8:10-11). Raha ny mpinon’izao androntsika izao mba nanana ny famendrehana nananan’ireo fariseo sy mpanora-dalàna jamba ireo, dia ho afaka nahita izay natokana ho azy ary nosoratan’ny Tompo ho azy ireo ao amin’ny Baiboly. Ho menatra izy ireo, ka tsy hiampangapanga intsony ny hafa. Tsy misy marina eo anatrehan’ny Tompo Jesosy; efa nanota ny rehetra, efa nandika ireo didy, efa samy nanota ny rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.

Mandrakariva ireny olona tsy nibebaka ireny no fatra-pitaky amin’ny hafa ny fibebahana sy ny fietren-tena; tsy fantany fa ny Fanahin’Andriamanitra irery ihany no mitarika ny olona amin’ny fibebahana, ary anatin’izany izy. Ny olona toy ireny dia tsy mahafantatra akory ilay “Rainay-izay-any-an-danitra“, ary tsy mihevitra velively ny hampihatra ny vavaka hoe: “…mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay“ (Mat.6:12). Izao no tsy maintsy jerena amin’ny tranga tsirairay: ilay iray mitsipaka ny fanavotana dia mirafy amin’ny vadiny, manala-baraka azy, ary manendrikendrika azy fatratra. Andriamanitra dia Andriamanitry ny fiadanana, ary manome fiadanana Izy mandrakariva. Ny fahavalo kosa, izy, dia mampahory ireo fo tsisy fiadanana, ary manome fangidiana. Dia lasa fasana misokatra ny vavan’izy ireo, ary poizin’ny menarana no eo ambanin’ny molony (Rom.3:10-18 sy ny hafa). Famantarana ireo olona izay voarambin’ny fahavalo ireo. Mandrakariva, ny olona toy ireny izay tsy manaiky fampihavanana, dia manana fanambarana diso ka tsy hay andaharana, satria ilay mpiampanga mihitsy no miteny amin’ny alàlany. Ambanin’ny tsindrimandry diso izy, voafitaka, ka tsy afaka manampy ny tenany, ary tsy mihevitra hiantso vonjy amin’ny Tompo akory, satria mihevi-tena ho manana ny marina izy, dia mikiribiby amin’ny fahamarinany manokana.

Ny fitiavan’Andriamanitra no fototry ny famelan-keloka sy ny fampihavanana. Ny tsy fampiam-pitiavana sy ny tsifihavanana kosa no iorenan’ny fifandirana sy ny fiavonavonana. Mipetraka hatrany ny fanontaniana, hoe: inona no tanjona miafina an-damosin’ireo teny sy fihetsiky ny olona mitondra ampahibemaso ny olana? Ho fanoherana ny Tenin'Andriamanitra ve izany? — Raha izany, dia mazava fa efa natombok'i Satana ny asa fandravany.

Voakasik'izany indrindra ny Fiangonan’i Korinto, ary tonga taminy ny “Izao no lazain’ny Tompo“: «Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy, nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy; ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy(1 Kor. 7:10-11). Baiko ho an’izy roa mpivady izany; tsy sosokevitra, fa tena “Izao no lazain’ny Tompo“. Raha ny vavy no nitsipaka izany baiko izany, ka nisaraka, dia tsy maintsy mijanona irery izy, na miverina amin’ny vadiny. Fa raha ny lahy kosa no nanao izany, dia hampamoahana azy izany. Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny lehilahy iray izay nisaraka tamin’ny vadiny mba hanambady vehivavy hafa, kanefa tsy misy antony ara-Baiboly.

Navoitran-drahalahy Branham koa fa tsy mitovy ny fipetraky ny lahy sy ny vavy raha ny fisarahana no jerena.

Hoy izy (Par. 189): “Mariho fa ao amin’ny 1 Korintiana 7:11, dia mibaiko i Paoly mba hitoetra irery ny vehivavy izay nisaraka tamin’ny vadiny, na miverina amin’ny vadiny, fa tsy mahazo manambady fanindroany. Tsy maintsy mijanona irery izy na miverina any amin’ny vadiny. Tsy mahazo manambady indray izy, tsy maintsy mijanona irery izy, na miverina amin’ny vadiny. Mariho anefa fa tsy mba voalaza izany ho an’ny lehilahy. Hitanareo? Tsy afaka mampandainga ny Teny ianareo. Taorian’ny fiandohana, ny lalàn’ny firaisana ara-nofo dia ny fampirafesana.“

