NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Nanoratra teo ambany tsindrimandrin’ny Fanahy ny apostoly hoe: «Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.» (Efes. 5:24). Tsy misy fanavahana toy ny amin’ny Fiangonana koa ny amin’ny vehivavy. Fa ny misy angamba dia fialan-tsiny, kanefa ny manao izany dia sady mamita-tena no mety mamitaka ny hafa koa. Tsy mihonjona amin’ireo Didiny sy Fanapahan-keviny Andriamanitra. Mbola nampian-drahalahy Branham ho antsika koa ny fampitahana iray izay nalainy lavitra tany amin’ny fahagolan-tany, ka mampisongadina ny fankatoavana andidiana ny vehivavy.
Hoy izy (Par. 210): “Tsaroanareo ao amin’ny Baiboly fa nampakatra an’i Estera ny mpanjaka satria nandà azy ny mpanjakavavy. Dia nampakatra hafa fotsiny izy. Inona no nitranga rehefa tsy nankatò Ramatoa, fa nandà ny hiseho niaraka tamin’ny mpanjaka? Dia toy izany ihany amin’ny vehivavy iray izay mandà ny ho vadin’ny vadiny.“
Teny mafy izany, iza no afaka hihaino izany? — Tsy maintsy mandamina ny Fiangonana-Ampakarina Andriamanitra, ary izany dia mialoha ny fampakarana. Tsy ahoany izay alehan’ireo hafa, ireo rahateo na manao ahoana tsy hihaino Azy. Lavitr’izany kosa, ireo izay Azy dia milahatra amin’ireo Teniny rehetra, ary miaina araka izay lazain’ireo. Manontany isika hoe: inona no ifandraisantsika amin’ny tantaran’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persia sy Vasty vadiny? — Miharihary fa tsy ny rahalahy Branham samirery no ho nanovo izany, fa ny Tompo no nitaona azy tamin’io ohatra io. Ary mbola mitoetra fa ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny Fanahin’Andriamanitra ho fananarana antsika.
Nanomana sakafo nanasana olona ny mpanjaka, ary ny mpanjakavavy koa an-kilany nanomana sakafo nanasany vehivavy tao an-dapan’ny mpanjaka (Est.1). Naniraka lehilahy fito ny mpanjaka niantso ny mpanjakavavy, saingy nandà ny fiantsoana izy. Nefa raha nanao izany izy dia ny fiainany manokana no nampitandominy loza (and.10-12). Teo no ho eo dia navory ny komitin’ny mpanjaka — raha ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia ho ireo loholona — mba hanapaka izay hatao amin’io vehivavy tsy mankatò ny vadiny io ka manala-baraka azy ampahibemaso, ny vadiny izay lehilahy voalohany ara-pitondrana ao amin’ny fanjakambe. Ireto andininy manaraka ireto no manazava ny anton’izany: «fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.» (Estera 1:17)
Ny fiafaran’ny tantara izay nampatsiahivina an-drahalahy Branham, dia nesorina mandrakizay tamin’ny mpanjakavavy ny haja amim-boninahitra nananany. Ninia nanohitra ny lahatr’Andriamanitra izy, ka tsy azo nekena izany, ary tsy nahazo nanatona ny mpanjaka intsony izy hatreo. Misy tsifankatoavana, iniana ataon’ny vehivavy amin’ny vadiny izay tsy mety leferina. Fetra napetrak’Andriamanitra no ihoarana an-kitsirano. Raha najanona teo ny raharaha, dia ho nataon’ireo vehivavy rehetra ho tsinontsinona tahaka an’io ihany avokoa ny vadin’izy ireo. Izany no voasoratra. Vasty, izay olona nalaza, dia tokony ho modelin’ny vehivavy rehetra, amin’ny maha-vehivavy voalohany azy. Koa ny toerany dia omena «ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.». Izany no tantaraina amintsika.
