NY FANAMBADIANA: OLANA TRANAINY

IREO MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

« »

Raha mandinika ireo mpanompon'Andriamanitra isika dia mahita fa tsy nanadihady ny mikasika ny tsirairay tamin’izy ireo Andriamanitra. Nalainy fotsiny izay tiany, na nanam-bady io na mpitovo. Ny fiainana nandalovan’izy ireo dia samy hafa avokoa. Zavatra maro voatatitra ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana no ahitantsika mikasika ny fiainan’ireo lehilahin’Andriamanitra ireo. Ohatra, hitantsika ao fa i John Wesley dia nanambady mananotena nanan-janaka, ary ory indrindra tao amin’ny fanambadiany. Saingy tsy nisy tamin’izy ireo nanohitra ny natiora, lasa sodomita na nijangajanga.

Ny fantatsika fotsiny dia nijangajanga i Davida, na efa maro be aza ny vadiny. Tsy vitan’izany fa mbola nataony izay nahafaty ny vadin’io vehivavy nalainy io. Dia sarotra amintsika ny misaina fa taorian’izany dia mbola afaka nihira Salamo i Davida, na efa avy namorona Salamo fibebahana lalina maro aza izy.

Na manao ahoana, ny mitoetra dia tsy manenina ary tsy miverina amin’ireo fanomezam-pahasoavany sy Antsony Andriamanitra. Izany no izy, ary naneho ny Fahalehibiazany aza ny Tompontsika, raha niantso ny Tenany ho “Zanak’i Davida“ amin’ny maha-Mpanjaka Azy. Navelan’Andriamanitra hisy ny fahotan’i Davida mba anehoany, sahady tao amin’ny Testamenta Taloha, ny fandresen’ny fahasoavana sy ny famindram-po (Rom.4:7-8). Tsy manaiky koa Izy ankilan’izany, na iza na iza hanakiana ireo Mpanompony. Izany no voasoratra ary mitoetra mandrakizay ho tsy maintsy ankatoavintsika: «Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.» (Sal. 105:15), sy ny hoe: «Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.» (Rom. 14:4).

Enoka no ilay hany tokana tsy notanisana fahadisoana manokana. Naseho taminy ny hiavian’ny Tompo miaraka amin’ireo masina analin-kisa hanatanteraka ny fitsarana (Joda 14-15). Nanambady sy niteraka zazalahy sy zazavavy izy, ary niara-namindra tamin’ Andriamanitra. Tamin’ny faha-365 taonany dia nampakarina izy. Voambara talohan’ny nampakarana azy fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. Mpandimby fahafito an’i Adama izy, sy tandindona ho an’ny Fiangonana-Ampakarina, izay ho tonga amin’ny fahatanterahany ao amin’ny taom-Piangonana farany, ary hahazo ny fankasitrahan’ Andriamanitra, satria ho tsy misy pentimpentina na fikentronana; .fa ao amin’ny hatsaran-tarehy be voninahitra no hanodrosoany eo anatrehan’ny Mpampakatra azy avy any an-danitra. Isika izay mbola ho velona amin’ny Fiavian’ny Tompo, dia tsy handalo fahafatesana, tahaka an’i Enoka koa, fa isika hovana.

Nanambady ary nanan-janaka telo lahy i Noa: izy dia mpitory ny fahamarinana. Raha tratry ny fahamamoana mahamenatra izy dia nahalala ny voka-dratsin’ny fitiavan-divay. Nahita ny fitanjahan-drainy i Hama zanany, dia nijery, avy eo niresaka izany, nanao tsinontsinona an-drainy; dia nitarika voka-dratsy izany. Rehefa afaka ny hamamoan’i Noa, dia naminany toy izao izy: “Voahozona anie Kanana“, zanak’i Hama. Misy sokajim-pahotana izay sazin’Andriamanitra amin’ny hozona, satria izao no voasoratra: «Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny!» (Deo. 27:16). Voafatotra amin’ny Teny rehetra Andriamanitra, ary ankehitriny, ny hozona dia miampita amin’ny taranaka mifandimby, amin’ireo izay manamavo na manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Sambatra ireo zanaka izay mahazo ny tso-dranon-drainy, tahaka ny nataon’i Jakoba.

Nanambady an’i Saraha i Abrahama, ary naka an’i Hagara ho vaditsindrano, ary rehefa maty i Saraha, dia nanambady an’i Ketora izay mbola niterahany enina izy.

Nanana vady sy vaditsindrano maro i Jakoba, izay niterahany ireo rain’ny fokon’ Isiraely. Voatantara ao amin’ny Boky masina izany, hatramin’ny antsipirihany, ohatra toy ny nitiavany kokoa an’i Rahely noho i Lea. Tsy nanakiana azy Andriamanitra tamin’ny hafetsifetsena sy fitapitaka nataony mba nahazoany ny fizokiana. Niantrany izy ary notahiny. Ny fon’ireo Olom-boafidiny no hitan’Andriamanitra, ary tsy manisa ny fahotany Izy. Ny lehilahy iray mpametsifetsy sy mpamitaka dia novan’Andriamanitra ho miaramilan’ Andriamanitra, izay nitolona mandra-piposahan’ny masoandro, mandra-pisandratan’ny andro iray vaovao.

