NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY
Hoy ny mpaminany (Par.222-223): “Hiverina ao amin’ny lohahevitra ny fanambadiana sy fisaraham-panambadiana isika. Hitanareo, tsy maintsy voambara izany. Raha mbola tsy voambara izany, dia tsy fantatrareo. Fa nampanantena Izy fa amin’izao andro farany izao, amin’ity Taom-Piangonana ity, ny zavamiafina rehetra ao amin’ny Baiboly dia ho voambara. Firy no mahalala izany?… Nampanantena Jesosy fa ireo zavamiafina rehetra, ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, sy ireo zavamiafina hafa rehetra izay nafenina hatrizay dia ho voambara avokoa amin’ireo andro farany. Tsaroanareo io Feo izay nilaza tamiko io, hoe: “Mandehana any Tucson“. Tsaroanareo io Hazavana mahagaga teny amin’ny lanitra sy ireo Anjely fito nijoro tao anatiny, sy ny fiverenako tatỳ, ary ny fanokafana ireo Tombo-kase fito…“
Amin’ny fanajana nandraisantsika sy nanekentsika ny fampianarana mikasika ny amin'Andriamanitra, ny batisa, ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, sns…, no tokony hanekentsika tsy amim-pihambahambana ny Tenin’Andriamanitra rehetra mikasika ireny zavatra ireny ho fampianarana antsika. Raha ny amin’izany, ny halalin’ny lovan’ny finoana ara-Baiboly dia mitaky koa ny andaminana tsara sy andinihana ny rehetra voalazan’ny Soratra Masina. Io lohahevitra izay mikasika ny tsirairay manokana io, kanefa manan-danja loatra, dia tsy azo ampiharina na hadika amin’izay itiavantsika azy. Tsy misy mahazo mandinika ny trangany manokana ka manapa-kevitra ny amin’izany, fa tsy maintsy ireo rahalahy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra, izay nohamarinina ny maha-mpampianatra sy mpiandry ondry azy, no milaza izay marina araka ny Soratra Masina. Tsy maintsy araka ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra irery no hitsarana, ary tsy asiana fanakavahan’olona, sady ao am-Piangonana no anaovana izany fa tsy an-trano. «Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, fa tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.» (Heb. 13:17). Izay rahalahy na anabavy manana olana am-panambadiana, na sendra fisaraham-panambadiana, ka tsy mety hitondra izany eo anatrehan’ireo minisitera natsangan’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana, dia mamita-tena. Satria tsy manaja ny mpiandry ondry sy ny Tenin’ Andriamanitra izy ireo, fa mandeha amin’ny làlany manokana, izany hoe maka mpisolo-vava izy ireo ary manatona ny mpitsara, ataony fa ireo no manam-pahefana ho an’ny mpino. Ny mpino iray tojo olana am-panambadiana ka avy hatrany dia mitady vaha-olana any amin’izao-tontolo-izao, dia mametraka ny tenany eo ambanin’ny fifehezan’ilay “ratsy“, ka noho izany dia mioko mivantana amin’i Kristy, ilay Lohan’ny Vatana izay ny Fiangonany, ary manafoana ny Tenin’Andriamanitra ny aminy. Na lehilahy izy na vehivavy, na izy no tonga voalohany tamin’ny mpisolovava na tsia, aoka ho fantany fa ny fanaovany izany dia manameloka azy ho miteny ratsy an’Andriamanitra, satria izany dia mety mitarika ny famingavingan’ireo tsy mpino sy ireo hafa rehetra, kanefa ireo dia anisan’ny novidin’ny Tompo lafo ihany koa. Matetika dia ireo izay manana ny fahadisoana indrindra no manapaka ny fanambadiana, ary misaraka amin’ny fiombonana ara-Baiboly, satria tsy afa-mitoetra ao am-piangonana intsony izy ireo noho izany. Mazoto mihitsy ireo diso ireo milaza fa misy tsy metimety ao amin’ny Fiangonana sy amin’ireo mpiandraikaitra ny fanompoana. Izy ireo ihany no hitany fa manana ny marina, saingy araka ny fijerin’ny Soratra Masina, dia tsy manao izy ireo afa-tsy ny mamela ny devoly hanimba azy, sy ny hafa koa. Miharihary fa tsy anisan’ny ondry izay mihaino ny Feon’ny Mpiandry tsara ny olona izay tsy mety hanaja ny Tenin’Andriamanitra, satria na lehilahy izy na vehivavy, dia nateraky ny Teny-Voa — eny, na efa nahazo ny Batisan’ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy aza. Amin’izany indrindra dia miresaka zavatra mahasoa ny rahalahy Branham raha milaza fisiana “faribolana“ telo, izany hoe sehatra telo, dia ny fanahy, ny saina ary ny vatana.