Ny tsifankatoavana iniana atao dia tsy misy hafa amin’ny fahotan’ny fankatovana amin’ny lafiny rehetra. Tsy zavatra tsotra tahaka ny heverin’ny maro izany, araka ny Tenin’Andriamanitra izay mitoetra mandrakizay. «Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra, na lehibe na kely. Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka, ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra,…» (Est.1:20-22). Taorian’izany dia nitadiavana virjiny tsara tarehy tamin’ny tovovavy rehetra ho an’ny mpanjaka, ka niantefa tamin’i Estera ny safidy. Eny ê, ao amin’ny Baibolintsika no misy izany. Ny vehivavy rehetra tsy an-kanavaka dia tokony haneho amin’ny “lohan’ny ankohonana“ ny fanajana sahaza azy, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely indrindra. Izany no naely tamin’ny fitenim-pirenena rehetra nisy tamin’izany andro izany. «… hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra …». Izany ihany no tsy maintsy torina amin’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny fiteny rehetra. Teny feno fanajana ny vadiny no nampiasain’i Saraha nikasika azy. «… Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa Itompokolahy?» (Gen. 18:12). Mbola izany ihany no nomen’ny Fanahy Masina tamin’ny alàlan’i Petera: «Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa …» (1 Pet. 3:5-6)
Tsy nataon’Andriamanitra ambanin-javatra ny manohitra ny fanahin’izao andro izao, izay miharihary indray toy ny tamin’ny andron’i Vasti, ka hatramin’ny tontolo kristiana aza no tafidirany. Tamin’ny 1933 sahady, dia efa nampahafantarin’Andriamanitra ny lehilahin’Andriamanitra izany, toy ny efa fantatry ny rehetra mpanaraka ity Hafatra ity. Tsy maintsy mandray ny toerana nomen’Andriamanitra azy na ny lehilahy, na ny vehivavy; koa nasongadina ny fifandraisan’izy ireo noho izany antony izany. Tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny lamina izay naorin’Andriamanitra mafy tamin’ny voalohany, saingy noravan’i Satana. Paoly manoratra izao: «Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.» (1 Tim. 2:11-12)
Ankehitriny dia mahalana hita izany vehivavy mianatra “am-pahanginana“ izany — izany no asiana tsindrimpeo! Heno ny fitenenana tsy amim-pahamalinana hoe: “Ao am-piangonana isika no tsy maintsy mangina, fa any an-trano kosa isika, aoka tsy hanaiky ho tapenam-bava!“ sy ny “Ela loatra izahay no noporetina, ankehitriny mandresy izahay!“, na koa hoe: “Efa azonay ny zonay ankehitriny!“ Anatin’izany indrindra ireo anabavy izay mihevi-tena ho “ara-panahy“, kanefa mamita-tena noho ny fananany fiainana roa sosona.
Atsidiky ny apostoly ny andraikitra fampianarana takina amin’ireo antitra: «… mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny Tenin'Andriamanitra.» (Tit. 2:4-5). Toy izany no famantarana ny vehivavy voatahy: raha mampianatra ireo rahavaviny izay miomana hanambady izy, mizara aminy ny traikefa niainany, mba ho voatahy koa ireo ao amin’ny ankohonany avy. Fa ahoana kosa ny amin’ireo izay manao mifanohitra amin’izay lazain’ny Soratra Masina, ka raha tokony hampianatra hankatò izy, dia mitaona mivantana amin’ny tsifankatoavana? — Araka ny tenin’ny apostoly, tsy misy afa-tsy ny anabavy ao amin’i Kristy, izay nitondra ara-Baiboly ireo vady aman-janany, ihany no afaka hampianatra ireo anabavy tanora ho voatahy ao amin’ny fanambadiany sy ny ankohonany. Fa raha tsy izany, dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no ho vokany, toy ny efa hitantsika mitranga, taona maro izao, amin’izao andro farany izao. Tokony ho ny lahy no lohan’ny vavy, tsy mpanao didy jadona ao an-tokantrano anefa, izay tsy mahafehy na ny tenany aza, fa te-hampiasa herin-tsandry hifehezany ny ankohonany. Tsy mety hitoetra ny lamina araka an’Andriamanitra raha tsy ny tsirairay no mipetraka amin’ny toerana voafaritry ny Tenin’Andriamanitra ho azy, ary manana ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Amin’izay ihany vao foana ireo fifaneriterena, satria ny tsirairay dia sady manana no mandray anjara amin’ny fahazoana fiadanana.