Mosesy efa nanambady an’i Zipora, kanefa mbola naka vehivavy etiopiana iray, ary izany no nahasorena an’i Myriama anabaviny sy Arona rahalahiny taminy (Nom.12). Nitombina izany fahasorenana izany satria fahavetavetana teo imason’Ilay Mpanao Lalàna izany. Kanefa ny Tompo tsy mamela na iza na iza, na anabavy sy rahalahy ara-nofo aza, hanendry ireo Voahosony. Tsy azo halahatra amin’olon-tsotra izay miankina amina fokom-pirenena iray ireo Mpanompon’Andriamanitra ireo. Asa ambony indrindra eto amin’ny tany no iandreketany. Tsy nibedy an’i Mosesy Andriamanitra, fa nanome rariny azy, ary nanasazy an’i Myriama tamin’ny aretina fahabokana. Izy ihany anefa no nanoratra ny teny nivoaka ny vavan’Andriamanitra hoe: «Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy…» (Eksodosy 21:10). Koa izao no fotoana farany izay hifehezantsika ny lelantsika, mba tsy ho foana ny fanompoantsika an’Andriamanitra.

Elkana, rain’i Samoela, dia nanana vady anankiroa, Ana sy Penina. Samoela dia zanaka azon’i Ana noho ny vavaka nataony, ary nitoeran’ny fitahian’Andriamanitra. Gideona dia nanambady maro ary niteraka zazalahy 70 tamin’ireo. Nahavita asa lehibe nandidian’ny Tompo azy izy, kanefa nitarika ny zanak’Isiraely tamin’ny fanompoan-tsampy tato aoriana. Eo koa ny tantaran’i Samsona, sy ireo maro hafa. Tsy tena fantatsika loatra ny amin’ny fanambadian’ireo mpanompon’Andriamanitra sasany. Izany dia maneho fa amin’Andriamanitra dia tsy manan-danja loatra ny mikasika ny zavatry ny tany raha ampitahaina amin’ireo zavatra mihoatry ny voajanahary. Mikasika an’Isaia, ilay mpaminan’ny Testamenta Taloha izay naneho tsara indrindra ny tantaran’ny Famonjena, dia izao no vakintsika ao anatin’ny faminanina iray: «Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza [Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana].» (Isaia 8:3). Tsy voalaza amintsika iza io mpaminanivavy io. Tsy misy fantatsika ny amin’i Jeremia, afa-tsy ny hoe efa natokana ho mpaminanin’ny Jentilisa izy hatra tao an-kibon-dreniny, ary voantso hanao ny fanompoana izy raha mbola tovolahy. Ny mpaminany Ezekiela dia nentina tany Babylona niaraka tamin’ireo Jiosy mpiray firenena taminy. Raha mbola niresaka tamin’ny vahoaka izy ny maraina, ny harivan’iny dia maty ny vadiny (Ez. 24:18).

Ny mpaminany Hosea dia nilazana hoe: «Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; …» (Hos. 1:2). Tsy mba ho niteny izany tamina mpisorona na mpisoronabe ny Tompo, satria ny Lalàny ihany no niteny fa tsy mahazo manambady afa-tsy virjina ny mpisorona. Hosea dia niteraka tamin’io vehivavy janga io zazalahy iray “Jezirela“, zazavavy iray “Lo-rohama“, ary zazalahy iray “Lo-Amy“. Dia gaga isika maheno izany. Fa izany no nanehoan’Andriamanitra mialoha ny tantaran’ Isiraely sy ny Fiangonana (Rom. 9:24-27).

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia endrika samihafa ana mpanompon’ Andriamanitra no hitantsika. Nanambady i Petera, fa Paoly tsy nanambady. Notakina tamin’ireo diakona sy loholona ny hanana vady tokana (1Tim. 3 sy ny hafa). Tsy notakina izany tamin’ny apostoly sy mpaminany, mpampianatra, sns. Amin’izany koa dia tsy maintsy ampiharintsika tsara ny Tenin’Andriamanitra hitandremantsika ny amin’ny zavatra lazain’Andriamanitra sy amin’izay ilazany izany. Tsy mety ve raha isika rehetra mba mamerina mamaky indray ny Tenin’Andriamanitra, ka tsy asiana fisainana mialoha fa vakina fotsiny izay voasoratra?

Ny hany mba voalaza mikasika ny fiainana manokana an’i Petera dia voan’ny tazo mahery ny rafozambaviny, ary nositranin’ny Tompo. Tsy hananantsika fahalalana mihoatra izany koa mikasika ny fiainan’ny ankamaroan’ireo apostoly. Fa Paoly, toa nanao tora-po raha niteny hoe: «Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo va ianareo… Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny anabavy va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?» (1 Kor. 9:6). Ireo rahalahin’ny Tompo, Jakoba sy Joda, araka izany, dia nanambady. Ao amin’ny Galatiana 1:19 i Paoly no milaza an’i Jakoba ho rahalahin’ny Tompo, ary Joda manondro an’i Jakoba ho rahalahiny ao amin’ny andininy voalohan’ny epistiliny.