Hoy indrindra izy ao amin’ny toriteny tamin’ny 15.08.1965, hoe “Et vous ne savez pas“ (Par.127): “Fa izao, mety ao amin’io faritry ny saina io ny olona no miaina, mandihy ao am-panahy, mihiaka ao am-panahy, mandeha any am-piangonana am-panahy, ary mety voahosotry ny Fanahy Masina koa ao amin’io sainy io. Kanefa dia very izy ary ny demonia no manjaka aminy, ao amin’io sainy io.“
Ny manana ny marina dia ny Tenin’Andriamanitra irery ihany; ankoatra Azy dia tsy misy; ary izay olon’Andriamanitra dia mihaino ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 8:47). Izany no voasoratra, ary sambatra izay mampihatra izany. Tsy mahazo mitanila amin’ny andaniny na ny ankilany ny mpiandry sy ireo loholona, ary koa tsy tokony hanana roim-pihavanana aminy. Tsy maintsy ny Soratra Masina ihany no iaingany, ary tsy hamoaka ny heviny samirery izy. Fa ny fanapahan-kevitra farany dia apetraka amin’ireo olona manana ny olana, ary amin’ireo ihany, satria izy ireo no hampamoahina amin’izay ataony. Araka izany koa, dia tsy maintsy izy roa miaraka no iresahana, fa tsy ny iray ihany, mba ahafahan’ny tsirairay miteny mikasika ny fanakianana sy ny fanomezan-tsiny atao aminy. Raha tsy izany no atao dia mety ho zava-doza izay tsy nampoizina no hitranga. Satria ho afaka hamafy izay lainga sy fanaratsiana tiany atao ny tsirairay. Kanefa, toy ny hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 6, ireo mpanaratsy, toy ireo mpangalatra sy mpanao an-keriny sy mpanompo sampy sy sodomita sns, … dia tsy mba handova ny Fanjakan'Andriamanitra. Raha ny fitsarana kosa, dia mandidy ny Tompo hoe: «Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.» (Lev. 19:15-16). Matetika i Paoly dia mampitandrina toy izao, hoe: «Aza manome fitoerana ho an'ny devoly (ilay mpanaratsy).» (Efesiana 4:27). Ny olona mitandro ny fiombonan’ny fanambadiany dia mametraka ny tsiambaratelo ao amin’ny toerana tokony ipetrahan’izany, dia ao an-trano. Tsy maintsy miaraka mandinika ny zavatra rehetra ireo mpivady, fa tsy mifanakiana. Ifampiresahany ny zavatra rehetra fa tsy ifandirany, ary iarahany mitondra am-bavaka. Tsy maintsy maharitra koa ny tsirairay hanome fotoana ny ankilany andraisan’ ny ankilany izay voalazany sy itsakotsakoany izany. Misy foana olana ao amin’ny fanambadiana sy ao amin’ny fianakaviana izay tsy maintsy itadiavam-bahaolana, fa na manao ahoana dia mety ampiharina ity teny ity, hoe: «… Mihavàna tsara.» (1 Tes. 5:13). “Azo atao ny zavatra rehetra raha mino araky ny Baiboly“ ary “Tsy hita ny làlana iraisana raha tsy iray koa ny sitrapo“. Rehefa tsy sitrapon’ny olona intsony ny manohy, dia tsy mitady làlana iaraha-mamindra intsony izy. Ny olona izay mitondra ny olam-panambadiany ho fantatry ny olon-drehetra dia mivadika amin’ny vadiny, mamono ny fifampitokisana, ary mametraka ny tenany amin’ny tsifiverenan-dàlana intsony. Tsy afaka miverin-dàlana intsony izy, ka mitarika azy ho mafy fo izany. Dia mihazakazaka amin’ny fahaverezena izy, tsy miraharaha izay ho voka-dratsy