Raha niresaka ny fampirafesana ny rahalahy Branham, tsy tao an-tsainy fa ny lehilahy dia tokony hanana harem [vehivavy maro]. Tsia velively! Ny tiany haseho fotsiny dia, raha misy ny fisarahana, mbola afaka manambady indray ny lehilahy, indrindra raha avy tamin’ny vavy no nahatonga ny fisarahana. N’aiza n’aiza ao amin’ny Baiboly, dia tsy hita mihatra amin’ny lehilahy ny teny “nisaorana“, satria na oviana na oviana Andriamanitra tsy namela ny vehivavy hanome taratasy fisaoram-bady ny lahy. Ary tamin’ny Sitrapony-mandefitra no namelany ny lehilahy hanao izany, noho ny hamafin’ny fon’ny olombelona, fa ny vehivavy kosa tsy mba navelany hanao izany.

Izao no voalazany (Par.198-199): “…Kanefa tsy maintsy ho fehezina ny resaka mikasika io fanambadiana sy fisaraham-panabadiana io, mba ahaizanareo izay marina sy izay diso… Ny lehilahy afaka misaotra ny vadiny ka mampakatra hafa, fa ny vehivavy tsy afaka misaotra ny vadiny ary manambady hafa. Hitanareo fa ireo aloka sy tandindona rehetra dia mitombina tsara avokoa?“

Tsy maintsy milefitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika, fa tsy vitan’ny miresaka izany fotsiny. Misy ny sitrapon’Andriamanitra mandefitra, fa misy ihany koa ny tena sitrapon’Andriamanitra izay tsara, mahafinaritra, ary tanteraka (Rom.12). Raha miala amin’ny vehivavy iray ny fitiavany ny vadiny, ka mandà azy amin’ny maha-vadiny azy izy, sady mandresy lahatra azy amin’ny hoe ‘tsy fisarahana izany fa fisintahana fotsiny’, dia voafitaka izany vehivavy izany ary efa tsy mahazo honon-draha intsony. Ny didim-pitsaran’ny fisaraham-panambadiana dia tsy hafa fa filazana fotsiny ny maha ara-dalàna ny fisarahana izay efa vita taloha. Koa, raha ny vehivavy iray izay tsy manana zo handà ny vadiny, no manao izany, mandrava ny fanambadiana, ary mandao ny tokantrano, dia lasa faran’ny meloka indrindra izy eo imason’Andriamanitra. Ny fanaovany izany mantsy dia maneho fa manome fahefana ny tenany izy, ary ampihariny amin’ny vadiny izany. Mety hiteny izy hoe: “Nasehoko azy tamin’izany ny zavatra!“. Fa Andriamanitra kosa mampiseho azy zavatra hafa. Mitovy tsisy valaka amin’izany raha ny iray amin’ny mpivady mandroaka ny iray hiala ny tokantrano, sady manevateva azy imason’ny ankizy. Tsy maintsy mihevitra hifanara-tsaina sy hiray feo koa ny mpivady mikasika ny fitaizana ireo zanany; raha-tsy izany, dia hisy fiandaniana ao amin’ny ankohonana. Tsy azo ampidirina anatin’ny fifandiran’ny mpivady ny ankizy. Satria ny ankizy ihany amin’ny farany no ho lasa sorona sy hijaly raha misy fisarahan’ny mpivady. Tokony ho fantatry ny rehetra fa tsy mahavaha olana ny fisaraham-panambadiana; ny mifanohitra amin’izany aza, raha vao mipetraka fotsiny ny fangatahana fisarahana dia manomboka tonga ao amin’ny ankohonana manontolo ny fahasahiranana. Tsy mba ho voafitaky ny devoly ireo “olom-boafidy“, ka tsy mba hanao ho marina ny fihetsika toy izany, ary tsy mba hirona velively amin’izany, izay fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra sy ny Teniny. Fa izy ireo, na manao ahoana, dia tsy hanao afa-tsy ny sitrapon’Andriamanitra tanteraka, ka miaina ny fampandrosoana sy ny fahatanterahan’ny asan’Andriamanitra ao aminy. Ho an’ireo “voantso“ kosa ny sitrapon’Andriamanitra mandefitra dia mety ho hitany ampy. Ary ho an’ilay manohitra ny Tenin’Andriamanitra, izy dia sady tsy voantso no tsy voafidy, koa indroa voafitaka izy. Niaiky ny rahalahy Branham fa amin’ity raharaha tena sarotra ity, dia nilaina ny nisian’ny fanambarana, ary tonga izany taorian’ny fanokafana ireo Tombokase fito.

Hoy izy (Par.192): “Fa rehefa voasokatra ankehitriny ireo Tombokase, ny Fanahin’ny Fahamarinana dia mamerina antsika ao amin’ny Teny. Izany no manazava ny nisian’ireo fahadisoana rehetra nandritra ireo vanim-potoana lasa rehetra; satria mbola tsy nosokafana ireo Tombokase. Tsy nisy zavatra voambara. Marina izany.“

Na zovy mihambo ho efa nahalala sy nahazo tsara ny zavatra rehetra hatrizay dia tsy mbola nahafantatra tsara izy, ary lavitra azy ny nahazo ny zavatra rehetra. Anivon’ireo mpinon’ny “Hafatry ny andro farany“ ihany koa dia mbola misy ny masirasira izay “toa masina“, ary mbola ahitana toy izany koa ny fampiharana ireo fomba nolovan’ny fiangonana.

Efa nodinihin’i Paoly apostoly koa — (1 Kor.7:12-16) — ny tranga raha ny iray tsy mpino amin'ny mpivady no misaraka: «Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.» (1 Kor.7:15). Izany tranga izany dia tsy “mahafatotra“ mandra-maty, na ny rahalahy, na ny anabavy sendra izany. Mety misy fandraisana fanapahan-kevitra diso ao amin’ny fiainana, na eo amin’ny mpino aza, ary mety hitranga izany ao amin’ny fanambadiana. Koa, amin’ireo izay tojo izany, moa ve tokony atao toy ny boka izy ireo, izay efa miharitra fahoriana noho izany? Efa ampy azy ireo ny enta-mavesatra izay tsy maintsy entiny mandra-pahafatiny. Kanefa, raha ilay tsy mpino no misaraka, dia afaka ilay mpino, na lahy, na vavy. Tsy voasoratra ao amin’ny Baiboly hoe “… mandra-pahafaty anareo“. Fa izao indrindra no voasoratra: «…Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona (Matio 19:6). Tena misy fanambadiana izay miharihary fa tsy nampiraisin’Andriamanitra. Izany no antony anaovana tsindrimpeo amin’ny “izay nampiraisin'Andriamanitra“, satria izay ataon’ Andriamanitra dia vita tsara mandrakizay! Ilay Andriamanitra namela ny hanomezana taratasy fisaoram-bady noho ny antony marim-pototra — «Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.» (Deo.24:1) — io Andriamanitra io ihany no milaza hoe: «Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro…» (Mal. 2:16)

Ny fisaraham-panambadiana tsy misy antony marim-pototra dia heverin’ny Soratra masina ho herisetra ataon’ilay misaraka amin’ny vadiny. Ao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra, ny Tompontsika dia nampahatsiahy io tenin’ny Deotoronomia 24:1 io: «Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.». Kanefa, tohizany hoe: «Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.» (Mat. 5:31-32). Miaro ny vehivavy voasaotra tsy amin’antony ara-Baiboly Andriamanitra, ary hampamoahany amin’izany ilay nisaotra azy. Raha manambady indray io vehivavy io, dia manameloka azy ny olona noho ny fampianaran-diso azon’izy ireo. Kanefa tsy an’azy ny fahadisoana amin’io tranga io, fa tena an’ilay vadiny voalohany izay nahatonga azy, tsy nampoiziny, nanambady fanindroany. Manao ny marina Andriamanitra, ary ampamoahany mandrakariva ilay diso, dia ilay vady taloha amin’ity tranga ity. Marina Andriamanitra ao amin’ireo Teniny, ary masina Izy amin’ny rehetra ataony. Ny fisarahana tsy marim-pototra, fisaraham-panambadiana, dia herisetra manohitra ny fanavotana sy ny famelan-keloka, satria ny Hazofijaliana sy ny fihavanana mihitsy no tsipahina amin’izany. Tafaverina indray ny fandrafiana izay notononin’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena, taorian’ilay fisarahana mahery vaika, izay nasintaky ny Hazofijalian’i Golgota, ary izany dia mitarika fiampangana hafa vaovao. Ny zavatra efa mitoetra mandrakizay ho antsika rehetra izay navotana dia ny fahadisoantsika sy helotsika dia efa napetraka eo amin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Afaka isika, ary mihavana amin’Andriamanitra. Fa ny tsifihavanana sy ny fiampangana kosa dia manambara ny toetry ny olombelona taorian’ny fahalavoana. Ao amin’ireo navotana sy ireo vita fihavanana amin’Andriamanitra dia tsy misy, na kely aza, fandrafiana, izay matetika na ny fahafatesana aza tsy maharava azy. Tena ho fifanoheran-javatra raha hisy izany. Ny olona iray izay tsy mety hamela heloka ny hafa, mitsipaka ny fampihavanana, dia tsy mila mangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra, satria Andriamanitra rahateo tsy hamela heloka azy koa.

«Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]» (Marka 11:25-26)

Ao amin’ny Jaona toko faha-8, nitondra vehivavy iray tratra nijangajanga teo anoloan’i Jesosy ireo fariseo sy mpanora-dalàna. Araka ny lalàn’i Mosesy, hoy izy ireo, dia tsy maintsy «…hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Ianao?» Niondrika Jesosy ary nanoratra teo amin’ny fasika tamin’ny rantsan-tànany, raha mbola nanohy nametraka io fanontaniana io ireo filoham-pivavahana ireo. Farany nitraka Izy, ary niteny taminy hoe: « Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.» Dia niondrika indray Izy, nanohy nanoratra tamin’ny fasika. Rehefa nitraka indray Izy, dia efa lasa avokoa ny rehetra, (afa-tsy ilay vehivavy); «… dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony.» (Jaona 8:10-11). Raha ny mpinon’izao androntsika izao mba nanana ny famendrehana nananan’ireo fariseo sy mpanora-dalàna jamba ireo, dia ho afaka nahita izay natokana ho azy ary nosoratan’ny Tompo ho azy ireo ao amin’ny Baiboly. Ho menatra izy ireo, ka tsy hiampangapanga intsony ny hafa. Tsy misy marina eo anatrehan’ny Tompo Jesosy; efa nanota ny rehetra, efa nandika ireo didy, efa samy nanota ny rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.

Mandrakariva ireny olona tsy nibebaka ireny no fatra-pitaky amin’ny hafa ny fibebahana sy ny fietren-tena; tsy fantany fa ny Fanahin’Andriamanitra irery ihany no mitarika ny olona amin’ny fibebahana, ary anatin’izany izy. Ny olona toy ireny dia tsy mahafantatra akory ilay “Rainay-izay-any-an-danitra“, ary tsy mihevitra velively ny hampihatra ny vavaka hoe: “…mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay“ (Mat.6:12). Izao no tsy maintsy jerena amin’ny tranga tsirairay: ilay iray mitsipaka ny fanavotana dia mirafy amin’ny vadiny, manala-baraka azy, ary manendrikendrika azy fatratra. Andriamanitra dia Andriamanitry ny fiadanana, ary manome fiadanana Izy mandrakariva. Ny fahavalo kosa, izy, dia mampahory ireo fo tsisy fiadanana, ary manome fangidiana. Dia lasa fasana misokatra ny vavan’izy ireo, ary poizin’ny menarana no eo ambanin’ny molony (Rom.3:10-18 sy ny hafa). Famantarana ireo olona izay voarambin’ny fahavalo ireo. Mandrakariva, ny olona toy ireny izay tsy manaiky fampihavanana, dia manana fanambarana diso ka tsy hay andaharana, satria ilay mpiampanga mihitsy no miteny amin’ny alàlany. Ambanin’ny tsindrimandry diso izy, voafitaka, ka tsy afaka manampy ny tenany, ary tsy mihevitra hiantso vonjy amin’ny Tompo akory, satria mihevi-tena ho manana ny marina izy, dia mikiribiby amin’ny fahamarinany manokana.

Ny fitiavan’Andriamanitra no fototry ny famelan-keloka sy ny fampihavanana. Ny tsy fampiam-pitiavana sy ny tsifihavanana kosa no iorenan’ny fifandirana sy ny fiavonavonana. Mipetraka hatrany ny fanontaniana, hoe: inona no tanjona miafina an-damosin’ireo teny sy fihetsiky ny olona mitondra ampahibemaso ny olana? Ho fanoherana ny Tenin'Andriamanitra ve izany? — Raha izany, dia mazava fa efa natombok'i Satana ny asa fandravany.

Voakasik'izany indrindra ny Fiangonan’i Korinto, ary tonga taminy ny “Izao no lazain’ny Tompo“: «Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy, nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy; ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy (1 Kor. 7:10-11). Baiko ho an’izy roa mpivady izany; tsy sosokevitra, fa tena “Izao no lazain’ny Tompo“. Raha ny vavy no nitsipaka izany baiko izany, ka nisaraka, dia tsy maintsy mijanona irery izy, na miverina amin’ny vadiny. Fa raha ny lahy kosa no nanao izany, dia hampamoahana azy izany. Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny lehilahy iray izay nisaraka tamin’ny vadiny mba hanambady vehivavy hafa, kanefa tsy misy antony ara-Baiboly.