sy ny olona izay mety ho voasarika na ho voaratra amin’izany. Voasarika daholo ireo rehetra izay maheno ny zavatra. Amin’ ny alàlan’ny resaka mitanila mikasika ny iray amin’ireo nisaraka, dia miforona hoazy ny fitokoana mahatonga fivakisana, tsy eo amin’ny mpivady ihany, fa ao amin’ny fianakaviana koa, ary ao amin’ny Fiangonana. N’aiza n’aiza hisy faka mangidy mitsimoka dia ho maro no voaloto, ka ny ankamaroany dia ampirehetin’ny afon’ny helo ny lelany. Izany fomba izany no efa nanapotehan’i Satana fiangonana maro. Tsy ny lazan’ny olona ihany no vonoiny fa ny fanahiny koa. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy tsy natao itsaontsaona mikasika ny tantaran’ny fianakaviana izatsy, na fianakaviana izaroa. Fa ireo zavatra be voninahitra vitan’Andriamanitra tamin’ireo no tokony ho tantarainy, fa tsy izay ataon’ny devoly no aeliny etsy-sy-eroa. Ny fijoroana vavolombelona ho an’Andriamanitra tena izy dia tsy mba manomboka amin’ny hoe: “Moa efa henonao fa…?“. Aoka ho fantatry ny rehetra fa ny fampielezana fanaratsiana dia fanesoran-tena tsy ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’izay manao izany. Tsy misy izany fahasoavana mora azo izay ianteheran’ny sasany izany; tsy misy afa-tsy ilay fahasoavana izay novidina lafo. Ny saran’ny fanavotana dia ny Rà sarobidin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Nanontany i Davida hoe: «Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? — Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.» (Sal.15:1-3). Tsy ho anisan’ny Fiangonan’ny voalohan-teraka, afa-tsy ireo izay manaiky ho tsarain’ny Teny, manaiky ahitsy sy ho fehezin’ny lamina ara-Baiboly. Ny olona izay manao tsinontsinona ny Fiangonan’Andriamanitra sy ny asan’Andriamanitra dia nohajambain’ny fieboeboany, ka voafitaka. Ireo hevitra rehetra arosony mba hilaminan’ny fieritreretany dia tsy hisy lanjany na kely aza amin’Andriamanitra sy anatrehan’ny Fitsarana tampony. Ny hany manan-danja Aminy dia tsy misy afa-tsy izay nodidiny sy nobaikony, Izy mihitsy. Ny olona iray izay faly fa afaka indray, kanefa namela ratram-po sy fahorian-tsaina tamin’ny hafa, dia nohajambaina.
Azo atao ve ny minia manohitra ny Tenin’Andriamanitra kanefa sady miseho ho ara-panahy izaitsizy no mihevi-tena ho singan’ny Fiangonana-Ampakarina? — Tsia! tsia dia tsia! tsy manaiky izany Andriamanitra! Isika tsy maintsy mino ary mihetsika toy ny voalazan’ny Soratra Masina. Ankehitriny, mitondra ny Fiangonany ho amin’ny fahatanterahany ny Tompo. Ary toy ny tany amboalohany, dia ho iray-fo sy iray-saina io Fiangonany io. Izy izay Lohany, izao dia manambatra ho eo ambaniny ny Vatany izay manana singa maro. Imbetsaka ny rahalahy Branham no nilaza fa ilaina ho voambara amin’ny tsirairay ireo zavatra mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana. Tsy mihevitra “fanambarana manokana“ izy amin’izany, fa ilay fanambarana omen’ Andriamanitra mihitsy, rehefa avy namaky ny famelabelarana ireo andalana rehetra ao amin’ny Baiboly.